Manondrana indray ny "tsy mpanota"

1. stahtam ( 02/05/2017 11:18)
Mahafinaritra ity forum ity fa tena ahitana zavatra! Izay vao azoko ilay tenin’ny manam-pahaizana hoe: “Raha te-hahay mandainga dia manàna fitadidiana goavana”. Ho an-dRA TAN sy MINDAOZY ary ny zanak’ i episcopo rehetra ity révélation ity:

- Izany hoe ho anareo “TSY MPANOTA” (fa mpandainga) izany ny resaka eto. Raha niteny aho teto hoe "raha mbola misy abobo sy lainga eritreretinareo haroso dia arosoy!"; dia nisosa tahaka ny rano tokoa ny fivoahany ka isaorana anareo. Ity indray izany misy vaovao dia mba hatao famakafakana kely e!

1°) Hoy RA TAN 19/01/2017 16:02 (http://forum.serasera.org/forum/message/m55c1e708dc951)
......
Valiny:
Ny anaran'A/tra izay nahary ny zava-drehetra dia YAH no anarany, fa TSY ELOHYM izany sady TSY ADONAY.
YAH no MPAMORONA ny zavadrehetra (MPAMORONA = HAVAH)
YAH MPAMORONA(EFA NISY HATRIZAY)
YAH HAVAH
Rehefa tononina miaraka ny YAH sy ny HAVAH dia hoe: YAHVAH.
YAH no anarany, fa rehefa tononina miaraka @ fonction_ny io dia hoe YAHVAH. Jereo fa io tazana ao anatin'ny YAHVAH io ny hoe YAH...

Asongadiko manokana ilay hoe "havah=mpamorona" (hoy RA TAN) [a]

2°) Hoy MINDAOZY 26/04/2017 14:56 (http://forum.serasera.org/forum/message/m58d894667a55e/100)

"EKS,3:14 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Moshè: IZAHO(YAH, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY(HAVAH. ... 15Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Moshè: izao no holazainao amin'ny zanak'Israely: Yahvah, Andriamanitry ny razanareo, dia Anriamanitr'i Abrahama ...; izany no anarako mandrakizay, ...
...
Vakio tsara aloha ireo dia jereo koa ny zavatra teneninao.
...
Ilay miteny hoe "IZAHO" dia YAH, ary milaza ny momba Azy ilay hoe "HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY"(HAVAH).
Noho izany: YAH HAVAH => YAHVAH no anarany.

Asongadiko indray eto ilay hoe: hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay (HAVAH) [b]

Izany hoe HAVAH izany = mpamorona (hoy RA TAN)
ary HAVAH izany = hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay (hoy MINDAOZY)

Fanampiny: ilay "dada episcopo ambassadeur" eny Ambohidrapeto indray nanazava tao @ ilay Télé-nareo nakatona iny fa YAH= ianao na izy / VAH (na WAH)= avo indrindra =>YAHVAH (na YAWAH = izy no avo indrindra) [c]

Rehefa aravona izany ny [a],[b],[c] dia fampianarana loharano IRAY mamoaka lelany TELO tahaka izao:
havah=mpamorona SADY/
havah=hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay SADY/
vah (na wah)=avo indrindra.
Ary fehiny: Yahoshuah no nahary ny lanitra sy ny tany.
Mampatsiahy ahy ilay trident misy tahony ampitazonin'ny mpanao sary ilay rain'ny lainga lava rambo iny.
Dia arosoy foana zalahy raha mbola misy any fa ny tenanay koa mba afaka hamohamo rehefa mihehy ilay lainga marivo tototra e!
novalian'i rhaj0 ny 12/05/2017 12:33
2. endriny ( 04/05/2017 13:11)
Fa ny Genesisy izany tsy lainga marivo tototra, fa marina an-katakonana sa ahoana?

Hitan-dry zareo avy hebreo tamin'izany andro izany fa 6 andro no nanaovan'Atra an'izao tontolo izao.

Dia aleo aho tsy hihomehy ny adalan'ny adala soa ifindran'ny aretiny.
3. stahtam ( 04/05/2017 13:57)

[quote=endriny]
Fa ny Genesisy izany tsy lainga marivo tototra, fa marina an-katakonana sa ahoana?

Hitan-dry zareo avy hebreo tamin'izany andro izany fa 6 andro no nanaovan'Atra an'izao tontolo izao.

Dia aleo aho tsy hihomehy ny adalan'ny adala soa ifindran'ny aretiny.

[quote=stahtam]
1°) "Fa ny Genesisy izany tsy lainga marivo tototra, fa marina an-katakonana sa ahoana?"
Tianao hohamarinina sa tianao hodisoina?
2°) "Hitan-dry zareo avy hebreo tamin'izany andro izany fa 6 andro no nanaovan'Atra an'izao tontolo izao": Tsy Atra velively no nanao izao tontolo izao. Hainao ve ilay hoe Atra? Hainao ve ilay hoe God? Hainao ve ilay hoe Dieu?... Iza io lazainao io? Mivavaka @ Atra ve ny Hebreo?
4. YAHOAVAO ( 09/05/2017 04:13)
Mialona indray ny mpanota (stahtam).
5. stahtam ( 09/05/2017 05:06)

[quote=YAHOAVAO]
Mialona indray ny mpanota (stahtam).
[quote=stahtam]
Samy manana ny famaritany ny hoe : mpanota e ! avoahy foana ny lainga fa hehezintsika izay mivoaka eo.
6. rhaj0 ( 09/05/2017 12:52)
Dia ity ho'a ny kisary ao an-tsaiko rahefa mamaky ny resakareo roaroa ireo ee..



Asiio biriky ao anaty kopetra, fa tena izay vao tena "manota" sy "tsy manota" eee... :-)
7. rhaj0 ( 09/05/2017 12:53)
oadray.. asio Baiboly manko eee... ;-)
8. stahtam ( 12/05/2017 08:32)

[quote=rhaj0]
oadray.. asio Baiboly manko eee... ;-)

[quote=stahtam]
Dia tazano àry e! Fa io "n'engage que celui qui y croit"
9. rhaj0 ( 12/05/2017 12:33)
Eny tokoany ry Stahtam..
- ao @ imagination-n'i Yahoavao, dia "mipelipelika mivaralila" i Stahtam
- ao @ imagination-n'i Stahtam, misy trident mitsipelipelika ny lelany ao @ Yahoavao
- ato @ imagination-ko, misy baiboly anaty poketran'i Stahtam sy Yahoavao, ary dia raikitra..


Ka ilay mena ianao ry Stahtam sa ilay manga??? :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.613