Manahoana ee, manasa hisakafo eee

1. hery ( 24/02/2005 13:02)
Mifindra kely indray isika. Inoako fa toa izao daholo ny ankamaroan'ny ambanivohitra ao Madagasikara. Rehefa tonga amin'ny toerana hafa (Renivohitra na andafy) dia miova tanteraka ilay fomba.

Ny any amin'ireny ambanivohitra ireny an, arahabaina daholo ny olona rehetra mifanena amin'ny tena... na dia tsy fantatra aza. Ohatra hoe avy ao aminay (Antanisoa, akaikin'i Mamoeramanjaka, firaisan'i Morafeno, Fivondronan'Arivonimamo :D ) ka mandeha miantsena (lalana 15 km raha kely indrindra) dia rehefa misy mifanena aminao dia arahabainao... "Manahoana eee"... dia mamaly hoe "Tsara fa misaotra, nareo no manao ahoana?" dia valiana hoe "Salama"... Izany rehetra izany dia atao amin'ilay mifanena iny fa tsy voatery mijanona. Raha mifankafantatra dia mijanona sy mifanatsara mihitsy. Tsy mikaonty io na impiry mifanena na impiry.

Raha ohatra ka alavidavitra ilay olona dia mikiakiaka mihitsy miantso hoe "Manahoana eeee"... dia mitovy amin'ilay teo ihany fa ny feo no atao avoavo.

Raha mipetraka indray ny iray na tsy mihetsika... na dia alavitra aza (50 m) ka takatry ny feo dia miteny hoe "Azafady eee" dia mamaly ny iray hoe "Ndao ooo" :-) tsy mikaonty koa hoe i leiry io ve mipetraka andalana sa sns...

Farany raha misakafo ianao no misy olona mandalo, na eny amin'ny 50 m aza izy no mandalo (raha mbola takatry ny feo) dia miantsoantso hoe "Manasa hisakafo eee"... dia ilay mandalo miteny hoe "Misaotra kouuu"... raha ohatra ka manatona tampoka ilay olona asaina (rehefa manadala olona aho dia tonga tokoa) dia tsy maintsy omena amin'izay anananao eo... Ny olana fotsiny dia tsisy sotro na lovia hafa eo fa dia miray sotro ( 8-) ) sy miray lovia.

Izany no fomba any ambanivohitra isankarazany ao Dago... rehefa tonga @ toerana hafa dia manjavona daholo izany. Tsy mifampiarahaba na dia mpiray vodirindrina aza. Tsy mamoha trano rehefa misakafo na dia misy namana tonga aza. Tsy manao azafady na dia efa hanitsaka izao aza... Niova tokoa ramalagasy.
répondu par majakely le 25/02/2005 08:34
2. Ramaso ( 24/02/2005 15:23)
nianarako t@ anthropo io d nisy mpandinika izay nikozy we raha vo tanana be tomobil sy bebe zavatra mandeha courant hono de lasa manjavona ho azy io fomba io.
na any Afrika io ( ireny kalahari sy ny sisa ireny.. jereo les dieux sont tombes sur la tete) na Asia na any Amazonia na any Amerika(misy ny peaux rouges) na any Oceania (maori sy ny sisa any neo zelandy) sy ireo iles kely isankarazany any
3. ikaretsaka ( 24/02/2005 19:52)
to aiznay tokoa hono..
nisy fiteny izay kivakavalana mpihira gasy heo :

"ny jiro (ekektrisite) no nanimba fihavanana"
Ny dahalo no mamotika fananana

Ny valala zao tsy hifanapahana
fa tia tena izay mba nanana
na paraky indray mandrapaka
tsy mba omeny sefa tapaka!"

(To i sahondrafinina io raha tsy diso za)

4. fijo ( 25/02/2005 00:15)
indrisy fa marina daholo izany.
5. majakely ( 25/02/2005 08:34)
Andao ary isika hanova izany toe-tsaina izany ka na dia hataon'olona hoe /ity kouh GVT miarahaba fôna dia tsy mampaninona ,.Ary ny hitako koa ny olona amin'izao toa marary ny ao anaty ka mila fanasitranana fa indrindra ny aty ivelany!ny deprésiô eeeeh !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.215