Ny Didy 12

61. rhaj0 ( 25/04/2020 18:06)
Ny @ Jesosy ve ny resaka eto? Ka inona tsara ny hitan'ny vavolombelona azany ee. Ngo dia vovolombelona m(p)andainga ireto izy, fa noteren'ny olombe hilaza ny tiany lazainy. Na vavalombelona manamoly.. tsihaitsihay anie izy ity ry RBNIR fa tantara HONOHONO no miampy telefaona arabo dia mety lasa tena hafa ny dikany tavela voarainao aty izao ee...

Fa izao azany e... Ivereno ny fanekem-pinoana. Asivo fiheverana tsara io f'aza atao tsianjery boka dia bolokiana toa ny fanaonao azy ao foana fotsiny ity izy ry RBNIR:

"... maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an-danitra..."

Ka raha TSISY vatan-Jesosy tao @ fasana, dia...

- noraofin'i JEsosy va re ny vata ama-nofony, ary dia iny Izy no lasa nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita

- sa kosa, decompose instantane ilay vataNY? ary dia iny koa Izy (fanahy HONO) no lasa nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita

62. midrou ( 26/04/2020 17:30)
RBNIR:

R- 18/04/2020 17:16Raha ireto voarakitra ao amin'ny firaiketana nasionaly ireto aloha dia tsy hitako izay tsy mampitovy azy:http://www.archivesnationales.gov.mg/tag/andriamanitra-andriananahary-zanahary/"Natahotra an’Andriamanitra izay nantsoinykoa hoe Zanahary (Izay Nahary) na Andriananahary ny Ntaolo Malagasy.Ninoany fa Andriamanitra dia:Misy: “Manao an’Andriamanitra ho tsy misyka mitsambiki-mikimpy”Tompon’ny lanitra sy ny tanyNanao ny olombelonaTsy hita maso kanefa mahita ny olombelona n’aiza n’aiza misy azy: “Aza nylohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon’ny loha”Tompon’ny fandaharana: “Fikasana ny an’ny olombelona fa ny lahatra an’Andriamanitra”Tsy miangatra: “Andriamanitra tsy an’ny irery” ; “Andriamanitra tsy tia ny ratsy”kanefa marina fa tsy mbola fantatry ny olona Ilay Anarany sy ny antsipirihiny amin'ireo didiny...Raha vao tonga anefa ny fivavahana kristiana dia avy dia mora tamin'ny olona ny nanaiky satria hita fa mitovy ihany....tanteraka ity tenin'i Jesosy ity"........ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jaona 18:37)"Mora tamin'ny olona ny nanaiky sy nihaino ny feon'i Jesosy.....Valio|Miverina eny ambonyrhaj0- 18/04/2020 20:19RBNIR... tsy hitako izay tsy mampitovy azy..Bravo RBNIR.. raha tsy RBNIR tsy mahita an'izany. Mahay 'le RBNIR 'ty an...Vokatry ny "resak'i RBNIR @ Jesosy" isan-kariva angamba io an...Dia 'ndana koa halalino hadihadio ny vaudou an'i Haiti ohatra, na i Toutatis nivavahan'ny Asterix. Toamitovitovytokoany koa an...Inona @ ity no tsy mety azon'i RBNIR h@ izao1 Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy IzahoTena hahita 'le RBNIR 'ty rahatrizay..fa mampirisika ihany aho ee... bravo RBNIR. Tsara fa tohizoValio|Miverina eny ambonyRBNIR- 18/04/2020 20:451Misy:“Manao an’Andriamanitra ho tsy misy ka mitsambiki-mikimpy”Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara. » (Salamo 14:1)2Tompon’ny lanitra sy ny tany« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apokalypsy 14:7)3 Nanao ny olombelona« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjakaamin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny bibyfiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26)« Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. » (Genesisy 1:27)4 Tsy hita maso kanefa mahita ny olombelona n’aiza n’aiza misy azy: “Aza nylohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon’ny loha”« Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy. » (Joba 34:21)5 Tompon’ny fandaharana: “Fikasana ny an’ny olombelona fa ny lahatra an’Andriamanitra”« Ary Izy no mandahatra* ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina.[Ar. manova] » (Daniela 2:21)6 Tsy miangatra: “Andriamanitra tsy an’ny irery”« mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. » (Matio 5:45)7; “Andriamanitra tsy tia ny ratsy”« Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.» (Salamo 5:4)ny 1,2,3,4,5,6,7 no voarakitra ao anatin'ilay firaiketana nasionaly voalaza fa Andriamanitra notompoin'ny ntalo...Dia ireo kosa ny toko sy andininy izay nanamarinako fa mitovy ihany amin'ilay Andriamanitra nentin'ny kristiana ilay Izy...Valio|Miverina eny ambonyRBNIR- 18/04/2020 20:50http://www.archivesnationales.gov.mg/tag/andriamanitra-andriananahary-zanahary/Ity ilay voarakitra anaty rakitra nasionaly an! aleo hazava tsara mihitsy...."Natahotra an’Andriamanitra izay nantsoinykoa hoe Zanahary (Izay Nahary) na Andriananahary ny Ntaolo Malagasy.Ninoany fa Andriamanitra dia:Misy: “Manao an’Andriamanitra ho tsy misyka mitsambiki-mikimpy”Tompon’ny lanitra sy ny tanyNanao ny olombelonaTsy hita maso kanefa mahita ny olombelona n’aiza n’aiza misy azy: “Aza nylohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon’ny loha”Tompon’ny fandaharana: “Fikasana ny an’ny olombelona fa ny lahatra an’Andriamanitra”Tsy miangatra: “Andriamanitra tsy an’ny irery” ; “Andriamanitra tsy tia ny ratsy”




Tena marina be reo ny an i rhajO resaka tina halavaina
63. RBNIR ( 26/04/2020 17:47)
ny tena marina Io Andriamanitra io dia efa be ela no naparitaka erak'izao tontolo izao ny lazany ...

Ity ohatra dia tsy zanak'israely fa mpisorona tao Midiana nefa efa nanompo an'io Andriamanitra io...ary efa nahalala ny anaran'i Jehovah!!

« Ary Mosesy niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra. » (Eksodosy 3:1)
« Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon'i Jehovah tamin'ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana. » (Eksodosy 18:9)
« Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tànan'i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin'ny Egyptiana. » (Eksodosy 18:10)
« Ary Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon'ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra. » (Eksodosy 18:12)


Dia ity koa tsy taranak'i Abrahama nefa dia efa nisorona ho an'i Andriamanitra io ihany koa...

« Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Genesisy 14:18)


Dia ho gaga v ianao raha fantatr'ireo ntaolo malagasy koa ny fisian'izany Andriamanitra tokana tsy hita maso, nanamboatra ny olombelona ary mahita ny ataon'ny tsi11 avy izany???

Efa ela dia ela no efa naparitak'Andriamanitra erak'izao tontolo izao ny lazany...
64. rhaj0 ( 26/04/2020 22:34)
rhaj0:
Ivereno ny fanekem-pinoana. Asivo fiheverana tsara io f'aza atao tsianjery boka dia bolokiana toa ny fanaonao azy ao foana fotsiny ity izy ry RBNIR:

"... maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an-danitra..."

Ka raha TSISY vatan-Jesosy tao @ fasana, dia...

- noraofin'i JEsosy va re ny vata ama-nofony, ary dia iny Izy no lasa nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita

- sa kosa, decompose instantane ilay vataNY? ary dia iny koa Izy (fanahy HONO) no lasa nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita

Dia hono ho'a ry RBNIR, ianao koa izany rahtrizay maty, dia mbo mandeha midina any @ fiainan-tsy hita, dia tavela anefa ny vata ama-nofonao, ary ho ataon-janakao Famadihana any aoriana... dia ahoana?


F'angaha izy ity moa tsy hoe, ny mpanaraka an'i Kristy, dia ny Kristiana, dia manao sahala @ Kristy?


hi hi hi.... ka tsy ampy finoana ianao izany ry RBNIR matoa TSY hahavita toa an'i Kristy, dia mba raofinao koa ny vatana ama-nofonao.

Raharaha mihintsy izy 'ty rehefa minomino foana ee? :-)
65. RBNIR ( 27/04/2020 15:39)
efa novaliako io rhajo a!

otran'izao no hitranga...ny vatana dia hody vovoka...sal.104:29
ny aina na fofon'aina miverina any amin'Andriamanitra Mpitoriteny 12:7
ny fanahy indray kosa
ho an'ireo rehetra maty alohan'ny fahatongavan'i Jesosy kristy dia lalana 2 (lio.16:19- : na izy mankany amin'ny helo na izy mankany amin'ilay atao hoe eo an-tratran'i Abrahama (na koa paradisa tsy mbola ilay fanjakan'Andriamanitra io fa ny toerana misy azy dia any amin'izany lanitra fahatelo izany araka ny 2kor.12:2-4) any amin'io paradisa io ihany koa no nandehanan'ny fanahin'i Jesosy sy ilay jiolahy raha vao maty teo amin'ny hazo fijaliana izireo...« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)

fitoerana fitsaharan'ireo olona maty ao amin'ny Tompo io paradisa io fa tsy mbola ilay tany honenana mandrakizay...

Rehefa tonga i Jesosy dia esorina hiala any amin'ny paradisa ny fanahin'ireo maty ao amin'ny Tompo rehetra ireo ka hatsangana tahaka an'i Kristy izireo...
« Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy. [* Na: tamin'ny alalan'i Jesosy] » (1 Tesaloniana 4:14)
« Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. » (1 Tesaloniana 4:15)
« Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; » (1 Tesaloniana 4:16)

Avy eo dia ovaina indray mipi maso miaraka amin'ireo tratra velona amin'ny fiavian'i Jesosy dia akarina eny amin'ny rahon'ny lanitra mba hitsena Azy...« ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. » (1 Tesaloniana 4:17)


hiaraka hanjaka sy hitsara amin'i Kristy mandritra ilay atao hoe 1000 taona izireo; ary rehefa vita ny fitsarana dia hatsipy any anaty farihy afo afo ity tany ity sy ireo olona tsy voavonjy rehetra (apok.20:1-15) ary dia hafindra any amin'ilay tany vaovao amin'izay ireo olona voavonjy avy niaraka nanjaka sy nitsara tamin'i Kristy ireo (apok.21 sy apok.22)

otran'izay raha fitinina...fa raha te hahafantatra ny antsipirihiny ianao dia araho ilay fandaharana...
66. rhaj0 ( 27/04/2020 17:07)
O ry RBNIR aaa...

Fa dia ndao indray azany averina alamina dia asesy

1- nohomboana tamin’ny hazofijaliana,
2- maty ka nalevina,
3- nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita,
4- nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo,
5- niakatra ho any an-danitra,
6- mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha,
7- avy any no hihaviany hitsara ny velona sy ny maty

Izao indray azany,
- taiza ho aiza ny "vavolombelona" no TSY nahita ny Faty tao am-pasana ry RBNIR? Taloha sa taorian'ny #4 (andro faha-3)?
- taiza ho aiza ny "vavolombelona" no nahita an'i Jesosy (sy ny vatany)? teo anelanelan'ny #4 sy #5 ve? sa #2 sy #3?


ilay fanekam-pinoana ataonao tsianjery tsy am-piheverana ao ho'a mba diniho tsara ihany ry RBNIR ooo... F'angaha tononkalo hazo krismasy izy ity ka tenitenenina fotsiny any satria @ teny latina. Efa lehilahilehibe anie ianao izao ee.
Raha tsy azonao akoriny ny tatatatainao ry RBNIR, dia ho tsimpindian'i JEsosy eo koa anie ianao ee...

Dia averiko foana fa... hi hi hi.. .
dia manahirana mihintsy ilay minomino foana, rahefa mba ampiasaina ilay coco ee? :-) :-)
67. RBNIR ( 28/04/2020 00:32)

rhaj0:

O ry RBNIR aaa...

Fa dia ndao indray azany averina alamina dia asesy

1- nohomboana tamin’ny hazofijaliana,
2- maty ka nalevina,
3- nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita,
4- nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo,
5- niakatra ho any an-danitra,
6- mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha,
7- avy any no hihaviany hitsara ny velona sy ny maty

Izao indray azany,
- taiza ho aiza ny "vavolombelona" no TSY nahita ny Faty tao am-pasana ry RBNIR? Taloha sa taorian'ny #4 (andro faha-3)?
- taiza ho aiza ny "vavolombelona" no nahita an'i Jesosy (sy ny vatany)? teo anelanelan'ny #4 sy #5 ve? sa #2 sy #3?


ilay fanekam-pinoana ataonao tsianjery tsy am-piheverana ao ho'a mba diniho tsara ihany ry RBNIR ooo... F'angaha tononkalo hazo krismasy izy ity ka tenitenenina fotsiny any satria @ teny latina. Efa lehilahilehibe anie ianao izao ee.
Raha tsy azonao akoriny ny tatatatainao ry RBNIR, dia ho tsimpindian'i JEsosy eo koa anie ianao ee...

Dia averiko foana fa... hi hi hi.. .
dia manahirana mihintsy ilay minomino foana, rahefa mba ampiasaina ilay coco ee? :-) :-)

ka izay ngeh no tena anisan'ny antony niverenan'i Jesosy nampianatra e!

Dia ankehitriny izahay mihezaka mampianatra, mandresilahatra, manitsy izay diso rehetra ary koa mitaiza ny olona amin'ny tena fahamarinana marina tokoa...

« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)


Araho ato fa ho hitanao amin'ny antsipirihiny ny valiny...

http://forum.serasera.org/forum/message/m5d64e75f4e163

68. RBNIR ( 28/04/2020 01:35)
rhaj0:

O ry RBNIR aaa...

3- nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita,


tsy nidina tany amin'ny fiainan-tsi-hita (toeram-pijaliana na koa hoe helo) re ny fanahin'i Jesosy rhaj0 fa lasa tany amin'ny nakany amin'ny paradisa a!

« ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lioka 16:23)

« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)

Izany rehetra rehetra izany tian'i Jesosy hahitsy daholo ankehitriny e!
69. rhaj0 ( 28/04/2020 02:18)
Ka i RBNIR izany TSY mihira io "fanekem-pinoana Kristiana" io. Izay ve?

RAha ny tadidiko dia ny an'i RBNIR mantsy toatoa ny hoe

1- nohomboana tamin’ny hazofijaliana,
2- maty ka nalevina,
3- fa TSY nidina tany amin’izany fiainan-tsi-hita izany,
4- ary nitsangana tamin’ny maty talohan'ny andro fahatelo akoriny azany,
5- sady tsy ny FanahiNY ihany no nitsambikina avy tao am-pasana, fa noraofiny ny vata ama-nofony, ary nisy vavolombelona TSY nahita vatana ama-nofo tao am-pasana

6- Ary dia nandehandeha eraky Jerosalema Izy, vatana sy nofo; misy vavolombelona koa io
8- dia tsy hita tampoka teo Izy, fa kay lasa niakatra ho any an-danitra,
7- mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha,
8- avy any Izy dia midina ao Mada rehefa takariva iny, mba iresaka @ RBNIR
9- Ary efa ho 2000 taona izay Izy no manomana ny FIverenaNY, atsy ho atsy..

10- ary dia avy any no hihaviany hitsara ny velona sy ny maty
70. RBNIR ( 28/04/2020 06:16)
rhaj0:

[i]4- ary nitsangana tamin’ny maty talohan'ny andro fahatelo akoriny azany,

io koa izao mila manaraka tsara ireo fandaharana ra te hamantatra ny tena marina satria na ny ora nahafatesany na ny andro nitsanganany samy voafaritra mazava ao anaty baiboly avokoa an!
71. RBNIR ( 28/04/2020 06:24)
rhaj0:

Ka i RBNIR izany TSY mihira io "fanekem-pinoana Kristiana" io. Izay ve?

izaho manoro hevitra hoe aleo tsy hatao hira fa aleo atao fiainana ilay finoana e!!!
72. rhaj0 ( 28/04/2020 10:19)
Ka ireo "fanekem-pinoana" VAOVAO an'i RBNIR ireo ve k'lou tena izay ilay izy sa diso ee... ahitsio raha diso ry RBNIR f'aza avela hihahaka eo aa...

fanekem-pinoana VAOVAO an'i RBNIR:

1- nohomboana tamin’ny hazofijaliana,
2- maty ka nalevina,
3- fa TSY nidina tany amin’izany fiainan-tsi-hita izany,
4- ary nitsangana tamin’ny maty talohan'ny andro fahatelo akoriny azany,
5- sady tsy ny FanahiNY ihany no nitsambikina avy tao am-pasana, fa noraofiny ny vata ama-nofony, ary nisy vavolombelona TSY nahita vatana ama-nofo tao am-pasana

6- Ary dia nandehandeha eraky Jerosalema Izy, vatana sy nofo; misy vavolombelona koa io
8- dia tsy hita tampoka teo Izy, fa kay lasa niakatra ho any an-danitra, (mbola tsy hita faty ihany)
7- mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha,
8- avy any Izy dia midina ao Mada rehefa takariva iny, mba iresaka @ RBNIR
9- Ary efa ho 2000 taona izay Izy no manomana ny FIverenaNY, atsy ho atsy..

10- ary dia izay vao ho hoe, avy any no hihaviany hitsara ny velona sy ny maty



Dia miampy koa

11. Mino ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao

Angaha ny an'i HRNRN kaonty @ io?? Tsy ny Leglizin'i VAikana ve io?

Dia ahoana koa izao izany ry RBNIR??
73. gasy1zay ( 28/04/2020 16:05)

RBNIR:

rhaj0:

O ry RBNIR aaa...

3- nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita,


tsy nidina tany amin'ny fiainan-tsi-hita (toeram-pijaliana na koa hoe helo) re ny fanahin'i Jesosy rhaj0 fa lasa tany amin'ny nakany amin'ny paradisa a!

« ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lioka 16:23)

« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)

Izany rehetra rehetra izany tian'i Jesosy hahitsy daholo ankehitriny e!


Raha izao no fampianarana zarainao RBNIR dia ho diso ve izahay raha mametrapanontaniana @ fahamarinan'ny fampianarana azonao? Tena avy amin'i Jesosy ve hoy aho izao sa avy @ pasitera Nirina?

Tsy maninona fa ahitsiko ihany ianao na tsy hamaly aza.

voalohany ny fiainantsy hita resahina eto dia tsy helo na afobe fa ilay traduit en francais hoe séjour des morts

Osée 13:14 Je les rachèterai de la puissance du séjour des morts, Je les délivrerai de la mort. O mort, où est ta peste ? Séjour des morts, où est ta destruction ? Mais le repentir se dérobe à mes regards !

1 Samuel 2 :
6» L'Eternel fait mourir et il fait vivre, il fait descendre au séjour des morts et il en fait remonter.

eto dia mazava be fa zavatra 2 samihafa ny séjour des morts sy ilay afobe ( étang de feu) toerapijaliana ambaranao etsy ambony

Apocalypse: 20.14 Et la mort et le séjour des morts furent jetés dans l'étang de feu. C'est la seconde mort, l'étang de feu.


Fa nahoana ry RBNIR no ambara hoe nandresy ny fahafatesana i Jesoa? Satria izy nidina tany @ séjour des morts ary namoaka ireo voafatotry ny fahafatesana tao eny fa na i Davida aza nilaza hoe :

Acte 2:26
car tu n'abandonneras pas mon âme au séjour des morts, tu ne permettras pas que ton saint connaisse la décomposition.

raha tsy hoe hilaza indray angamba i RBNIR hoe lasa any @ afobe i Davida?
74. midrou ( 28/04/2020 19:51)
midrou:

* PARADISA: Ao no hiandrasan ireo voavonjy ka maty ny FITSANGANANA VOALOHANY Asan'ny Apostoly 20 : 5. Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy. 6. Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana


tsy Asan ny Apostoly fa:
Apokalypsy 20 : 6. Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
75. RBNIR ( 28/04/2020 23:01)
gasy1zay:

Apocalypse: 20.14 Et la mort et le séjour des morts furent jetés dans l'étang de feu. C'est la seconde mort, l'étang de feu.

marina io teny io ka : sejour des morts voalaza eo dia fiainan-tsi-hita = helo (mbola tsy afobe io) ary ny devoly mbola tsy may ary tsy mahare maharary any amin'io toerana io...
étang de feu kosa dia ilay AFOBE izay omen'ny baiboly anarana hoe farihy afo sy solifara = any ilay tena ho fijaliana mandrakizay...
izany hoe helo = kazana mandat dépot fa ny Afo be kosa no tena prison..

Dia otran'izay koa samihafa ny hoe paradisa (any amin'ny lanitra fahatelo) sy ilay tany vaovao sy lanitra vaovao (hiainana ilay FIAINANA MANDRAKIZAY) voasoratra ao amin'ny apok.21:1,2
ilay paradisa dia karazana toera-pitsaharan'ny fanahan'ireo olona maty ao amin'ny Tompo (miandry ny fitsanganan'ny maty = fitsanganana voalohany voasoratra ao amin'ny baiboly)

Ilay tany vaovao sy lanitra vaovao kosa no tena hiainana ilay FIAINANANA MANDRAKIZAY....

Ny voasoratra momba an'i Jesosy dia raha vao maty teo amin'ny hazo fijaliana Izy dia nankany paradisa ny fanahiny...
« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)

vakio tsara Anio (tsy rahampitso na rafakampitso fa Anio...)
76. gasy1zay ( 29/04/2020 00:15)
Raha Jesoa tsy nidina tany @ fiainan-tsy hita no torianao RBNIR dia Jesoa tsy maty ary tsy mifanaraka amin'ireo voasoratra ireto

Acte 2 :

29» Mes frères, qu’il me soit permis de vous parler en toute franchise au sujet du patriarche David : il est mort, il a été enseveli et son tombeau existe encore aujourd'hui parmi nous !
30Or il était prophète et il savait que Dieu lui avait juré par serment de faire surgir [le Messie, ] un de ses descendants, pour le faire asseoir sur son trône.
31C'est donc la résurrection du Christ qu'il a prévue et annoncée en disant qu'il ne serait pas abandonné au séjour des morts et que son corps ne connaîtrait pas la décomposition.
32» C'est ce Jésus que Dieu a ressuscité, nous en sommes tous témoins.
33Elevé à la droite de Dieu, il a reçu du Père le Saint-Esprit qui avait été promis et il l'a déversé, comme vous le voyez et l'entendez [maintenant].


Vakio tsara sao lazainao fa miafina indray :

Jesoa Kristy io voalaza fa tsy avelan'Andriamanitra ho lo ao @ fiainantsy hita io eto satria nantsangan'Andriamanitra ho velona izy , ka tsy haiko hoe Jesoa ve dia hampianatra zavatra diso sa pasiteranao no manao fampianarandiso?
77. RBNIR ( 29/04/2020 00:22)
ianao moa mazoto mamaky baiboly ka dia vakio tsara ary ny baiboly e

ny olona rehefa maty dia tsy mbola direkita mankany amin'ny Afobe na koa direkita mankany amin'ilay fiainana mandrakizay fa mbola mandalo helo aloha (ho an'izay ho very) na koa paradisa na koa hoe eo an-tratran'i abrahama (ho an'ireo izay atao hoe maty ao amin'ny Tompo...(vakio lio.16:19-31)

mbola samy hatsangana indray aloha ireo : ireo any paradisa (maty ao amin'ny Tompo) no hitsangana voalohany (apok.20:5,6) 1 Tes.4:14,15 ary hiaraka hanjaka amin'i Kristy 1000 taona izy ireo..

Ireo lasa any amin'ny helo kosa no hatsangana faharoa ary handray ny didim-pitsarana amin'izay ka dia halefa mankany amin'ny Afobe miaraka amin'ilay devoly izireo avy eo...(izay ilay hoe fahafatesana faharoa na farihy afo sy solifara kosa) apok.20-10-15
78. RBNIR ( 29/04/2020 00:53)
gasy1zay:

Raha Jesoa tsy nidina tany @ fiainan-tsy hita no torianao RBNIR dia Jesoa tsy maty ary tsy mifanaraka amin'ireo voasoratra ireto

vakio tsara re ny baiboly malagasy gasy1zay fa ny fiainan-tsi-hita dia toerana natokana ho an'ny ratsy fanahy ary tsy misy soa any amin'io toerana io fa ratsy avokoa a!

« Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola] » (Salamo 9:17)
« Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb: Sheola] » (Salamo 31:17)

Averiko ihany ny voasoratra momba an'i JEsosy dia raha vao maty izy dia lasa any paradisa ny fanahiny...fa tsy voasoratra mihitsy hoe lasa any amin'ny fiainan-tsi-hita...

otran'izao ny momba an'i JEsosy : vao maty Izy dia ny fanahiny lasa tany paradisa (lio.23:43) ...ilay nofo maty nokarakarain'i nikodemosy sy i Josefa avy any arimatia dia nalevina tao ampasana....jao.19:38-42

rehefa tonga ny andro voalohany dia naverina tao amin'ilay nofo tao ampasana ilay fanahy avy any paradisa dia nitsangana i JEsosy...lio.24:1-6)

mbola ilay nofo misy lavaka sy ratra aloha no notafiany teo satria mbola noporofoina tamin'i tomasy fa Izy marina tokoa io...jao.20:-26-28

dia avy eo niseho tamin'ny olona maro ...dia farany niakatra nankany an-danitra (teo vao novaina ilay nofo satria hoy ny tenin'Andriamanitra hoe ....« Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. » (1 Korintiana 15:50)
79. gasy1zay ( 29/04/2020 01:27)
voa io ambony io nosoratako hoe voalaza fa izy ilay nidina tao @ fiainantsika voalazan'ny faminanian'i Davida :

Asan'ny apostoly 2 : 31koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’ i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò.
32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan’ Andriamanitra, ary vavolombelon’ izany izahay rehetra.

ka aona no lazainao fa tsy nakany amin'ny fiainan-tsy-hita Kristy? sa tsy raisinao ho fahamarinana ny boky sasany ao @ baiboly?
80. RBNIR ( 29/04/2020 03:29)
andininy faha 27...

« Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; [*Gr. Hadesy] » (Asan'ny Apostoly 2:27)


tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita....tsy foin'Andriamanitra ho any amin'io toerana io i Jesosy....midika v izany hoe nalefa tany marina Izy

andininy faha 31 tsy nafoiny ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy...

tsy nafoin'Andriamanitra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita i Jesosy midika v izany hoe nalefa tany amin'ny fiainan-tsi-hita i Jesosy???

tsy nalefa tany i Jesosy satria tsy tian'Andriamanitra halefa any ary ny nofony koa tsy navela ho lo tahaka ny an'ny olona maty rehetra...(izay no anton'ilay hoe tsy nisy decomposition ....

fiainan-tsi-hita hoy aho toerana fanasaziana izany toerana izany...(hadesy no dikany)...

https://mg.wikipedia.org/wiki/Fiainan-tsy_hita
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1353