rojom bavaka ho an tokatrano feno toloko ranomaso

1. dyfisa ( 24/09/2016 09:55)
Bjr. Reny mpianakavina aho ary mandalo ady sarotra ny tokatranonay ankehitriny satria tombé amoureux am vehivavy hafa ny vadiko. Matahotra mafy aho ny ho ariany satria izy mbola tiko sy ny fitsinjovako ny zanakay. Rehefa nande ny andro dia anio no nahatongavako saina fa ny Tompo no solution farany ka miangavy anizay afaka miara hivavaka amiko aho mba hitondra ambavaka sy hitolona am Jesosy ho Lohan tokatrano ka handrava ny efitra mapisaraka anay mivady. ka hampiverina indray ilay fitiavana nisy teo aminay. Marihiko fa lasa ts ato antrano ny vadiko ary tena vontondranomaso sy kivy tanteraka ny tenako. Misaotra ho an izay vonona hifanampy.
novalian'i irakiraka ny 21/02/2017 13:55
2. irakiraka ( 21/02/2017 13:55)
Misy karazana olana tena tsy zaka @ maha olombelona e. Fa soa ihany fa eo Jesosy. Hain'i Tompo ny zavatra rehetra: Gen 18:14 "Fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain'i JEhovah va?". Ny anjaranao dia mahereza mivavaka. Aza mijery ny zavatra hitan'ny masonao. Zarao fitiavana mandrakariva ny vadinao. Aza mieno izay feo négatif oe zao enao zao enao. Minoa fa rehefa ny Tompo no miasa, tsy misy mahasakana. Atolory an'i Jesosy ny fonao. Aza mitahiry alahelo na fankahalàna akory. Ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra. "Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina." Lio 18:7
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7958