Fivavahana, fitaizana, fahalalahana, fitsorana, filazana ny

1. ikaretsaka ( 05/02/2005 01:28)
APETRAKA NY ALA TSINY ALA FONDRO ALA SATROKA... TSY NATAHO HAMPIADY NY ARA PINOANA ITY FA ERITRERITRA TONGA TATO AMIKO FOTSINY.. KA AOKA INDRINDRA TSY HI RAISINA @ IZANY
mba reflexion sy eritreritra sendra mandalo vokatry ny zavatra hitako tato ity ary @ relative observation @ fihetsika sy fisainan'ny namana rehetra mpamaly forum .. aberiko ihany tsy mammely antokompivavahana iza sy manome vahana an'iza aho an fa gaga ihany heo misy effets sy mifandray ve ny fivavahana .. ny fahalalantsaina ary ny honettete eto.

nytsapako

1)ny olona lehibe sy notezaina ao @ antokompinoana protestata dia somary renfermee iznay @ resaka sasany ary nmisy aza hita be hoe mandainga mihitsy manao ilay zavatra izy fa tsy miteny hoe manao.. indrindra ny resaka honesty sy ny filazana ny momban tenany amin'ny olona noho ireo olona miaina sy notezaina t@ finoana hafa toy ny katolika ohatra..
zavatra tsapa eto manko fa raha olona hoe notezaina na mihaina @ foto-pinoana ankoatran'ny protestanta dia raha anontanianao zavatra hafa momban'ny fiainany na ny ataony ohatra dia tonga de mitsotra ireo hoe hoe za manao an zao na manao an izao.. na hoe reviko ny izao na tsy dia azoaoko loatra izao ..
ary lasa tonga dia miharihary hoe valintenina olona @ zao antokompinoana izao izany!!

2) Raha anaovana blague sy anontaniana sy anaovana resaka kivalavala ny protestant (jereo ilay resaka teto hoe pasitera sy ny firaisana sy hoe maninona i pasitera no manana zanaka bedebe) dia tinga de misafoaka nefa zavatra marina dia marian izany!----- nefa raha ny katolika aman-tapitrisany ny resaka mopera mamangy masera sns.. tsy misy misafoaka sy resabe!!!

nyantony
(OPINION KO ZA MANOKANA ITY AN)
Ny katolika ve vokatr'ilay zatra ilay mikofesy sy milaza ny fiainany dia tsy mampaninona azy ny miteny na resahina izany (tsy offended izy)
de lasa miteny sy directe ny katolika de milaza ny zavatra hitany @ societe !
Vokatr'ilay esprit genereux @ katolika ve io sy le esptit " be big deal" an'ny protestant???

MISOKATRA NY ADY HEVITRA
AOKA NY FANONTANIANA HO HOVALIANA AZAFADY FA TSY HIADY ARA-PINOANA
répondu par pitchou le 25/02/2005 20:27
2. cutie ( 05/02/2005 04:30)
efa nandeha teto anga le resaka katolika sy ny sisa .?
3. ikaretsaka ( 05/02/2005 15:16)
nandeha fa nofafana
4. kinaoly ( 05/02/2005 16:41)
hevitro kou ty fa tsy fitifirana na fanaratsina akory : ny protestanta (sasany) notezaina anatin'ny culture de l'image de soi (ny fomba fijerin'ny ol ivelany no mibahana) : misy lalana (règles tacites) hatr@ akanjo anôvana rehefa mande miangona, ny hierarchie ao ampengonana manginy fotsiny - vitsy no mahasahy mijoro marina @ finoany ka mitonona imason'ol we fervent, tsy mbola nahita fampianarana fiainana (sexualité vie de couple) aho tany @ fengonana efa hitakou, lasa ôtsan'ny we obligation sociale le finoana any fa tsy conviction tsony
ny katolika kosa : ny finoana no mandeha alohan'ny zavadrehetra, misy ny fikambanana tanora any de miresaka malalaka ny firaisana sy ny fanontanin'ny fiainana, misy fenarana manambady :)
maro kokoa ny katolika mitonona we chretien convaincu
tsy fanaratsiana wa io fa constat tsotra fotsiny
5. ikaretsaka ( 05/02/2005 17:00)
misaotra an'i kinaoly nizara..
ny ahy aloha ny nahitako an'io de hoe nisy effets ny ve iznay ilay hoe katolika sy ilay izy mikonfesy dia hoe zatra mitantara ny fiainany koa sy heo tsy mampaninona azy izany manaohonette izany
6. pitchou ( 05/02/2005 18:51)
sao d kosa ny protestanta gasy fomba kokoa ka manakaiky le we tokatrano tsy ahahaka, fiainan'ny tena tsy tatatataina eny an-dalambe (satria an'ny tena fa tsy an'ny vahoaka) ... sns? Tsy tokony adino angamba koa hoe avy taiza moa ny finona protestanta dia avy taiza ny finona katolika! fa tena probleman'ny konfesy ve izany? sady ny konfesy d tena resaka tsiambaratelo ary manamafy kokoa aza ny tsy fizarana izay mahazo fa tsy fanazarana hitantara @ ze olona rehetra izao ze rehetra mandalo ao an-tsaina na mahazo ny tena!
izaho mahita we resaka fitaizana io, satria resa-pianakaviana ny fivavahana aloha, vao resaka fivavahana! désolée ho an'izay hisendaotra @zany fa izay no izy!
Jereo fotsiny hoe ny fianakaviana sahala @ ahoana moa no tena mpiangona any @ katolika ary ny fianakaviana sahala @ ahoana no tena mpiangona any @ protestanta! na eo @ mpitondra fivavahana aza dia mipetraka ihany io fiavahana io: olona sahala @ ahoana no lahandohan'ny mpisorona (na katolika io na protestanta) d sahala @ ahoana ny hafa! tsy tongatonga ho azy izany fa hierarchie tiana napetraka sy tiana tazonina!
Dia rehefa avy eo, ny fitaizana ao @ fianakaviana misy akony b d b @ toetran'ny olona (na tiana na tsy tiana!)! fa angamba tsy fahadisoan'ny antokom-pinoana mihitsy akory! sao d hisy hiteny indray eto hoe misy izany ny antokom-pinoana baranahiny an!
7. hery ( 05/02/2005 20:41)
Izaho koa tsy dia d'accord loatra amin'ilay hoe resaka fivavahana no mahatonga an'io. Betsaka ny facteurs iainan'ny olona... ireny facteurs tsirairay ireny dia manova ny fiainany daholo. Ka izay indrindra no tsy hifanomezana tsiny eo amin'ny fomba fiainana. Tsy mitovy ny fanabeazana noraisina... tsy mitovy ny hafainganan'ny fandraisana ny zavatra avy any ivelany... Misy ny olona izay mbola manaja fatratra ilay atao hoe "Tokantrano tsy ahahaka"... valeur iray lehibe izany ho azy ka tsy azo ambaniana mihitsy. Tsy hoe tsy civilisés akory ny olona rehefa tsy mampiseho anao izay any anaty poketrany... fa iny no hareny tsy hitovizany aminao ka rariny raha tazominy ho azy irery.
Misy na dia katolika aza, dia tsy dia mba tia miseho etsy sy eroa... satria ohatra tsy mba nobeazina tamin'izany... izay azo lazaina hoe fisainana tandrefana (eoropeana fa indrindra amerikana).
Misy koa na dia katolika miaina amin'ny kolotsaina tandrefana aza dia diso fanantenana tamin'ny fitokisana olona be loatra dia nanapa-kevitra ny tsy hiteny ny marina eo amin'ny fiainany intsony. Fa na izy miteny lainga... na tsy miteny mihitsy. Dia omena tsiny amin'izany ve izy?

Taloha aho miteny foana hoe ataovy amin'ny tenanao aloha izay tianao hatao amin'olona... fa amin'izao dia hitako hoe tsy mitovy ny olona ka na dia ataonao amin'ny tenanao aza dia mety mbola tsy tokony hataonao amin'ny olona.

Dia izay no hevitro e... fitaizana, finoana, toerana ipetrahana, taona, namana... zany rehetra izany dia mety hahatonga ny olona hikombokombona (tsy hoe tsy honnete izy fa indraindray aza vao mainka honnete amin'ny tenany).
8. kinaoly ( 06/02/2005 08:42)
sarotra be ny hametraka we ny fivavahana "ihany" no mamaritra an'izany, fa manana ny anjaratoerany kosa anefa izy eo @ io zava-misy io.
raha tsy diso aho dia ny sehatry ny fivavahana no resahana eto, zany we tsy raisina en compte ny facteurs hafa ivelany, ka izay no nahatonga ahy tsy niresaka ny antony hafa (valeur-hafa-familiales et culturelles)
fanamarihana : manaiky sy manaja an'ireo zay tsy te hilaza ny momba azy koa anefa aho satria manana ny antony -heveriny fa marina-izy. tsy voatery ho takatry ny hafa foana izany fa ny fehizoro de ny fanajana ny safidin'ny sasany :D
9. pitchou ( 06/02/2005 19:34)
ka ny fivavahana ange ry kinaoly mametraka valeur culturelle koa @ olona e! ary indraindray aza ny valeur culturelle (sy ny notions de valeur hafa) no mahatonga ny olona hisafidy ny finoana tiany arahina, fa tsy mionona hoe satria katolika ny razambe d katolika ny raiamandreny d dofisy katolika!
tsy satria hoe be resaka ny teo alou d b resaka daholo ny taranaka!
10. Ramaso ( 06/02/2005 19:52)
zay wa.. dadanay zao proty fa za katolika de ahoana
11. ikaretsaka ( 06/02/2005 21:46)
ny fahitako an'io indray dia na niova finoana ianoa na nanao apostasie dia rehefa hiainanao le finoana de izay no mikaonty.
za zao katolika ny razambe dia katolika ny ray amandreny de d'fisy katoliak za fa iainako le izy de sady "valeur familial le izay no cultural no religious"
12. lo ( 07/02/2005 05:15)
le resaka valeur araky ny efa voalazan'ny sasany etsy ambony no tena antony rah ny hevitro fa tsy d we le resaka finoana irery. Samy manana ny valeur mi-domine ao aminy ny olona ka io no mibaiko ny fihetsiny, diniho fa tsy mitovy ny fomba fihetsika sy fiaina na d samy we katôlika (na protestanta) aza. Na d le we mikôfesy aza v d mino nareo we milaza ny fahotany reetra daôly ze mikôfesy? mety hiteny ianao we anazy manokana ndray zay. d zay nefa le izy, tsy misy stéréotype ny comportement fa miova arakarak'le ol, arakarak'le système de valeur itondrany ny tenany, nitaizana azy, noraisiny teo amin'ny fiarahamonina.
13. Ramaso ( 07/02/2005 05:53)
za lo tena mahatsapa fa misy effets kely ihany le fivavahana sy le finoana arahina , fiaraha monina koa manko ny fanarahana ireny finoana ireny: ohatran'ny hoe gauche ny partie anao sa droite d miova araka izay ko ny toetra sy fihetsikao.. ny bandy gauchiste dia hita foana. toy izany ko ny droite.

fa za ko mino ny effets an'ilay mikofesy hoe misy fiatraikany @ io... marina we tsy voatery hitantara ny fahotany rehetra ao NEFA KOSA dia mitantara ihany na kely aza .. misy zavatra tantarainao ao! "momba nao manokan"a.. tsy zatra an'izay ny katolika dia na tiana na tsy tiana dia lasa misy fiantrainkany @ fiainany sy ny fiaraha monina ilay izy!

ary raha zatra mandinika nareo dia mora kely mihitsy ny manavaka sy mijery ny finoan'ilay olona mifanerasera aminareo @ io resaka io fotsiny.

jereo ange dia ampiasao ny maso e!
14. zandrinifijo ( 07/02/2005 06:16)
Ramaso:

za lo tena mahatsapa fa misy effets kely ihany le fivavahana sy le finoana arahina ,

ary raha zatra mandinika nareo dia mora kely mihitsy ny manavaka sy mijery ny finoan'ilay olona mifanerasera aminareo @ io resaka io fotsiny.

jereo ange dia ampiasao ny maso e!


itako ramaso vetaveta fisainana
:-D :-D :-D
15. Ramaso ( 07/02/2005 06:17)
ie..de misy admin manana papezenika de mamafa ana =))
16. Ramaso ( 07/02/2005 06:19)
tsy fahotana anie zama ny vetaveta fisainana e!
mandainga izay tsy misaona vetaveta ao anatin'ny 1 andro!
17. zandrinifijo ( 07/02/2005 06:23)
Ramaso:

dadanay zao proty fa za katolika de ahoana


Ramaso:

tsy fahotana anie zama ny vetaveta fisainana e!


arakany finoany ramaso rery zany fa tsiny katolika retra. zany ve de fisainana kristianina?


18. Ramaso ( 07/02/2005 06:26)
ela io zao hitako ery nitodika vao nahita ny fanonjan'ny fitombenan'ilay mademoiselle nifanena t@ la teny an-dalana handeha iasa!
vao teo ela no nisaina vetaveta!
19. sechat ( 07/02/2005 10:07)
zandrinifijo sy ramaso> =)) =)) =)) =))

ikaretsaka> miankina @ tsiray2 ngamba zany fa tsy miankina @ finoana raha ny fieritreretako azy, satria za zô protestant nefa mamanay katolika. Izy nefa sahirana be mihitsy vao mahavita miresaka ny momba ny fiainany, sady somary sadaikatra raha vao misy blague salée ka refa miresaka aminy somary tandremana ihany ny zavatra avoaka.
20. Ramaso ( 07/02/2005 14:04)
menatra an'i dadanareo izy ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0922