rafozana ,zaobavy, vinato vavy...

1. iriniaina ( 07/01/2005 12:00)
mahagaga fa betsaka ny tsy mifankahazo ireo , inona kay no mety ho antony hoy nareo?
répondu par srak le 28/07/2014 09:35
2. welieoelee ( 07/01/2005 12:04)
Izaho dia tena gaga hoe maninona no tsy mifankahazo ireo.....
Asa ve hoe matahotra ny ho very zanaka ilay reny.....dia tsy tia ny vinantovavy....
Aucune idée....

3. bichette ( 07/01/2005 13:19)
ny zavatra hitako aloha dia matetika ilay renindralelà no tena sarotiny. raha vao ao antokatranon\'ny zanany na dia mbola mifamofo fotsiny aza ka misy zavatra hitany fa tsy mifanaraka araky ny eritreriNY na hoe mivôna sy mivoaka amin\'ny education nomeny ny zanany dia taitaitra izy. na mitsikera na mibedy na manome tsiny ilay zazavavy. Misy mihitsy aza, izaho efa nahita , tena dicter-ny ilay vehivavy daholo ny tiany ataon\'ilay vehivavy ary elle mène a la baguette la relation et le foyer de son fils. Mazava ho azy fa rehefa misy tsy mety dia ilay vehivavy no mahazo tsiny sy tantaraina any amin\'ny manodidina
4. chipie1 ( 07/01/2005 13:22)
ny havambady jamais satisfait aminy vinanto vavy, de aleo maka distance mba tsy isiany olana!
5. felana6 ( 07/01/2005 13:44)
Ny hevitro aloha de hoatrany efa naturel ilay izy e! na de ao anaty Baiboly aza anie efa misy an\'izany mihitsy e. Fa ny solution tsara fotsiny de tsy mifanerasera be loatra e. De mahay mifandefitra sy mifanaja. Entiny ambavaka foana fa milamina ny zavatra rehefa Atra no miditra antsehatra.
6. paingotra ( 07/01/2005 17:47)
lehilahy aho fa gaga ihany amin\'ny fihetsiky ny vinanto sasany, satria tsy mba nahita ny ray aman-dreniko nanana olana tamin\'ny rafozany mihitsy, vao maika aza nahagaga fa toa vao maika toy ny mpiray tsikombakomba izy ireo. Asa vokatry ny fomba nitaizana angamba no mahatonga izany. Ny ahy ny mahasorena ahy indraindray dia ireo olona tsy mba mety torona hevitra fa mieritreritra fa izy foana no manana ny rariny sy ny marina .Zen fotsiny e
7. ikaretsaka ( 07/01/2005 17:52)
za aloha lehilahy fa za miresaka tsara amin\'ny renin\'ilay olona miaraak amiko e.
ilay olona miaraka amiko ko aza tena minamana be amin\'i neninay!
8. maditra ( 07/01/2005 18:53)
Matetika, ny vinanto no tena tsy tia rafozana, amin\' ny ankampobeny. Mieritreritra izany ny vinanto vavy fa mitsikera ny zavatra rehetra ataony manko ny rafozany dia rangitra izy!
9. ikaretsaka ( 07/01/2005 19:39)
vinanto vavy sy rafozanambavy aloha no matetika misy disadisafoana hono e
10. mihanta ( 07/01/2005 19:45)
aleo tsy d mifampipetapetaka matetika mba ialàna amzay sa ahoana hoy nareo
11. chipie1 ( 07/01/2005 20:56)
maditra> de ny rafozana vavy kou tsy tia vinanto vavy aminy ankapobeny! :lol:
12. maditra ( 08/01/2005 04:08)
chipie1> ben, ce ne sont que des idees, mais donnes nous une raison au moins!
13. yonikafopl ( 08/01/2005 18:51)
Za kalou mbola tsy manam-bady e, fa ny zobaviko , vadin\'ireo anadahiko dia mifandray amiko tsara , ny ahy tanterahiko le we foza lahy natakalo fozavavy kou, ilay zaobavy no efa anay dia tiaviko toy ny mitia ny rahavaviko.
14. ikaretsaka ( 08/01/2005 18:58)
fa rehefa hain\'ialahy ny mifanaja sy misy communications dia mandeha foana io ka
15. bichette ( 10/01/2005 08:40)
io koa arakaraky ny nitaizana ilay vady sy ny zaobavy
16. sechat ( 10/01/2005 10:01)
ny ahy ny hitako matetika de zao:

1/ rafozana (lahy sy vavy) sy vinanto lahy:
matetika matoa tsy tian\'ny rafozany le vinanto lahy de mieritreritra @ rariny na tsy @ rariny ry zareo hoe maditra, na mpandany vola, na mpamono vady le lelahy. Nefa indray2 koa efa manana idealy (@ resaka tarehy ohatra na vola, na toetra sns...) ho an\'ny zanany vavy le rad ka raha tsy mifanaraka @ iny le lelahy de hoe tsy aninona2 na tokony tsy niaraka.

2/ rafozambavy sy vinanto vavy:
ny tsy itiavan\'ny rafozana ny vinanto vavy matetika de satria eritreretiny (mitovy @ le teo aloha hoe @ rariny na tsia) fa tsy mahay mikarakara ny zanany otran\'ny fikarakarany azy le vevavy, na kou hoe maditra le vevavy na manao toetra hafahafa. Na kou hoe mitondra ny vadiny @ sangany. Ary farany de tsy dia tantin\'ny rafozambavy sasany ny mahita fa hoe mirona tanteraka any @ le vevavy ny fitiavan\'ilay lelahy.

ny vinanto vavy ndray tsy mahazaka ny rafozambavy refa le izy manomboka miditra @ fiainantokantrano iny (fitaizana zaza, lalan\'ny vola, fomba fifampitondrana ao an-trano...), na mitsikera ny fomba fihaingo na toetran\'ilay vevavy.

Reo alou no mateti-pitranga nefa tsy midika izany hoe refa rafozana sy vinanto de tsy maintsy tsy mifanaraka foana.

Na izany na tsy izany (ahy manokana io) de mitovy hevitra @ mihanta a @ le hoe aleo tsy dia mifampikasokasoka matetika na dia mifanaraka tsara aza.
Io de @ le ohabolana hoe ny hava-tiana tsy iaraha-monina.
17. ravatorano ( 10/01/2005 11:55)
io dia mbola tsy hitako mihitsy
za manana rafozana fa tsary mbola nifamaly agnay torak izany koa ireo r@rniko tsy hitako izay resaka na tsahon dresaka nampifamaly an dry zareo nefa dia mifanerasera tokoa anay menakaby reo.
Mahagaga ny anareo ra olona ah ? Asa sa enay no hafa na tsa mba mitady olana aman onona fa dia milamina soa ihany.
na ry razaobany aza tsihitako izay hoe tsy hifankazahoanay alongany eh milamina ary Dieu merci houzy welie izay
18. chipie1 ( 10/01/2005 11:57)
ravatorano nga vevavy? :-D vinanto vavy sy ny rafozambavy ane le resaka e?
19. sahary ( 10/01/2005 12:40)
saro-piaro amin-janany lahy ny reny fa ny mifanohitra @ zay kosa ny @zanany vavy,
20. ikaretsaka ( 10/01/2005 16:40)
ary ny ray saropiaro @ zanany vavy..
fa hoan\'ireny ray amandreny..
marina fa tsy misy tia zanaka ohatran\'ny ray amandreny
na iznay az atsy fomba ny manambady zanaka fa mba jereo ihany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2639