You are here: home > Forum

Endrika sy bika sa toetra?

Lohahevitra : Antson'ny fo
Fitohizan'ny hafatra : Endrika sy bika sa toetra?
Valiny : 10
Charoumeni - 25/08/2017 13:43
Salama daholy e!
Mivantana kokoa aminareo lehilahy ity fanontaniana ity. Marina tokoa ve fa manisy lanja ny apparence ianareo rehefa mitady vady? Tsy haiko hoe samy hafa ve ny fijerin'ny lehilahy sy vehivavy fa mahita hao vehivavy tsara ihany (tsy miteny aho hoe tonga lafatar fa mba misy azo jerena) nefa dia tsy mba misy mizary zoro.Amboarina ny apparence fa eee! Saro-pantarina ny antony e
Valio | Miverina eny ambony
ursulaelise - 26/08/2017 09:56
salama e!!!!toetra no maha olona fts bika na endrika
Valio | Miverina eny ambony
batsilana - 04/09/2017 08:19
slt!, ny fifamenoan'ireo rehetra ireo no tena maharesy lahatra kokoa anay lehilahy, fa matetika ts de misy mahafeno io fepetra io ny vehivavy fa tsy maintsy misy lesoka kely e, tsy natao hametrahana olana anefa izany satria ny olombelona rehetra dia tsy misy tongalafatra sy feno fa mba misy indro kely ihany koa.
Valio | Miverina eny ambony
lemanga - 04/09/2017 11:07
raha ho ahy manokana dia fitaka fahatsaram_bika sy fahatsaran_tarehy ,ho simba ihany io rehefa ela ny ela, fa ny toetra tsara ihany no tena tadiavina
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 06/09/2017 14:27
Indraidray dia ilay tsindry (hazo lena) mahazo ny olona rehetra avy @ médias/hollywood/pub izay mamaritra ny "bika sy endrika" tena lafatra dia tena olana beuh, indrindra @ ankizy/zatovo.

- ny viavy dia mitady ho tahaka an'i Blanche-Neige na hoe i Barbie na i Taylor Swift
- ary ny lahy dia mitady ny tahaka an'i Blanche-Neige na hoe i Barbie na i Taylor Swift

Ary dia tsy mifanena ny sambo eee... (manginy fotsiny ny korontana ao @ saina/vatan"ireo ankizy/zatovo)

Fa rahefa miha-antitra, dia efa tsy voatsindrin'izany intsony, fa miha-matotra, ary dia mijery ny "toetra".
Valio | Miverina eny ambony
mirananirina - 16/09/2017 15:23
Lehilahy moa tsy haiko loatra fa vehivavy resahako.
Niresaka t@ namako fahiny izay aho, efa taty aoriana vao nifankahita dia mifampitantara fianana.
Za hoy izy anie t@ ireny (tanora) ireny dia tsy mijery bandy raha tsy manana fiara e! Tsy miaraka @ lehilahy aho raha tsy manana fiara hoy izy.
Izaho moa tsy mba nahazo bandy nanana fiara t@ izany dia hoy aho hoe tahaka izay koa hihi.
Valio | Miverina eny ambony
Tanjona_R - 21/03/2018 07:34
Miarahaba ô!

Marina mintsy fa nen'ny lehilahy apparence lo vao mijery ny toetranao izy.

>>Ilaina ny miserasera,
>>midira fikambanana fa mety zay le olana ngamba.

Valio | Miverina eny ambony
herosjordin - 22/04/2018 03:51
Amiko aloha ilaina voalohany indrindra ny hatsaran-toetra,de manaraka ny hatsaran-tarehy ary farany ny bika,
Valio | Miverina eny ambony
aldien - 27/07/2018 13:56

herosjordin
Amiko aloha ilaina voalohany indrindra ny hatsaran-toetra,de manaraka ny hatsaran-tarehy ary farany ny bika,



aleo toetra
Valio | Miverina eny ambony
midrou - 12/06/2020 20:29
lemanga
raha ho ahy manokana dia fitaka fahatsaram_bika sy fahatsaran_tarehy ,ho simba ihany io rehefa ela ny ela, fa ny toetra tsara ihany no tena tadiavina



Marina be io saingy vitsy no lina @ io fa ny ankamaroany de ''varìna @ le bika sy hatsarana'' e

Zah koa miombok'hevitra @ lemanga an

lemanga
raha ho ahy manokana dia fitaka fahatsaram_bika sy fahatsaran_tarehy ,ho simba ihany io rehefa ela ny ela, fa ny toetra tsara ihany no tena tadiavina
Valio | Miverina eny ambony
midrou - 12/06/2020 20:34
herosjordin
Amiko aloha ilaina voalohany indrindra ny hatsaran-toetra,de manaraka ny hatsaran-tarehy ary farany ny bika,

Valio | Miverina eny ambony