DIA LAVITRA ANATIN'NY SAINA 
Tara-masoandro - 29/09/2019 21:54
|
![]() Hitety ny tontolo anaty saina ihany Ka ho voatetintsika, na lanitra na tany, Indrindra fa ny rano, ny tendrombohitra avo. Tsy ho adino ihany koa, ireo biby sy ny hazo. Henoy izany rivotra, mitsoka sy malefaka, Mamelombelon' aina, sy ny saina izay ketraka. Ny hanitry ny tany manentoento ery, Mampitonitony fo, no sady koa maha te ho tia. Jereo ange tazano, fiakaram-be mideza, Io no hizorantsika, koa dia mahereza Aza kivy, andao fa miaraka amiko. Raha vizana ianao, ao fa ho tantaniko. Itanao fa niala, ilay rarin-tsainao teo, Nanjary feno tsiky, ilay endrikao toa leo ny dinitra arotsaky ny asa mankadiry Fa izao ianao, nilaozan'ny hirifiry. Fotoana fohy monja, dia hizotra lalan-tsara Tazanao va io? Indro trano kely rava Koa mahareta kely, minitra sisa isaina. Eo isika no hijanona, hisento sy haka aina. Dia atopazo ambony, ireo masonao hijery, Ireo voromailala sy ny vorom-be mahery, Dia atongilano indray, ny sofinao handre Ireo feony manako, manainga anao andeha, Hanaraka ny diany, hisidina toa azy, Ka ho adinonao ireo lasa, ireo jaly sy ireo ady. Fa anatin'ny habakabaka iny No afahanao mifantoka amin'ny ankehitriny. Etsy indray ary ho entiko, hitety ny ala maitso, Ka ho hitanao daholo ny manga sy ny paiso... Ireo voninkazo dia, hamalifaly anao Ho tazanao ireo biby hiravo sy hilalao. Itanao fa kanto, ireo karazan-java-boary? Sitrana daholo ilay nofonao narary, Ka ho tohizantsika amin'ny dia amoron-drano, Tarafin'ny masoandro, madio manganohano. Jereo izato onjany, mitopatopa maivana Ny hazan-drano miarahaba, mahalasa ny fisainana. Toa manainga ny fanahy iantsoantso hoe: "Veloma ry adin-tsaina, fa ny zava-boary indray no mahatonga ahy iaina, Am-piadanana aok'izany, Ka ny heriko tsy ho lany". Itanao fa tsara, izay diantsika izay? Fa eto ianao no ajanoko, koa mandram-piaona indray. Ny hafa indray no ento, anaty zava-boary Mba ho afaka amin'ny rivotra, maloto, mankarary. 28/09/2019 Tara-masoandro |
yardiradi - 05/10/2019 01:08
|
![]() |
Tara-masoandro - 05/10/2019 08:14
|
![]() ![]() |