NY MAGY DISO LALANA

1. RUZ9 ( 05/04/2017 10:33)
[url=http://]cyrius.unblog.fr/url]
Aiza moa no teraka ny fanarahan-dalàna ?
Fa nanofy ho nahita ny kintany izahay
Azafady ry " mpitondra fanjakana Aiza ilay toerana ?
Mba lazao anay
Aiza moa izao ilay mpifehy ny firenena ?
Ny lalàna, fa io no hany harena
Sy fanantenan'ny firenentsika
Mba ho tanteraka amin'izay ilay hoe ho sambatra isika

Nivezivezy teny izahay fa tsy nahita
Ireto izao no vatsy anananay sisa
Niharan'ny tsy rariny tetsy sy teroa
Izay nanananay izao ritra avokoa

Izaho koa mba toa anareo
Nandre izany koa aho teo
Mandehana, tadiavinareo magy
Dia mba ilazao, f'izaho koa mba hitsaoka azy

Nahalala ny fitaka ny magy, ka nivily lalana
Raha izy no antenaina, i Paoly hono andrasana
Rahoviana koa izany no hoe ho tan-dalàna ?
Sao izao ary ny hoe tany tsy misy fanjakana ?
novalian'i tspoaeta ny 29/06/2017 07:40
2. RUZ9 ( 05/04/2017 11:11)
Tonga ihany ny aingam-panahy, raha mahatsiaro fa haino aman-jery manodidina ny 80 no nakatona tamin'ny andron'ny FAT (2009-?),
Maro amintsika kosa angamba no mandre karazana " application radio " iray eto Antananarivo manao " affirmation gratuite " tsy mitsahatra,
miasa 24h/24, volana maromaro izao, nefa tsy mahataitra ny tompon'andraiki-panjakana.
Olon-tsotra iray moa no tena kendren'io app. radio io ho lasibatra.
Ilaina hampahatsiahivina ny tompon'andraikitra voakasik'izany ve ny atao hoe zon'olombelona ?
Tsy azo lazaina koa angamba hoe tsy fantatry ny fanjakana ny orinasa mpamokatra azy io.
Sa izao ilay hoe fanjakan'i Baroa, " gana milomano ka samy manao an'izay saim-patany ?
Misy olona moa milaza ho miasa amin'ny sehatra fiarovana ny zon'olombelona,
saingy re ao amin'io " application radio io ".
Miasa amin'ny fampanajana ny zon'olombelona, sa maka traik'efa amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ?

3. RUZ9 ( 16/06/2017 11:12)
Eritrereto izao :
Mpamosavy no fantatry ny Malagasy fa mpanara-teny,
Arahin'ireo olona ireo avokoa, isaky ny litera izay rehetra lazain'ny tena.
Atao maresaka sy ihorahana avokoa ny teny rehetra voalaza.
Helingelenina ianao, na matory amin'ny alina, na manao zavatra amin'ny fotoana rehetra.
Tsikeraina amin'ny lafiny ratsy na manaraby avokoa izay rehetra lazain'ny tena.
INONA NO TANJONY AMIN'IZANY
Hanala ny fitokisan-tena ;
Hanimba ny saina
Hanala baraka,
Hotohizako...
4. RUZ9 ( 21/06/2017 11:55)
Alohan'ny hanohizako ny hafatra,
heveriko fa tokony handray andraikitra ny ARTEC sy ny ministeran'ny serasera.
5. tspoaeta ( 22/06/2017 05:38)
Ilay TV evangeliq efa nadeha herintaona (2009-2010) teto Antananarivo nakatona no tena nampalahelo ahy.
Nefa mahagaga fa ireny TV mandefa sary ratsy ireny jeren-dry zareo fotsiny.
6. RUZ9 ( 28/06/2017 14:24)
Tsy anjarako aloha ny fanadihadiana,
Fa raha ny fahalalana kely ananako hatreto,
Fitaovana fampiasana miaramila amin'ny serasera ity ampiasaina olondratsy ity.
Iza izany no tompon'andraikitra,
Tokony handraikitra amin'izay ve sa mbola misy andrasana ?
Tsy efa mitovy amin'ny "flagrant délit " ve izy ireo, izay misy ny tenanay na ankalamajana, na an-trano, na an-dalambe, andrenesana azy avokoa ?
AIZA ILAY FANAJANA NY ZON'OLOMBELONA NODRADRADRADRAINA hatramin'izao.
AZONAO DINIHINA VE IRETO TENY VITSIVITSY IRETO
Tapitra ny fahalalahanao rehefa manomboka ny fahalalahan'ny hafa.
Sa hoe manana fitaovana tsy ara-dalàna, dia afaka manao an'izay tiany hatao ?
Raha izany no izy, izay manambasy koa afaka mitifitra an'izay tiany hotifirina, amin'ny fotoana rehetra.
Dia tanteraka izany ilay hoe " raha ny gasy no manam-basy,
voatifitra hatramin'ny parasy "
MISY VE IRETO ?
Omena fitaovana sy vola ny mpihary manidika hifaninanany amina mpandraharaha miliardera,
Dia omena alalana izy hamotika an'io miliardera io araka izay tiany ?
Omena fitaovam-piadiana ny olona kely sandry sasany hidarohany hiadarohany ny tompondaka amina haiady, dia mijery fotsiny ny mpanantanteraka an'izany manampahefana
..........................
Hatreo angamba aloha no holazain'i RUZ9 fa mbola tantara mitohy izy ity hatreto.
7. RUZ9 ( 28/06/2017 14:25)

Ato no anoratan' i RUZ9 matetika, raha liana ianao :
8. tspoaeta ( 29/06/2017 07:40)
Rehefa nanaraka an'io lien an'i RUZ9 io aho dia nahita hoe:
"CYRIUS EST LE DERNIER MESSIE"
"ILAY ANARAN’ANDRIAMANITRA TSY AZO TONONINA"

Mba afaka azavainao atsy @ loahevitra Finoana sy Fivavahana ve ireo? Sady misy resaka mitovitovy amin'ireo koa any tiako hovalinao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1955