Zoophilie any Canada

1. tealala ( 28/10/2016 09:26)
Tena lasa ara-dalàna ve ny zoophilie any Canada ry zareo sa resaka mandeha?
2. rhaj0 ( 28/10/2016 12:49)
a zalahy... aza mba mora fitahin'olona toa io, dia minomino foana izay lazain'izay belazao any, TSY manao cross-check akoriny. Hotry ny tena manompa anao Tealala, manompa ny sainao, hoe TSY tia karokaroka sy TSY te-ahalala, dia minomino foana ny lazain'izao belazao izao anie izany eee...

Io "zoophilie" io, dia argument (vendrana) fataon'ny Conservative, na ny Kristiana sy mpino toa Jiosy izany indrindrindra, hanabatiana ny homosekisoalitia. Satria mantsy ny Liberal, izay manohitra ny Conservative, dia manome sy manaja ny fahalalahana ho an'ny olona; anisany mazava ho azy, ny homosekisoaly.

Efa noresahina lavabe teto io. Efa ho 1800 ny nandalo nijery an'io lohahevitra io, fa dia ... aza mandalo katsa-maina eee...
http://forum.serasera.org/forum/message/m5760d6bb93433

Fa @ ankapobeny, ho an'ny kolotoranao, dia izao :

Ny Conservative dia, toa ny Republican ao Zamerika, dia ireo izay mihevitra fa, @ fiainana manokana (individuel) dia tokony mi-intervenir ny Fanjakana.
- Ohatra hoe, ny fanalan-jaza. Ny Conservative dia mihevitra fa ny fanjakana no mamaritra izany, sy manabedy. Fa tsy hoe, ny viavy no tompon'ny tenany, ary tompon'ny fanapaha-kevitra raha hanala zaza, hozy ny Liberal.
- Ohatra koa hoe, ny homosekisoaly. Ny Conservative dia miteny fa ny fanjakana no mamaritra ny normal; ary @ zareo, dia TSY normal io. Fa tsy hoe revy samy manan'ny azy io, ka aoka hifanaja, vivre et laisser vivre-n'ny Liberal

@ ankapobeny, dia ireo Mpivavaka na Mpino (Kristiana sy Jiosy toa anao) no milona @ Conservative.

Aty Kanada, dia resy ny Conservative t@ fifidianana farany teo. Ka zareo ireo moa malaza ho "tsy mahay resy" = looser. Dia io iaraha-mahita io fa manely itony karazana tsaho propagandy itony. Ary dia io mi-demoniser izay rehetra aty Kanada. Zoophilie indray hono eee...

RAha manaraka vaovao anefa ianao, dia hahita fa ny Liberal eran-tany dia faly, ary maniry ny hisian'ny Kanada bebe kokoa. Satria mivohy soatoavina @ revin'ny Liberal (eran-tany) i Kanada.

3. endriny ( 28/10/2016 13:45)
Rhaj0, izy kosa aza mba tealala ange e. Dia misaotra anao nitondra fanazavana aloha na dia somary nisy tsindrom-paingotra kely ihany aza ilay izy
4. rhaj0 ( 28/10/2016 15:38)
z'afady azany raha mba "tezitra" aho t@ iny eee... Tsy hita fa tena hotry ny saro-piaro @ Kanada aho, indrindra @ izao Trudeau sy ny Liberal izao no eo.. Ny olona, na politisiana TSY liberal azany ho'a dia mitsiriritra fotsiny hoe, tena tokony canadianiser-na mihintsy koa ny azy ao. Ny any @ UN moa dia miandrandra be mihintsy...

Ny loza anefa ho'a, dia i Rajaonarimampianina hono ho'a ka mba nianatra taty Kanada. Io no tena mba mampandaginina ahy tahak'n'inona. Mba anarany ve nama ilay rangahy mba nahita sy niaina @ izany demokrasia/liberté/redevabilité/transparence/ets... dia tena hotry ny TSISY nipetaka t@ hoza-dohany ve ireny eee ???? Ireo ao @ ambasady gasy aty moa dia... aoka fotsiny.
5. tealala ( 31/10/2016 12:55)
Hay va re, misaotra nampahalala e..
Fa mankasitraka io zoophilie io ve izany zareo ao?
6. endriny ( 31/10/2016 13:09)

rhaj0:

Ny loza anefa ho'a, dia i Rajaonarimampianina hono ho'a ka mba nianatra taty Kanada. Io no tena mba mampandaginina ahy tahak'n'inona. Mba anarany ve nama ilay rangahy mba nahita sy niaina @ izany demokrasia/liberté/redevabilité/transparence/ets... dia tena hotry ny TSISY nipetaka t@ hoza-dohany ve ireny eee ???? Ireo ao @ ambasady gasy aty moa dia... aoka fotsiny.

Ohatran'ny finoana ihany io ange e. Na ianarany ao ampianarana izao aza ny arbre genealogique dia vao mivoaka eo dia hoe: 7 andro no nanamboaran'Atra izao tontolo izao.

Te ahazo naoty izy dia hainy tsianjery mihintsy ny arbre genealogique, fa raha vao vita ny exam: "namboarina tamin'ny fotaka tamin'ny andro faha 6 ny olom-belona"
7. rhaj0 ( 31/10/2016 13:21)
tealala:
Fa mankasitraka io zoophilie io ve izany zareo ao?

Efa im-10 lazaina fa tena tsy miditra @-ndry Tealala mihintsy ny resaka. Tena te-ahalala ve ianao sa tsy te-ahalala eee ?? :-)

Ny homosekisoalitia ve no ampilaharinao @ zoophilia? Izay ve no mba argument-nao, na hoe inoanao??
Ny andaniny, relation misy consentement mutuel, ary ny ankilany, mila iantsoana ny Société Protectrice des Animaux ??

Sa any am-piangonana sy sinagogy TSISY Société Protectrice des Animaux??
Marina tokoany io, satria, aiza moa no alefa ny devoly ao @ finoanareo ao ry Tealala? Moa va tsy any @ Kisoa!!!
8. tealala ( 31/10/2016 13:38)
9. rhaj0 ( 31/10/2016 14:59)
rhaj0:
Ny loza anefa ho'a, dia i Rajaonarimampianina hono ho'a ka mba nianatra taty Kanada. Io no tena mba mampandaginina ahy tahak'n'inona. Mba anarany ve nama ilay rangahy mba nahita sy niaina @ izany demokrasia/liberté/redevabilité/transparence/ets... dia tena hotry ny TSISY nipetaka t@ hoza-dohany ve ireny eee ???? Ireo ao @ ambasady gasy aty moa dia... aoka fotsiny.
endriny:
Ohatran'ny finoana ihany io ange e. Na ianarany ao ampianarana izao aza ny arbre genealogique dia vao mivoaka eo dia hoe: 7 andro no nanamboaran'Atra izao tontolo izao.

Te ahazo naoty izy dia hainy tsianjery mihintsy ny arbre genealogique, fa raha vao vita ny exam: "namboarina tamin'ny fotaka tamin'ny andro faha 6 ny olom-belona"

Ireo ao @ ambasady gasy k'lou tena tiako tantaraina eto (na dia tsy resaka finoana/fivavahana aza), fa tena mampivonto fo mihiintsy eee..

http://ici.radio-canada.ca
Les deux accusations de conduite avec les facultés affaiblies portées contre un diplomate de la République de Madagascar ont été retirées, mardi avant-midi, au palais de justice de Gatineau.
Jigot Lahiniriko-Cisneros, 32 ans, avait été arrêté le 13 octobre 2015 avec un taux d'alcoolémie dépassant la limite légale. Le diplomate malgache aurait accroché une voiture dans un stationnement de Gatineau.
La République de Madagascar, via son ambassade à Ottawa, a refusé de lever l'immunité diplomatique de M. Lahiniriko-Cisneros.

Ka izao izany ilay izy :

1- i Jigot Lahiniriko-Cisneros izany ka mamo, ary dia mbola nitondra fiara ihany.
Io k'lou dia efa ota fady @ tany mihintsy. Rahefa nisotro ianao dia apetraho ny lakile. Savoir-vivre 2016 io. Sa 32 taona ilery dia tsy mbola nampianarina an'izany.

2- dia tena mamo tampona mihintsy angamba ilery ka fiara mijanona avy ka domina..

3- ary tena tsy mahay mitondra fiara koa angamba ilery eee... be be ihany ny olona hitako mamo sady mitondra, fa vao mainka azany ny sasany tena mahery mihintsy. Sa very tsy mahita lalana (fa mamo tampina) ??

4- dia rahefa mba oainina dia mba mibaboka, Fa inona fa niady ny ambasa tao hanome an'ilery IMMUNITÉ...

letia eee... izany ny tegna tato raha tsy menatra mihintsy.. maraina ka h@ hariva, vao mihaino radio na mamaky gazety interinety ets... dia hoe... i Jigot Lahiniriko-Cisneros... i Jigot Lahiniriko-Cisneros...

Dia ilay #1 io ambony io dia efa mahamenatra, nefa tena vitan'ilery h@ #4!!! Ilay ambasa @ io tsy mahalala menatra dia mirotsaka koa...

Fa dia hihodina zahay ee... TSY havanay iny... avelao izy ho hitan'ny havany ao.
10. endriny ( 31/10/2016 16:22)

rhaj0:

La République de Madagascar, via son ambassade à Ottawa, a refusé de lever l'immunité diplomatique de M. Lahiniriko-Cisneros.[/i]

Izaho kosa aloha momba ny Ambasady aho amin'io e. Eto madagasikara aza frantsay pedophile efa tratra ambody omby izao, dia anaovan'ny ambasadiny fifampiraharahana fa mpanao asa soa hono. Dia alefa fotsiny tsy misy gadra tsy misy na inona na inona. Fa avy eo ilay vazaha indray no mampitahotra.
11. endriny ( 01/11/2016 06:14)
Hitako hoe menatra izany i Rhaj0 any Canada any amin'ny Mahamalagasy azy noho ny nataon'io Malagasy mpiray tanindrazana iray io.

Izao anefa. Jereo ny vazaha, fa ry zareo tsy menatra amin'ny ataony izany mihintsy. Ny sasany aza vao maika midingin-drambo rehefa avy nanao ratsy teto amintsika. Ohatran'ny asehony mihintsy hoe :"noho ny havendrananareo dia afaka manao izay tianay atao izahay".

Sady izao Rhaj0 a, raha misy manankiana anao noho io olona io dia izao ambara: "io olona io ange tsy ny Malagasy iray manontoo e". Ohatran'ilay hoe:" tsy ny frantsay iray manontolo ange no nandripaka ny Malagasy tamin'ny 47 e"
12. rhaj0 ( 01/11/2016 10:54)
rhaj0:
Hitako hoe menatra izany i Rhaj0 any Canada any amin'ny Mahamalagasy azy noho ny nataon'io Malagasy mpiray tanindrazana iray io.

Ity koa zava-misy anankiray aty Kanada ny @ Gasy.. aleo zaraina mba tsy ho tompo-trano mihono nareo eto (na koa mba hanamaivana ny henatro izany eee...)

In-1 mandeha ho'a nisy sarimihetsika avy an Dago naseho, dia niarahana namahabaha. Mbola t@ andron-dRatsiraka t@ izany, ary namely ny fitondrana ny raharaham-pirenena ilay... mpanao gazety frantsay, ka napetrakany t@ horonantsary.

Dia izany no resaka. Fahantrana sy risoriso. Fa nitsangana ho'a ilay Kebekoa tompon-tany. Dia hoz'izy. Dia tena mivanaka (scandalisé) hono izy, ny @ fahantrana nasehon'ilay horonantsary. NEfa hozy, dia mivanaka (scandalisé) koa izy, fa mahalala izy, Gasy ary mpianatra, nefa dia tena bevola ary mirevy gaigy mihoatra noho ny tompo-tany. Ka dia tena risorisobe marina angamba ny any izany, hoz'izy.

Dia tato ho ato koa, dia be dia be ny mpianatra avy any Dago io tonga aty, mianatra ho pilote. Dia mivanaka ihany ny tompo-tany hoe, efa amina 20.000$ anie ny ekolazy, nefa dia tena cash cash dia tsotsofin'ireo mpianatra gasy fotsiny; ny tompo-tany azany constipé mijery ny ekolazy. Dia ny siosio sy tsaho dia hoe, zanaky ny mpanao coup d'état hono no betsaka @ izy ireo eee...
13. endriny ( 01/11/2016 12:41)
Mazana koa aloha ny ataon'ny frantsay e: ry zareo frantsay (na tsosoka, na karana, na sinoa, ireo mantsy frantsay daholo) miampy ny mpitondra fiangonana no mivohy an'io risoriso eto, kanefa ry zareo ihany no manankiana an'io risoriso eto.

Dia ry zareo ihany no mahazo tombontsoa amin'io fahantran'ny olona io: amin'izay 1) mandeha mivavaka ny olona ary feno ny fiangonana noho aditsaina mianjady; 2) mora ny karaman'ny mpiasa; 3) azo atao mpiasatrano sy mpiambina mora ny Malagasy.

Samia velon'aina
14. rhaj0 ( 01/11/2016 13:00)
Fa misy firy tokoany moa ny Frantsay ao DAgo ao..
Hozy wikipedia hoe 50.000. Fa ny Gasy any Frantsa kosany hono ka efa ho 150.000 hozy wikipedia ihany

Fa hozy ny frantsay hoe:
La communauté française, jeune, comprend environ 25 000 personnes, avec une majorité de binationaux. C’est la seconde communauté étrangère après la communauté comorienne.
Les entreprises françaises sont très présentes à Madagascar : on dénombre en effet plus de 730 entreprises à capitaux français.
Les entreprises de moyenne et petite taille constituent la majeure partie des implantations françaises. Les entreprises de moins de 50 employés représentent à elles seules la moitié du total.

Ary ny eny @ pelouzy azany nilaza fa nisy amina 12.000 no farantsay nivadika tany h@ izay coup d'état izay.

ka dia nitolona ho an'ireo izany ny mpanohana ny coup d'état, i OMAR @ io no lohany eee...
15. calin.brandon ( 07/11/2016 06:14)

rhaj0:

tealala:
Fa mankasitraka io zoophilie io ve izany zareo ao?

Efa im-10 lazaina fa tena tsy miditra @-ndry Tealala mihintsy ny resaka. Tena te-ahalala ve ianao sa tsy te-ahalala eee ?? :-)

Ny homosekisoalitia ve no ampilaharinao @ zoophilia? Izay ve no mba argument-nao, na hoe inoanao??
Ny andaniny, relation misy consentement mutuel, ary ny ankilany, mila iantsoana ny Société Protectrice des Animaux ??

Sa any am-piangonana sy sinagogy TSISY Société Protectrice des Animaux??
Marina tokoany io, satria, aiza moa no alefa ny devoly ao @ finoanareo ao ry Tealala? Moa va tsy any @ Kisoa!!!

Tena giravy ny hevitry ny olona toa an-dRhaj0 k'ty.
Fa angaha rehefa mipetraka any ivelany toa an'i Canada dia mieritreritra fa manana ny science infuse, ka ny olona hafa toy an-dry Endriny, Tealala, ... sns... dia tsy misy fotony ?
Voazanaka ara-tsaina mihitsy k'ty. Ny olona tsy manana repère culturel sy tsy manana hazon-damosina no manao an'izany. Ny olona sectaire ihany koa. Izay lazain'ny vazaha libéral no marina, satria izany no manambara ny "fahafahana' (liberté). Dia rehefa miady hevitra dia atsofoka ao anatin'ny resaka fivavahana sy dogme izay tsy mitovy hevitra amin'ny tena.

Fomba ny vazaha io ho entina hanjanahana indray ny firenena maro. Efa manomboka amin'ny resaka égalité des genres aloha. Dia tonga teto ny firenena milaza azy ho matanjaka ao amin'ny Continent amerikana, volana vitsivitsy lasa izay. Nanoboka nanao fihetsiketsehana momba ny mariage pour tous, ka haninfrahindra ny homosexualité izay lazain-dry Rahj0 fa tsy maninona satria misy consentement mutuel hono. Rehefa any Canada manko dia lasa manam-pahaizana ihany koa momba ny psychologie sady toutes matières e ! Hany ka izay nianatra tany nefa tsy nitana ilay foto-pisainana tsy misy repère dia tsy izy.

Rehefa tafiditra io mariage pour tous io via ny égalité des genres, dia ho ampidirina ny resaka zoophilie. Ho an'ny vazaha dia misy consentement mutuel koa ao amin'io. Ny alikany ohatra te-hiray aminy ary izy rahateo koa.

Izany no tanjona ho an'ireo môdelin-dry Rhaj0. Indray andro any ry zareo dia ho toy ny biby e. Mitsaingoka toy ny akoho dia lasa. Tsy mandalo katsa-maina, hoy Rhaj0. Izany tsy hifidy intsony na biby io na olona. Mampalahelo !!!

Saro-piaro amin'i Canada hono ry Rhaj0. Fa izahay kosa saro-piaro amin'ny kolon-tsainay Malagasy. Izahay manana ny repère-nay fa tsy sahala amin'ny ankamaroan'ny olona any amin'ny continent amerikana avaratra, izay karazan'olona maneran-tany samy hafa fiaviana no tonga tany ka mametrapetraka izay saim-pantany rehetra mba hampanjakana ny rafi-pisainana individualiste.

16. RBNIR ( 07/11/2016 07:50)
calin.brandon:

Tena giravy ny hevitry ny olona toa an-dRhaj0 k'ty.
Fa angaha rehefa mipetraka any ivelany toa an'i Canada dia mieritreritra fa manana ny science infuse, ka ny olona hafa toy an-dry Endriny, Tealala, ... sns... dia tsy misy fotony ?
Voazanaka ara-tsaina mihitsy k'ty. Ny olona tsy manana repère culturel sy tsy manana hazon-damosina no manao an'izany. Ny olona sectaire ihany koa. Izay lazain'ny vazaha libéral no marina, satria izany no manambara ny "fahafahana' (liberté). Dia rehefa miady hevitra dia atsofoka ao anatin'ny resaka fivavahana sy dogme izay tsy mitovy hevitra amin'ny tena.

Ny olona miaraka amin'i rhajo dia ity rehefa tsy olona be diplaoma sy manampahaizana dia tsy tokony henoina teny.....
Izay no mahatonga ilay marina takona aminy satria ny mifanohitra amin'izay matetika ny fiasan'Andriamanitra...
« Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. » (Matio 11:25)

Ka mba henoy ihany ry zalahy ny zaza madinika na dia sarotra ho anareo aza ny mandray azy a!!!

Raha te ho avotra an, fa raha te ho very moa dia tsy maninona fa dia afaka tsy mihaino ianareo izany koa...
17. rhaj0 ( 07/11/2016 13:37)
calin.brandon:
Fa izahay kosa saro-piaro amin'ny kolon-tsainay Malagasy.

Mino ve ianao fa ny "kolon-tsaina" Malagasy no manetsika anao ao, fa tsy ny vokatry ny (fanjanahana) Kristianisma?

Eritrereto tsara.

'Ndana ivereno jerena ohatra ny rakitr'i Flacourt, H@ concept Dieu ka h@ Fihavanana sy izay fiainana andavanandro.

Dia 'ndana koa jereo toatoa ny ahoana ny peuple hafa, raha miolotra @ Krsitianisma.

Miala tsiny hotry ny maniraka hoe 'ndana 'ndana... azony hotry ny dia hita be fa mihidy ao @ iilay box-kelin'ny Kristianisma ianao, raha ny fahitako azy, ka dia mba tiako ampirisihina hisoka-tsaina bebe kokoa. Mbola tsy tara... :-)

18. calin.brandon ( 07/11/2016 13:57)

Miala tsiny fa tena diso tanteraka ianao. Tsy haiko ny diplaomanao (araka ny nolazain-dRBNIR teo), fa milaza aminao aho fa tsy ambany noho ny anao ny ahy. Tsy haiko koa ianao na firy taona na firy taona, fa hitako ho tanora saina be. Iray izay.

Faharoa. Marina ny teniko teo aloha. Ny anao dia mahagaga fa heverinao fa mihidy ao anaty zavatra daholo ny olon-kafa dont ny christianisme. Tsy afaka misaina toy izany ianao. Ny fahitako anao dia olona manana complexé. Tsy hi-diagnostiquer anao eto aho fa hita soritra ilay izy. Fa enga anie aho ka ho diso.

Fa milaza minao aho fa tsy ho tafiditra eto Madagasikara ny ataonareo bolokim-bazaha hoe "Liberté" et "libertés".

Raha tsy azonao izay tian-kolazaina, dia tongava ary mandehana mandalina ifotony aty aminay.
19. rhaj0 ( 07/11/2016 14:20)
hi hi hi.. ka TSY "kolon-tsaina Malagasy" anie izany firesakao io izany ry Caligne Brrrandon eeee... Ny Malagasy ohatra dia TSY miresaka diplaoma, toa ireo tsara-voazanaky ny tsihaitsihay, fa kosa mijery "volo fotsy" (traikefa)

Fa dia asa ho'a "kolon-tsaina" inona izany anao ao izany, ka TSY ny resaka no resahina fa ny tompon-dresaka. Sa tsy takatrao ny hoe zoophilie ohatra?

Dia hita koa ho'a fa TSY takatrao ny "Liberté" et "libertés", satria dia mazavabe fa TSY iainanao ao @ .. box-kelinao ao ilay izy.
20. endriny ( 08/11/2016 04:18)

calin.brandon:

ka ny olona hafa toy an-dry Endriny, Tealala, ... sns... dia tsy misy fotony ?
Voazanaka ara-tsaina mihitsy k'ty. Ny olona tsy manana repère culturel sy tsy manana hazon-damosina no manao an'izany

Fa ianao ve sady misy fotony no manana hazon-damosina kanefa ny anaranao aza Calin. Tsy teny Malagasy akory.

Mba manana hazon-damosina ve ianao kanefa "REPERE CULTUREL" no dedahinao soratana fa tsy tenin-drazanao.

Mampihomehy ny olona zareo a.

Fomban'ny Malagasy tsy manana ny maha izy azy mihintsy ity mampiasa tenibaiko ity mba ilazana fa nianatra izy. Ary misy mihintsy ireo sahy milaza fa "tsy misy dikany ny teny Malagasy".

Fony izahay ato amin'ny St Michel dia nilazan'ilay mopera mihintsy hoe: "Tsy mivoaka eto Madagasikara izany teny Malagasy izany."

Fanamavoana anay Malagasy no nandraisako azy. Taty aoriana dia naveriko teo am-poto-tsofiny mihintsy io teny io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5756