saro-piaro

1. noro ( 07/04/2004 12:14)
matetika ry reto dia ny sipa foana no tena saro-piaro a! izaho ohatra dia tsy ny olona miaraka amiko mihintsy no blème fa ny sipa manodidina, i leiry koa moa cool dia izay no tena mahasaro-piaro ahy, ilay fiadivana na fisarahana no atahorako avy eo.Solutions?
répondu par pitchou le 02/07/2004 18:44
2. ravatorano ( 07/04/2004 12:45)
raha tena manana fahatokisana azy ianao dia tsisy olana izany.Io tsy maintsy misy foana eo amin ny manodidina , misy ny mialona izay houzy alz fa manana ny tsara na ny mendrika ianao fa anjaranao kosa ny mandanjalanja ilay fahasarota-piaro ao anatinao.
Tandremo fa manimba io fahasarota piaro io an
3. tequila ( 07/04/2004 14:07)
Ie . Teneniko anao zao fa zah eo amilay toeran'ny sipa manodidina araky ny filazanao azy . Lay lhl no namako efa hatramin'ny ela , efa talohan'ny niarahan-dry zareo aza , tsy hoe niaraka mihitsy akory zahay , fa dia mampalahelo ahy fotsiny izy rehefa iadivan'ny sipany rehefa miresaka amiko . Tamy voalohany anefa efa fantany aho hoe mpiaranianatra hatrizay sy namany fa tsy haiko zay nahazo azy taty aoriana . Dia lasa niresaka zahay sy izy ( lay namako) hoe , mba hitsinjovana ny couple-ny dia tsy maninn fa asiana distance kely zany . Nefa zany zahay taloha rehefa miresaka momba ny finamananay dia tena hoe "mpianadahy mian'ala" , izy moa tsy manana anabavy , zah tsy manana anadahy . Fa dia zay .
Hitako hoe mijaly ila vhv amin'ny hasarotam'piarony , tsy hita anefa hoe ahoana ny hanovana azy , tsy hitako akory hoe solutions ny hanapahana ny relation rehetra .
Tsy maintsy manao ezaka ndry . Tsy voatery hoe fahavalo daholo nge ny manodidina e . Fa raha misy fahavalo , na tsy fahavalo aza e , dia ataovy namana hono e !
4. jhouhlambout ( 07/04/2004 17:56)
Ka tsy voatery handeha araky ny faniriana ny fiainana é!
Mitady vaha-olana hatrany ny fanafodiny...
5. ikaretsaka ( 07/04/2004 20:08)
ara tsaina io ..
6. fijo ( 07/04/2004 22:21)
aretina io ry made fa hialao an.io voalazan'i ravato io no fahendrena angamba
7. joda ( 08/04/2004 07:14)
aretina mikiky ....
8. ari.malala ( 08/04/2004 13:40)
adalàna ny anao ramatoa raha ho saro-piaro ianao! arakaraky ny mahasarotiny anao no mahatonga anazy haditra
9. voninkazokely ( 08/04/2004 15:04)
Zay tiana no arovana!
10. tequila ( 08/04/2004 20:15)
Marina zany ry voninkazo nefa tsy semporina kosa e , samy hafa zany !

"Qui trop embrasse , mal étreint "

Tian'ny lhl hono hoe asehonao azy fa tu tiens à lui , saingy raha be loatra ny famefenao dia raim izy d nipotsaka ka tsy tana , sao d hanenenana . Sady zay e , enao ange no tena hijaly e , amboary ny saina .
11. yonikafopl ( 08/04/2004 20:37)
Marina izany ry tequila, izaho koa tena saro-piaro , fantatro fa aretiko io, tsy misy afa-tsy izaho ihany anefa no hanasitrana ahy, efa niezaka tsikelikely. Miezaka ny hatoky ilay olona miaraka amiko aho , satria tsy fahatokisana koa no mahatonga ny hasarotam-piaro
12. fijo ( 08/04/2004 23:18)
izay asio fahatokisana dia ampy fa aza arahana karokaroka be,fa manimba zavatra
13. ralipo ( 08/04/2004 23:37)
Tano @ maha enao anao izy e! de eritrereto hoe tsy misy tiany noho ianao.

Fa raha mipitika izy de mbola misy bandy favy no izy koa.
14. fijo ( 13/04/2004 21:47)
izay marina no mety
15. fijo ( 14/04/2004 20:38)
vahaolana daholo ireo ka dia anao no misafidy
16. ikaretsaka ( 15/04/2004 00:29)
marina io an-dramaso io
17. tequila ( 15/04/2004 10:30)
Ka tsy tsy mampifandray ny resak'i ramaso ndray dia , f'angah moa voatery hoe olona miaraka amin'ilay bandy no mahasaro-piaro an'i noro io e . Fa zay rehetra manatona azy na dia miresaka aza . Nefa ndraindray nge misy zavatra ataonao miaraka amin'ny namanao tsy ataonao miaraka amin'ny vadinao e , na ohatra fotsiny aza hoe hividy cadeau ho an'ny vadinao dia olona hafa no entinao fa tsy izy ndray raha mba surprise no atao , dia avy eo lasa zay dia mampihetsika lay hasarotam-piaro hoe fa naninn no niaraka nandendeh tany , dia lasa mba mahatezitra ilay bandy ndray hoe mba hamalifaliana an'azy nefa . Dia zavatra ohatra izany no maharatsy fihavanana . Bref... amboary ny saina fa tsy ratsy daholo ny olona rehetra e
18. fijo ( 15/04/2004 20:46)
izay ilay hoe ratsy ny vady raha saro piaro fa manakorotana zavatra maro.
dia mba amboary ny saina ry sipa isany o.leo izahay
19. ikaretsaka ( 15/04/2004 23:45)
zany hono.. ny tenanareo ange akorotanareo voalohany e
20. fijo ( 16/04/2004 22:38)
izay indrindra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.209