Ny Didy 12

101. gasy1zay ( 01/05/2020 15:37)
tsy ny anarana ihany ka, samy tian'Andriamanitra daoly koa :)
102. RBNIR ( 01/05/2020 16:06)
:-)
103. rhaj0 ( 01/05/2020 18:08)
gasy1zay:
tsy ny anarana ihany ka, samy tian'Andriamanitra daoly koa :)

Samy tiaNY daholo HONO, f'izany hoe, dia tena efa nolazaiNY mialoha ity, fa ho asiaNY mangana mihintsy na dia "tiany" azany: tsy vitan'ny asiaNY dia voaNY, fa mbola ampiaNY ompa sy latsa ary ihomehezaNY sy ivanitihaNY ianao rahefa lavo sy mivaralila ao.
[size=8]Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)[/size]

Izany ny Azy no atao hoe Fitiavana.


Karazan'ny toa izao resakareo Mpino izao mihintsy anie no .. mifampijery fotsiny ny Ankizy, dia hoe, izay izany ny an'ilay Bainina io sy ny lojikany, fa dia hihomehezana fotsiny sisa e...
104. gasy1zay ( 01/05/2020 18:51)
Aiza kosa ny nisy ompa izany e! fa marina aloha fa ny mpitsara marina izy ka tsy maintsy mihantra ny didy hoan'izay tsy nanara-dalana saingy kosa efa nanome grace izy hoan'izay naditra fa mila raisina ilay izy raha tsy izany dia mihatra ny didim-pitsarana
105. RBNIR ( 01/05/2020 19:42)

gasy1zay:

Aiza kosa ny nisy ompa izany e! fa marina aloha fa ny mpitsara marina izy ka tsy maintsy mihantra ny didy hoan'izay tsy nanara-dalana saingy kosa efa nanome grace izy hoan'izay naditra fa mila raisina ilay izy raha tsy izany dia mihatra ny didim-pitsarana

mahafinaritra gasy1zay...izao mihitsy no tokony ho izy...afaka ny adidinao ...afaka tamin'ny ràny ianao....azy sy Andriamanitra no sisa...
106. RBNIR ( 01/05/2020 19:46)
aleo tonga dia tsorina amin'ny olona rehetra mihitsy fa na dia fitiavana aza Andriamanitra dia tsy misy olona tsy maty manota izany...fa izay nafafinao tety antany ihany no hojijainao rahatrizay...
nino ianao dia nanao ny sitrapony (hijinja fiainana mandrakizay ianao)

Tsy nino ianao ka lasa nanamavo ny Anarany (hijinja izay nafafinao ianao)

« Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. » (Galatiana 6:7)
107. rhaj0 ( 01/05/2020 19:57)
Eny azany fa tsy nanompa Izy ee... Fa nandatsa sy nihomehy olona efa lavo na rava sy matahotra Izy.

Koa na ny fara-faikan'ny jiolahim-boto mpanao baolina ireny azany, rehefa lavo ny andaniny, dia mihatakataka fotsiny fara-faharatsiny, raha toa ka tsy hanampy mampiharina ilay lavo/rava/matahotra
108. rhaj0 ( 09/05/2020 02:59)
109. RBNIR ( 09/05/2020 03:22)
[size=1]te hiverina hisalaka v i rhaj0 izany sa ahoana marina tokoa e?:-) leon'ny manao kositara ngah?!maninona raha mandray anjara amin'ilay fandaharana hoe "retour à l'instinct primitif" na koa hoe seul au monde raha malahelo e![/size]
fitaovana nampiasain'i Jesosy nitondrana ilay fahamarinana nambarany tamin'i pilato re ireny olona ireny rhaj0 a!
« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jaona 18:37)


Fa tsy ferana hoy aho ny mpanararaotra (politisiana) dia manao fitaovana foana ny fivavahana hanamafisan'orina ny fanjakany....

« Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » (1 Tesaloniana 5:21)

afaka ny tsara ihany ngeh no raisinao e!
110. rhaj0 ( 09/05/2020 03:46)
Dia rehefa notongavan'ny MIsionera i Nampoina, dia ahoana azany hoz'izy ny @ Didy 12-ny sy izao Didy 10 Didy 10-mbazaha izao eee...

Mbo imaziner-o ange izany ry RBNIR ee... Aza miangatra fa mba obzektifa.
111. RBNIR ( 14/05/2020 08:35)
Aza miangatra fa mba obzektifa = mba averiko amin'izay rehetra mamaky ny zavatra zaraiko eto io...satria marina loatra rhaj0...
112. rhaj0 ( 14/05/2020 10:16)
Ny inona no marina loatra re ry RBNIR..

Ny hoe, nisy bandy tany moyen-orient tany, maty noho ny fahotan'ialahy, ka mila mibebaka??


ntss... dia inona ny idiran'ny paiso @ vomanga @ izany, angamba hozy Nampoina, fa dia vohizo malako ny lakantsika dia amboary ny valam-parihy :-)
113. RBNIR ( 14/05/2020 12:36)
ilay ambaranao hoe tokony mba obzektifa ny mpamaky no ambarako hoe marina e!
114. rhaj0 ( 14/05/2020 14:13)
Ilay hoe Nampoina notongavan'ny Misionera Fotsy... Toa Ilaidama no voanjono tao.

Fa ny tany Amerika atsimo, rehefa tonga ny Fotsy ho'a, dia ireto moa nanao irony armure irony, fa dia nanjelajelatra ary dia noheverin'ireo tompo-tany fa Dieu tokoany, ary dia voan-dry Misionera mangana tao zareo ee..

Ka ao aoriana kely ao, rahefa tonga ao @ lava-baton'i RBNIR ny sosie-n'i John Lennon,
tena tonga dia ataon'i RBNIR fa Jesosy izao ee? :-)
115. RBNIR ( 15/05/2020 06:47)
rhaj0:

Ka ao aoriana kely ao, rahefa tonga ao @ lava-baton'i RBNIR ny sosie-n'i John Lennon,
tena tonga dia ataon'i RBNIR fa Jesosy izao ee? :-)

ny lava-batoko tsy hataoko hisy hahita sy hahafantatra an! tsiambaratelo miafina be mihitsy izany....ANDRIAMANITRA IRERY no hahafantatra azy :-)
116. rhaj0 ( 15/05/2020 10:49)
Fa tandremo mitoka-monina toa izany ry RBNIR an..

Dia efa lazaiko mialoha foana ho'a, fa rahefa tonga iny ilay sainao, ary lasa Atheist sahala @ izay olona ianao, dia tena mety manongo tena manongo fo irery ao, satria vasoka/mangaina/te-hitomany/tezitra/.. deprime be, satria hoe:

dia nahoana loatra no dia voazanaka-voalemin'izao Kristianisma Fotsy ity ianao izay ela izay

117. RBNIR ( 15/05/2020 12:12)
mety azo heritreretina ihany izany rehefa lasa otran'ity daholo ny akoho rehetra :-)


[/quote]
118. rhaj0 ( 15/05/2020 13:44)
K'io anie ry RBNIR, toa ny mahazatra anao ao, dia imazination fotsiny io dia mety, ary dia hahita ianao fa tena otran'io daholo ny akoho rehetra.

Izao azany ianao naha-imaziner fa i Jesosy dia toa an'i John Lennon, mainka fa akoholahy ve tsy hisy nify? :-)
119. midrou ( 15/05/2020 18:49)
rhajO:


zao vé no andrasana hisy rhajO a:-)
[quote=rhajO]
Dia efa lazaiko mialoha foana ho'a, fa rahefa tonga iny ilay sainao, arylasa Atheist sahala @ izay olonaianao, dia tena mety manongo tena manongo fo irery ao, satria vasoka/mangaina/te-hitomany/tezitra/.. deprime be, satria hoe:dia nahoana loatra no dia voazanaka-voalemin'izao Kristianisma Fotsy ity ianao izay ela izay
[/suite]

Mbô sanatry anie zany!!!;-)
Fantatray zay hinonay ary hezahinay hampahafantarina aminao kou aza e:-)
F'enao ôtrn'ts mety mandray ( mahafantatra)
120. midrou ( 15/05/2020 18:49)
rhajO:


zao vé no andrasana hisy rhajO a:-)
[quote=rhajO]
Dia efa lazaiko mialoha foana ho'a, fa rahefa tonga iny ilay sainao, arylasa Atheist sahala @ izay olonaianao, dia tena mety manongo tena manongo fo irery ao, satria vasoka/mangaina/te-hitomany/tezitra/.. deprime be, satria hoe:dia nahoana loatra no dia voazanaka-voalemin'izao Kristianisma Fotsy ity ianao izay ela izay
[/suite]

Mbô sanatry anie zany!!!;-)
Fantatray zay hinonay ary hezahinay hampahafantarina aminao kou aza e:-)
F'enao ôtrn'ts mety mandray ( mahafantatra)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3769