lay tonokalon'i ZARA AINGA

1. ora ( 21/11/2016 13:16)
sao mba afaka mahazo ny tonon'ilay tonokalo momba ilay Ray aman-dreny nifampiresaka tamin-janany izay nalfa nianatra aty Andrenivohitra iny ve ry Hery? inona ny lohateniny?
novalian'i hery ny 21/11/2016 18:46
2. hery ( 21/11/2016 18:46)

ora:

sao mba afaka mahazo ny tonon'ilay tonokalo momba ilay Ray aman-dreny nifampiresaka tamin-janany izay nalfa nianatra aty Andrenivohitra iny ve ry Hery? inona ny lohateniny?


https://www.facebook.com/photo.php?fbid=335689006788078&set=a.113816685641979.1073741827.100010409433964&type=3

HAFENIKO TSY HO FANTANY.
Niantso vao maraina ny zanako androany.
ilay mianatra sy monina any andrenivohitra any.
Mitsinjo izay ho aviny.
Miady sy mitolona hahazo izay tadiaviny.
.
"Salama tsara i Dada ah!
Izay no nanombohany ny resadresakay."
"Eny lesy Tsiaro ah, salama tsara izahay"
.
Io no noteneniko.
Ny marina nafeniko.
Hoe efa ho herinandro no reraky ny asa dia narary izahay mivady.
tsy tiako izany ho hainy.
Tsy tiako ho lazaina azy
ndrao tsy hilamina ny sainy.
.
izahay mivady koa
Raha mbola tafa-tsangana mitady vola aloha.
Ho halefa any aminy any.
Dia tsy tena hoe marary.
Fa tazotazo kely na sery fotsiny ihany.
.
.
"Tsara izany Dada ah!" Hoy izy ampifaliana.
ny aty indray mangingina.
Ilay mpianatra nitokona mba nisy fitoniana.
Ny fianarana milamina sy mba mizotra tsara,
Fa fotsiny ny boky no somary taratara.
Tsy arak'ilay vatsy ny fividianana azy.
Ka raha tratra Dada dia ampio kely azafady.
somary ampitomboina ny vola halefanao....
dry, saika nanadino aho fa efa kely koa ambimbariko ao.
Allo! Mbola ao ve dada eh!? Toa tsy henoko miteny.
.
Mbola ato lesy ah! Hoy aho nisento kely.
Nihomana hamaly.
"Halefako androany izany vola izany.
Hasiako vidim-boky miaraka aminy any.
Dia.....
misy trondro maina.
Sy akoho efa nasaly.
Ataoko anaty gonim-bary.
Nomanin-dReninao ho tohatohan'aina
raha sendra ianao marary.
Ny aty mantsy salama dia tsy dia tena ilaina loatra ny zavatra ohatrin'izany."
.
Fa ny an'eritreritro any
hoe raha mba hainao mantsy ah!
ity volan-tsika tsy ampy.
saingy tsy ho lazaiko sy hitrosako ihany.
Tsy tiako hiafy ianao any an-tanin'olona any.
.
Ilay laoka halefa indray.
Saika hanonerana ny harerahanay.
efa resin'ny angady.
Kanefa tsy maninona fa halefanay ho anao dia miafy izay mivady.
...ZARA AINGA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7717