Ny jiolahy vitsy an isa dia resin ny mitabe tsy lanin ny mamba raha tena misy izany, tsy iza fa ireo mponina amin ny toerana iray, fokontany iray ireo fokonolona ary ireo vahoaka ao amin ny firenena
raha mbola misy ny fisarahankevitra dia hanjaka foana ny jiolahy vitsy an isa, hatramin ny tompon ny fahefana rehetra ambaratongany
ireo manana fahefana vitsy an isa, ireo jiolahy vitsy an isa
miady vomanga daholo ve ny Malagasy rehetra sa tsy misy mpitarika manana finiavana hoe tena tia tanindrazana
Mba aiza ho aiza isika raha misy hoe en Marche toa Macron be dia be, tena olombaovao mihitsy fa tsy ilaina daholo ireo efa tranaina mpanodikondina saimbahoaka, mpanondikondina volambahoaka, mpanondikondina ny fiainan ny malagasy manontolo sy ny fiainampirenena
Zahao daholo ny ao rehetra mba ho madio ny volo, esorina hatramin ny fakany, tena tsy milay raha zao foana no mitohy sy hiainana, tsy milamina ny tany, tsy misy fitsinjovana ny tsirairay fa vitsy an isa no tompon ny fahefana sy mandromba fananambahoaka
mahereza ry mpiray tanindrazana isany