INona no atao hoe KOLONTSAINA?

1. 201007jacky ( 29/09/2016 13:15)
Kolontsaina?

Teny telo no nahazoana io anarana io: kolo + na + saina
Ny "kolo" dia avy amin'ny hoe "mikolo", "koloina", "mikolokolo", "kolokoloina", "ikoloana",... Azo adika hoe "mikarakara" ny hoe "mikolokolo".
Ny "na" dia zanateny mpanakambana teny roa amin'ny alalan'ny tsipi-panohizana na ho teny iray izay milaza hevitra tokana.
Ny "saina" dia ilay fitaovana entina mandinika, mieritreritra, hahafahana mifidy ny tsara sy ny ratsy, hitsinjovana ny ho avy. Manakaiky ny hoe "fanahy" ny saina, fa ny lanjany no samy hafa.

Araka izany, io teny tokana io dia azo faritana hoe fitambaran'ireo fomba, fihetsika sy fitaovana izay mampiavaka ny antokon'olona,na foko, na ny faritra na ny firenena iray amina antoko na faritra na firenena iray. Ohatra:ny kolontsaina tandrefana.

Ao anaty vondrom-piarahamonina dia fitambaran'ireo singa manavaka ny toetra amam-pihetsik'olona (fiteny, fomba fihetsika, fitafy,...) amin'ny olona hafa tsy iray vondrona aminy: kolontsain'ny ambany tanàna, ireo olona mipetraka an-tanàna mandroso kokoa, kolontsain'ireo karazan'olona izay nisy teto fahiny(andevo sy ny hova,...)

Fitambaran'ireo kanto izay mampiavaka ny faritra na firenena iray hatrizay. Io ilay hoe "VAKOKA" na harena: ny dihin-drazana (horija, hira gasy, jijy,...), ny lalaon-drazana (katra na katro, fanorona,...).
Ireo rehetra ireo dia nentina sy entina mba hikolokoloana ny saina izay fitaovana entina mandinika, hahafahana mampahatsiahy sy hitandrovana ireo tsara sy mevan'ny foko na faritra na vondrom-piarahamonina na ny firenena iray.
Aseho indrindra ireo rehefa milanona, na ara-panjakana, na ara-piarahamonina na isaky ny tonon-taona. Na ny fiainana andavanandro dia anehoana azy io.


Ho hitantsika manaraka ireo kolontsaina malagasy sy ny mahasaozanina na mahavery hasina azy ankehitriny.



novalian'i rhaj0 ny 17/11/2016 13:53
2. rhaj0 ( 17/11/2016 13:53)
Raha jerena ny Rakibolana, dia hoe
http://tenymalagasy.org/bins/teny2/kolontsaina
KOLONTSAINA = fitambaran'ireo fomba sy filamatra entina hanabeazana ka zary fomba fisainana raikitra

kolontsaina = kolo + saina
(ny s- lasa ts- ary rahefa atambatra ireo teny, dia asisika -n-)

http://www.rakibolana.org/
KOLO : karakara, kajy.
SAINA : a.: Fitaovan'ny fanahy ahafahany mahazo, mahalala



Mety hanamora ny fahazoana ny dikan'ilay teny, dia raha ifanampiana tanisaina ireo "fomba sy filamatra" Malagasy, izay tena Malagasy hatrany ifotony, ary miavaka tsara, fa tsy hoe, nampidirin'ny vazaha, h@ Laborde ka h@ izao, na koa, nampidirin'ny Fivavahana Kristiana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2471