Apostoly 12 ... IZA AVY IZY IREO???

1. Strong3 ( 22/10/2016 17:10)
« Ary ny màndan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo, ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry. » (Apokalypsy 21:14)

iza ireo apostoly 12?

dia atao aiza ireo mbola manohy ny asa amin'izao fotoana izao?
novalian'i Strong3 ny 11/11/2016 06:41
2. rhaj0 ( 22/10/2016 19:00)
[size=8]yeah... faly mahare an'i Strong3 eee.. tsara miverina eee... :-) [/size]

Ireo Apostoly 12 ve koa nanjaka t@ ireo "tendrombohitra 12"?
Dia samy nanjaka isaka ny "volana 12"?

Sao kosa noraiketina @ ity horonantsary ity zareo?

3. RBNIR ( 24/10/2016 07:25)
faly misera strong3, elaela izy izany namana....
4. Strong3 ( 24/10/2016 07:54)

RBNIR:

faly misera strong3, elaela izy izany namana....


yeah! mbo misy mahavariana dia misy mahasondriana ... fa dia faly mahita anareo tsy mihetsika ato mihitsy koa!

ka dia akory ity resaka apostoly ity izany ra RBNIR?
5. endriny ( 25/10/2016 04:41)
Mety dizin'ny dovay angamba ry apostoly dia nidelira ka, dia ahoana izany ilay zorotany 4 itsanganan' ny anjely arak'y ny bokin'ny fanambarana 7:1. Sa tsy maha ambina ilya anjely 4 dia mila vatan-dehilahy 12 hafa indray miarka amin'ny manda. Sa mba atao haingon-tanana fotsiny ireo?
6. Strong3 ( 25/10/2016 07:05)

endriny:

Mety dizin'ny dovay angamba ry apostoly dia nidelira ka, dia ahoana izany ilay zorotany 4 itsanganan' ny anjely arak'y ny bokin'ny fanambarana 7:1. Sa tsy maha ambina ilya anjely 4 dia mila vatan-dehilahy 12 hafa indray miarka amin'ny manda. Sa mba atao haingon-tanana fotsiny ireo?


efa hita hoe tonga mpianatr'i tsy misy Atra mahafatrapo mihitsy i endriny ankehitriny; ary tsy vitan'izay fa efa mahay baiboly koa. bravo

7. Strong3 ( 25/10/2016 07:10)
mba valio ry RBNIR oh....

asisika aiza amin'io anarana 12 efa voalohatra io ilay apostoly amin'ny andro farany nodradradradrainareo hatramin'izao sa mba efa niova fenitra.
8. endriny ( 25/10/2016 13:10)

Strong3:

efa hita hoe tonga mpianatr'i tsy misy Atra mahafatrapo mihitsy i endriny ankehitriny; ary tsy vitan'izay fa efa mahay baiboly koa. bravo

Izay no maha samy hafa antsika koa, ny ahy hianarako ny zavatra vao toheriko, fa ny anao tsy hainao akory ny zavatra toherinao ka lasa miteniteny fahatany hoe: "Avy aiza ny molekiola... avy aiza ny atome?". Dia rehefa novaliako hoa fantaro ny Koarika sy ny Baozaonina dia fanina..

Dia ny kintana lazaina fa :"Molekiola mirehitra miodikodina".

Ka asa na mba efa nianatra tamin'ny google izao ny namana Strong3 na ahoana? Dia efa mba mety ho nidina ihany ny finoany an'io baiboliny io.
9. rhaj0 ( 25/10/2016 14:43)
Ka i Strong3 dia mbola @ ilay ekipa nasionaly tao moyen-orient de l'an zero no nofinofisiny ary raikitra ao @ imagination-ny ao... ry RBNIR nefa efa nanidina ny imagination-ny, ary nampidiriny ho numero 13 i Herinirina.

ilay isa 12 sy ity numerologie primitive-mbaiboly ity koa no mampivanaka (sa mampivanika) ahy. Raha masina masina ny isa 12, naninona no tsy nataon'izao Andrmntra izao ho 12 koa ny ratsan-tanana eee ??? Sa ilay n(amp)i-imaginer kosa no tena vasa??
10. endriny ( 26/10/2016 06:40)
Fa tsymety azoko mihintsy hoe maninona ny 12 no tsara kanefa ny 6 demonia. Ilay 12 anefa 6x2. Izany hoe 12 izany mety hoe Demony na Satana, satria ny "na" safidy, lasa fifanampiana ny tranga raha ara-asamarika.

Dia lasa ihany ny saina hoe raha 6 = demonia sy satana. Dia ahoana aza ny fahagagana nataon'i Jesosy voalohany indrindra tamin'ny marika 6: 6 ireo siny vato feno rano niova ho divay.

sao dia ilay mpanara-dia an'i Jesosy aza no tsy mahay ny nolazain'i Jesosy.

Ohatran'ilay nolazaiko hatramin'izay hoe:
1) Jesosy tsy naniraka na iza na iza hanangana fiangonana.
2) Jesosy tsy niteny hoe mamorona boky vaovao TV, fa ny bokin'ny razany ihany no boky nentin'i Jesosy nampianatra, sy nasainy nampianarina
3) Jesosy tsy niteny hoe rehefa maty izy dia mangata amin'ny anarany, fa hoy izy hoe mangataha amin'ny rainareo izay any an-danitra.

Aleo aloha ataoko isa 3 dia mba masina ilay nolazaiko a
11. RBNIR ( 26/10/2016 08:15)

endriny:

Fa tsymety azoko mihintsy hoe maninona ny 12 no tsara kanefa ny 6 demonia. Ilay 12 anefa 6x2. Izany hoe 12 izany mety hoe Demony na Satana, satria ny "na" safidy, lasa fifanampiana ny tranga raha ara-asamarika.

Dia lasa ihany ny saina hoe raha 6 = demonia sy satana. Dia ahoana aza ny fahagagana nataon'i Jesosy voalohany indrindra tamin'ny marika 6: 6 ireo siny vato feno rano niova ho divay.

sao dia ilay mpanara-dia an'i Jesosy aza no tsy mahay ny nolazain'i Jesosy.

Ohatran'ilay nolazaiko hatramin'izay hoe:
1) Jesosy tsy naniraka na iza na iza hanangana fiangonana.
2) Jesosy tsy niteny hoe mamorona boky vaovao TV, fa ny bokin'ny razany ihany no boky nentin'i Jesosy nampianatra, sy nasainy nampianarina
3) Jesosy tsy niteny hoe rehefa maty izy dia mangata amin'ny anarany, fa hoy izy hoe mangataha amin'ny rainareo izay any an-danitra.

Aleo aloha ataoko isa 3 dia mba masina ilay nolazaiko a

1- « Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera*, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako**; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*** tsy haharesy azy. [*Petera = Vato; izahao Jao.1, 42] [**Gr. eklesia] [***Gr. Hadesy] » (Matio 16:18)

Ilay vatolampy tiany holazaina dia tsy iza fa i petera ihany...

2- « koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:19)
« sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Matio 28:20)


Inona moa no mahadiso ny apostoly raha noraiketiny an-tsoratra ilay fampianarana????

3 « Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako] » (Jaona 14:14)


Mety tena nianatra marina ianao endriny, tsy afenina tena betsaka ireo mpampianatra diso ka nahadiso hevitra anao fa izaho manoro hevitra anao,
mianara ato....


12. rhaj0 ( 26/10/2016 17:21)
Lioka 4:15 Ary Izy nampianatra teny amin’ ny synagogan’ ny olona ka nankalazain’ izy rehetra.

ka taloha izany Jesosy nampianatra teny @ Synagogue eee...

Entre-pa fa io izao dia ota fady @ tany io nataon'i Jesoa io, satria ny fomban-tany dia ifandovana ny asa. Ka i Jesosy izay (tokony) mpandrafitra, dia io nisavi-tsaranga nanao mpampianatra io.


Fa taty aoriana izany i jesosy nanangana ny Fiangonany azy manokana ee... (Matio 16:18)


Ka tena ahoana azany izany..

1- fony i Jesosy nampianatra teny @ sinagoga, dia ny Torah ve no nampianariny??

2- nony nanangana ny Fiangonany azy irery i Jesosy, dia mbola ny Torah koa ve no nampianariny??


Raha ny fahazoako azy, dia nodisoany ny Torah, na hoe, TSY dia izay voasoratra (dia voasoratra) tao @ Torah no nibolokian'i Jesosy, fa nanandra(-tena) i Jesosy, fa hoe, nahazo komionikasio direkta avy @ Andtrmna na YHVH izany hono izy @io.

Dia izany koa no nianaran'i Herinirina Le Bolangina :-)
13. endriny ( 27/10/2016 04:20)

RBNIR:



Dia hoy izy ve:
1) Asio krismasy ankalazanareo ny aniverserako
2) Dia ovay koa ny Paska ataovy an'ilay nitsanganako ary anaovy fety be ny alatsinainin'io
3) Dia manorata boky mikasika ny tantarako
4) Dia ny andro tsirairay ataovy andron'olomasina daholo
5) Dia mivava amiko fa izaho no hampita ny vavakareo any amin'ny Ray.
6) Dia izay tsy mankany am-piangonana dia tsy hiditra ny fajakan'ny lanitra.

Nangalarin'i Bema ny paison-dRazay, dia naniraka ny zanany Razay hiteny amin'i Bema hoe: "Mandehana asaivo mifona aty amiko I Bema fa hitako avy eo am-baravarakely ny nangalarany ny paiso teo an-tokotany".

Dia lasa i Zanadrazay niteny tamin'i Bema hoe: "Bema, mandeha ialahy mifona any amin'ny mamanay fa hitany ialahy nangalatra ny paiso teo an-tokotaninay. Ka raha tsy te ho bedy ialahy dia mandeha mifona any a".

Dia hoy i Bema tamin'i Zanadrazay hoe: "Mifona aho leitsy ry Zanadrazay, fa ento any amin'ny maman'ialahy ny fifonako, dia aza bedesina intsony hono i Bema fa efa nifona taty amiko hoe".

Ohatran'ny mety koa io
14. RBNIR ( 27/10/2016 04:57)
Rhajo sy endriny : afaka manaraka ilay fandaharana ao amin'ny youtube ianareo....
Satria hitako fa ny fampianarandiso aloha hatreto no mameno ny lohanareo sy hitsaranareo ny fampianaran'i Jesosy....
15. endriny ( 27/10/2016 05:33)
Fa ilay an'i RBNIR ve TENA marina. Dia marina ve ny Genesisy e?

Dia ahoana indray ity TENA Galaxie Lacte lasa Supernova sy Troue noire ity. Mba marina hoe?

Aleo ihany aloha amin'izao fa misaotra e, sady tsy manana vokatra sy voady ary 1/10 aho mantsy.
16. RBNIR ( 27/10/2016 05:54)
Voalazanao : ilay tena marina tsy nampianarin'olona fa nampianarin'i JEsosy mivantana, dia mitovy 100% amin'ilay fampianarana tsy misy kilema nampianariny 2000 taona lasa izay...
17. rhaj0 ( 27/10/2016 17:33)
Tsy mety mamaly an'i Strong3 moa i RBNIR fa miavonavona (toa ny mahazatra) rahefa mitady ho oainina ny fitapitaka fataon'i Herinirina. Dia mampalahelo fa dia iny i Strong3 fa lasa nidongy dia tsy re intsony indray :-)

Fa ezahiko valiana azany eee.. dia miverena ry Strong3 aaa...

Ireo Apostoly dia miisa 12. Rehefa namadika an'i Jesosy i Jodasy, dia namono tena. Ka dia nivory ny 11 ambiny, dia tapaka fa ampidirina ho Apostaoly i Matthias.

Taty aoriana, efa maty i Jesosy @ io, dia avy koa i Paoly hoe, izy koa hono Apostoly fa nibitsihan'i Jesosy.
Io aloha dia, raha ny fahazoako azy, dia i Paoly no nanandra-tena, fa tsy hoe, i Jesosy no nanendry azy ho CSR tao ohatra, na koa ny CSR no nifanaraka dia nanampy isa.

Fa toa izany koa ry Timothy, izay Apostaoly koa hono, ohatra.


Dia izao izany i Herinirina, dia nangalatra tahaka an'i Paoly, ary dia io manandra-tena io koa izy hoe, Apostaoly Herinirina.

Dia i RBNIR moa... ka hainao fa mpitam-bolan'i Herinirina ilery.. dia io tsy mitsahatra ny mihiakahiaka amintsika hoe, vavolombelona ny maha-Apostaoly an'i Herinirina izy, ary fantatr'i RBRNI tsara ny "voany".

18. RBNIR ( 27/10/2016 18:36)
Tsy misy mpamelona ngah ilay lakilosy???
19. RBNIR ( 04/11/2016 16:49)
Strong3:

« Ary ny màndan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo, ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry. » (Apokalypsy 21:14)

iza ireo apostoly 12?

dia atao aiza ireo mbola manohy ny asa amin'izao fotoana izao?

Salama ianao Strong3
Ireo apostoly voasorata ao amin'ny apok.21:14, tsy iadian-kevitra fa ireo apostoly 12 fahiny no hisoratra eo...

Maninona moa no ambara fa tsy maintsy hifidy olona 12 vaovao indray i Kristy hitarika ireo vahoakan'Andriamanitra?

Satria nanomboka teo amin'ny taranak'i Israely (jakoba) dia notaritin'ny 12 lahy hatrany ny vaoakan'Anbdriamanitra...

Tamin'ny voalohany indrindra dia ireo zanak'i Jakoba 12 lahy, taty aorina kosa dia noraiketina hatrany ny fijoroan'ny firenena 12 ary dia nisy hatrany olona 12 lohan'ireny firenena ireny...

Jesosy koa raha nifidy dia 12 lahy no nofidiny ho apostoly ary nitarika ny vahoakan'Andriamanitra...

Mbola notazomina hatrany koa ny firenena 12 izao no voasoratra any amin'ny jakoba...« [Ny amin'ny fakam-panahy, sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra] Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any am-pielezana. » (Jakoba 1:1)

Ny fanaon'Andriamanitra araka izany dia mifidy 12 lahy hatrany IZY hitarika ny vahoakany,

Koa tsy maintsy hifidy 12 lahy indray IZY hitarika ny vaohakan'Andriamanitra....

20. endriny ( 08/11/2016 04:24)
dia ahoana izany ilay zorotany 4 itsanganan' ny anjely arak'y ny bokin'ny fanambarana 7:1. Sa tsy maha ambina ilya anjely 4 dia mila vatan-dehilahy 12 hafa indray miarka amin'ny manda. Sa mba atao haingon-tanana fotsiny ireo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7744