born again christian (BAC)

1. rhaj0 ( 12/05/2017 18:11)
mahavalalanina ihany ny revin'ireto BAC ireto.

Izao hono ny vavaka ampianarina an-drizareo BAC ireo:

Dieu, je sais que j'ai péché contre vous et que je mérite un châtiment. Mais Jésus-Christ a pris le châtiment que je mérite pour que, par la foi en Lui, je puisse être pardonné. Je fais confiance à vous pour le salut. Je vous remercie de votre merveilleuse grâce et pardon, le don de la vie éternelle! Amen!


Izany hoe rahefa "manota" i BAC, ohatra hoe, nanitsakitsaka ny didy 10, dia fa satria hono, efa noraisin'i JC ny sazy, dia ... "avotra" i BAC... na dia nanitsakitsaka ny didy 10 teo azany.

Ny BAC izany, raha ny fahazoako azy, dia tena ao @ ilay dogma-sola-fide (by faith alone - par la foi seule - minoa fotsiny).
novalian'i rhaj0 ny 01/06/2017 12:04
2. irakiraka ( 15/05/2017 08:42)
Jao 3:3 “ Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko anao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny ol dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra”

Mila fantarinao aloha hoe ahoana izany olona ateraka indray zany. (Zay tsy d hiditra @ sainao akory moa ny valiny fa zaraina ihany ho an’ny hafa mangetaheta ny Fahamarinana, sy mangetaheta handroso. Izay mandroso mantsy no mitombo hery am-pandehanana, ary izay mahery no tafita any @ lay Jerosalema vaovao)

Ateraka indray = ateraky ny rano sy Fanahy (Jao 3:5)
Rano = Tenin’Andriamanitra. Olona ateraka indray zany dia olona liana Tenin’Andriamanitra, miaina Tenin’Andriamanitra. Tia sy Mankato TA
Fanahy = Fanahy Masina. Tsy mandeha @ fahaizana ilay TA, na fahalalan’ny tena manokana fa tena miantehitra tanteraka @ Fanahy Masina. Izany hoe olona tena tia manokana fotoana @ vavaka. Vavaka mangetaheta herin’Andriamanitra, olona tia manao sakaiza ny Fanahy Masina, miara mandeha @ Fanahy Masina.

Ary ilay izy an tsy minoa fotsiny arak’ilay hevitra raisi-tapisaka anatin’ny lohanao fa Tena Mino @ ilay Finoana Mahery izay noraisinay avy @Tenin’Andriamanitra. Finoana mahafindra tendrombohitra (an? aona ndray zany haha); Finoana mandeha ambony rano (an? ;)

Aleo tohizan'ireo namana marobe nateraka indray ny manaraka :)

3. rhaj0 ( 15/05/2017 11:16)
Asa raha azonao tsara ny an'ny BAC, sy ny dogma "sola fide" ry Irakiraka.

Ireo resakao ao @ Jaona 3:5 io anie, dia na ny Profeta Tsaratsara azany dia miresaka mafana-fo toa anao Irakiraka io koa eee.. Satria i Tsaratsara taloha dia dahalo. dia te-ho "olom-baovao" hono izy, satria tiany ho fafana ny lasany maha-dahalo azy, dia hoe, io "nateraka indray" io no hitany mampetimety ny baolinany.

Ka ngo dia .. "dahalo" koa ianao taloha ry IRaksiraka dia io miasa mafy ny anafin-keloka io, dia hoe "avotra" tanteraka mihitnsy @ izay? :-)


Fa ilay "sola fide" no tena maha-BAC ny BAC eee... diniho lalina ao indray k'lou izany ilay izy fa tsy atao pli-vava toa ny fataon'i TSaratsara ao fotsiny ee...
4. RBNIR ( 16/05/2017 01:27)
rhaj0:

Asa raha azonao tsara ny an'ny BAC, sy ny dogma "sola fide" ry Irakiraka.

Tsy hidirako loatra aloha ilay "dogma" sola fide rhajo, fa ny ataoko angamba dia ny hanazava hoe inona ny dikan'ilay hoe "ateraka indray" raha ny baiboly no resahina...

Teto no nitenenan'i Jesosy azy io (efa voasoratra ery ambony fa tsy maninona averina ihany)....« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony] » (Jao.3:3)
misy * kely eo amin'ilay hoe ateraka indray dia io lazainy io ny dikany ateraka indray (na ateraka avy ambony) dia mitovy ihany izany.....

Ny olona teo koa dia "mba gaga" raha nilazan'i Jesosy an'io ka nanao hoe...« Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? » (Jaona 3:4)


Dia nanazava i Jesosy....« Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. » (Jaona 3:5)
« Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. » (Jaona 3:6)

Araka io tenin'i Jesosy ao amin'ny Jao.3:5 io araka izany ny atao hoe ateraka indray (na ateraka avy ambony) dia ateraky ny rano sy ny Fanahy.....

Inona izany ateraky ny rano sy ny Fanahy izany????

Ny valiny dia teo ambavan'i Jaona mpanao batisa.....« Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Matio 3:11)

Ny atao hoe ateraky ny rano dia io "hatao batisa amin'ny rano", ny atao hoe kosa ateraky ny Fanahy Masina dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina....Ireo no tena famaritana ara-baiboly ny atao hoe "ateraka indray" na ateraka avy ambony raha ny baiboly no iaingana....

Mbola afaka azavaina ilay hoe "hatao batisa amin'ny rano" sy ilay hoe hatao batisa amin'ny Fanahy Masina fa ity misy fanamarihana kely fotsiny mba hampisaintsaina ireo olona izay mihevitra ny tenany fa efa vita batisa tamin'ny rano marina izy....

Iza avy ireo olona voatendry hanao batisa tamin'ny rano voasoratra tao amin'ny baiboly?

1 Jaona mpanao batisa...izay nilaza hoe : « Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Jaona 1:33)

Hoy i Jaona hoe "Izay naniraka ahy" .......NISY NANIRAKA I JAONA FA TSY HOE NANDEHA HO AZY TAMIN'IZAO......

2 JESOSY koa dia nanao batisa tamin'ny rano....« Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa. » (Jaona 3:22)
« Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona » (Jaona 4:1)

Ary izao koa no notenenin'i Jesosy.....« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

NISY NANIRAKA IHANY KOA I JESOSY FA TSY HOE NANDEHA HO AZY TAMIN'IZAO......

3 Ireo mpianatra....izay nahazo ITY TENY ITY tamin'i JESOSY MIVANTANA....« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:19)

NISY NANIRAKA IHANY KOA IREO MPIANATRA (Jesosy no naniraka azireo mivantana teto) FA TSY HOE NANDEHA HO AZY TAMIN'IZAO......

Ka izao, ho an-tsika rehetra izay mihevitra fa efa tena nateraka indray marina tokoa ....Efa vita batisa tamin'ny rano marina v ianao? ary Ilay nanao batisa anao tamin'ny rano ve nilaza hoe "nirahina" mivantana ihany koa sa nanira-tena???

Fampieritreretana iny.....fahaterahana indray (na fahaterahana avy any ambony) no tanjona ka tadiavo izay olona nirahan'ILAY ANY AMBONY ANY MIVANTANA raha tena tianao marina ny hoteraka indray (na hoteraka avy any ambony).....
5. rhaj0 ( 16/05/2017 11:20)
rhaj0:
Asa raha azonao tsara ny an'ny BAC, sy ny dogma "sola fide" ry Irakiraka.

RBNIR:
Tsy hidirako loatra aloha ilay "dogma" sola fide...

Ka izay no (tsy) olana aminareo ry RBNIR (sy Irakiraka). Ilay "kifombafomba" sy folklore sy kisehoseho ireny no mibahana @ fi(s)ainareo. Aiza nama koa:
- ilay "robe fotsy lava tsara pasoka" no (mba) alehan'ny sain-dry RBNIR
- ilay "tsy misakafo" (sy mampijali-tena) no (mba) masaka an-dohan-dry Irakiraka
- ilay "1/10-karena" no (tena) mahamendy an'i Hrnrn
- ilay "asiana rano eo an-doha" na "aroboka anaty renirano" no (mba) nisarika ny coco-ndry RBNIR
- ny "hikepoka mofo sy divay" no mahafaly ilay namako iray izay ka andehanany any @ Leglizy

Ny (kristiana) mpandalina anefany dia mandany ron-doha misikotra ny resaka lalina, dia mahatafavoaka "DOGMA".

'dana ange hanotanio i bor2lais izay mihambo hoe, any @ 3eme etage hono izy ee... Mino marimarina aho, fa i bor2lais any ambony (3eme etage) any dia TSY "mirefarefa" @ resaka "kifombafomba" toa anareo.

6. RBNIR ( 16/05/2017 11:48)
tsy azoko ilay hoe kifombafomba (fanantanterahana ny sitrapon'Andriamanitra araka izay voasoratra anaty baiboly v no ataonao hoe kifombafomba????
7. rhaj0 ( 16/05/2017 12:17)
Maninona ohatra no tsy manao ilay "kifombafomba" mamono ondry toa an'i Abrahama ianao ry RBNIR?

Na koa "mandefa ny Devoly any @ Kisoa", na "manosotrarora+tany eny @ mason'ny Jamba", toa an'i Jesosy?
8. RBNIR ( 16/05/2017 12:37)
I Jesosy dia nampianatra fa misy ny lalàna tany aloha mbola tohizana nefa misy kosa ireo efa tsy tohizana intsony kosa....
9. rhaj0 ( 16/05/2017 12:49)
Dia ao ianao ry RBNIR izany ee... mitsindrotsindroka ao izay "kifombafomba" mahafinarinaritra anao ao... Inona ny olana.. Izany no mahafaly anao.

Fa mba saino ihany eee... ampiasao tsara ho'a ny coco: samy period mitovy, samy ao @ ilay toko ao @ Baiboly ao ilay resaka anankiroa ohatra, na hoe, olombe iray ihany no manandratra resaka roa, fa ny resaka iray toa lolohavina, ary ny resaka ilany dia lazaina fa "tsy tohizana intsony".

Dia ilay approche-kristiana iray koa dia hoe, ny resaka sasany tonga dia lazaina fa metaphore/parabole, nefa ny fehezan-teny manaraka eo dia lazaina indray fa ilaina raisina "ara-baki-teny".

Tairo ao ho'a ee... fa rehefa voafetaka avy any @ 666eme dimension ao ianao izay vao tonga saina eee.. fa hoe "imagination" daholo izany... imagination-n'olombe taloha, t@ fotoan'androny sy jeogirafiany tao.
10. RBNIR ( 16/05/2017 17:18)
rhaj0:

Fa mba saino ihany eee...

« Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay zavatra natolony ahy] » (2 Timoty 1:12)
11. rhaj0 ( 16/05/2017 18:11)
Hay moa ny an-dry RBNIR TSY mila saina na sainina izay eo, fa "minoa fotsiny" (minoa = manaiky tsy mila isainana).

Ary efa takatr'i RBNIR ihany anie fa tena absurde sy abherrant ary ridicule izany resaka izany, fa dia mikarainkona "miaritra" ao hono izy izany, ary mankarary ny fony sy ny sainy irery ao izy eee...ary dia masochiste sahala @ Irakiraka ao izy eo, ka rahefa "marary" ao hono izy, dia izay indrindra hono no tena maha-masina azy ...
12. RBNIR ( 17/05/2017 04:41)

rhaj0:

Hay moa ny an-dry RBNIR TSY mila saina na sainina izay eo, fa "minoa fotsiny" (minoa = manaiky tsy mila isainana).

Ary efa takatr'i RBNIR ihany anie fa tena absurde sy abherrant ary ridicule izany resaka izany, fa dia mikarainkona "miaritra" ao hono izy izany, ary mankarary ny fony sy ny sainy irery ao izy eee...ary dia masochiste sahala @ Irakiraka ao izy eo, ka rahefa "marary" ao hono izy, dia izay indrindra hono no tena maha-masina azy ...

soa ihany fa naverimberinao ilay hoe "hono"...."hono"....rhajo!!!
13. rhaj0 ( 17/05/2017 10:55)
Ka marina ireto "hono hono" ry RBNIR, sa ... dia mbola "imagination"-ko ny ao @ "imagination"-nao ao daholo fotsiny ihany izany? :-)

Izaho kosa aloha mahita (fa tsy mi-imaginer), fa rahefa oainina ho'a i RBNIR sy ny finoany, dia tena hitako hatraty mihintsy, fa midongy mipotsa-molotra toa zaza eny @ garabola i RBNIR, ary dia averiny tsianjery maimbo, na dia tsisy ifandraisan'ny resaka aza, dia averimberiny eto ny tsianjeriny nampianarin'ny tompony hono eee ... sa ahoana RBNIR? :-)

(entre-pa, fa i bor2lais indray, rahefa oainina, dia lasa mandeha mangarigarika sy "miloloha orona" miakatra any @ izao 3me étage-ny izao hono... 'zafady bor2lais mifosa fa tena tsy aritro kosa iny aaa... :-)
14. RBNIR ( 17/05/2017 12:20)

rhaj0:

Ka marina ireto "hono hono" ry RBNIR, sa ... dia mbola "imagination"-ko ny ao @ "imagination"-nao ao daholo fotsiny ihany izany? :-)

Izaho kosa aloha mahita (fa tsy mi-imaginer), fa rahefa oainina ho'a i RBNIR sy ny finoany, dia tena hitako hatraty mihintsy, fa midongy mipotsa-molotra toa zaza eny @ garabola i RBNIR, ary dia averiny tsianjery maimbo, na dia tsisy ifandraisan'ny resaka aza, dia averimberiny eto ny tsianjeriny nampianarin'ny tompony hono eee ... sa ahoana RBNIR? :-)

(entre-pa, fa i bor2lais indray, rahefa oainina, dia lasa mandeha mangarigarika sy "miloloha orona" miakatra any @ izao 3me étage-ny izao hono... 'zafady bor2lais mifosa fa tena tsy aritro kosa iny aaa... :-)

Inona daholo izany fanaratsiana olona izany rhajo a! Hevitra ange no ampiadiana eto e!!!
15. rhaj0 ( 17/05/2017 12:30)
eny azany eee... 'zafady ho'a fa tena tsy aritra ilay mivaninika toa alika ee :-)

ka ahoana, tsy tsapanao ve fa roboka @ "kifombafomba" fotsiny ianao, fa ny "dogma" lalina be toa tsy zakan'ny tsenanao mihintsy ry RBNIR?

Tena raha vao mila mampiasa ati-doha, na "dogma"-n'ny Kristiana namano, mainka moa fa Siansa, dia tena mivaralila ianao, fa aleonao mamerimberina ny tsianjery?
16. endriny ( 17/05/2017 17:08)
Mazava ilay hoe "Ateraky ny Rano sy ny Fanahy!"

Saingy teo amin'ny finoana Malagasy koa dia misy ny atao hoe: "Fitsofan-dRano". Izay entina irariana soa ireo rehetra te hanao zavatra mihoatra ny zava-misy eo amin'ny fiarahamonina niaingaina.

Sary teny "Ateraky ny Fanahy", fa ny mety dia izay olona manana hevitra vaovao no afaka mandroso noho ny mpiara-monina aminy.

Ohatra: "eo amin'ny tany iray mbola tsy misy fiangonana kristianina, dia izay manana hevitra hiovy io fiangonana kristianina eo io volaohany no manana tombony amin'ny mpiaramonina rehetra"

Ohatra: "Izay nanana hevitra voalohany nitondra trano fandihizana ho an'ny zavoto voalohany no madera kokoa"
17. RBNIR ( 19/05/2017 06:51)
endriny:

Mazava ilay hoe "Ateraky ny Rano sy ny Fanahy!"

Mahafinaritra rehefa mazava aminao endriny, mitaky fanampahakevitra ilay izy....

Tianao v ny hateraka indray (hateraka avy any ambony)???

Mandraisa fanapahankevitra namana....
18. rhaj0 ( 19/05/2017 11:58)
RAha dahalo toa an'i Tsaratsara aloha taloha, dia tena io formule io no tena mety hamafana ny otabe taloha ee...

Toa izay koa i Georges W. Bush.. mamolava be mihitnsy taloha, fa nasiany bouton "reset" t@ io, ary dia ... "born again" hono ilery ee... ary hoz'izy taty aoriana hoe: "bitsik'Andrmntra ny anafihako an'i Irak" (izany izy io ry Irak-Irak aa... :-)

i RBNIR izao koa toa i GWB koa ee ??? Taloha iannao toa ... an ... dia tena tonga saina tampoka iny maraimbe iny, dia hoe, aleo @ izay ariana any i rabotakely fa ... an.. :-)
19. RBNIR ( 01/06/2017 06:47)
Jereo ihany kosa aloha ny fampianaran'ilay olona rhajo izay vao mino hoe tena nofidiny sy nampianariny marina v sa sao dia charlatant fotsiny e!!!
20. Miharena ( 01/06/2017 07:22)
ATERAKA INDRAY

Mila arahina ilay laha-pahamarinana vao mametraka famaritana.

Misy fe-potoana roa mazava tsara: miaina tsy araka ny tena izy sy miaina araka ny tena izy.

Dia aleo tadiavina ao amin'io ny fanamarinana fa rehefa misy maneho ny Voninahitry ny TOMPONY dia hita taratra fa ILAY BE VONINAHITRA SY BE FITIAVANA TOKOA NO MANIRAKA AZY HANEHO AZY AMIN'NY VOARINY HAFA MBOLA MAIZINA/TSY NOHAVAOZINA.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.36