Sekezem tantara kely :-)

1. hery ( 15/02/2005 18:11)
Resaka sekezem... tantara kely noforonina hampitsiky :-)

Misy mpivarotra voninkazo anankiray teo Anosy... voninkazo karazany roa ihany no namidiny, dia raozy sy lisy. Teo ambony etalazy no nametrahany azy... raozy be dia be sy lisy be dia be... tena maro e. Amoron'ny arabe no misy an'ilay mpivaro-boninkazo ka izay mahita dia mitsiriritra avokoa. Nanomboka nitangorona ary ny olona. Nifandamina ary ny mpijery hoe andao ery ampita isika no mijery fa tsy omby intsony eto. Dia lasa niampita daholo. Naka seza mihitsy ny sasany. Nony ela dia faly ilay mpivaro-boninkazo ka niteny hoe mahazo maka voninkazo izay tianareo ianareo an. Fa olona iray maka voninkazo anankiray. Dia nitsangana ny tovovavy anankiray dia naka raozy. Ny sasany kosa tsy nitsangana. Rehefa elaela dia niverina nitsangana indray ilay tovovavy naka raozy hafa, dia niverina nipetraka. Afaka elaela dia nitsangana indray ilay tovovavy naka raozy... raozy tsinona no tena tiany. Nony farany lanin'ilay tovovavy ny raozy. Lisy sisa no teo ambony étalazy. Dia nisy tovolahy iray nimenomenona hoe fa maninona no niverimberina naka voninkazo teo iny tovovavy iny ramatoa mpivarotra? Sady nampiany hoe "Leo be izahay fa manjary lisy sisa no banjininay". Dia hoy ilay mpivarotra "Samy navela haka voninkazo teo ianareo, ny azy raozy no tiany dia iny no nalainy ka tsy hitako izay hadisoako... izay no tiany". Niakatra ilay ranamana sady niteny hoe "Hay! Sekezem izany no atao eto!!!"... dia nitsangana izy dia noraisiny tamin'ny vozon'akanjony ilay tovovavy hafa teo ankaviany... sady nolazainy hoe "Hoporofoiko aminareo fa tsy mety ny sekezem"...

Ny tantara dia mbola mitohy :-)
répondu par pitchou le 25/02/2005 19:08
2. Fanja1 ( 15/02/2005 18:29)
:-D :-D
3. pitchou ( 15/02/2005 19:43)
tsy nampiakatra lohalika malaky b v le tovovavy? hihihi
4. ikaretsaka ( 15/02/2005 22:41)
ha.... ny vehivavy koa manko dia "voninkazo" ny fiantsoana azy!.. dia iny no nalainy ko!
=))
5. fijo ( 15/02/2005 22:44)
ka le cekezem mihintsy no olana indraindray ko
6. ikaretsaka ( 16/02/2005 00:48)
ka izay ange hoa e
7. Ramaso ( 16/02/2005 05:12)
izay no nnidemotreko ko..
azo nafeninanyraozy de notsinjovina ny sasany nge e
8. SOBIKA ( 16/02/2005 09:00)
Fa mainona kosa aza izy no de norohitina t@ vozonakanjony eo: eo ve asaina maka tsy maka fa lôzana amitombina koa refa nampiseho ny fitiavany ndray le sipa vô hoe f'angaha sekezem io! izy aza tsy nahatsapa izany fa le specta no nansisy sira we sekezem ! zany ndray le we refa lasa ny alika v^mangorombato eh!!! zany eo eo tsy taitra koa refa taitra irery vao manangabozona!!! ndrôo de ho siso fôna ve zany ny vehivavy raha maneho ny heviny! :?:
9. ikaretsaka ( 16/02/2005 14:49)
satria io le ao anaty baiboly hoe tsy mahay nitantana ny raoziny e..
azo nampirimina kely ange le raozy na iznay aza e
10. pitchou ( 16/02/2005 18:15)
hita taratra @ le tantara nataon'i hery alou fa tara saina ny lhl e! d rehefa avy eo mihevitra fa fanenjanan-tsandry no hany fomba azo hanarenana ny ... fahataran-tsaina!
11. ikaretsaka ( 16/02/2005 18:16)
fa fanenjanan'inona indray try pitchou ny tokony hatao?? aza ratsy saina eo an!!
=))
12. pitchou ( 17/02/2005 18:18)
karetsaka> fanenjanana poketra! tssss enao ty d tena tssss! jereo fa vao maika marina le nolazaiko eo ambony io! :-*
13. ikaretsaka ( 17/02/2005 21:28)
ka tsy azoko hoe inona ny tokony ho henjanina koa e :roll: :-D
14. pitchou ( 18/02/2005 18:59)
sa ny tadim-poketra ve?
15. Ramaso ( 18/02/2005 19:01)
ary tian'i tantine mihitsy ity zavany lenalena sy ny zavatr'olona mihenjankenjana ty ka :roll:
16. cutie ( 19/02/2005 23:59)
i hery ve no namorona an'le tantara??
:-D :-D :-D :-D :-D
17. cutie ( 20/02/2005 00:00)
oups hay mou hery ka . :*
Tsy hitako le soratra tery ambony .
18. Ramaso ( 20/02/2005 05:52)
raha vary napetraka teo io dia mety interessant fa saingy voninkazo de tsss
19. pitchou ( 21/02/2005 19:00)
ramaso> amoahako fekibo enao marina @ farany an! :-*
ngah ramaso tsy tia voninkazo indray?
20. Iriniaina ( 21/02/2005 20:02)
veleso mintsy akia ry pitchou an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2793