Mitovy endrika.

81. RBNIR ( 22/08/2019 06:27)
tealala:

Dia efa ni contact an o Pasitera Herinirina io olona io sa mbola honohono?

Anjaran'i Jesosy no mampihaona azy ary ny marina dia ity....efa tsy ho ela intsony satria ankehitriny dia efa asehon'i Jesosy an'izao tontolo izao ilay AFOBE (TROU NOIR NGOZA BE) handevona ny lanitra sy ny tany (handevona ny galaxie voie lactée)

http://forum.serasera.org/forum/message/m5d3e8e2616077#m5d53c9764d6bc
82. tealala ( 22/08/2019 06:41)

RBNIR:

efa tsy ho ela intsony satria ankehitriny dia efa asehon'i Jesosy an'izao tontolo izao ilay AFOBE (TROU NOIR NGOZA BE) handevona ny lanitra sy ny tany (handevona ny galaxie voie lactée)

http://forum.serasera.org/forum/message/m5d3e8e2616077#m5d53c9764d6bc

https://www.youtube.com/watch?v=oKwUZXRXG6U
83. tealala ( 22/08/2019 06:42)
Mba vaovao international jerena RBNIR fa aza dia mijery ireny site fitadiavam-bola isaky ny clic ireny a.
84. RBNIR ( 22/08/2019 07:02)

tealala:

Mba vaovao international jerena RBNIR fa aza dia mijery ireny site fitadiavam-bola isaky ny clic ireny a.

Site siantifika officiel daholo no nopartageko teto tealala...
85. tealala ( 22/08/2019 07:11)
Eny ary dia efa navokan'ny media international ve sa mbola honohono?
Izany hoe horavain'ilay mpahary izany ilay tontolo hitany fa tsara?
Nataony nandritry ny 6 andro?
86. tealala ( 22/08/2019 07:20)
Izany no porofo fa mitombina ny faminanina hoe Esao no rain'ny kristianina. Nolaviny ny hatao hoe fizokina (didy sy lalàna) nilaozany ny tany (matériel) ka Lasa Edoma izy nilaozany tsy "nifora" izy fa nifora t@ ny fo izany hoe spirituel ihany fa ny matériel narina tanteraka. Anefa tsy afaka misaraka ny spirituel sy matériel ra mbola eto amin'izao tontolo nomen'ilay mpahary antsika izao, tsy misy fanahy afaka mihenjienjy fotsiny eny rangah ity a tsy maintsy misy vatana mamono an'iny vao mety.
87. tealala ( 22/08/2019 07:22)
Dia manao tsinontsinona ilay tany nampanantenaina an'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay mihitsy ianareo.
88. RBNIR ( 22/08/2019 08:05)
tany efa nozonin'Andriamanitra ity izany no mbola antenainareo ry tealala foana hatramin'izao????

« Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao. » (Genesisy 3:17)


Izany hoe ianareo izany dia hanaiky fa fahoriana no hihinananareo amin'ny andro rehetra hiainanareo?????

Ny anay tany (tsy ity fa hafa mihitsy vakio apok.21 sy 22) vaovao sy lanitra vaovao (tsy io hita maso ankehitriny eo ambony io fa hafa mihitsy koa) izay hanjakan'ny fahamarinana voalaza fa any dia.....

« Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » (Apokalypsy 21:3)
« Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » (Apokalypsy 21:4)


sady hiaraka honina amin'Andriamanitra no tsy hisy fahoriana intsony.....
89. RBNIR ( 22/08/2019 08:13)
tealala:

Eny ary dia efa navokan'ny media international ve sa mbola honohono?
Izany hoe horavain'ilay mpahary izany ilay tontolo hitany fa tsara?
Nataony nandritry ny 6 andro?

Ny media ange olon'izao tontolo izao fa tsy mpivavaka e!
Ny tena marina na fantatry ny siantista aza fa hoe tena efa dange imminent io TROU NOIR BE io tsy havoakany officiel mihitsy fa manjary lasa panique générale hono.....

Izaho anefa miteny aminao raha fantatry ny olona ny fisian'io loza manambana io, dia hibebaka izireo ka hitodika amin'Andriamanitra satria Izy sisa no seule issue possible....

Ny teknologie hananan-tsika tsy hahafahan'ny zanak'olombelona mandositra eto
90. tealala ( 22/08/2019 08:31)

RBNIR:

tany efa nozonin'Andriamanitra ity izany no mbola antenainareo ry tealala foana hatramin'izao????

« 


Gen17:8Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary izaho no ho Andriamanitr'izy ireo.

Misy fetrany ve izany mandrakizay ry RBNIR.

Apolalipsy zany tsaho amiko. Amarino tsara aloha ny TV Zay vao zaraina aty amiko
91. tealala ( 22/08/2019 08:35)
Raha i jesosy mpanandra Tena dia misy 1.7m 60 kg sady mety maty ????????????
92. RBNIR ( 22/08/2019 10:57)
tealala:

Raha i jesosy mpanandra Tena dia misy 1.7m 60 kg sady mety maty ????????????

Izay filazanao azy aloha tsy maninona loatra fa ny marina dia izao tanteraka daholo ny faminaniana nataony ankehitriny....

Ary izao no voasoratra....« Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. » (Deotoronomia 18:22)

Matoa tanteraka ny faminaniana nataon'i JEsosy indrindra momba ny handravana ny lanitra sy ny tany dia avy tamin'i Jehovah izay....

Izay dia ampy ahy ry tealala a!

93. RBNIR ( 22/08/2019 10:59)

tealala:

Raha i jesosy mpanandra Tena dia misy 1.7m 60 kg sady mety maty ????????????



Lalana tsy maintsy nolalovany iny fahafatesana iny mba hanehoana fa tena misy marina ny fitsanganan'ny maty « Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:13)

Ka mba hiorina tsara amin'ny finoana ny kristiana rehetra....« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Korintiana 15:14)

Raha ny tena marina anefa dia nitovy tamin'Andriamanitra Izy fa saingy nanetry tena hatramin'ny fahafatesana..;

« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)
« ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. » (Filipiana 2:8)
« Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, » (Filipiana 2:9)
94. tealala ( 22/08/2019 11:03)

RBNIR:


Izay filazanao azy aloha tsy maninona loatra fa ny marina dia izao tanteraka daholo ny faminaniana nataony ankehitriny....

Mba tanisao hoe
95. tealala ( 22/08/2019 11:05)

tealala:


[quote=RBNIR]

Raha ny tena marina anefa dia nitovy tamin'Andriamanitra Izy fa saingy nanetry tena hatramin'ny fahafatesana..;



Izany hoe tsy 1 izy sy ilay andriamanitra.
96. tealala ( 22/08/2019 11:07)
« Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, » (Filipiana 2:9)

Izany hoe olona mila hasandratra.
97. tealala ( 22/08/2019 11:07)
Rehefa jerena dia tena olona tokoa ilay jesosy a.
98. RBNIR ( 22/08/2019 11:08)
tealala:


RBNIR:


Izay filazanao azy aloha tsy maninona loatra fa ny marina dia izao tanteraka daholo ny faminaniana nataony ankehitriny....

Mba tanisao hoe

Io izao ilay Afobe voaporofo fa marina...hisy Afo be miendrika farihy handevona ny masoandro, ny kintana ary ny volana sy ny tany...

99. RBNIR ( 22/08/2019 11:13)
Izao ilay izy:
Misy karazany maro ny zava-manan'aina eto amin'ny univers,

Raha eto an-tany ohatra dia misy ny omby, alika, rajako,

misy koa ny olona = être humain

Any amin'ny lanitra any indray misy ny anjely; misy izany zava-manan'aina 4 izany koa any

Dia misy koa ny être supreme atao ho Dieu : Tafiditra ao ny Ray, Zanaka ary ny Fanahy Masina.....

Ka race de Dieu i Jesosy no tena Marina fa tsy race humaine.....(tafiditra ao amin'ilay lazaina hoe Andriamanitra Izy)...

100. tealala ( 22/08/2019 11:14)

RBNIR:

Io izao ilay Afobe voaporofo fa marina...hisy Afo be miendrika farihy handevona ny masoandro, ny kintana ary ny volana sy ny tany...

Samy manana ny interpretation an'io anie, ampio ra mbola misy maromaro ra mahita 20 moa tsy maninona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6724