ilaina ve eto Madagasikara ny fisarahan'ny fitondram-panjakana sy ny rafi-pinoana ?

1. lahindroy ( 23/08/2016 09:57)
Ny mpitondra eto amintsika , manomboka any amin'y farany ambany (sefo-pokotany , na talen-tsekoly ...) ka hatrany amin'ny fara-tampony (filoham-pirenena , praiministra , ministra, lehiben'andri-panjakana samihafa ...) dia miditra mivantana sy mampiasa ara-pomba ofisialy ny antoko-pivavahana (kristiana) samihafa .
Etsy andaniny moa dia milatsaka mivantana eo amin'ny sahatry ny raharaham-pirenena ny FFFKM sy ny FJKM (ireo fireham-pinoana hafa -silamo na ireo izay manaradia ny finoan-dRazana- dia mbola tahakin'ny zanak'Ikala hafa aloha hatreto )

Inona no mety tombotsoan'ny firenena amin'izany ?
Inona no olana mety hapetrany ?
Mamela ny fahalalahan'ny tsirairay hisafidy ny finoana na ny tsy finoana tiany arahina ve izany fifangaroana izany ? Misy lanjany ve sa tsia ny fisian'izany fahalalana izany ? .........
novalian'i hery ny 21/09/2016 05:23
2. hery ( 21/09/2016 05:23)
Araka ny lalam-panorenana dia lahika ny fitondrana. Tsy misy soridalana mampifandray na mampisaraka ny finoana sy ny fanjakana. Vokany samy manao izay hahazoany tombony. Ny fiangonana matetika mila manambitamby fitondrana mba hahafahany manatanteraka ny asa fitoriana ataony. Manamora ny fanitarana izany, ohatra ny fividianana tany, ny fanamboarana trano, fanamboarana sekoly na hopitaly, ny fandoavana haba sns. Raha finganin'ny fitondrana ny fiangonana amin'ireo dia ho sahirana.
Etsy an-daniny ny mpitondra fanjakana dia mahita fa betsaka na maro am'isa amin'ny vahoaka ny mpivavaka. Mila manambitamby mpivavaka koa izy izany mba hahafahany maharitra eo amin'ny toerany sy manatanteraka ny asany.
Dia m8fampiankinankina eo e. Tsy ny mpitondra fanjakana ihany no olana fa ny mpitondra fivavahana koa tsy afaka ny hahaleo tena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2456