havako ,havanao..

1. joda ( 14/06/2004 21:11)
miala tsiny aho raha mety hanafitohina ny maro ny teniko fa io resaka havana io no tena manimba ny tokatrano malagasy..
matetika
répondu par fijo le 22/06/2004 22:41
2. fijo ( 14/06/2004 23:48)
havatiana hono tsy hiaraha monina.ary ny sipa rehefa manambady dia tonga amin'io resaka io fa avahany foana ny havany sy ny havanao.ka raha manao izany izy dia mba havao koa ny azy.
3. pam ( 15/06/2004 08:11)
Tsotra , vao manomboka ny lalao de aoka apetraka tsara ny régle de jeu ( ny havatiana tsy hiara-monina : marina io ) , rehefa mipetraka mialoha mantsy ny fifanarahana de mandeha ho azy io , fa raha samy tsy mivaky loha de tsy maintsy miafara amin'io ary mety hanimba ny tokatrano raha tsy mieritreritra tsara .Satria isika Malagasy de olon'ny fo be loatra ka mora tohina de ho ratsy ny fiafarany .
Okay
4. jhouhlambout ( 15/06/2004 11:14)
zay mihintsy e!
5. ari.malala ( 15/06/2004 11:18)
Samy manao an'io daolo na ny lahy na ny vavy ê! aza tonga d atao an'izany hoe ny vehivavy no manao azy na ny lehilahy ihany fa samy mba marary @ havany kosa io ko!
6. methode ( 15/06/2004 11:58)
Raha tena mifankatia marina ny mpivady dia tsy tokony hisy olana io! Amin'izay ny lahy no tokony hanana fitsinjovana manokana ny havan'ny vavy dia toy izany koa ny vavy! Tsy amin'ny resaka havana ihany io fa na dia ao an-tokan-trano aza! Ary amin'ny fianakaviana manontolo mihitsy! Io no tsy ampy ka tsy mampandroso antsika hatramin'izao!
7. akamatiana ( 15/06/2004 20:10)
tena marina ny an'i methode io , ary re tena mifankatia de tokony tsy misy we havako sy havanao intsony , amiko alou io e
8. unik ( 15/06/2004 20:37)
ho anah ny mahatonga an io dé tsotra ihany: tonga am lé fitenenana hoe : raha mety ny hatao dia ny saobakaka aza hono mampidi_drano ketsa! ... rehefa tsy dia misy hatao kosa lé tokatrano dé eo no mipoitra ny olana rehetra!!! io no fototra rah ny fahitako azy
9. yonikafopl ( 15/06/2004 21:29)
za koa mitovy hevitra @ methode
asa na izaho mbola tsy manambady fa ny ahy alou dia havam-badiko havako koa e! izay ataoko @ ahy ataoko @ azy koa rehefa hanambady za an.
10. fijo ( 15/06/2004 23:35)
izay no tokony ho izy fa maro ny sipa no tsy manao hafa tsy hoan'ny havany ka lasa resaka manahirana be.
11. ikaretsaka ( 16/06/2004 05:46)
ny fanjakana tsy ananank'havana koa ...
ary marina ny an'i Machiaveli @ io resaka io
12. ari.malala ( 16/06/2004 12:04)
io anie rey olona dia izao ê, fitanin'ny ntaolo taloha ny hoe foza lahy atakalo foza vavy izany hoe ianao vehivavy no lasa zanaky ny andaniny ary ny lahy kosa lasa zanaky ny ankilany dia raha tena tanteraka izay dia mitovy tsara ny fifampitondrana, tsy misy havan'ny lahy sy havan'ny vavy intsony. Tsy haiko na ny any aminay ihany no nanao an'izany fa rehefa misy atao raharaha ao @ fianakavianay dia afangaro daolo ny toerana fa tsy misy hoe ery ny havan'ny lahy ery ny havan'ny vavy (rehefa any @ sakafo io)
13. angie ( 16/06/2004 12:33)
Amiko kou aloha dia tsy misy mahasamy hafa azy e. Na ny vadiko na izaho dia samy manao izay anampiana ny fianakaviana ary dia mitovy tsy misy hafa. miankina @ toe-tsaina io, fa araky ny finoanay dia tsy ho toy izao zahay raha tsy noho izy ireo ka dia ny vali-babena dia mitovy. Isaorana an'Andriamanitra mbola manome tombon'andro mandrakandroany hiharahana amin'izy ireo ka tsy ho laniana @ adiady isan-karazany. tsy maintsy misy foana ny tsy fitovian-kevitra fa azo atao tsara ny mijery vahaolana amimpahendrena sy dialogue surtout.
14. angie ( 16/06/2004 12:34)
ari.malala> ny anay kou tsy nisy toerana natokana ho an'ny havany vavy na lahy fa mitambatra.
15. alz ( 16/06/2004 15:06)
Tsara daholo ny théories fa matetika eo amin'ny Travaux pratiques no misy ny olana.

Ireny ny havanao tssss....
16. fijo ( 16/06/2004 21:26)
rehefa miady indrindra ny sipa no mahateny foana io resaka havana io.
17. jhouhlambout ( 17/06/2004 17:04)
... Fa indraindray excuse tsara lahatra fotsiny
18. akamatiana ( 17/06/2004 19:13)
fijo , aiza kous e , tsy ny we ny sipa irery , fa ny ankabeazany de ny oul ze tery saina no mahavatra manavaka ny havan'ny atsy sy ny aroa , miala tsiny za , fa zay angamba no zvt marina
19. fijo ( 17/06/2004 21:39)
marina izany fa ny sipa no manao an'io matetika.
20. ari.malala ( 18/06/2004 06:20)
fa nahoana kosa moa ny sipa foana no voatonona lava ho manao ani'zao rehetra izao ê! samy manao an'io daolo na ny lahy na ny vavy, fa nareo lehilahy no tena mpoanao an'io, surtout ny resaka ny reninareo na ny anabavinareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5547