Andro Malaza

1. bor2lais ( 24/12/2019 13:14)
Mirary Krismasy sambatra ho antsika rehetra e :

- na ny magy vaovao (izay nikaroka dia nahita ary feno fifaliana sy niova làlana rehefa avy nihaona tamiNY )
- na ny heroda vaovao (izay nilazana dia nikendry izay hamonoana Azy mba hanaporofoana fa tsy misy Izy)
- na ny lohan'ny mpisorona na ny mpanora-dalàna vaovao (izay nahafantatra nefa tsy nino fa Izy no tonga hany ka tsy mba feno fifaliana ka nahalala nankalaza Azy)
- na ny mpiandry ondry vaovao (izay raha vao nampahafantarina dia nihazakazaka nandeha nizaha ka feno fifaliana, dia nidera sy nankalaza an'Andriamanitra )
:-)
novalian'i rhaj0 ny 02/01/2020 00:45
2. rhaj0 ( 30/12/2019 21:28)
Tratry ny fety Radoko aa :-)

Fa tsy azoko tsara ny resaka, fa mba azonao velabelarina kely ve, inona na iza na @ ahoana izany magy, heroda ary mpisorona sy mpanora-dalàna izany?
Dia inona ny maha-samy hafa amin-dreo @ ilay lazainao fa vaovao @ izany?
3. bor2lais ( 31/12/2019 14:46)
Miarahaba anao Ramose nahatratra ny Andro Malaza indray e ! :-)

Raha mahaliana anao dia sokafy ny Baibolinao (haleloia ! :-)) dia jereo ao Mat. 2 : 1-12 mikasika ireo telo voalohany ary Lio. 2 : 8-20 ilay faha-efatra !

Diniho tsara fa na dia efa t@ Noely voalohany (l'an 0) aza ireo antokon'olona ireo dia mbola dakitoalite foana (@ izao 2019 izao) indrindra moa raha manaraka ny dinika ifanaovana eto e. "Que chacun se reconnaisse" hoy ny fitenenana ! Izay ilay hoe "vaovao" Ramose a ! :-)

Raha mbola tsy mety fantatrao ihany ny antokon'olona misy anao Ramose dia ho lazaiko eto ihany indray amin'ny herintaona toy izao raha sitrapon'ny Tompo ! :-)

Mirary soa ho anao e ! :-)
4. rhaj0 ( 31/12/2019 18:15)
Legoza... ilay rehefa @ andro malaza, izay mba olona dia mba mankalaza, mifety sy mivanitika sy mirevy bonne...

ntss... Ny an-dry Bor2lais anararaotany amelezana ankolaka ny akama, dia hoe "Que chacun se reconnaisse", hoy ny fitenenana ao Bordeaux ao.

Tsy maninona fa izay gasy dia miharitra ee... r@ herintaona indray izany Radoko aa...
[size=4](fa efa hoe, mba firy girama ho'a ny oronao ao ry bor2lais no dia mbola lohalohavina toa io foana h@ izao rahefa mba mandalo dia miserana io ianao eee[/size] :-)
5. rhaj0 ( 02/01/2020 00:45)
hi hi hi... hitako i Kaisara vaovao :
[size=15] "Que chacun se reconnaisse"[/size] angamba no dikan'io venividivici io ...
sa ahoana ry bor2lais?? :-)



[size=4]Ny an'i Kaisara tonta izao tena tombanako ho 5 grama eo ho eo io orona be io. Ny an'i Kaisara vaovao kosa ho'a mba firy girama no dia lanjalanjaina lohalohavina rahefa mba mandalo sy miserana eto izy eee...[/size] :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0967