Testamenta vaovao/Testamenta taloha

121. RBNIR ( 22/08/2016 11:54)
ary lasa personnel ange izany hafatrao izany fa tsy fikatsahana ny marina intsony e??? voaporofo fa tsy diso ny testameta vaovao dia izay sisa v hitanao hampijoroana ny hevitrao eto???
122. tealala ( 22/08/2016 11:54)
Mba alaivo sary an-tsaina anie ry RBNIR raha ohatra ka ny zanakao no mandeha mianatra dia ny boky ampianarin'ilay mpampianatra misy diso dia efa hainao dia mbola lazainao fa tena miteny ny marina ihany ilay mpampianatra anefa izy tsy manitsy ary tsy mahalala ilay diso voasotra ao akory?
123. tealala ( 22/08/2016 11:56)

RBNIR:

ary lasa personnel ange izany hafatrao izany fa tsy fikatsahana ny marina intsony e??? voaporofo fa tsy diso ny testameta vaovao dia izay sisa v hitanao hampijoroana ny hevitrao eto???

Sao dia mba ianao kosa no manilika ny voalazan'ny testamenta taloha ka tsy manaiky fa zanak'i Davida no Mesia? mampiomehy ahy ianao tena marina e :-D
124. tealala ( 22/08/2016 11:58)
Tsy personnel mihitsy io, tsy mba zaranao aza aho nanoro anao hoe misy diso ny voasoratr'i Etienne izay nirotsahan'ny fanahy masina hono :-D
125. RBNIR ( 22/08/2016 12:01)
vakio tsara ny baiboly fa tsy manova citation izany mihitsy Andriamanitra e!!

Tsy matahotra izay mety ho fiatraikany any IZY fa aminy rehefa izy no nolazain'ilay olona dia izay koa no teneniny sy soratany ao....

TSY FAHAMARINANA V IZANY E????
126. tealala ( 22/08/2016 12:01)
Ny nampidirako ny testamenta taloha teo, hafa ny voalaza ao, ary ny zavatra hinoanao dia hafa
127. RBNIR ( 22/08/2016 12:03)
Raha vao manondro olona na antokom-pinoana dia efa personnel izay e!!! na inona lazainao na inona
128. tealala ( 22/08/2016 12:03)
Ka i Abrahama araky ny testamenta vaovao ary ve no nividy an-ilay izy sa i Jakoba izay voalazan'ny teo aloha? sa "Tsy ho avy anova ny tompon'ny tany aho fa hanova ny anaran'ilay tena tompony" Tealala
129. tealala ( 22/08/2016 12:05)
"Raha vao manondro olona na antokom-pinoana dia efa personnel izay e!!! na inona lazainao na inona" Ny olona rehetra izay manaraka an'io fampianarana kristianisma io izany e, ny katolika protestanta, sy ireo zandriny ny silamo koa ary mo ko
130. RBNIR ( 22/08/2016 12:06)
averiko hatrany citation ny zavatra nolazain'i etiena ny asan'ny apostoly 7.....raha nifangaro ny zavatra nambaran'i Etiena, tsy ny testameta vaovao mihitsy akory ny diso fa "citation" io....
131. tealala ( 22/08/2016 12:08)
Izany hoe ny fanahy masina nilatsaka tao amin'ny Etienne no nahatonga ny citation-ny diso? Fa ni Testamenta izay mitantara ny fiainan'ny tsy zanak'i Davida izay lasa mesia tsy diso? puahahahahaha!!!!
132. tealala ( 22/08/2016 12:12)
Izao ary e, manaiky ianao fa disodiso kely i Etienne?
133. RBNIR ( 22/08/2016 12:14)
Matoa ny olona hanarina tahaka an'izao dia misy dikany fa tsy hoe rehefa manana ny Fanahy Masina dia avy dia.....
« Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra* taloha mbamin'ny asany; [* Gr. olona] » (Kolosiana 3:9)


Misy ambaratongany ao amin'ny finoana : misy ny atao hoe mbola zaza, misy ny efa antonontony ary misy ny atao hoe antimpanahy......
134. tealala ( 22/08/2016 12:17)
Misy ambaratongany ao amin'ny finoana : misy ny atao hoe mbola zaza, misy ny efa antonontony ary misy ny atao hoe antimpanahy.
Tena raha io anao io zao ilay voalohany
mety hoe izy le mihetsiketsika be rehefa hirotsahan'ny fanahy masina tahaka ny ao am piangonanaraeo koa no nahatonga azy nandiso.
Fa manaiky ianao fa disodiso kely i Etienne?
135. RBNIR ( 22/08/2016 12:18)
TANDREMO HOY AHO TANDREMO FA VITA ANGE E!!!« fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, » (Marka 3:29)
136. tealala ( 22/08/2016 12:21)
tsy valianao mihitsy ilay fanontaniako an.
137. RBNIR ( 22/08/2016 12:23)
Ny zavatra tsy fantatrao dia ity misy zavatra fantatro tsy fantatrao , misy zavatra iainako tsy iainanao fa matoa aho miteny hoe tena marina ny zavata nambaran'i Jesosy dia tena Marina izy izay....

Ary matoa aho mihizingizina fa Jesosy marina no fahatanterahan'ny Teny dia satria tanteraka amiko avokoa izay nolazainy fahiny....

Araka ny voasoratra hoe :
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

Ary matoa aho miteny hoe tsy mpandainga ity olona ity dia satria tanteraka tamiko avokoa ny zavatra nambarany ary voaporofo fa tsy mpandainga izy.....

138. RBNIR ( 22/08/2016 12:27)
Vakio tsara fa i Jesosy no mila mangataka amin'ny Ray vao milatsaka io Fanahy io fa tsy hoe ianao akory no andeha direct hangataka an'io any amin'ny Ray any.....

Izay no anton'ity teny ity....« .....Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Matio 3:11)


Dia torak'izany koa « Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)

Làlana (chemin) tsy afaka dinganina i Jesosy.......
139. tealala ( 22/08/2016 12:28)
Tsy mahavaly ilay fanontaniana mihitsy izany.
"tanteraka amiko avokoa izay nolazainy fahiny." aminao irery izany no tanteraka fa amin'ilay vahoakan'Andriamanitra mbola tsy tanteraka :-D
Diso ny zavatra voalazan'i Etienne, tsy iray ihany, ny zavatra lazain'i Matio amin'ny razan'i Jesosy izay tsy Davida, fanekena vaovao toa tsy misy izany any aloha any.
140. tealala ( 22/08/2016 12:33)
Izao no zavatra teneniko anao, rehefa hitory teny ny pasitera tsy ny anareo rehetra ka raha sendra mitontona amin'io asan'ny apostoly 7 io dia izao no zavatra hitranga hovakiny tsara aminareo io ary tsy hanitsy an'io izy, "novidin'i Abrahama" foana no toriany aminao eo fa tsy ho itany io ary "olona dimy amby fito-polo" foana ko no hoteneniny eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1933