Mifalia ry ZATOVO dieny mbola TANORA ianao

1. tia_ery ( 14/04/2004 08:24)
Ho an'izay tena mbola te hilomano ao anatin'izany hoe fahafinaretana sy ny tsiron'ny fiainana amin'ny lafiny rehetra.

Ho an'ireo izay tena liana ary mametraka ny firaisana ara-nofo ho tena tsiron'ny fiainana.

Ho anao izay manindraindra fa ny fiainana ange ka mandalo sy miserana vetivety fotsiny.

Ho anao izao indrindra izay tsy misaina na koa tsy mieritreritra afa tsy ny hitady fahafinaretana ka zary toa manome lanja izany fahafinaretana ho mihoatra ny zavatra rehetra.

dia hoy izay voasoratra ny hoe :



MIFALIA RY ZATOVO DIENY MBOLA TANORA IANAO
ARY AOKA NY MASONAO HIJERY IZAY SITRAKY NY FONAO SY IZAY IRIN'NY FANAHINAO !!!!




Dia hoy aho hoe : soavadia ary mahazoa fahafinaretana fa tena hahita ny soa sy ny kanto tokoa ianao. Ary izay rehetra nosoratanao sy novakinao nandritry ny fotoana naha-tato amin'ny ''FORUM'' anao tato dia saino sy tanteraho avokoa dia mahavita sy mahefa be dia be ................................


Fa raha mba fantatrao tokoa mantsy ny tohiny dia zary ho henatra ho anao ireny rehetra ireny.



NEFA AOKA HO FANTATRAO FA HO ENTIN'ANDRIAMANITRA HO TSARAINA IANAO.


Sôtra ê!
répondu par fijo le 29/04/2004 21:42
2. samoina ( 14/04/2004 08:47)
Raha izany no izy dia " AZA MITONDRA ANAY AMIN'NY FAKAM-PANAHY..."
3. joda ( 14/04/2004 08:49)
fa manafaha aminay @ ratsy..
4. booboo ( 14/04/2004 09:50)
dia ?
5. nenitiana ( 14/04/2004 15:34)
Marina mihintsy io voalazan'i tia _ery io ka ! , tsarovy rankizy fa izay hatao dia tsy maintsy hisy farany avokoa, ary ny nenina tsy eo aloha hananatra fa aoriana handatsa , koa mandiniha alohany'ny hanaovan-javatra.
6. fijo ( 14/04/2004 19:28)
misaotra an'i samoina sy ramaso tamin'ilay valinteny satria dia lasa revin'ntitra ilay resaka.fampitahorana no be,ary izay no tsy mampivoatra satria zatra voafehy sy tsy sahy manao zavatra mihitsy raha io no raisina
7. donemaskit ( 14/04/2004 22:53)
hotsaraina daholo indray androany
8. ikaretsaka ( 14/04/2004 23:23)
o rankizy an ..god is love fa tsy monster..
9. razakh ( 15/04/2004 08:58)
msôtra am lay messazy e! izay manana coco rehetra aloka smy hisaina!
10. tia_ery ( 15/04/2004 15:47)
Fa voasoratra hoe ''ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA''. Fa iza no niteny taminareo fa fampitahorana io. Ny FITSARANA ange tsy fampitahorana fa fametrahana anao eo manoloana izay rehetra vitanao ê! Ary io tsy ny RATSY VITA ihany no tsaraina fa ny TSARA INDRINDRA ihany koa. Ratsy no natonao dia tsaraina araka izany ianao. Tsara no nataonao dia tsaraina arak'izany ianao. Tsy misy afa-maina io.

Mametraka ANAO io mba ho tena tsapanao izay rehetra ataonao. Ary TENIN'ANDRIAMANITRA io tsy nampiana tsy nanalana ka asakasakao fa izay no voasoratra.

Tena MAHAFALY indrindra io amiko ary izay no tiana hizarana azy eto. Mahazo manao izay sitraky ny fonao ianao ary mandeha any amin'izay jeren'ny masonao. Fa ny FARANY no tiana apetraka aminao satria ianao TSY MPANDAHATRA fa ALAHATRA ary tsy mahafantatra ny ampitsonao. Ny filazana ve fa ianao mandalo sy miserana toy ny zavona maraina dia atao hoe fampitahorana. Ny filazana fa olombelona mety maty ianao ve dia midika fa fampitahorana.

Ary voasoratra ihany koa ny hoe : ''Ny fahatahorana an'i JEHOVAH no fiandoham-pahendrena''. Misy ilaina an'ilay tahotra ihany ange izany ê!

Sôtra ê!
11. fijo ( 15/04/2004 22:22)
zazakely no alahatra fa tsy izahay intsony ka.ary zazakely koa no ampitahorina amin'ny teny toa izany fa avelao izahay haka tsirony amin'ny fiainana
12. ikaretsaka ( 15/04/2004 23:51)
fa fampitahorana no ataon_tia ery sa inona e.. mody heo andriamaitra dia fitiavana .. ekeko io .. fa avy eo indray mody apopotra ilay fitsarana.. aiza ihany
13. samoina ( 16/04/2004 06:56)
I tia ery izany anie efa mahatoky tsara ny toeran'i tia ery ao @ fanjakan'ny lanitra e !.
Izaho manokana tsy manenina izay rehetra efa vitako ary tsy andraikitro koa ny mitsara ny hafa @ izay ataony sy vitany.
14. hery ( 16/04/2004 08:35)
Andriamanitra dia mpitsara be famindram-po... tsy hita pesipesenina sy tsy hay vinavinaina...
15. jhouhlambout ( 16/04/2004 17:53)
16. ikaretsaka ( 16/04/2004 17:55)
ka izay.. aza maminavina fa na ny zanany aza...
17. fijo ( 16/04/2004 21:53)
araraoty aloha izao fotoana izao fa tsy hay izay rahampitso.
18. hendry ( 17/04/2004 11:45)
Raha ny fahazoako ny tian´ny tia_ery ambara dia toa fampianarana baiboly sa diso ny hevitro? Fa ny nahagaga ahy dia hoe resaka fitiavana tokoa ve ilay izy?
19. voninkazokely ( 17/04/2004 11:55)
Na antitra aza mbola afaka mifaly kah!
20. jhouhlambout ( 17/04/2004 16:01)
koa @ lafiny inona mihintsy ary ilay fifaliana tokony kendrena é?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2967