Hevitra ho an'ny Namana Rhaj0

21. rhaj0 ( 30/05/2017 20:11)
Ny fahalalaNAO no toa "voafetra" satria "nampinoana" izany ianao ry Miharena.

Dia tena latsaka lalina (anaty tsy fahalalana) mihintsy ianao izany fa .. mba miharena ry Miharena aa...
22. MIharena ( 30/05/2017 20:26)

rhaj0:

Ny fahalalaNAO no toa "voafetra" satria "nampinoana" izany ianao ry Miharena.

Dia tena latsaka lalina (anaty tsy fahalalana) mihintsy ianao izany fa .. mba miharena ry Miharena aa...

Ny be fahalalana no totofan'ny saindaliny fa tsy izaho akory kah!

Ny mino manana ny MAZAVA dia asehony amin'ny namany ny MAZAVA fa ts yasitriny any anaty korontantsaina isan-tokony any.

Raha miteny aho hoe ianao tototra dia tsy hiaiky ianao eh! Rhaj0 MIFOHAZA HOAHO!
23. endriny ( 31/05/2017 04:11)
Misy fiteny Malagasy hoe: "Tano ny azo fa sarotra ny mila", "manao fiki-maty ohatran'ny tanam-poza notinapaka"

Saingy ny Malagasy ihany koa no milaza hoe: "Tsy voangaly aho akory ka ho faty an-kazo tokana" ary "Adala nomen-tanan'ondry ka na soloina hofany aza tsy tia"

Ka raha miova finoana ianao dia marivo salosana izay, kanefa raha manao fiki-maty amin'ny finoana iray koa ianao dia minia mikipy sy manidy ny sainao tsy ahita ny fivelaran'ny manodidina. Ka ny manodidina mivelatra indray no lazainao fa indrakindrafana na adaladala fa nahita ny akanga tsara soratra.
24. Miharena ( 31/05/2017 08:20)

endriny:

Ny finoana namana endriny tsy zavatra tsimponina etsy sy eroa fa fifohazana ho amin'ny MARINA sy ny MAHAIZY FOTOTRA.

Ianao ohatra MISY ary mitazana dia lasa sampy no ataonao raha toa ka izay tazaninao no ataonao fa FINOANAO ary azo ovaina arakaraka ny fomba fitazanao na fisafidiananao io Finoana io.

Ny manodidina mivelatra lazaoinao ohatra, inona io? Ianao sa izay tazaninao sy dinihinao???

Dia avaho tsara fa miteniteny foana ianao rehefa mandinika izay soratanao.
25. rhaj0 ( 31/05/2017 10:51)
Miharena:
Ny finoana namana endriny tsy zavatra tsimponina etsy sy eroa fa fifohazana ho amin'ny MARINA sy ny MAHAIZY FOTOTRA.

Ndao ifanarahana ny dikan-teny fa manjary (lazain-dry Miharena) fa "miteniteny foana" eto fotsiny eee..

Ara-pamaritana:
Mino = Manaiky-TSISY-porofo.

Ohatra hoe, "mino" aho fa ho avy eo i Paoly. Tsy naharesaka t@ Paoly aho, tsy fantatro akory hoe aiza izao i Paoly, mety any @ Pole nord izy @ io, fa dia "mino" fotsiny aho, hoe, ho avy ilery, tsy asiana fisainana, tsy ilavana porofo hoe efa naka taxibe izy...

Ka rahefa izay ny "fisainanao" rahefa "mino" ao ry Miharena, dia aizza ho aiza @ izany ilay "fifohazana ho @ MARINA" dradradradrainao eo io???

Dia rehefa eto ihany, @ io ohatra io ambony io, dia ovay ho Jesosy anie i Paoly, dia eritrereto lalina ao indray eee...

ntss... affirmation gratohita sy pli-vava fotsiny ny anao (sy fombanao) ry Miharena. Atambambatra ny teny dia apoapoaka dia hoe... "tena izay mihintsy"..
hi hi hi.. hehezzin'ny akoho toka-nify :-)
26. Miharena ( 01/06/2017 06:37)

Hay ilay famaritana no tsy mampitovy antsika ko.

Ny MINO dia MATOTRA ary MISY POROFO fa tsy hoatran'io lazainao io! SAINA sy FOMBA FISAINANA io ataonao famaritana io.

VAKIO NY BAIBOLY DIA TSIMPONY AO NY ASAN'NY MINO! MOSESY, ABRAHAMA, PAOLY, JESOSY IZAY IANAO VAO MAMARITRA FA AZA MANAO HEVI-DRAVINA
27. rhaj0 ( 01/06/2017 12:48)
Ndao aloha azany fongarina i Ralarosy sy Ineny Gogola

MINO = Miaiky fa misy: "Nino an'Andriamanitra ny Ntaolo malagasy." (io Atra io dia ilay Andriana+Hanitra, dia ny fatin'ny Mpanjaka, hozy i Farimamy)

CROIRE = Être certain de l'existence de quelqu'un, de quelque chose, de la véracité de quelque chose : "Croire aux revenants."
Tenir quelque chose pour véritable, vrai, vraisemblable ou possible : "Tout le monde a cru à un accident."

BELIEVE = accept (something) as true; feel sure of the truth of.
"the superintendent believed Lancaster's story"

ka hono ho'a ry Miharena, "matotra ary misy porofo" daholo ve ireo ohatra ireo??

Nefa moa... ao @ imagination-n'i Miharena moa.. hafa ihany ny ravin-keviny, fa dia, izay izany ee...
28. endriny ( 01/06/2017 13:55)
Miharena:

Ny finoana namana endriny tsy zavatra tsimponina etsy sy eroa

Fa Atra dia amin'ny toerana rehetra ka dia azo tsiponina etsy sy eroa izy izany

Rehefa mamaky sy mandalina ilay baiboly ny olona dia tsipotsiponiny araka izay mahafinaritra ny sainy ny toko sy andininy mifanindran-dalana amin'ny heviny diso.

Miharena:

fa fifohazana ho amin'ny MARINA sy ny MAHAIZY FOTOTRA.

Saingy ny MARINA amiko tsy marina aminao, fa fisaka ny marina.

Ny MAHAIZY FOTOTRA dia efa very raha eto Madagasikara. Tsy misy mahalala ny momba azy intsony fa MISAVIKA ny ho tandrefana daholo. Ka na izaho aza moa te ho any Frantsa mafy mihintsy fa tsy mety mahazo visa koa.
29. Miharena ( 02/06/2017 04:31)

Raha miezaka ny hisandratra ianao dia tsy ny tandrefana no atao fitaratra na ny fombafomban'ny olombelona. Ianao sy ny Mpahary no tokony hifanerasera dia IZY no manandratra anao.

Ilay hoe fisaka ny marina, rehefa totofana fahadisoan-kevitra ve tsy ho fisaka ary tsy ho hita popoka mihitsy aza?

Hoy ny Tompo hoe tsy misy manao fanovan-jiro any ambany vata famarana fa asehony sy apetraka amin'ny toerany tsar aizy hampahazava ny rehetra.

Dia raha hiteny aho izao hoe fanehoan-kevitra adaladala ny hoe ny marina amiko tsy marina aminao, dia lazainao fa masiaka ve??
30. endriny ( 02/06/2017 05:17)
Ka ilay mpahary nentin'ny tandrefana io vohizinao io koa
31. Miharena ( 02/06/2017 05:24)

endriny:

Ka ilay mpahary nentin'ny tandrefana io vohizinao io koa

Raha izay indray no fijerinao azy dia mihevitra ianao fa tsy olombelona toy ny tandrefana sy ny Jiosy sy ny sisa sy ny sisa fa hafa mihitsy ilay Malagasy!

Tena olo-miavaka izany ianao ka raha misy fahamarinana iraisan'ny rehetra dia diso aminao ve?
32. Miharena ( 02/06/2017 09:01)

rhaj0:

Ndao aloha azany fongarina i Ralarosy sy Ineny Gogola

MINO = Miaiky fa misy: "Nino an'Andriamanitra ny Ntaolo malagasy." (io Atra io dia ilay Andriana+Hanitra, dia ny fatin'ny Mpanjaka, hozy i Farimamy)

CROIRE = Être certain de l'existence de quelqu'un, de quelque chose, de la véracité de quelque chose : "Croire aux revenants."
Tenir quelque chose pour véritable, vrai, vraisemblable ou possible : "Tout le monde a cru à un accident."

BELIEVE = accept (something) as true; feel sure of the truth of.
"the superintendent believed Lancaster's story"

ka hono ho'a ry Miharena, "matotra ary misy porofo" daholo ve ireo ohatra ireo??

Nefa moa... ao @ imagination-n'i Miharena moa.. hafa ihany ny ravin-keviny, fa dia, izay izany ee...

feel sure of the truth of

Io anie ilay hoe matotra fa aza avilivily ny eritreritra sady aza mihevitra zava-poana amin'ny resaka finoana.

Raha Baiboly no anatsoahana finoana dia izay voasoratra ao dia marina tsy azo lavina. Azo refesina sy hita manerana ny fianan'ny olombelona amin'ny alalan'ny karazana fomba fisainana, fomba fanao ary fomba tokony ananan'ny mino.

Mba anaovana ohatra mazava, raha niteny ny Baiboly hoe ireto avy no singa manaraka ny mino, hametraka ny tanany amin'ny marary izy dia ho sitrana ireny ...

Dia misy io ary atao hatramin'ny vanim-potoana nahafantarana izany teny izany.

Eto, tsy misy imagination izany fa atao dia misy vokatra!!

33. rhaj0 ( 02/06/2017 10:59)
Miharena:
Raha Baiboly no anatsoahana finoana dia izay voasoratra ao dia marina tsy azo lavina. Azo refesina sy hita manerana ny fianan'ny olombelona

Efa noresahina ity fa dia averina indray, na hoe, aleo i Miharena mihintsy no hanazava azy, ary haneho etoana ilay "marina tsy azo lavina. Azo refesina sy hita manerana ny fianan'ny olombelona"...

Lazao kely azany hoe ry Miharena, ahoana ny "recettes" ao anaty Baiboly ao, ny @
- hanasitranana ny jamba
- hanasitranana ny moana marenina
- hanalana ny devoly

(hanampiana anao, dia recettes-n'i Jesosy mihintsy ilay izy)
34. Miharena ( 02/06/2017 11:52)

Efa fantatrao izany e! Tsy miova!
35. rhaj0 ( 02/06/2017 12:17)
hi hi hi... TSY mahasahy mamoaka ny toko aman'andininy manazava @ antsipiriany ny nanasitranan'i Jesosy ny Jamba sy ny Moana ary ny nandroahan'i Jesosy ny Devoly i Miharena.

mahamenatra angaha izy ao no tsy mahasahy ianao ry Miharena??
36. Miharena ( 03/06/2017 11:07)

rhaj0:

hi hi hi... TSY mahasahy mamoaka ny toko aman'andininy manazava @ antsipiriany ny nanasitranan'i Jesosy ny Jamba sy ny Moana ary ny nandroahan'i Jesosy ny Devoly i Miharena.

mahamenatra angaha izy ao no tsy mahasahy ianao ry Miharena??

Zavatra efa fahitan'ny olombelona rehetra izany na dia tsy tanisaina ara-Baiboly intsony aza.

Jereo sy diniho dia andramo aloha satria na iana oaza anie mahagaga ahy, mitanisa ireo fanasitranana sy fahiratan'ny jamba ary ny fananganana ny maty eo aloha eo. Ka inona no tianao fantarina ankoatr'izay voatanisanao izay efa fantatrao tsara fa ao anaty Baiboly?
37. rhaj0 ( 05/06/2017 12:31)
rhaj0:
hi hi hi... TSY mahasahy mamoaka ny toko aman'andininy manazava @ antsipiriany ny nanasitranan'i Jesosy ny Jamba sy ny Moana ary ny nandroahan'i Jesosy ny Devoly i Miharena.

mahamenatra angaha izy ao no tsy mahasahy ianao ry Miharena??
Miharena:
Zavatra efa fahitan'ny olombelona rehetra izany na dia tsy tanisaina ara-Baiboly intsony aza.

Rahefa (menatra) tsy mahasahy mamoaka mazava toko aman'andininy mitatitra ny recette-nJesosy manasitrana jamba, moana marenina, boka, h@ devoly i Miharena, dia ataoko izany ee...

Jaona 9: 6:
Nony avy nilaza izany izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rorany, nahosony ny mason'ilay jamba, 7dia hoy izy taminy: Mandehana manasa ny masonao any amin'ny farihin'i Siloa (izany hoe, Iraka). Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.

Ka efa nanandrana va ianao ry Miharena?? Mino va ianao fa mahomby io?
Raha tsy mino ianao, ka TSy mba manao toa an'i Jesosy, ka manaraa ny "fampianarana" (recette), dia mahatatesa ho'a ny vavan'i Jesosy eee...

Matio 17: 16 .. Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy ...
38. Miharena ( 06/06/2017 06:27)
Tianao ery Rhaj0 ny mamoaka teny manaikitraikitra ny olona voambara ao anaty Baiboly.

Tsara aloha fa efa misy fifanakalozana ihany azo akana lesona.

Misy tokoa ny teny mahery ao anaty Baiboly hanitsiana ny olona.

Misy ireo olona maka ratsy izany fa tsy mandray lesona aminy. Asa na mazava saina ireny olona ireny na tsia no fahitanao azy?!

Fa tsorina fa tsy mazava saina izy satria manome tsiny ny namany. Ny tenany tsy hitany amin;izay fotoana izay satria tsy mahatsiaro tena izy.

Tsy omena tsiny fa ilazana fotsiny hoe tsy mahatsiaro tena ianao!? AZA TEZITRA AN!
39. rhaj0 ( 06/06/2017 10:57)
Izaho anie ry Miharena, efa nolazaiko foana teto, fa ny fandraisako ny Baiboly dia "Tantara-Angano" ee... Angano mifono karoty/kibay, nefa afangarogaroana Tantara (sy jeogirafia), hamatorana ny sain'ny mpamaky.

ka rahefa izany dia .. ao ianao raha "haka lesona", fa raha izaho dia tsy miesona @ izany.

Ny mampivanitika lava ahy eto, dia misy "tantara-angano", toa tena maha-menatra an'i Miharena na dia ny miresaka fotsiny ilay izy azany, ary dia dingadinganiny tahak'n'inona.

Ao ho'a izany fa, ndao fa lalana, fa "dingadingano" ao izany ny ... "Tenin'Andrmntra" ee...
(izaho indray ve hi-contredire anao Miharena @ izany)
40. Miharena ( 06/06/2017 11:02)

Raha miteny ianao hoe angano io dia angano koa izany ny tantara sy jeografia ampianarina anao. Angano koa na dia ny fisianao eto aza hoe nametraka lova ho an'ny taranakao.

Angano koa izao fifampiresahantsika izao rehefa mamaky azy ny zanaka aman-jafy rehefa dify iny isika.

Izany hoe manonofy daholo izany isika ve??

Tsy fantatro na miaina amin'ny vavorona ianao io na tsia izao aloha. Ary manan-tsaina mandinika sa tsia!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8534