You are here: home > Forum

Mba ilaina tokoa ve ?

Lohahevitra : Tontolo iainana
Fitohizan'ny hafatra : Mba ilaina tokoa ve ?
Valiny : 6
angouz - 18/08/2016 18:36
Salama ! Hono ho aho ry mpiady hevitra isany, aminareo ve dia tena ilaina tokoa ve ny mpimasy ? satria dia izao no antony fanontaniko, raha efa tena mandinika ny olona mpampiasa sy mpilalao ody izaho dia ny nahatsikaritra fa dia hery ho entina an-demena ny hafa ilay tena antony, ka ny vokany dia lasa mahery ny dahalo @izao sy ny asan-jiolahy rehetra ka maninona no tsy azo foanana io asana mpimasy io ?
Valio | Miverina eny ambony
shafira - 05/07/2017 07:38
ka io nge ts ho fosn mits e,enw fotsn n miezaka ts mankan tson
Valio | Miverina eny ambony
batsilana - 04/09/2017 08:14
tena sarotra be ny hamoana azy io fa ny tokony hatao fotsiny dia ny mitandrina fa tena tsy mamela mahazo io an
Valio | Miverina eny ambony
mirananirina - 10/06/2018 06:38

angouz
Salama ! Hono ho aho ry mpiady hevitra isany, aminareo ve dia tena ilaina tokoa ve ny mpimasy ? satria dia izao no antony fanontaniko, raha efa tena mandinika ny olona mpampiasa sy mpilalao ody izaho dia ny nahatsikaritra fa dia hery ho entina an-demena ny hafa ilay tena antony, ka ny vokany dia lasa mahery ny dahalo @izao sy ny asan-jiolahy rehetra ka maninona no tsy azo foanana io asana mpimasy io ?

Ahoana hoy ianao fomba hanafoanana izany? Betsaka ihany Malagasy minomino foana sy manaraka domban-drazana.
T@ izahay namadika izao ohatra dia hoe tsy maintsy entina miodina impito ny razana navoaka sy fonosina vao azo averina ao ampasana. Dia natao izay. Tsy maintsy atodika ary ny lohany fa tsy ary sns..
Fa Raha izaho manokana tsy mba minomino foana dia avy dia nampidiriko ny ahy fa tsy nentiko niodikodina izany. Mazava ho azy tsy mila maka olona mpimasy aho hanoro izay atao.
Fa hoe izay hono fomba moa tsy izao no mandidy dia narahina izany
Valio | Miverina eny ambony
mirananirina - 10/06/2018 07:04

mirananirina

Ahitsiko kely lazaiko fa misy tsy mety.
Fomban-drazana amiko dia tsara tokoa sady mila arahina, fa ny mpimasy no tokony tsy arahina. Izay tiako lazaina. Satria amiko dia tsy fomban-drazana mpimasy fa finoanoam-poana. Raha hanamboatra trano ohatra dia mbola betsaka maka mpimasy hoe rahoviana fotoana! Mila atao an’izao sy izao.
Raha mamadika ohatra dia fonosona lamba ny razana dia vita fa tsy ilaina ilay mpimasy hoe mila atao an’izaao sy izao. Ilay anay aza na fomba famatorana ilay razana dia mbola misy fombafomba toy izao sy izao. Atao akory !
Valio | Miverina eny ambony
Rajasanagara - 10/09/2018 20:00

mirananirina

angouz
Salama ! Hono ho aho ry mpiady hevitra isany, aminareo ve dia tena ilaina tokoa ve ny mpimasy ? satria dia izao no antony fanontaniko, raha efa tena mandinika ny olona mpampiasa sy mpilalao ody izaho dia ny nahatsikaritra fa dia hery ho entina an-demena ny hafa ilay tena antony, ka ny vokany dia lasa mahery ny dahalo @izao sy ny asan-jiolahy rehetra ka maninona no tsy azo foanana io asana mpimasy io ?

Ahoana hoy ianao fomba hanafoanana izany? Betsaka ihany Malagasy minomino foana sy manaraka domban-drazana.
T@ izahay namadika izao ohatra dia hoe tsy maintsy entina miodina impito ny razana navoaka sy fonosina vao azo averina ao ampasana. Dia natao izay. Tsy maintsy atodika ary ny lohany fa tsy ary sns..
Fa Raha izaho manokana tsy mba minomino foana dia avy dia nampidiriko ny ahy fa tsy nentiko niodikodina izany. Mazava ho azy tsy mila maka olona mpimasy aho hanoro izay atao.
Fa hoe izay hono fomba moa tsy izao no mandidy dia narahina izany

Ny razana miodina im pito no lasa zanahary. Izay ilay izy, hafaka hitahy anao sy ny ankohonanao izy rehefa lasa Zanahary.
Valio | Miverina eny ambony
hery - 10/09/2018 20:41

Rajasanagara

Ny razana miodina im pito no lasa zanahary. Izay ilay izy, hafaka hitahy anao sy ny ankohonanao izy rehefa lasa Zanahary.

Sao dia mba diso izany
Valio | Miverina eny ambony