Ampody Razana

1. loulou ( 31/12/2004 01:49)
Miarahaba anareo rehetra
Mikasa ny ampody any Razany Raiko feu taminy 76 aho. Milevina eto Frantsa izy. Mba mangataka evitra ahy aminy fomba tokony anatanterahako an\'izany. Inona avy no démarche tokony ho ataoko ? Misaotra anareo rehetra hanampy ahy.
Marihako fa tsy misy olona hikarakara any fa tsy maintsy ho atako avy aty daholo ny démarches.
répondu par lilbon le 21/07/2005 04:16
2. sechat ( 04/01/2005 11:02)
Efa fantatrao ve alou hoe aiza no misy ny fasan-drazanareo? De mila alalana avy @ manam-pahefana @ iny toerana iny vao afaka manokatra fasana sy manitrika razana. Tsy tadidiko tsony na firaisana na inona no angatahana azy. De refa mody de aza adino daholo ny ttsy mikasika, indrindra ny certificat de décès le vita talou. zay no haiko kely teto fa mbola tsy nanao an\'io mitsy a.
3. tsiperifery ( 04/01/2005 14:21)
Mirary soa antsika namana rehetra velon\'aina aloha @ izao taona vao izao fa izao vao tafatsofoka ato indray.
Ny torohevitra azo omena an\'i Loulou angamba dia ny fanoratana any @ mutuelle de Madagascar fa io fikambanana io dia heveriko fa manana traikefa momba izany ka mety mahavaly ny fanirianao .Adiresy mail no hananako: mutumada@libertysurf.fr ( Anontanio M Dera fa izy io no prezidà ) .
4. loulou ( 06/01/2005 07:48)
Faly miarahaba anareo rehetra tratrany taona 2005.
Dia misaotra anareo nanoro evitra.
5. fijo ( 12/01/2005 23:20)
ny tsotra dia manoratra amin\'io adresy mailaka io,fa manatona koa ny consulat n\'ny mada akaiky anao.
6. lilbon ( 21/07/2005 04:16)
Ampody razana!
loulou !miarahaba anao izahay !
raha efa vonona ny hoenti-manana dia mirosoa !
ny zavatra atao voalohany any am-pita any angamba dia ny manantona ny ambasady raha ao paris sy ny manodidina na koa manantona ny consulat malagasy!
dia manao fangatahana ao sady omeny ny torolalana
tokony harahana!hi-comprendre ny ambasade satria ao anatin'ny us et coutumes antsika zany .
mirary fahombiazana ho anao manoloana izany adidy be miandry anao izany zahay !=D=D=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1381