NY TARANAK\' I RAMETAKA

1. tafita ( 30/12/2004 10:01)
Asa moa na mba efa renareo , fa nisy hono Mpanjaka iray tao amin\'ny faritra iray aty amintsika tamin\'ny andro fahiny. Ny anaran\'ny Mpnajaka dia RAMETAKA. Tia hena de tia hena hono ity Mpanjaka ity , ary faly izy raha mamono omby ny vahoaka ary de hihinananany ny hena . Indray andro ary hono de te hihinana hena mafy ny anao lahy , ka nitady fomba mba hahatonga ny olona hamono omby . De nidina moramora tao anaty kianja ary hono izy nandritra ny sasakalina de nametraka ny maloto tao , ny maraina de namory ny vahoaka izy ary nilaza fa tsy maintsy mamono omba mba hamerenana indray ny hasin\'ny lapan\'ny Mpanjaka . De nanao toy izany izy indroa .... in-3..... Taty aoriana anefa de nahita hevitra ny fokon\'olona fa hiambina ny lapa ary hisambotra izay olona manao maloto ao .... Ka tsy nampoizin\'ny Mpnanjaka RAMETAKA ary hono ka tratra ambodiondry ny anao lahy ka de noraisim-potsiny . De nalaza nanomboka h@ izay ny hoe tain-dRAMETAKA .
De izay no niavian\'ny hoe tandrametaka hilazana ny olona manao kitoatoa @ zavatra atao ka rehefa misy ny fahavoazana vao mikorafafa .Indrindra hoan\'izay taranak\'i RAMETAKA mpanao tandrametaka.
Koa enga anie mba tsy hisy hanao tandrametaka @ izao fotoana mahabe ny ranonon\'orana izao indrindra fa ho avy ny fotoan\'ny rivo-doza ka houmm....... aza mba mahita loza marina e
répondu par naritsimba le 22/02/2005 13:00
2. booboo ( 30/12/2004 11:31)
ah ! tsy tokony ho ary @ kolotsaina ve ity raha ity ? fa mahaliana aloungany lé raha fa sôtra ô
3. fijo ( 30/12/2004 21:55)
booboo an fa nga tsy efa ato amin\'ny kolontsaina izao?
4. ikaretsaka ( 30/12/2004 21:58)
tsara tokoa io tantara io ary betsaka ny tsy nahalala ny toa an\'ireny akory
Misaotra nizara e
5. booboo ( 30/12/2004 22:10)
fijo>ié fa t@ vôlohany io raha tary @ tetsy sy teroa dé zay no nitenenako an\'io kah
6. fijo ( 30/12/2004 23:06)
hay ve ,mifona ary aky booboo an
7. booboo ( 31/12/2004 11:50)
bé ! zà ngah nanombo an\'ingahy no mifona ingahy ? hihihihi
8. ikaretsaka ( 31/12/2004 14:56)
nanao Taindrametaka i fijo ra booboo a
9. booboo ( 31/12/2004 15:18)
hihihi
10. pitchou ( 31/12/2004 18:04)
:-D :-D :-D gravy kou ity karetsaka ity ka!
11. ikaretsaka ( 31/12/2004 21:15)
tsy grave izany za ga aigu ka!
12. booboo ( 31/12/2004 21:53)
13. naritsimba ( 22/02/2005 13:00)
tafita> taranak'i RAMETAKA angaha ianao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3778