FAMPIANARANA AVY ANY AMBONY (AN DANITRA) 
Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : FAMPIANARANA AVY ANY AMBONY (AN DANITRA)
Valiny : 21
Fitohizan'ny hafatra : FAMPIANARANA AVY ANY AMBONY (AN DANITRA)
Valiny : 21
RBNIR - 24/02/2023 16:52
|
![]() |
RBNIR - 27/02/2023 14:32
|
![]() Ny antony dia satria raha araka ny Soratra Masina dia fampianarana avy any an danitra hatrany no tena nitaizan Andriamanitra ny vahoakany hatramin ny voalohany ka mandraka ankehitriny.... |
RBNIR - 28/02/2023 04:01
|
![]() Vakio Gen.2:16-17 16. Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany; 17. fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. |
RBNIR - 28/02/2023 08:38
|
![]() Gen.5:24 Heb.11:5 dia raha mandalina ianao dia hahita fa nanoratra filazantsara ihany koa izy ary voatantara any amin'ny bokin'i Mosesy any koa ny momba azy io... Fampianarana avy any an-danitra ihany koa no nampianarany ny olona.... |
RBNIR - 02/03/2023 12:24
|
![]() 9Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. 13Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho. 14Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy. Andriamanitra mivantana ihany koa no nanoro an'i Noa ny tokony hataony.... |
RBNIR - 02/03/2023 12:29
|
![]() Genesisy 14:18 (MG1865) Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. Hebreo 7:17 (MG1865) Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4 Hebreo 5:6 (MG1865) ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). Ny fisoronana nataon'izany Melkizedeka izany no nankasitrahan'Andriamanitra ka i Jesosy dia voambara fa Mpisorona ....araka ny fanaon'i Melkizedeka... Mbola fampianarana mivantana avy any an-danitra avokoa no natao tamin'izany |
RBNIR - 02/03/2023 12:32
|
![]() Deotoronomia 4:13 (MG1865) Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo. |
RBNIR - 02/03/2023 12:34
|
![]() Taty aoriana dia tonga Jesosy ary mbola nitondra fampianarana avy any An-danitra ihany koa hampianarana ny vahoakan'Andriamanitra... Jaona 7:16 (MG1865) Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. |
RBNIR - 02/03/2023 12:35
|
![]() Ary manamafy izany koa ity tenin'i JEsosy manaraka ity... Matio 15:9 (MG1865) Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). |
RBNIR - 02/03/2023 12:36
|
![]() Io no hovelabelarina sy fakafakaina manomboka eto.... |
gasy1zay - 02/03/2023 16:26
|
![]() Jaona 14 17dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. 26 fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Ka izao RBNIR a, aza miantehatra amin'ny olombelona milaza ny tenany ho nahazo iraka avy any ambony fa miantehera amin'ny Fanahy Masina mitoetra ao anatinao io no mampianatra tsara indrindra ho antsika. |
RBNIR - 07/03/2023 13:50
|
![]() Matio 16:18 MG1865 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. Iza moa i Petera? Petera dia apostoly (olona nofidiny ary koa nampianariny mivantana) Dia ireny olona nofidiny sy nampianariny mivantana ireny no notendreny hanangana ny fiangonana... Matio 16:18 MG1865 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. Efe.2:19,20 19Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, 20natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; Dia ireny apostoly ireny no nahazo baiko hampianatra sy hanao batisa tamin'i Jesosy Tompo Matio 28:19 DIEM koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra; ka ataovy batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina Ny zavatra ampianarin'izireo dia izay nambaran'i Kristy azireo ihany (fa tsy mahazo mamorona fampianarana ho azireo izireo) satria ny tanjona dia mba ho lasa mpianatr'i Kristy avokoa ny olona rehetra.... I Paoly koa dia mba nampianarina mivantana tahaka ireo apostoly ihany koa...ary dia nitory (nampianatra) izany fampianarana avy any amin'i Jesosy Kristy izany .... Gal.1:11,12 11Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, fa ny amin’ny Filazantsara izay notoriko, dia tsy araka ny fanaon’ny olona, 12satria sady tsy nandray azy tamin’olona aho no tsy mba nampianarina, fa tamin’ny fanambaràn’i Jesosy Kristy* ihany. Ary dia tena rafitra iray ao anaty fiangonana mihitsy ny fisian'ny mpampianatra fa tsy hoe samy hampianarin'ny Fanahy Masina dia lasa tsy misy mpampianatra mampianatra intsony (marobe ny teny manamafy izany fa afaka manao fikarohana ny tsirairay... Miainga avy amin'i Kristy ny fampianarana dia miampita amin'ny apostoly (olona fidina sy ampianarina mivantana) dia miampita amin'ny fiangonana (tsy fampianarana hafa fa ilay nomen'i Kristy ihany no azo ampianarina... |
gasy1zay - 07/03/2023 17:26
|
![]() vakio tsara ny EFESIANA 1:22 Absolument tout ce qui existe dans l’univers visible et invisible, présent et à venir, a été placé sous l’autorité du Christ, et, dans cette position éminente, Dieu a fait de lui la tête de l’Église qui est son corps. Raha mbola tsy takatrao io RBNIR dia ho arirariran'ny mpampianatra mpamitaka foana ianao, asainy mandrotsaka vola hananganana "fiangonana" tsy mifaranaka amin'ny baiboly Tadiavo ao anaty baiboly ao RBNIR raha mahita ianao na dia 1 aza trano "fiangonana" naorin'i Petera, satria tsy izay mintsy no fiangonana resahin'i Jesoa taminy fa firaisan'ireo rehetra natera-baovao ho tena (corps) iray, tsy misy hoe katolika , protestant, fiangonana zandriny sns... fa izay nandray an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy ka lasa tempolin'ny Fanahy Masina |
RBNIR - 09/03/2023 05:57
|
![]() Raha ao anatiny ianao vao afaka miteny fa tenany, fa raha mnola.any.ivelany.ianao.dia.mbola tsy.isan ny ankohonany ianao ..... |
gasy1zay - 10/03/2023 19:59
|
![]() Ny vala RBNIR dia Jesoa Kristy a, ny tenany no fiangonana fa tsy n trano namboarinareo sy pasitera hiangonana isan'alahady na sabotsy akory vakio tsara hoy aho ny bokin'ny efesiana |
RBNIR - 12/03/2023 03:38
|
![]() Izay no rafitra napetrany. Ny fomba nampitainy ilay.fampianarana dia nifidy apostoly hatrany Izy izay.nofidiny sy nampianariny mivantana tsy nisy mpanelanelana (nitombona foana izany na dia t@ nifidianany ny apostoly paoly aza arak gal.1::11,12) Araka izay dia nampitandrina Izy ny amin ny atao hoe mpampianatra sandoka (na koa hoe mpaminany sandoka).... Izay no anton ity lohahevitra ity..... |
gasy1zay - 13/03/2023 17:58
|
![]() |
RBNIR - 15/03/2023 08:38
|
![]() Ianao ihany no namaly azy tamin'ny nametrahanao ahy ity fanontaniana ity.... |
gasy1zay - 15/03/2023 17:45
|
![]() ka raha io no valiteninao dia diso indray ny nambaranao tetsy ambony, nisafidy apostoly izy hoy ianao RBNIR, ka mpianatra ianao sa apostoly? Jesoa hoy aho nilaza hoe ataovy mpianatra ny olona rehetra ka ianao ve izany lasa mpianatra izao ? |
RBNIR - 16/03/2023 09:35
|
![]() Ohatra akaiky ny resantsika atsy ambadika atsy Mino v ianao fa batisa avy any an-danitra no tena takian'Andriamanitra araka ity tenin'i JEsosy ity? Marka 11:30 Malagasy Bible (MG1865) Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho. Mba valio hono i JESOSY e! Mino an'io v ianao sa tsy mino? sa mbola hiziriziry ihany hoe rehefa batisa ataon'ny olona dia ampy fa tsy mila izany avy any an-danitra izany???? Raha ny baiboly mantsy no vakiana dia batisa avy any an-danitra avokoa no natao tao. Batisa avy any an-danitra = nisy IRAY avy any an-danitra any naniraka ilay mpanao batisa mivantana (mety hoe ny RAY tahaka an'i jaona; mety hoe ny ZANAKA na JESOSY tahaka ireo apostoly; mety koa hoe ny FANAHY MASINA tahaka an'i filipo).... |