RESAKA TAKARIVAN'i JESOSY T@ RBNIR ANDROANY[

61. rhaj0 ( 19/04/2020 17:33)
gasy1zay:
ka mila ilaina ny manaja ny andro sabata sa tsia?

[size=9]Didy faha-3-n'ny Didy 10 kristiana.
3 Mankamasiana ny andro Sabata[/size]

Danz be ilay GAsy1zay tarihin'ny FM HONO, mbo hoe manazava ny sain'i RBNIR HONO, nefa kay tsy mahay (manaja) an'io lalana fototra io akoriny

RBNIR:
io saina io ange no nahatonga ny Jiosy tsy nahay nandray ny fampianaran'i Jesosy e!

[size=9]In Judaism, Jesus is viewed as having been the most amazing & influential of all prophets.[1] However, since the traditional Jewish belief is that the messiah has not yet come and the Messianic Age is not yet present, the total rejection of Jesus as either messiah or deity has never been a central issue for Judaism.
Ao amin'ny Jodaisma, i Jesosy dia raisina ho toy ny mpaminany faran'izay mahatalanjona indrindra & mitarika ny mpaminany rehetra. [1] Saingy, satria ny finoana jiosy nentim-paharazana dia ny hoe tsy mbola tonga ny mesia ary tsy mbola eo ny vanim-potoanan'ny Mesianika, ny fandavana tanteraka an'i Jesosy dia na mesia na andriamanitra tsy mbola nisy olana lehibe teo amin'ny jiosy.[/size]

Danz be ilay RBNIR miresaka @ Jesosy HONO, mbo hoe manazava ny sain'i Gasy1zay HONO, nefa kay tsy mahalala n'inon'inona an'io revy fototra an'ny Jiosy io akoriny

Dia io tokoany izy roaroa, dia i RBNIR sy GAsy1zay, samy miaraka mitanandranandrana ao, tsy mahay ny resaka fototra @ izay eto ambony tany akoriny, dia mifamokivoky sy mifanapempopempo ao, dia misavisavika ny FM&Jesosy hoe, ireo HONO miaraka aminy @ izany, ary dia miteniteny foana, mamelabelatra ny hadalany eto izy roaroa..
62. RBNIR ( 19/04/2020 18:34)
Tsy ilaina intsony ny mianatra lalina ny fampianaran'ny Jiosy satria efa feno ny fampianarana nomen'i Jesosy ary efa be dia be ny nahitsiny Jesosy tamin'ireo fampianarana teo aloha rehetra...

Fanampiny io fisisihina mafy amn'ny fampianarana teo aloha io mihitsy no nahatonga ny Jiosy tsy nahatakatra ny fampianaran'i Jesosy ka nahatonga azireo tsy nahafantatra ny marina ....
63. rhaj0 ( 19/04/2020 19:40)
RBNIR:
Tsy ilaina intsony ny mianatra lalina ny fampianaran'ny Jiosy...

Izany ve hozy Jesosy rahefa "niresaka t@ RBNIR i JEsosy" indray andro izay?

Ny antsasany (na ny mihoatra akoriny azany) @ ao @ io Baiboly io anie ka fampianaran'ny Jiosy ry RBNIR eee... ary ianao RBNIR indrindra azany no manatery saina @ izany, fa i Gasy1zay no efa mialahoala fa menatra, satria dia ridicule sy absurde n'enao.
64. RBNIR ( 20/04/2020 06:25)
Tsy izaho ange no niteny an'izany fa ity misy olona iray (tena mpampianatra mahay ny fampianaran'ny Jiosy fahiny ) nilaza nanao hoe...

« Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy; » (Filipiana 3:8)

Rehefa tena nahita ny hatsaran'ilay fampianaran'i Kristy izy dia vaky vava nahasahy niteny fa taimboraka ireo fantany fahiny...

Mazava ho azy raha Jiosy conservateur be na koa olona otranao aloha tsy hanaiky an'io mihitsy e! fa i paoly ange hoy aho ka nisehoan'i Jesosy e!
65. rhaj0 ( 20/04/2020 11:53)
Fa ianao ve ry RBNIR "miresaka @ Jesosy" tokoany sa tsia ee??? Dia izao resaky ny Filipiana izao ve no anamarinanao ny ataonao ao re ry RBNIR, ka ilazanao @ feo mahery hoe, tsy ilaina intsony ny mianatra lalina ny fampianaran'ny Jiosy...?

Mbo hainao ve ry Mpisoronabe RBNIR, inona moa ny Pentateuque?

Loz'ty... Dia nefa dia ampiasainao RBNIR foana anefa ilay izy, nefa kay moa izany tena TSY hainao akoriny hoe izany no ataonao. Giravy... giravy...

An an.. dia tena TSISY an'izany "RBNIR miresaka @ Jesosy" izany raha itony (foana) no fataonao.
Dia mazavabe mihitnsy fadia ny sainao RBNIR (adala) no miteniteny (f'aza mba savisavihana hiombona aminao ao intsony Jesosy)
66. gasy1zay ( 20/04/2020 12:57)

RBNIR:

gasy1zay:

mba fantatrao ary ve moa ry RBNIR fa raha ny lalàn'i Mosesy dia efa diso ianao manoratra eto anio fa efa tsy fanajana andro sabata izany? ka mila ilaina ny manaja ny andro sabata sa tsia?

ka efa nahitsin'i Jesosy daholo ireny rehetra ireny ...rehefa tonga ny sabata dia "nampianatra no nataon'i Jesosy...

« Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao? » (Marka 6:2)

izay koa no nahatonga ireo mpianatry ny Tompo nandresy lahatra nampianatra isaky ny andro sabata...

« Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka. » (Asan'ny Apostoly 13:42)
« Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 13:44)
« Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa. » (Asan'ny Apostoly 18:4)

Mianara tsara re aloha gasy1zay fa aza donton'ny fampianaran'ny Jiosy ianao a! io saina io ange no nahatonga ny Jiosy tsy nahay nandray ny fampianaran'i Jesosy e!

tsy valianao ilay fanontaniana fa alokolakao RBNIR a! aleo ary averiko apetraka @ fomba mety hahatakaranao azy

Manaja ny lalàn'i Mosesy ianao sa manaja ny lalàn'i Jesoa araka ny ambarako?
67. RBNIR ( 20/04/2020 13:10)
gasy1zay:

tsy valianao ilay fanontaniana fa alokolakao RBNIR a! aleo ary averiko apetraka @ fomba mety hahatakaranao azy

Manaja ny lalàn'i Mosesy ianao sa manaja ny lalàn'i Jesoa araka ny ambarako?

sao dia ilay fanontaniana kosa no ratsy fipetraka gasy1zay?

ok tsy maninona fa izao.. ianao mihevitra fa didy vaovao ireo didy lehibe 2 nomen'i Jesosy...

Izaho miteny aminao tsy didy vaovao ireo fa efa nomena taloha ihany...

« Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna? » (Matio 22:36)
« Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5). » (Matio 22:37)
« Izany no didy lehibe sady voalohany. » (Matio 22:38)
« Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). » (Matio 22:39)

ireto no porofo fa didy taloha ihany ireo...

1 « Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. » (Deotoronomia 6:5)
2 « Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. » (Levitikosy 19:18)

na ilay fanontaniana aza dia efa mazava fa ny lehibe tamin'ireo didy tany aloha no nanontanian'ilay olona hoy izy hoe didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna (lalàna teo aloha no resahiny eo )...

ka tsy misy hoy aho didin'i Jesosy sy didin'i Mosesy fa didin'Andriamanitr nomena tamin'ny alalan'i Jesosy sy Mosesy no nisy....ary ny teo aloha ihany saingy nisy kosa ireo aloka, nisy koa ireo tsy nambolen'Andriamanitra sns...ireny dia tsy tandremana intsony kosa...
68. gasy1zay ( 20/04/2020 13:33)
Raha manaja ny lalàn'i Mosesy ianao RBNIR dia tokony tsy manaraka ny nataon'i Jesoa satria mifanohitra an'ny lalàn'i Mosesy ny fanasitranana ny marary ny andro sabata, raha manaja ny fampianaran'i Jesoa ianao dia mazava hoazy fa DISO EO ANATREHAN'ny lalàn'i Mosesy

matoa ianao manaiky hampianatra-hanasitrana -hanao asa soa ny andro sabata dia efa tsy manaja ny lalàn'i Mosesy ianao satria tsy manaja 1 ianao dia tsy manaja azy rehetra, saingy tokony efa tonga saina ianao hoe Jesoa no ambony noho Mosesy satria Mosesy nitondra hafatra fotsiny, fa rehefa Jesoa no miteny hoe satria efa nohamariniko ianareo ka tokony ny fitiavana ny namana sy ny fitiavana an'Andriamanitra sisa no takiany dia tsy hiverina hanolotena ho andevozin'ny lalàna indray ka ho lasa meloka eo anatrehan'Andriamanitra
69. RBNIR ( 20/04/2020 15:41)
manaraka izay nataon'i Jesosy tamin'ny andro sabata aho ry gasy1zay a! tsy tahaka ny jiosy (tsy nanaiky ireo fanitsiana.....
70. gasy1zay ( 21/04/2020 13:17)
azon'i RBNIR ihany ny farany fa Jesoa no ambony noho Mosesy, Jesoa no tompon'ny lalàna fa i Mosesy iraka ihany,

rehefa miteny Jesoa hoe didy vaovao no omeko anareo

Jao 13:34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.

dia iza no arahinao RBNIR, ny didin'i Jesoa sa ilay didy nentin'i Mosesy fahiny ?
71. RBNIR ( 21/04/2020 15:09)
ny didy vaovao hoy aho 1 ihany dia io hoe ny mba hifankatiavanareo...
fa ny didy lehibe 2 (tiava ny namanao tahaka ny tenanao sy ny hoe tiava an'i Jehovah Andriamanitra amin'ny fonareo rehetra....dia didy efa taloha (nefa tena mbola tandremana : lalàn'i Mosesy nefa tena mbola tandremana...efa nomeko teto ny toko sy andininy manaporofo fa lalàn'i Mosesy...
72. rhaj0 ( 21/04/2020 15:18)
gasy1zay:
dia iza no arahinao RBNIR, ny didin'i Jesoa sa ilay didy nentin'i Mosesy fahiny ?

i RBNIR anie mampalelo ee... MIfikitra @ MOsesy izy, satria tiatiany ny mitsimpontsimpona toko aman'andininy @ TTaloha,

Nefa indray, nibaradaka toa ity indray nedala, hoe
RBNIR:
Tsy ilaina intsony ny mianatra lalina ny fampianaran'ny Jiosy...

Ka dia averiko kely ny fanontaniana fa tsy hitako ny valiny. Nefa dia tena mila valiny aho eee...
rhaj0:
Fa ianao ve ry RBNIR "miresaka @ Jesosy" tokoany sa tsia ee???
(...)
Mbo hainao ve ry Mpisoronabe RBNIR, inona moa ny Pentateuque?

i MOsesy mantsy no isan'ny sefobe ao @ Pentateuque ry RBNIR, ary izay ataony ao dia "fampianaran'ny Jiosy".

Ka TSY mila mianatra @ Jiosy izany HONO i RBNIR, fa manaraka an'i MOsesy (Jiosy) ihany ee...

Dia tena TSISY hainao mihintsy izy izany ry RBNIR, satria n'enao dia ny mijejojejo lava manao RAtsiatsimpontsimpona Betsindrotsindroka RBNIR fotsiny, dia maka toko aman'andininy izay mirima sy maneno ao foana fotsiny fa TSISY lojika (kronolozia).

Dia mbo ataovy indray ilay miaiky fa hoe nivaralila indray ianao ry RBNIR aa..
Ary aza savisavihana hoe "miresaka" aminao izany intsony ho'a JEsosy, fa dia tena afa-baraka mihintsy ilehio eto eee....
73. gasy1zay ( 21/04/2020 15:31)
Ny ahy ny ahiahiko @ RBNIR dia tsy maintsy ampianarina hanaraka ny lalàn'i Mosesyry zareo satria raha tsy izay dia FOANA ny fandoavana 1/10 satria TSY MISY mihintsy ao @ testamenta vaovao milaza hoe tokony hanaraka ny lalàn'ny Mosesy ny kristiana fa ny mifanohitra izany aza no betsaka hita ao fa saingy hoe mba hiarovana ilay 1/10 dia mitady toko sy andininy hors contexte foana RBNIR mba hilazana fa tsy diso ny fampianarana azony.
74. RBNIR ( 21/04/2020 15:42)
tsy mbola azonareo ihany v? tamin'i Jesosy tonga tety dia nahita Izy efa tsy teo intsony ilay lalàna fototra nomena tany amboalohany (avy amin'Andriamanitra100%) fa nosesefana didy hafa (tsy avy amin'Andriamanitra fa avy tamin'ny olombelona) dia ireny no nahitsin'i Jesosy....
dia lasa ilay tena didy nomen'Andriamanitra indray no tsy voatandrina fa ireo didy hafa indray no nimasohan'ny olona....izay raha fitinina...dia i Jesosy namerina nampianatra indray ilay didy fahiny tsy misy fangarony fa avy amin'Andriamanitra 100% nitondra fanitsiana e!
Ilay didy eo ihany fa saingy nahitsy ny sasany, tsy notandremana intsony ny sasany satria tanterak'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana sns...
75. gasy1zay ( 21/04/2020 17:13)
fampianaran'i Pst Nirina ve io RBNIR sa Jesosy mintsy no nilaza izany nivantana taminao d'une voix audible?
76. RBNIR ( 22/04/2020 02:31)
manomboka liana ngah gasy1zay? hoy aho teto hoe misy zavatra fantatro tsy fantatrao, misy zavatra iainako tsy fantatrao fa matoa aho "sahy" mijoro vavolombelona eto fa tena mbola velona any marina tokoa ry zalahy i Jesosy Kristy dia satria....tanteraka ara-bakiteny amiko (averiko tsara ara-bakiteny) ireto teny ireo..

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

ny mahagaga kely ahy fotsiny gasy1zay ianao milaza fa tarihiny nefa mba nangataka aho hoe inona no nolazainy (ambava) taminao fony Izy nananatra anao?? tsy mety miteny ianao ...

Sa ianao mbola tsy nanariny???

Tandremo fa raha vao tsy mananatra Izy dia ...mety tsy tiany ianao izay an!
« Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay] » (Apokalypsy 3:19)

77. gasy1zay ( 22/04/2020 15:00)

Tena sao dia mba tokony hieritreritra tsara ianao RBNIR vao manoratra eto?

Voalohany aloha dia tena fampianaran-diso be ny hoe mety tsy tiany izany, tian'Andriamanitra daoly ny olona rehetra na mpanota na tsia ary efa nomaniny ho an'ny rehetra ny famonjena fa ny safidin'ny olona no haka azy na tsia

Faharoa, ianao nilaza fa naheno ny voix audiblen'i Jesoa Kristy rehefa nohadihadiana anefa finalement verset mikasika ny Fanahy Masina ihany no zarainao, izany hoe ny Fanahy Masina izany no henonao araka ny nambarako hoe efa fitarihan'ny Fanahy Masina izao no tokony hianantsika

Fahatelo, ny antony hanontaniko anao hoe tena naheno voix audible ve ianao milaza hoe tena ny fanarahana ny lalàn'ny Mosesy no sitrapon'Andriamanitra dia tsotra be, raha mandinika ny baiboly ianao dia ambarako hoe mifanohitra tanteraka @ filazantsara izany fiverenana amin'ny lalàn'i Mosesy izany ka na :
a) tratry ny fampianarandiso ianao ( Pasitera Nirina)
b) mety Kristy sandoka na fanahy sandoka no niresaka taminao

satria ny filazantsara tokony hinoana sy hiainana dia tsy tokony hifanohitra velively ny voalazan'ny baiboly

78. rhaj0 ( 22/04/2020 15:19)
gaasy1zay:
Faharoa, ianao nilaza fa naheno ny voix audiblen'i Jesoa Kristy rehefa nohadihadiana anefa finalement verset mikasika ny Fanahy Masina ihany no zarainao,
hi hi hi... nahazo ny paquet-n'i RBNIR mpandainga.. Alefa Gasy1zay Larose iii....
79. RBNIR ( 22/04/2020 20:46)

gasy1zay:

RBNIR:

manomboka liana ngah gasy1zay? hoy aho teto hoe misy zavatra fantatro tsy fantatrao, misy zavatra iainako tsy fantatrao fa matoa aho "sahy" mijoro vavolombelona eto fa tena mbola velona any marina tokoa ry zalahy i Jesosy Kristy dia satria....tanteraka ara-bakiteny amiko (averiko tsara ara-bakiteny) ireto teny ireo..

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

ny mahagaga kely ahy fotsiny gasy1zay ianao milaza fa tarihiny nefa mba nangataka aho hoe inona no nolazainy (ambava) taminao fony Izy nananatra anao?? tsy mety miteny ianao ...

Sa ianao mbola tsy nanariny???

Tandremo fa raha vao tsy mananatra Izy dia ...mety tsy tiany ianao izay an!
« Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay] » (Apokalypsy 3:19)

Tena sao dia mba tokony hieritreritra tsara ianao RBNIR vao manoratra eto?

Voalohany aloha dia tena fampianaran-diso be ny hoe mety tsy tiany izany, tian'Andriamanitra daoly ny olona rehetra na mpanota na tsia ary efa nomaniny ho an'ny rehetra ny famonjena fa ny safidin'ny olona no haka azy na tsia

Faharoa, ianao nilaza fa naheno ny voix audiblen'i Jesoa Kristy rehefa nohadihadiana anefa finalement verset mikasika ny Fanahy Masina ihany no zarainao, izany hoe ny Fanahy Masina izany no henonao araka ny nambarako hoe efa fitarihan'ny Fanahy Masina izao no tokony hianantsika

Fahatelo, ny antony hanontaniko anao hoe tena naheno voix audible ve ianao milaza hoe tena ny fanarahana ny lalàn'ny Mosesy no sitrapon'Andriamanitra dia tsotra be, raha mandinika ny baiboly ianao dia ambarako hoe mifanohitra tanteraka @ filazantsara izany fiverenana amin'ny lalàn'i Mosesy izany ka na :
a) tratry ny fampianarandiso ianao ( Pasitera Nirina)
b) mety Kristy sandoka na fanahy sandoka no niresaka taminao

satria ny filazantsara tokony hinoana sy hiainana dia tsy tokony hifanohitra velively ny voalazan'ny baiboly

« fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, » (Marka 3:29)

tena sahy ianao ry gasy1zay, efa mba nandinika tsara v vao sahy manambara teny otran'izao??

mandainga izany ianao i Jesosy niteny an'ity teny ity?

« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. »

marina fa tsy ny rehetra hoy aho no tonga amin'io nefa diniho tsara ihany aloha vao miteny ny vava....

ho anao no hilazako izany fa tsy ho ahy fa ny ahy fantatro ny fahasoavana nomena ahy ary ato anatiko izany fahasoavana izany ankehitriny....ary hitako fa ianao koa aza kay mbola tsy mahafantatra ny tena marina (na dia miteny matetika eto aza hoe tarihiny ianao....

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)

80. RBNIR ( 22/04/2020 21:12)
« Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay] » (Apokalypsy 3:19)

dia ahoana ny sasany??? ireo izay tsy mahazo fananarana??? raha io teny io???**

tiany daholo hoy i gasy1zay sahy mandainga be eto imason'ny olona eto...

« araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1. 2, 3). » (Romana 9:13)

« Ary aza manaraka ny fanaon'ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako. » (Levitikosy 20:23)

Ny fitiavan'Andriamanitra dia mitoetra amin'ny olona mbola tsy mahafantatra rehetra...fa rehefa nampahafantarina kosa nefa minia manamafy fo dia tonga halan'Andriamanitra ny farany....

« ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. » (2 Tesaloniana 2:10)
« Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, » (2 Tesaloniana 2:11)
« mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina. » (2 Tesaloniana 2:12)

olona voaozona ngeh izany e :nanehoan'Andriamanitra fitiavana nefa minia tsy mandrayny famonjena atolotra azy dia ozoniny hino lainga mba hohelohina...
tian'Andriamanitra v ny olona otran'izany hoy i gasy1zay??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1352