ILAY VALA TOKANA

41. RBNIR ( 28/04/2017 11:40)
Everinao v fa tsy efa im-be dia be i NOA no efa niteny tamin'ny olona hoe izaho angeh ka resahin'Andriamanitra re olona hoe , haringany hono isika raha tsy mibebaka e???

Asainy manamboatra an'ity sambo be ity aho izao andosiran'izay rehetra mino, fa izay tsy mino hono dia haringana avokoa!!!

Zato taona maninjitra i Noa niaritra fanarabiana, fanambaniana, faniratsirana sns....

Dia hoy ny Soratra Masina hoe « Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. » (Matio 24:37)
42. RBNIR ( 28/04/2017 11:51)
Enga anie mba tsy hisy iray amin-tsika mpisera eto indray andro any hiteny hoe "tahaka izay ihany aho nino an'i RBNIR........
43. RBNIR ( 28/04/2017 11:53)
[dailymotion]http://www.dailymotion.com/video/x5776t_taona-maro-ny-menafify_music[/dailymotion]

Otran'ny efa an-taonany tokoa ange izy izany rhajo e??? sa ts'izany???
44. RBNIR ( 28/04/2017 12:10)
« Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin'izany izy. » (Ezekiela 33:19)



« Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy. » (Isaia 1:18)


« Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka. » (Lioka 15:10)


Izaho no anisan'ny tena faly voalohany rhajo!!! Mahari-po sady Be famindrapo (zato taona no niandrasan'ny tamin'ny andron'i Noa, Izaho kosa milaza hoe AZA MIANDRY AMPITSO LAVA RE E!!!
45. rhaj0 ( 28/04/2017 12:13)
Hotry ny surmené izany i RBNIR ka tsy hita intsony ny cohérence @ resakany..

inty ilay resakao teo ry RBNIR aa ..
"Tsy jerevana ny vita rehetra tany aloha (ny olona tsy tsaraina amin'ny zavatra tsy fantany)..."

Ny resaka @ io nefa hoe, ny "valabe katolika sy Protestanta" mbola manao ny ataony, nefa ilay "vala tokana" (an-dry RBNIR) izay efa nohazavainy fa "tsisy-kilema", ary nobitsihan'i Jesosy ho an'i Hrnrn, efa novelarin'ny Fanahy Masina. Dia hozy i RBNIR hoe, "tsy ho tsaraina" ny katolika/protestanta mpanao "valabe" ee...
46. RBNIR ( 28/04/2017 13:00)
vakio tsara ery ambony ery rhajo a! Andriamanitra minia tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalana e! (hoy aho hoe tsy manameloka ny olona tsy mahafantatra IZY
47. RBNIR ( 28/04/2017 13:05)
ity ilay fahamarinana very nandritra ny 2000 taona fa ampahafantarina indray kosa....

Ny mpiandraikitra ny vala (ilay vala tokana) dia tokony olona nahazo iraka mivantana avy Aminy....
48. rhaj0 ( 28/04/2017 13:22)
K'efa hoe ny "valabe" tena mbola eo, ary hireven'ny Katolika/Protestanta @ izao isika miteny izao. Sa ianao tsy mahita ireo "valabe" eran-tany ireo?

ka dia io izany hono, hoy i RBNIR, dia hoe, ny Katolika/Protestanta dia "tsy-mahalala", ka dia TSISY (ho) "voaheloka" izany zareo eee...

Tohizo ry Katolika/Protestanta aaa.. hodio vendrana ao, fa tonga dia "avotra" ho azy foana hono izany ianareo eee...
49. RBNIR ( 28/04/2017 13:29)
raha mahafantatra izy nefa minia (tahakan'ny tsy mpino iray izay efa hialana nenina mafy nefa mbola minia mikipy ihany dia .....
50. rhaj0 ( 28/04/2017 14:00)
RBNIR:
raha mahafantatra izy nefa minia...

Tsy jerevana ny vita rehetra tany aloha...

hi hi hi.. ka taloha izy "ninia"... dia mahaiza fotsiny maka dern izany eee...
bravo Rabefamaritana RBNIR.
51. RBNIR ( 28/04/2017 23:01)

rhaj0:

RBNIR:
raha mahafantatra izy nefa minia...

Tsy jerevana ny vita rehetra tany aloha...

hi hi hi.. ka taloha izy "ninia"... dia mahaiza fotsiny maka dern izany eee...
bravo Rabefamaritana RBNIR.

vao manomboka ilay fampahafantarana rhajo a! mbola tsy à l'echelle mondiale isika izao....madagasikara aza mbola ampahany vitsy dia vitsy no mahafantatra an'izao fampianarana izao (ilay vala tokana dia tokony tarihina olona izay fidin'Andriamanitra mivantana sy irahin'Andriamanitra mivantana ary ampianariny mivantana ihany koa).....

Fa izay efa nampahafantarina kosa aloha dia tokony mba hisaintsaina izireo hoe ahoana izany ny momba azireo (tahakan'izany koa ireo tsy mpino : tokony hisaintsaina izireo......
52. endriny ( 02/05/2017 14:06)

RBNIR:

vao manomboka ilay fampahafantarana rhajo a! mbola tsy à l'echelle mondiale isika izao....madagasikara aza mbola ampahany vitsy dia vitsy no mahafantatra an'izao fampianarana izao (ilay vala tokana dia tokony tarihina olona izay fidin'Andriamanitra mivantana sy irahin'Andriamanitra mivantana ary ampianariny mivantana ihany koa).....

Fa izay efa nampahafantarina kosa aloha dia tokony mba hisaintsaina izireo hoe ahoana izany ny momba azireo (tahakan'izany koa ireo tsy mpino : tokony hisaintsaina izireo......


Hay vao nampiditra mpiasa manokana ho an'i Madagasikara Atra. Ka mino aho fa i RATAN izany anisan'ny mpiasa vaovao vao noraisina, ka dia mitondra ny hevi-baovaon'Atra izy.

Fa raha mitady mpiasa hamafa ilay valan'ondry Atra dia mba ilazao ihany aho, fa mila zezika ny tanimbariko.
53. RBNIR ( 16/05/2017 08:46)
endriny:

Hay vao nampiditra mpiasa manokana ho an'i Madagasikara Atra.

Raha ny tena marina ry endriny raha ara-baiboly, dia olona voafidy mivantana hatrany no tokony hiandry ILAY VALA......

Ary ny tena mpanompony dia tokony IZY mivantana hatrany no mifidy azireo fa tsy hoe ilay olona no manandratra ny tenany ho mpanompon'Andriamanitra......

vakio ato fa misy dikany lehibe io indrindra rehefa hanao batisa ny olona iray (mila nahazo iraka mivantana ilay olona vao tokony hanao batisa....mba hahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy inona fa ilay atao hoe fahateraham-baovao na fahaterahana avy any ambony....

http://forum.serasera.org/forum/message/m5915fad907f9e#m591a558d55d9c

Ilay izy tsy hoe mafana fo isika dia lasa mitory teny sy manao batisa fa saintsinina tsara ity tenin'Andriamanitra ity...

« Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy. » (Jeremia 23:31)
« Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. » (Jeremia 23:32)


Ka alohan'ny hitenenan'ny olona iray amin'ny Anarany dia tokony hanontany tena tsara aloha ilay olona hoe NIRAHINY MARINA TOKOA V IZY SA TSIA??? dia faharoa, nomena fahefana hanao batisa marina v sa tsia.....????
54. rhaj0 ( 16/05/2017 13:01)
tena serieux ry RBNIR: tena "mino" tokoany ve ianao fa "nirahin'Andtrmna" MIVANTANA i Hrnrn??
55. RBNIR ( 16/05/2017 17:12)
[rhaj0]
tena serieux ry RBNIR: tena "mino" tokoany ve ianao fa "nirahin'Andtrmna" MIVANTANA i Hrnrn??
[/quote]
Efa impiry aho izay no niteny taminao hoe matoa aho sahy.....dia misy zavatra fantatro tsy fantatrao.....misy zavatra iainako tsy iainanao????

Efa impiry aho izay no niteny hoe izaho tsy manonofy fa REEL no iorenako rhajo!!!

Aza mino ihany e!!!

Izaho ange manala adidy e!!! mba tsy hanenina ny hafa any aoriana any.....
56. RBNIR ( 16/05/2017 17:17)
« Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:13)
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Korintiana 15:14)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1517