tsy ampy ve ny fanantenana???

1. SYLLA8 ( 28/12/2016 08:43)
Fa ny fihazohazona ataon'ny mpanana sy forongony,ny herisetran'ny matanjaka,ny hafetsena ataon'ny mpandoka ve no no mahtonga ny ain'olona tsy nisy vidiny,mampahory ny osa ,ary nahketraka ny bado.
Samy mahlala ny fiantrakan'izany eo @ny tsirairay isika,ary tsy afaka manao na inona na inona akory eo anoloan izany.angmba rah ho jerena tsirairay ireo dia toa izao no fipetrany...
Mihevitra ny tenenany ho zvatr,mihevtr ny tenany tsy ho kasihin dalitra,mihvtr ny sasany tsy ho toy ny olona akory ka tsy misy vidiny avokoa izay tsy mitov aminy.izany no fihetsikin ny mpanana.ny matanjaka kosa ve?tsy andro,tsy alina dia mampiseho herisetra etsy sy eroa.mihoron kodotra ny osa,nef ny ho singaniko manokana dia ny mahazo ireo tantsaha izay azo lazaina hoe mamelona ny renivohitra no tena voadona mafy.ny hareny lasan ny matanjaka an keriny,ny taniny alain ny manam bola ankeriny,ny ainy katsahin ny matanjaka halaina,matahotra ary miferinain aina isan andro.inona no hatao?ahoana ny hevitra?mb mis mpijery ve izy ireny?asa...ny bado indray ve?vao miakatra na miditra birao dia very ny saina,omanina ny vola satria matahotr ny fihetsika hasehon ny mahay sy matsilo saina.hitsatoka ao andohany sahady fa tsy afaka hiady @ny mahay na inon kidona na inon kihatra ,na mety na tsy mety,na rariny na tsia.
Ny azku apetraka dia ity:moa ve dia mahtsapa ny tenany hoe tsy mety,tsy rariny ve ireny ataony ireny?mahgaga anefa dia toa ireo heverina ho mahlala no mikipy sy minia tsy te hahalala izany toe javatra izany.toa andairany teny hoe aoka ny manana dia hanana sy hampitobo ny fananany,fa ny andaniny kosa toa milaza hoe:"eny fa na dia ny kely ananany aza dia toa esorina aminy indray"
Tsy ampy ve ny fanantenana,rava ve ny firaisan kina,sa tsy misy intsony ve ny avo?anjaran ny tsirairay no mieritreritra izany
novalian'i endriny ny 05/01/2017 17:16
2. endriny ( 02/01/2017 09:15)
Ka izay mihintsy no diso amin'ny sainam-pirenena koa, "Fanantenana = Maitso". Dia eto isika manantena eto foana fa tsy mety tonga mihintsy ilay izy fa fanantenana eto foana e.
3. rhaj0 ( 05/01/2017 13:14)
@ io Trump (sy ny fascist sy white supremacist miaraka aminy) ho lasa deba ao Zamerika ao io, dia vaky vava ho'a i Michelle Obama hoe, tena izao vao tsapany hoe, "toatoa ny ahoana ny tsapan'ny olona TSISY na hoe VERY "fanantenana" tanteraka."

giravy izany TSISY na hoe VERY "fanantenana" tanteraka izany an... Raha mba misy io, dia arak'ilay hoe "l'espoir fait vivre les imbéciles", fa rahefa TSISY io, dia tena giravy noho ny manjo ny imbéciles izany...

loz'ty...
4. endriny ( 05/01/2017 17:16)
Dia tsy gaga i Rhaj0 izany raha manjaka ny "imbéciles" eo amin'ny kristianina, satria ry zareo "Manantena foana" fa any ny lanitra mandrakizay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8655