RESAKA TAKARIVAN'i JESOSY T@ RBNIR ANDROANY[

121. gasy1zay ( 04/05/2020 17:21)
fianan-tsy-hita adika hoe séjour des morts fa diso kely
122. rhaj0 ( 04/05/2020 17:41)
Fa nadikan'i Andrianaivoravelona t@ inona ireo teny Frantsay ireo? sejour des morts, enfer?

Ny Helo izao, avy @ Hell anglisy, dia mazavazava. Fa ilay sejour des morts no tiako ho fantatra,
123. gasy1zay ( 04/05/2020 19:00)
Tsy namaly RBNIR fa mino aho fa mazava be hoe tsy mitovy ilay fainan-tsy-hita sy helo...


Tohizako ny fanazavana


Ny fianan-tsy-hita dia adika @ traduction française hoe : séjour des morts/chez les morts(traduction parole de vie)/ le monde des morts ( traduction français courant)

Ny fiainan-tsy-hita izany dia toeran'ireo olona maty rehetra fa tsy ny voaheloka ihany araka ny filazan'i RBNIR. Izay rehetra maty talohan'ny famonjena nataon'i Jesoa Kristy dia tsy maintsy nandalo tany @ fiainan-tsy-hita na séjour des morts

Araka ireto verset ireto :

Rehefa nihevitra i Jakoba fa maty i Josefa araky ny voalazan'ny rahalahiny dia ireto no nambarany

Gen 37:35
Tous ses fils et toutes ses filles vinrent pour le consoler, mais il refusait d’être consolé. Il disait : « C'est dans le deuil que je descendrai vers mon fils au séjour des morts », et il pleurait son fils.

Gen 42: 38Jacob dit : « Mon fils ne descendra pas avec vous, car son frère est mort et il ne reste que lui. S'il lui arrivait un malheur pendant le voyage que vous allez faire, vous feriez descendre avec douleur mes cheveux blancs dans le séjour des morts. »

Voalaza eo fa i jakoba rehefa ho faty dia hidina any @ séjour des morts ary izy dia nihevitra fa raha maty tokoa i Josefa zanany dia lasa any @ séjour des morts

Ka na i RBNIR manaiky fa midina any @ séjour des morts ny maty na i RBNIR mihevitra fa nakany @ helo Jakoba na i Josefa.


saingy, tsy mitovy ny toerana misy ny olona tao fa misy natokana hoan'ny olo-marina (eo an-tratran'i Abrahama) sy natokana hoan'ny tsy marina (nisy ilay mpanankarena) ary misy tevana makadiry(grand abysse) manasaraka azy 2 ireo

araky ny voalazan'i Lioka 16.


Noho izany:

Ka raha mino ianao fa tena tonga olona i Jesoa Kristy dia tokony hanaiky koa ianao fa maty toy ny olona izy dia nidina tany @ fiainan-tsy-hita na séjour des morts toy ny olona rehetra ihany koa saingy tsy voatana tao izy araka ny voalaza eto satria izy tsy mba nanota:

Actes: 2.24 Dieu l'a ressuscité, en le délivrant des liens de la mort, parce qu'il n'était pas possible qu'il fût retenu par elle.

Ny olona niakatra tany an-danitra tsy nandalo t@ fahafatesana tahaka an'i Elia RBNIR no tsy nandalo tany @ fiainan-tsy-hita.
124. RBNIR ( 04/05/2020 23:43)

gasy1zay:

fianan-tsy-hita adika hoe séjour des morts fa diso kely

vakio fa misy dikanteny 2 hatrany ny fiainan-tsi hita dia na sheol ao anaty baiboly : (testameta taloha) na hades (testameta vaovao) ao anaty baiboly ao...

hades
sheol

ary amin'ny ankapobeny dia iray ihany no handraisana azireo : helo toerana handefasana ireo olona tsy ho voavonjy (hijaliany) ka iandrasany ny fitsanganana (faharoa) handraisany didim-pitsarana ka handefasana azireo indray kosa any amin'ilay atao hoe farihy afo sy solifara...

ny eo an-tratran'i abrahama sy paradisa indray kosa dia mitovy ihany koa ny dikany (toeram-pitsaharan'ny fanahin'ny olona (maty ao amin'ny Tompo) izay miandry indray kosa ny hananganana azireo amin'ilay fitsanganana (voalohany) amin'ny fiverenan'i JEsosy..

https://www.gotquestions.org/Francais/Sheol-Hades-Enfer.html

kristy manokana rehefa nampianatra an'io fiainan tsi hita io dia toerana ratsy fanetrena (fa tsy fanandratana) no nambarany hatrany...


« Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. » (Matio 11:23)
« Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera*, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako**; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*** tsy haharesy azy. [*Petera = Vato; izahao Jao.1, 42] [**Gr. eklesia] [***Gr. Hadesy] » (Matio 16:18)
« Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao.[*Gr. Hadesy] » (Lioka 10:15)
« ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lioka 16:23)
125. gasy1zay ( 05/05/2020 12:44)
Ka averiko ny fanontaniko anao RBNIR, raha milaza izany ianao fa ny maty rehetra tsy mandalo any amin'ny fiainan-tsy-hita, dia Jakoba sy Josefa zany lasa any @ afobe satria nilaza izy hoe hoany amin'ny fiainan-tsy-hita?

Genèse: 37.35 Il disait : C'est en pleurant que je descendrai vers mon fils au séjour des morts ! Et il pleurait son fils.
126. RBNIR ( 06/05/2020 09:05)
raha ohatra ka ampiany dikany hoe sheola na koa hoe hadesy dia helo izay....raha tsy izay kosa dia fasana....(fitoeran'ny maty)....
na izany aza dia i Jesosy hoy aho tsy lasa tany amin'ny helo fa voamarina fa tena lasa tany amin'ny paradisa ny Fanahiny raha vao maty Izy...Lio.23:43...ny toko sy andininy nentinao teto mantsy dia ny asa.2 "raha tsy diso aho"? ary misy fanazavana eo hoe fiainan tsi hita [*Gr.Hadesy]
127. gasy1zay ( 06/05/2020 14:58)
Raha ny tantaran'i Lazarosy no jerena dia ny fianan-tsy-hita dia misy toerana 2 hoan'ny marina sy ny tsy marina, tsy misy milaza mintsy hoe ilay eo antratran'i Abrahama resahiny dia tsy ao @ fianan-tsy hita

Luc 16 :

23 Dans le séjour des morts, en proie à une grande souffrance il leva les yeux et vit de loin Abraham, avec Lazare à ses côtés.

vakio tsara RBNIR fa tao @ fiainan-tsy-hita/séjour des morts dia nahita an'i Abrahama sy Lazarosy izy

ny fahadisoanareo dia hoe nijaly ilay ranamana tao @ fiainan-tsy-hita dia efa io ilay afobe

ilay farihy mirehitra afo tena any @ apokalypsia vao misy

eto vakiana :

Apocalypse: 20.14 Et la mort et le séjour des morts furent jetés dans l'étang de feu. C'est la seconde mort, l'étang de feu.

14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin’ ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.


dia eritrereto tsara RBNIR... saintsaino tsara ny fampianarana azonao

raha milaza ianao fa ny fiainan-tsy-hita na séjour des morts dia Afobe na helo

dia manontany anao ary aho :

fa maninona izy no hatsipy any @ farihy afo (afobe/helo)?
128. rhaj0 ( 06/05/2020 15:06)
O ry GAsy1zay aa.. hanontanio an'i RBNIR fotsiny hoe, toatoa ny ahoana ny "fanekem-pinoany" ao @ sektan'i HRNRN ao, dia hazava ho azy ny resaka.

Fa fantatr'i RBNIR fa nanao tsianjery maimbo ny fenekem-pinoany fotsiny izy, fa tena TSY nasiany fiheverana na dia ny pitiny aza, dia TSy mety miventy ny fanekem-pinoany i RBNIR fa oainina.

RAhefa Gasy1zay angamba no manontany dia tsy manao bemarenina i RBNIR :-)
129. gasy1zay ( 06/05/2020 15:20)
ka raha ny valitenin'i RBNIR, ny fahazoko azy dia tsy misy fanekempinoana izany ao amin'zareo, sa diso fandray aho RBNIR?
130. RBNIR ( 07/05/2020 07:44)
gasy1zay:

raha milaza ianao fa ny fiainan-tsy-hita na séjour des morts dia Afobe na helo

dia manontany anao ary aho :

fa maninona izy no hatsipy any @ farihy afo (afobe/helo)?

izaho tsy niteny hoe Afobe fa hoe helo (samihafa hoy aho ireo)

Helo = ilay afo ao afovoan'ny tany ao...(ity tany ity miaraka amin'io afo io dia mbola hatsipy amin'ny ora farany indrindra any amin'ilay Afobe « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14)

Ny fahafatesana lazaina eo dia ity tany ity (tany feno fahafatesana) ny fiainan tsi hita (Gr Hadesy) voalaza eo dia ny helo (afokely ao anaty tany ao)..

Ilay Afobe dia ilay farihy afo (afo miendrika farihy ngezabe mahavita mitelina masoandro, kintana sns....) ILAY TROU NOIR B re ry gasy1zay a!
131. rhaj0 ( 07/05/2020 10:30)
Averina indray fa dia tena miteniteny foana mihitnsy ilay RBNIR 'ty.. (tsisy trou noir ao @ Baiboly)


rhaj0:

Tena tsy mahay mamaky Baiboly 'le zalahy 'reto. Izaho Atheist indray no mahita...
ny Map according to biblical creation.

Ny Fiainan-tsy hita dia ao @ ilay SHEOL.
Sheol (/??i?o?l/ SHEE-ohl, /-?l/; Hebrew: ??????? Š???l), in the Hebrew Bible,
is a place of darkness to which spirits of the dead go.

Ary rehefa avy maty ka nalevina i Jesosy, dia nidina tao @ io fiainan-tsy hita , dia ilay Sheol.




Dia jereo tsara koa

- etsy ambony etsy, ilay floogate, dia ilay barazy tapaka ka nahatonga ny
safo-dranon'i Noah.

- etsy @ sisiny, ilay columns of mountains dia i Kilimanjaro.
Eo an-tongotr'i Kilimanjaro no mifarana ny Tany

- etsy ambonin'ny tafon'ny lanitra (firmament), dia mbola rano..
dia ilay rano tao @ Genesisy.

Lojika be daholo izany. :-)

Ny hamaranako azy, dia tsy hoe "aok'sik'ivavaka", fa AOKA ISIKA HIVANITIKA
...........
132. RBNIR ( 07/05/2020 10:35)
izaho ngah moa niteny hoe misy soratra hoe "trou noir" ao anaty baiboly?
farihy afo no voasoratra ao AFOBE MIENDRIKA FARIHY....

133. RBNIR ( 07/05/2020 10:37)
134. rhaj0 ( 07/05/2020 10:50)
Zavatra tsy ho hainao mandrakizay ny @ Trou noir, raha mbola izao ny fisainanao ry RBNIR, fa ajanony any io resaka io.

Ilay Kisary ity no dinidiniho tsara ao fa io no sahaza anao.

135. RBNIR ( 07/05/2020 11:34)
kisarin'iza aloha ity averimberinao eto ity e???
136. RBNIR ( 07/05/2020 11:35)
ilay kisary inoanao v (otran'ny angano mantsy ny fahitako azy io)? :-)
137. rhaj0 ( 07/05/2020 12:33)
Kisary inoan'ny Kristiana toa anao io ry RBNIR aa..

Ary ilay Kristiana original mihintsy no nanao an'io, fa tsy mba ilay toa ny anareo, efa navadibadika dika-teny hebreo-grika-anglisy-frantsay vao gasy ilay resaka, hany ka tsy fantatra intsony hoe inona no tiana tenenina, inona na iza no ivavahana...

Koa raha izao i RBNIR vao tonga saina, fa oatran'ny angano no fahitanao azy, dia ..
hi hi hi... voalazanao!! :-)
138. gasy1zay ( 07/05/2020 14:55)

RBNIR:

gasy1zay:

raha milaza ianao fa ny fiainan-tsy-hita na séjour des morts dia Afobe na helo

dia manontany anao ary aho :

fa maninona izy no hatsipy any @ farihy afo (afobe/helo)?

izaho tsy niteny hoe Afobe fa hoe helo (samihafa hoy aho ireo)

Helo = ilay afo ao afovoan'ny tany ao...(ity tany ity miaraka amin'io afo io dia mbola hatsipy amin'ny ora farany indrindra any amin'ilay Afobe « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14)

Ny fahafatesana lazaina eo dia ity tany ity (tany feno fahafatesana) ny fiainan tsi hita (Gr Hadesy) voalaza eo dia ny helo (afokely ao anaty tany ao)..

Ilay Afobe dia ilay farihy afo (afo miendrika farihy ngezabe mahavita mitelina masoandro, kintana sns....) ILAY TROU NOIR B re ry gasy1zay a!


RBNIR aza mivoaka ny baiboly hoy aho fa lasa tsy fampianarana avy amin'Andriamanitra intsony no zarainao, vakio tsara ny BAIBOLY, tsy misy trou noir afobe izany ao fa na helo na fiainan-tsy-hita,

helo : traduit en français enfer
fiainan-tsy-hita: séjour des morts


izay no anaty BAIBOLY, raha mampianatra zavatra ankoatry ny BAIBOLY ianao dia efa mandika ny fampianaran'i Paoly ianao

Gal 1:8 Eh bien ! Si jamais quelqu’un venait vous apporter, sous le nom d’Évangile, un message différent de celui que nous vous avons prêché, qu’il tombe sous le coup du châtiment divin ! Même si moi ou un ange descendu du ciel venions proclamer au milieu de vous une bonne nouvelle contredisant celle que je vous ai annoncée, que la malédiction divine nous frappe !

mitandrema ihany RBNIR fa misy châtiment divin hoan'ireo manaparitaka fampianarana mifanohitra ny filazantsara

139. rhaj0 ( 07/05/2020 15:41)
I RBNIR anie ry Gasy1zay, dia hafa raha @ samy Kristiana ee.. Efa nolazaiko teto:

Aborotsan'i RBNIR sy HRNRN ho ao anaty Baiboly koa ny tenabeny. Ohatra, lazainy fa Apostoly hono i HRNRN. Taiza tao anaty Baiboly rey olona no nisy an'izany? NIsy hoe pasteur amour force souhaitee (pasitera fitiavana herinirina) ve voasoratra ao anaty Bible ao?

Tsy mila lazaina averina intsony hoe, ilay personazy biblika koa kay avoakan-dry RBNIR avy ao anaty Baiboly ao, dia lazainy fa midoladola miaraka aminy ao an-tranony ao izao.

Dia io indray izao fa navoakany avy tao @ Baiboly koa ilay farihy mena, ary tonga dia akapokapony ho troutrou noirnoir izany


Dia afa-baraka mihintsy ny Kristianisma eee... :-)
140. RBNIR ( 07/05/2020 23:31)
rhaj0:

Kisary inoan'ny Kristiana toa anao io ry RBNIR aa..

kristiana iza avy? sao dia mba ilay namorona azy ihany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4684