Inona no atao hoe joro?

1. endriny ( 01/05/2017 13:27)
Ny fahalalan'ny olona ny hoe Joro dia ilay fanaovana sorona omby ho an'ny Razana sy ny Zanahary.

Saingy ny Joro dia ny fijoroan'ny olo-maventy miaraka amin'ny tompon-draharaha, izany hoe hita mihantrana, vonona ny handray andraikitra ny tompon-draharaha ary omen'ny Olomaventy sy ny Mpitankazomanga voninahitra eo imason'ny be sy ny maro, izay antsoina koa Mpiray rasa, na Mpifampizara hena, na mpiaramonina. Mijoro eo anoloana ireo olona voatonona ireo ary manao ny fangatahana na ny voady, na koa ny fisaorana eo amin'ny Zanahary sy ny Razana.

Ny Joro Fangatahana, dia ilay fijoroana eo imason'ny Zanahary sy Razana, ny Olobe sy ny Mpiaramonina, fa I Ravelonimanga dia maniry ny ahazo safira 100 kg.

Ny joro Fisaorana, dia ilay fijoroana eo imason'ny Zanahary sy Razana, ny Olobe sy ny Mpiaramonina, fa I Ravelonimanga dia nahazo safira 100 kg tokoa ary dia indro izy manatanteraka ny fisaorana ny rehetra.

DIa misy isan-karazany ny Joro
novalian'i endriny ny 02/05/2017 14:26
2. rhaj0 ( 01/05/2017 13:53)
Dia isaorana mitafotafo i Endriny aloha mizara an'ito.

Fa lasa saina aho.. Marina tokoany fa raha misy "fombafomba", dia zavatra hafa no manintona ny maso (sy ny saina). Eto izany, raha ny fahazoako azy, dia ilay sorona omby" dia "symbole" fotsiny ihany, fa ny tena hevi-dehiben'ilay "fombafomba", dia efa mazavabe ao @ ilay "teny" nilazana azy, dia ny "fijoroan'ny isan'isany" eo.

3. endriny ( 01/05/2017 14:44)
Izay aloha no izy aminy, ary izay ilay nahatonga ny teny hoe: "Nofon-kena mitam-pihavanana".

Saingy tsy voatery ho misy omby foana koa anefa ny Joro, satria misy ny olona akoho, na toaka sy vola fotsiny no omeny. Fa ny zava-dehibe dia hoe misy ny mijoro dia misy ny mpanatrika. Ary ny manatrika dia omena voninahitra amin'ny toaka, na hena na sakafo ifampizarana.
4. rhaj0 ( 01/05/2017 19:04)
Ekena fa ny "joro" no zava-dehibe io, fa iretsy dia "fombafomba" ihany.

Fa azo ary tokony jerena toa izay koa ny "fombafomba" kristiana ohatra. Koa rahefa any "am-piangonana" izany, dia ilay "miangona" (mitangorongorona) no zava-dehibe fa tsy ny tra la la-n'i Damopra/Dapasy. Satria tokoany hono, ny "mivavaka" dia resaka manokana (personnel) @ izao Andrmntra izao fotsiny. Ka na ao @ Leglizy io no ataonao, na ao an-gabone, dia "mihaino" foana hono izy.

Dia marina tokoa, fa io "mitangorongorona" io no tsy ampy @ Atheists, fa raha ny petra-kevitra sy izay foto-kevitra aloha dia efa tsara petrapetraka.. :-)

5. endriny ( 02/05/2017 14:26)
Ireo Joro 2 lehibe eo amin'ny Malagasy.

Tsara ho fantatra aloha fa ity teny hoe Joro ity, dia tamin'ny andron'i Dadabe Ratsiraka vao tena nahazo laka, satria teny avy any amin'ny faritra atsinana izy ity. Saingy kosa mahafehy tsara ny kolon'ny foko rehetra eto Madagasikara.

Misy 2 Joro lehibe eto Madagasikara, na andeha atao 3 miaraka amin'ny Alahamadin-tany.

1) Ny fikarakarana ireo Razana, Dadibe, Famadihana, Famafana tokontanim-pasana, Fanidina fasam-bao, Fanefam-paty (Atsimo), Fananganam-batolahy. Ny maha lehibe indrindra an'ireo fikarakarana ny Razana ireo dia a) Fanomezam-boninahitra ireo nipoirana, b) Mifankahita eo daholo ny mpiray foko ka eo no mba anambarana ny tantara amin'ny Havana aman-tSakaiza rehetra izay mpanotrona, d) Eo no anaovana vinavinam-piaraha-monina no an'ny mpiray Foko, na mpiray Razana, e) Famonosan-damba ny maty, na fametrahana ireo tandroka ambony fasana.

2) Ny Tsikafara, fahatanterahan'ny faniriana na voady natao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9796