Mpanera tsy hita maso omena Commission

1. Lovsa98 ( 06/04/2020 20:31)
Miarahaba e,
Sambany ny mba hanofa trano dia mba mila hevitra avy amintsika.
Hiala ny trano handeha any ampita ny namako iray dia nandefa annonce tao amin'ny Facebook izy momba ilay trano. Teo no nahitako an'ilay trano... Nisy ny isan'ny efitra sy ny pitsopitsony ilay annonce, ny hofany, sy ny numéro an'io namako io => tsy nisy resaka Comission aloha raha ny annonce.

Niresaka momban'ilay trano izahay dia nihaona tamin'ny tompontrano ny ampitso. Nanontany azy ao oe misy comission ve sa ilay namako no omena azy dia eny hoy izy fa an'ny mpanera ihany fa izy nanao annonce fotsiny ihany. Nanipy resaka an'ilay tompony ihany moa hoe tsy nandalo mpanera mihitsy dia tsy mandoa ve ? Dia namaly izy hoe mila omena ny commission mba tsy itadiavan'ilay mpanera olona hanofa intsony. Ny tena moa sady nila trano maika no tsy mahalala be moa izy koa tsy nanaiky dia nomeko ihany ilay 75%.

Azo atao ve izany sa voafitaka ah ?
Misaotra mialoha ho an'ireo izay hamaly.
novalian'i hery ny 26/04/2023 21:45
2. hery ( 26/04/2023 21:45)
Mba nanao ahoana ara ny tohin'ity resaka ity... mpisoloky ve?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2093