RESAKA TAKARIVAN'i JESOSY T@ RBNIR ANDROANY[

81. rhaj0 ( 23/04/2020 00:30)
RBNIR:
..tian'Andriamanitra v ny olona otran'izany hoy i gasy1zay??
Ka i Levitikaosy dia i Mosesy no nampiresaka. Ao @ Boky ao @ Pentateuque dia ny Torah. Ary i YVWH no nivavahana t@ izany, ary mbola Izy koa no ivavahan'ny Jiosy h@ izao. Teboka.
Ny Tesaloniana indray dia i Paoly no mivaro-dresaka. i Jesosy 3 no 1, izany hoe i JEsosy Andrmntra HONO no ivavahana t@ izany, ary ivavahan'ny Kristiana IRERY h@ izao. Teboka.

Ka ilay Iza no tianao resahina ry Ratsiatsindrontsidroka Betsimpontsimpona RBNIR?
Valio?
82. RBNIR ( 23/04/2020 07:02)
« Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. » (Apokalypsy 2:21)
Manome fotoana foana Andriamanitra mba hibebahan'ny olona iray...

« Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy. » (Mpitoriteny 8:11)
Fotoana lavalava mihitsy no homen'Andriamanitra mba hibebahan'ny olona....

Misy fetra ihany anefa izany fotoana izay...
« Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko. » (Ohabolana 1:23)
« Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina; » (Ohabolana 1:24)
« Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: » (Ohabolana 1:25)
« Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)
« Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana, » (Ohabolana 1:27)
« Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. » (Ohabolana 1:28)
« Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah, » (Ohabolana 1:29)
« Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, » (Ohabolana 1:30)
« Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny. » (Ohabolana 1:31)
« Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy. » (Ohabolana 1:32)
« Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. » (Ohabolana 1:33)

ka aza dia mivohy fampianarana diso hoe na mpanota aza dia tian'Andriamanitra foana e! sns sao dia hadinin'Andriamanitra amin'izany isika ka ho very maina ny fikelezan'aina natao hatrizay nanompoana Azy...Izany fampianarana izany mantsy no hialokalofan'ireo olona izay tsy te hiala amin'ny ratsy mihitsy ary dia ianao mivohy an'izany no tondroiny rehefa hifanatrika Aminy izireo rahatrizay...ka i gasy1zay ngeh Jesosy nilaza ampahibemaso ary voarakitra antsoratra mihitsy fa na manota aza ny olona dia tianao foana e!!!

Namako ianao gasy1zay tandremo ny soratra apetrakao eto....fa raiketindry zalahy ngeh e!

« [Anatra ny amin'izay mety hataon'ny mpampianatra, indrindra fa ny tsy hanotany amin'ny lelany, ary ny toetry ny fahendrena avy any ambony] Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra. » (Jakoba 3:1)
83. gasy1zay ( 23/04/2020 13:56)
RBNIR a! Ny fahotana no halan'Andriamanitra fa tsy ny olombelona, ary izay no antony nanirahany ny zanany hamonjy antsika, hanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao


Rom 5:8 Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.

tian'Andriamanitra isika eny na t@ isika mbola mpanota aza fa tsy hoe rehefa nanaraka azy vao tiany


Jao 3:16 Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Jereo tsara RBNIR fa nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao fa tsy hoe nitiavany ny olony na hoe nitiavany ny mpanaraka lalàna

mazava be io fa izao tontolo izao no tian'Andriamanitra fa tsy olona voafidy na olona vitsy fotsiny

Jao 1:29 Nony ampitso dia nahita an’ i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao!


Jesoa tonga hanaisotra ny fahotana ilay manasaraka antsika amin'Andriamanitra, ilay fahotana manasaraka antsika aminy no halan'Andriamanitra satria Masina izy ka tsy maintsy masina izay manantona azy fa Paoly nanoratra hoe ny lalàn'i Mosesy tsy nahavita nahazoan'ny olona fahamasinana hanantona an'Andriamanitra ka izay no antony nahatongavan'i Jesoa, nitondra ny fahotantsika teo @ hazo fijaliana mba ho maty miaraka taminy ilay isika mpanota fa olombaovao niaranintsagana taminy ary tarihin'ny FM no hiseho eo anatrehan'Andriamanitra.
Masina ianao izany satria ny fahotanao maty niaraka t@ JK teo @ Hazo fijaliana ary ao @ Kristy ianao.

Asa raha takatry RBNIR izany zava-panahy lalina izany, voasoratra ao anaty baibolinao izany fa tsy théologie an'olombelona.
84. rhaj0 ( 23/04/2020 14:26)
gasy1zay:
Ny fahotana no halan'Andriamanitra fa tsy ny olombelona

RBNIR:
Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)

IZA io "mihomehy" sy "mandatsa" io ry RBNIR?

Dia ilay "fahotana" ve no "nihomehezany sy nolatsainy", izany hoe "halany" sa ilay "olona"?
(sady mba mamaly an'i Gasy1zay ianao)
85. RBNIR ( 24/04/2020 05:28)
Io no manamarina fa misy fetra marina ny famindrapony ary tsy misy ny hoe tsy maty manota eo anatrehany....Rehefa miatomgoka amin'ny majuscule ny teny hoe (I)zy na koa hoe (A)ho dia Andriamanitra izay no miteny....
Natao ho an'ny rehetra io tenin'Andriamanitra io....tsy ilay fahotana no hihomehezany fa ny olona ninia tsy nanaraka Azy...
86. gasy1zay ( 24/04/2020 12:30)
Tsy iandiankevitra iny satria tena hisy ny fitsarana hoan'izay tsy nanaiky ny famonjena fa ny nambarako dia hoe tian'Andriamanitra daoly ny olona rehetra ary ny famonjena dia disponible hoan'ny olona rehetra na inona na inona fahotana vitany, ary Andriamanitra dia mitoetra ao anatin'ny olona rehetra manaiky handray azy fa tsy hoe izay tiany ihany fa io dia safidy foana hoe hamoa ny varavaran'ny fonao ve ianao idirany sa tsia.
87. rhaj0 ( 24/04/2020 12:44)
gasy1zay:
tian'Andriamanitra daoly ny olona rehetra ...

.. ny olona rehetra HONO, nefa, TSY ny rehetra indray, satria misy ny AFA-TSY ...


Ka TSY tian'Andrmntry ny Kristiana indray HONO ireto:
- ny TSY Kristiana (na moslimo io na mpanompo sampy, na atheist indrindrindra), satria ireo dia tena tsy manisy sira izay teneniNY any
- ny Kristiana, nefa nandà HONO, na tsy nitandrina HONO, ary dia io anaovaNY an'ity "mihomehy" sy "mandatsa" ity

RAha tiaNY ve dia anaovany ity toetra ratsy tsy zaka ity?


Fa io ho'a dia hadalanao mino(no) an'izany, ary dia hadalanao izay te-hidera sy hihoby an'Ilay "hihomehy" sy "handatsa" anao rahefa tonga HONO ny t... tsy omby v.. izany izany eee...

Raha ny marina, dia hadalanao mino fa hisy koa izany t.. tsy omby v.. izany.
88. RBNIR ( 24/04/2020 12:57)

gasy1zay:

Tsy iandiankevitra iny satria tena hisy ny fitsarana hoan'izay tsy nanaiky ny famonjena fa ny nambarako dia hoe tian'Andriamanitra daoly ny olona rehetra ary ny famonjena dia disponible hoan'ny olona rehetra na inona na inona fahotana vitany, ary Andriamanitra dia mitoetra ao anatin'ny olona rehetra manaiky handray azy fa tsy hoe izay tiany ihany fa io dia safidy foana hoe hamoa ny varavaran'ny fonao ve ianao idirany sa tsia.

zay hahay ry gasy1zay...aleo tsy hafenina ny marina dia anjaran'ny olona na hanaiky izy na tsia...
Afaka amin'ny rany ianao aloha...
eto izao (aleo tsy hotononiko ny anarany) misy 1 na 2 tena mampitahotra be an! fa azy ny azy e! afaka aho aloha...enga anie ka mba hifoha alohan'ilay fikatonan'ny varavaram-pahasoavan'Andriamanitra ihany izany olona izany...
89. gasy1zay ( 24/04/2020 13:01)
Asa raha fantatry rhaj0 fa ny kristiana ihany no afaka manana assurance 100% araka ny baiboly sy ny finoany hoe azo ny fiainana mandrakizay rehefa nametraka ny fiainany t@ Jesoa Kristy. Ny silamo, ny témoin de Jehovah sy ny hafa dia toa hoe asiana lanja ny soa sy ny ratsy vitanao (hono) dia izay avoakan'ny mizana eo no verdict na miakatra ianao na midina. Ny kristiana tsy misy izany fa rehefa nandray ny Tompo ianao ka tena nibebaka marina dia voafafa daoly ny fahotana, Halleloia Amen!



Fa tsy maninona raha heverinao fa adalana izany satria efa fantatray fa izay ny eritreritrareo satria efa voasoratra hoe :

1 cor 1.22 : Certes, cette histoire de croix paraît absurde à ceux qui courent à leur perte. Ils taxent de « pure folie » la doctrine d’un Christ crucifié. Mais pour nous qui marchons dans la voie du salut, nous l’expérimentons comme la puissance même de Dieu.

90. rhaj0 ( 27/04/2020 11:33)
gasy1zay:
Asa raha fantatry rhaj0 fa ny kristiana ihany no afaka manana assurance 100% araka ny baiboly sy ny finoany hoe...

FAntatro tsara loatra re izany ry Gasy1zay aaa...

Ary izay no nilazako hoe,
- TSY mahakasika afa-tsy anareo ny finoanareo,
- na hoe, TSY mahakasika ny TSY Kristiana ny finoanareo

Ary ny finoanareo, anareo IRERY ao, dia
- ilay h@ Madame Eva sy Mose Noah ohatra,
- ka h@ helo sy fara-andro,
- sy izao bebabebaka mikimpy-mafy-toa-constipe izao izay lazaina fa mamokatra mazia-mirakla,
- indrindrindra izao 3 no 1 izay nidina, dia niaka-hidina dia hiakatra indray *
- dia ilay Ami Imazinera izay lazaina fa omnipotent omniscient omnipresent
- ....


(*) ilay "nidina, dia niaka-hidina dia hiakatra indray", dia araka ny resaka tatsy, hoe nidina any @ fiainan-tsy hita HONO, dia niakatra any an-danitra. Dia hidina miverina fa hitsara HONO, dia hiakatra indray
91. RBNIR ( 28/04/2020 01:37)
tsy nidina tany amin'ny fiainan-tsi-hita (toeram-pijaliana na koa hoe helo) re ny fanahin'i Jesosy rhaj0 fa lasa tany amin'ny nakany amin'ny paradisa a!

« ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lioka 16:23)

« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)

Izany rehetra rehetra izany tian'i Jesosy hahitsy daholo ankehitriny e!
92. rhaj0 ( 28/04/2020 10:30)
RBNIR:
tsy nidina tany amin'ny fiainan-tsi-hita (toeram-pijaliana na koa hoe helo) re ny fanahin'i Jesosy ...

Azafady kely ry RBNIR, fa anontanio Ineny Gogola fa misy an'io ny Fiekem-pinoana. Izany no nampianarina tamiko (dia nihomehezako fotsiny koa)

Fa raha manapa-kevitra moa izany (ny Mpisoronabe) RBNIR hoe, TSISY an'io "nidina tany amin'ny fiainan-tsi-hita" io izany, dia ho fanina tanteraka ny zaza Midrou, izay mino tanteraka ilay toatoan'ny hoe, Tenin'Andnmntra tokana, tsy miovaova ary mandrakizay


Fa mety marina ny anao, fa aleo azany hanontaniana ny mpahay azy.

Hono ho'a ry Gasy1zay sy Bor2lais sy izay namana mandalo rehetra eto:
ny fanekem-pinoananareo ve misy an'ilay hoe:
"nidina tany amin'ny fiainan-tsi-hita" ??
93. RBNIR ( 28/04/2020 11:09)
Ny fiainan-tsi-hita hoy aho helo ilay afo ao anaty tany ao....bdb ny fanahin'ny olona efa lasa any ankehitriny (mampalahelo)...

Tsy nandeha tany izany ny fanahin'i Jesosy (izay ngeh hoy aho ilay fanitsiana entin'i Jesosy ankehitriny e!)

« Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo. » (Nomery 16:30)
« Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin'ny tendrombohitra aza. » (Deotoronomia 32:22)

http://unepagepoursesouvenir.over-blog.com/2015/11/l-enfer-sous-nos-pieds.html
94. RBNIR ( 28/04/2020 11:22)
ireto izao nisy olona nalefan'Andriamanitra velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita (helo)

« Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny; » (Nomery 16:31)
« eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra. » (Nomery 16:32)
« Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy. » (Nomery 16:33)

ka tandritandremo ihany hoy aho fa ny any kanada any koa ngeh hono izao ka efa manomboka mitovy amin'ny any zamerika koa e!

https://www.meteomedia.com/nouvelles/articles/des-gouffres-imprevisibles-au-canada-/33191

tonga dia direkita mankany amin'ny h....aza hitako any izany....tandritandremo ihany hoy aho ny asiano ny tongotrao any namako o!
95. gasy1zay ( 28/04/2020 17:05)
RBNIR a! tena miangavy anao aho, aza manaiky ambolony ny fampianarana omena anao ianao fa tena diso be ny zavatra zarainao eto. Jereo ny nambarako atsy @ sujet didy 12 atsy fa :

fiainan-tsy hita dia séjour des morts tsy mitovy mintsy amin'ny farihy mirehitra afo ambaran'ny apokalypsia
96. RBNIR ( 28/04/2020 23:24)
gasy1zay:

Apocalypse: 20.14 Et la mort et le séjour des morts furent jetés dans l'étang de feu. C'est la seconde mort, l'étang de feu.

marina io teny io ka : sejour des morts voalaza eo dia fiainan-tsi-hita = helo (mbola tsy afobe io) ary ny devoly mbola tsy may ary tsy mahare maharary any amin'io toerana io...
étang de feu kosa dia ilay AFOBE izay omen'ny baiboly anarana hoe farihy afo sy solifara = any ilay tena ho fijaliana mandrakizay...
izany hoe helo = kazana mandat dépot fa ny Afo be kosa no tena prison..

Dia otran'izay koa samihafa ny hoe paradisa (any amin'ny lanitra fahatelo) sy ilay tany vaovao sy lanitra vaovao (hiainana ilay FIAINANA MANDRAKIZAY) voasoratra ao amin'ny apok.21:1,2
ilay paradisa dia karazana toera-pitsaharan'ny fanahan'ireo olona maty ao amin'ny Tompo (miandry ny fitsanganan'ny maty = fitsanganana voalohany voasoratra ao amin'ny baiboly)

Ilay tany vaovao sy lanitra vaovao kosa no tena hiainana ilay FIAINANANA MANDRAKIZAY....

Ny voasoratra momba an'i Jesosy dia raha vao maty teo amin'ny hazo fijaliana Izy dia nankany paradisa ny fanahiny...
« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)

vakio tsara Anio (tsy rahampitso na rafakampitso fa Anio...)
97. RBNIR ( 28/04/2020 23:55)
ny olona rehefa maty dia tsy mbola direkita mankany amin'ny Afobe na koa direkita mankany amin'ilay fiainana mandrakizay fa mbola mandalo helo aloha (ho an'izay ho very) na koa paradisa na koa hoe eo an-tratran'i abrahama (ho an'ireo izay atao hoe maty ao amin'ny Tompo...(vakio lio.16:19-31)

mbola samy hatsangana indray aloha ireo : ireo any paradisa (maty ao amin'ny Tompo) no hitsangana voalohany (apok.20:5,6) 1 Tes.4:14,15 ary hiaraka hanjaka amin'i Kristy 1000 taona izy ireo..

Ireo lasa any amin'ny helo kosa no hatsangana faharoa ary handray ny didim-pitsarana amin'izay ka dia halefa mankany amin'ny Afobe miaraka amin'ilay devoly izireo avy eo...(izay ilay hoe fahafatesana faharoa na farihy afo sy solifara kosa) apok.20-10-15

98. gasy1zay ( 29/04/2020 01:30)
RBNIR a! Ny baiboly dia misy boky 66 ary mihoatra izay ary raha katolika no vakianao, tsy hoe mahita toko sy andininy 1 ianao dia hanangana teolojia tsipahina andininy hafa (tsy voavakinao)
99. RBNIR ( 29/04/2020 07:03)
efa mba novakianao tsara v aloha ny fampianaran'i Jesosy momba ny lalan-kalehan'ny fanahin'ny olona rehefa maty ny olona iray sa tsia e?
lio.16:19-31

« Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; io ny lalana ho an'ny maty ao amin'ny Tompo (olona hovonjena) Lio.16:22a (paradisa)

... ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; » (Lioka 16:22b) « ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lioka 16:23)
Io indray kosa ny lalan'ireo izay ho very ....

mazava tsara io...tsy ilaina fampianarana be fa na ianao hino ny tenin'i Jesosy na tsy hino...

Efa nambarako ombieny ombieny ary averimberina hatrany fa izao fampianarana izao tsy vokatry ny fikarohana na koa fandalinana fa i Jesosy no nampianatra mivantana....

Dia averina hatrany koa fa diso ny voalaza ao amin'ny fanekem-pinoana fa Jesosy hoy aho tsy nalefan'Andriamanitra any amin'ny helo (fiainan-tsi-hita) na hadesy izany fa avy dia nalefan'Andriamanitra tany paradisa ny fanahiny sy ny an'ilay jiolahy niaraka niantona taminy...(araka io efa nazavain'i Jesosy eo ambony io ihany koa izay....

« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)

Enga anie mba hino ny olona mamaky...
100. gasy1zay ( 29/04/2020 15:47)
Jesoa Kristy dia nanana tanjona mazava tety an-tany, hamonjy antsika , ny mission an'i Jesoa tsy hoe hiakatra hoany an-danitra akory fa HAMONJY ANTSIKA. efa nozaraiko anao ny voasoratra ao @ asan'ny apostoly milaza mazava fa nidina tany @ fiainantsy hita i Jesoa mba handresy ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita

fa zaraiko indray ito mba hahitanao azy sao mba hisokatra ihany ny masompanahinao :

Efesiana 4 :
8 Dans les Livres Saints, on lit : « Quand il est monté très haut, il a emmené des prisonniers. Il a fait des dons aux êtres humains. »
9 « Il est monté. » Qu’est-ce que cela veut dire ? Avant de monter, le Christ est d’abord descendu dans les régions les plus profondes de la terre.
10 Celui qui est descendu, c’est aussi celui qui est « monté » plus haut que tous les cieux. Ainsi il a pu remplir le monde entier.

rehefa tsy manaiky ianao hoe marina io voasoratra io dia safidinao izany, ny voalaza eo @ Lioka dia i Lazarosy fa tsy Jesosy, tsy i Lazarosy no mesia fa Jesosy ka efa henonao io ny voasoratra fa ny finoana dia safidinao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2442