misy fanontaniana maromaro tiako hovalianao hahafahako manome vahaolana aminao :
- ny fiarahanao sy io vehivavy io ve nifototra t@ resaka fitiavana sa resaka ara-nofo (sexe) fotsiny ihany ?
- tena mbola tia an'io vadiny (mbola tsy officiel) io ve ilay vehivavy ?
- ianao ve tena tia azy ke mety ho vonona handray azy ho vadinao ? raha tsia, inona no sakana tsy hahafahanao manao izany.
Arakaraka ny valiteninao eto no hahafahako manome sosokevitra :
Raha resaka ara-nofo ihany dia sarotsarotra ny fandidiana raha toa ka tsy zakan'ilay ranamana ny nataonareo; raha tena fitiavana dia mety ho tsara kokoa ny hiarahanareo saingy miankina @ hoe mbola tia ve sa tsy tia intsony ilay vadiny ilay vehivavy ?
Izahay vehivavy manko manahirana ihany, mbetika tia, mbetika hafahafa, indraindray rehefa ilaozana vao tena tia, sns....
Mila fantarinareo lehilahy izany.
Mahereza fa tsy moramora