PASKA

1. RBNIR ( 28/03/2024 09:58)
Faly misera amin'ny namana rehetra indray,
Mirary Soa sy fanambinana ary fahasoavana ho an'ny rehetra
Inona no fantatrao momba ny paska fa ho avy indray ity fety manandaza eran-tany ity?

Misokatra ny forum

Malalaka ny fanehoan-kevitra izay isaorana feno dia feno an'ireo mpandrindra namana....
novalian'i Azrael666 ny 17 andro lasa
2. alicent23 ( 19/02/2025 04:22)
RBNIR:
Faly misera amin'ny namana rehetra indray,
Mirary Soa sy fanambinana ary fahasoavana ho an'ny rehetra
Inona no fantatrao momba ny paska fa ho avy indray ity fety manandaza eran-tany ity?

Misokatra ny forum

Malalaka ny fanehoan-kevitra izay isaorana feno dia feno an'ireo mpandrindra namana....

Ny Paska dia iray amin'ireo fety kristianina manan-danja indrindra, mankalaza ny fitsanganan'i Jesoa Kristy tamin'ny maty, araka ny voalaza ao amin'ny Testamenta Vaovao.
3. Azrael666 ( 17 andro lasa)
Herintaona aty aoriana dia mamaly aho: PASKA? Velona Jesosy! Tonga olombelona aho satria nomeny "indray" ilay "fofon'aina mahavelona" ("Rehefa nilaza izany Izy dia nanisy fofon'aina"...); tsy olona aho,fa olombelona. Velona Jesosy. Velona aho! Amena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.085