You are here: home > Forum

TARA LOATRA

Lohahevitra : Antson'ny fo
Fitohizan'ny hafatra : TARA LOATRA
Valiny : 0
Timoty2009 - 19/10/2019 05:01
Dada a,tara loatra ianao
Fa i Neny efa nandao
Noho ireny ditranao
Herinandro lasa izay
No lasa mamanay
Nandao anay tsy satry
Nalevina fa maty
Nalefanay ny filazana
Anonjam-peo sy anonjan-tsary
Nefa ianao toa tsy mba tamy
Fa variana tany ho any
Tara loatra ianao vao nody
Tara ireto fanafody
Izay noentinao ho an'i Neny
F'efa lasa i Mama tsy niteny...
#Timoty_Josto
Valio | Miverina eny ambony