Tonga indray ity ny Paka

61. RKjeanclaude ( 04/04/2017 20:58)
-Tsy mahazo manary ny kaon-dohan'ny mpahay azy mihitsy aho. Tsy afaka akory hifanerasera aminao sy ny olona mampiasa itony fitaov-pifandraisana itony aho raha nanary ireny...sns.
-Mamaiky ny mbola hanazavan'ny taranaka mbola hikaroka aho, ary mirary azy ireny hahita bebe kokoa
-Saingy tsy tsaroako na i Newton, sa i Pascal sa iza moa no nilaza tao amin'ny sasin-tenin'ny boky nosoratany ka nanambarany fa betsaka ny zavatra efa hita sy voazava, saingy be lavitra ny mbola miafina. Ka notohizany kely hoe na dia tsy nisy aza And/tra dia tsy maintsy noforonina. Mba saino kely tokoa anie e! raha nihataka na niroso ho kilometatra vitsivitsy fotsiny ny elanelan'ny masoandro sy ny tany, dia ho nisy fiainana ve teto!? sa atao kisendrasendra hatrany izany!? ary ny nipoiran'ilay raha ho niavian'ny erana tao anaty foana lehibe iray sy ny nametraka azy tao, atao koa ve hoe kisendransendra!? mety azo heverina ho voavaha ve izany aoriana!? Koa satria mbola tsy voavaha izany ankehitriny dia tsy mahazo miantona sy misalasala ato afovoany aho, ka hanary ny taloha nefa ny ho avy tsy ho azoko antoka. Koa tsy mety amiko aloha hatreto ny tsy hino. Izany hoe manaiky ny efa voazava mandrakanio aho ka ireo tsy voazava dia heveriko ho fahatanterahan'ny voasoratra hoe "tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany hatramin'ny farany"-Mpitoriteny 03/11b.
62. rhaj0 ( 05/04/2017 12:16)
TSara izany raha mba "manaiky ny efa voazava mandrakanio" i RKjeanclaude.

Fa hoe, " ireo tsy voazava dia heveriko ho fahatanterahan'ny voasoratra" hozy RKjeanclaude.

Dia io ho'a, dia efa hoe, rahefa TSy takatry ny hoza-dohan'i RKjeanclaude izany ny resaka, eny, i RKjeanclaude no tsy mahatakatra resaka, dia akapoka ho Andrmntra sy ny Soratra no nanao azy, na manazava azy.

Io ve ry RKjeanclaude, tsy efa hainao ny Tantara aa... Tsy efa betsaka ve izay olona taloha izay, "nanakapoka ho Andrmntra sy ny Soratra" ny tsy-fahalalany, dia izao ianao dia mbola roboka @ izany foana koa???

Fa inona no atahoranao @ "miantona sy misalasala"??

Ohatra ho'a hoe, fahiny, dia rahefa milalao baolina any Zambia ry AS Cheminot, dia tsisy tele, tsisy radio mitantara ary tsisy telefona akoriny aza, mba ahalalana ny fandehany. Efa Alatsinainy hariva @ vaovao @ 7:00 vao fantatra ny valiny. DIa ianao ve izany @ io, satria "TSY takatrao" ny valiny, dia lasa ianao, ny Alahady hariva, dia (mivavaka) "mino"... fa hoe, tena nandresy ny AS Cheminot eee... satria ny soratra sy ny mpaminaniNAO ao ka mahay. Dia ao ianao, salanidanitra @ tsy antony ao. Maninona raha manaiky ilay saina hoe, rehefa tsy fantatra dia tsy fantatra?
63. RKjeanclaude ( 05/04/2017 13:00)
Rehefa tsy manaiky ianao ny fisian'ny Mpahary, dia tsy maintsy mino ny fisian'ny Mpandahatra, rehefa tsy mino io ianao(satria tsy tianao ny teny hoe finoana) dia tsy maintsy mino ny kisendrasendra. Rehefa tsy mino ireo rehetra ireo dia te-hitondra ny tenanao(sy izay resinao lahatra) @ tsy mari-pototra, sy mody manery ny saina fotsiny tsy hijery afa-tsy ny hevitra tokana. Tontolo (domaine) tokana aza no noresahana tsy voavaha ireo fanontaniana mikasika azy, maika ny tontolo hafa, dia mbola hiziriziry handà sy hianahana eo!? -tsaroako eto ilay tenin'i Alain(Emile Chartier) hoe:"Rien n'est plus dangereux qu'une idée quand on a qu'une idée". Ianao mantsy tsy manana afa-tsy io tokana io.

aza terena loatra ny saina e!

64. rhaj0 ( 05/04/2017 13:05)
Ny sainao anie no terenao, na hoe teren'izay nanery anao tao, ny @ io "fisian'ny Mpahary" sns io eee... Maninona ho'a raha "miantona sy misalasala"?

Dia efa hainao ho'a hoe, taloha, dia "nino" mihintsy ny mpino toa anao, fa napetak'ilay Mpahary toa ny punaises @ toile-n'ny lanitra ny masoandro amam-bolana.

Dia ivanitihanao, eny ianao mpino toa azy, ivanitihanao anefa zareo izao.

Dia io ho'a, any aoriana, dia ivanitihan'ny Ankizy koa ianao sy ny Finoanao ankehitrio io eee...
65. RKjeanclaude ( 05/04/2017 15:23)

rhaj0:

Ny sainao anie no terenao, na hoe teren'izay nanery anao tao, ny @ io "fisian'ny Mpahary" sns io eee... Maninona ho'a raha "miantona sy misalasala"?

Dia efa hainao ho'a hoe, taloha, dia "nino" mihintsy ny mpino toa anao, fa napetak'ilay Mpahary toa ny punaises @ toile-n'ny lanitra ny masoandro amam-bolana.

Dia ivanitihanao, eny ianao mpino toa azy, ivanitihanao anefa zareo izao.

Dia io ho'a, any aoriana, dia ivanitihan'ny Ankizy koa ianao sy ny Finoanao ankehitrio io eee...

Raha mino aho, dia fandresen-dahatra avy ato anatiko fa tsy faneren'iza na faneren'iza. Raha hoe maninona raha misalasala sy mihantona: tsy mari-toroerana (stable) izany e! taitaitra(exité) foana izany, dia hainao ny tohiny raha mahay simia ianao.


mbola hamafisiko hatrany fa mino ny fisian'ny Mpahary nandahatra ny kintana amam-bolana @ toile-n'ny lanitra aho ka!, tsy mivanitika @ zareo izany, Ny mpaminany talohan'ny Tompo aza efa nilaza ny fa ny tany tsy misy support koa , inona no ivanitihiko @ izany!? izany ngah diso!? Sady hoe tsy vokatry ny kisendra ho'aho ireo.

Ary ny ankizy any aoriana, dia mety ho rediredy sisa no farany no holazainy noho petra-kevitra be loatra tsy voaporofo, tsy ahitam-baliny navelan-dry dadabe, sy ry cousin ankehitriny. Satria:


(angamba) tsy ahita mihitsy ny asan'And/tra hatr@ voalohany hatr@ farany izy ireo. Dia tsy maintsy akapoka (hitodika)ao @ finoana sy A/tra ary Mpahary ihany e!. Dia hiara -hivananitika amiko @ ireo nisalasala hatr@ andro fahiny(antiquité) izy ireo.
66. rhaj0 ( 05/04/2017 16:12)
Tena sérieux ianao Rajeancl??

Hoe toatoa izao ny namoronan'Andrmntra izao tontolo izao??

67. RKjeanclaude ( 06/04/2017 12:48)
sary taiza indray izao io noetinao eto io!?

Ny teniny aloha dia izao" Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra.....".: Tsy nasehony ao hoe ahoana ny fomba namoronany azy. Averiko kely ilay Andinin'ny Baiboly viasoratra ao @ Mpitoriteny e:" Tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany.....".

Raha ilay bang lehibe nivanja anie ry rhaj0 no nahatonga izao rehetra izao dia mba andramo hoe io bodofotsy io ao an-tranonao io aseseho ao am-bavanao, mba tafiditra ve!?, sady na tafiditra aza, misy fetrany ny velaran'iny sy ny fatran'iny, fa tsy velaro ao anaty foana(vide) dia hihitatra mandrakizay e.

PS:Fa maninona no atao miamboho And/tra, ohatran'ny tsy hitako ny endriny! , sady efa fotsivolo izy izany a. :) :)
68. endriny ( 06/04/2017 13:35)

rhaj0:

Tena sérieux ianao Rajeancl??

Hoe toatoa izao ny namoronan'Andrmntra izao tontolo izao??




Somary asiana tselatra kely mivoaka ny vavan'Atra, satria poa toa izay no ahatanterahan'ny zavatra lazainy.
69. rhaj0 ( 06/04/2017 13:57)
ity indray izany sary hafa ee... ny namanao kristiana ihany no manao ireo sary ireo. Miresaka akanjo sy bodofotsy ianao, fa ilay tafian'ilay Andrmntra kosany tokoany, tena raitra an... ka raha made in China izao io akanjo io, dia heverovereto @ izany ny taille-n'i Andrmntra.. dia ny haben'Andrtmrna arak'izay iny, no.. splaaaash... tondro-tanana fotsiny dia niforona ny masoandro ngozabe atsy @ milliards de kilometres ee... dia .. peeew... dia niforona koa ny volana itsy aoriana itsy.



Dia io, diniho tsara io ilay endrika masiaka ratsin'ilay sadikadikan-draha io..



70. RKjeanclaude ( 06/04/2017 19:15)
Ary raisinao tena matotra hoe Sariny ireo a! tsy izy ireo ka. Na i Picasso, na i Da Vinci na iza na iza..... no nanao ireo dia mitoetra ho housse-duck fotsiny ireo, revirevy fotsiny hitadiavan-daza. Ny Voasoratra dia mandrara tsy hanaovana ny Sariny ( na sary vongana, na an-koso-doko). Ka tsy namako ny nanao an'ireo, na mitono-tena ho izany aza. Tsy izay be maso anie dia voron-dolo e, na izay mihirahira dia manga feo e, fa na maro aza misy tandrony, ny omby ihany no mizoga, na maro aza ny boribory, ny maso ihany no mahita.


Sady averiko hoe tsy voalaza ao @ Genesisy 01/01 io ny fomba nahariana ny lanitra, tsy nisy ao hoe:notondrotondroina (koa raha tsy lanitr'i Jim Carrey ko....).


Aza andefasana sary hoatr'io intsony aho fa sao dia manao kapa na kiraro eo indray ny sary manaraka ka ho anontanianao aho hoe:"misy ba ve izao io? ..... sns" ka..... :) :) .

71. rhaj0 ( 07/04/2017 12:44)
RKjeanclaude:
Ny Voasoratra dia mandrara tsy hanaovana ny Sariny

Ngo dia Quran no boky vakianao ry RKjeanclaude. Ameo toko aman,Andininy milaza mazava an'io tokoany azany hoe, mba ilazana izany an-dry Katolika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1507