Fanontaniana - Fanadinana (2)

1. rhaj0 ( 19/07/2016 16:04)
Tohizako kely indray izany ilay natomboka tatsy eee
http://forum.serasera.org/forum/message/m57693efe0bd47

4- Ianao dia tena afaky ny hino, na ny marimarina kokoa, dia tena mino, fa ny tontolo manontolo dia niantomboka latsaky ny 10.000 taona lasa, niantomboka nandalo tamina Lehilahy iray, Vehivavy iray, ary Bibilava miteny.

Izay finoanao izay dia noho :
(a) ny fianarana norantovinao teny @ Oniversitia;
(b) ny sakafo fihinanao, na izay vao nohaninao teo;
(d) ny tantaram-piainan'ny fianakavianao, na ny notantarain'ny fianakavianao anao fony kely; sa
(e) ny fivavahana arahinao.

novalian'i rhaj0 ny 04/08/2016 11:19
2. rhaj0 ( 19/07/2016 16:31)
oadray, hay efa voapetraka io fanontaniana io, f'izaho koa no toa (faly) mbola "mampiteny bibilava" eo foana :-)

Inty indray azany hafa koa...

Raha hitanao mandehandeha eny aho sady mikapoka-tena (flagellation), na koa mandohalika mafy sy manipy tanana any an-danitra ary miankohoka ambany dia ambany, dia ny manetsika ahy, dia:

(a) misy aretina psychiatrique henjana be;
(b) misy tahotra tsihaitsihay manadala ny eritreritro;
(d) ravan'ny daina na toaka ny saiko; sa
(e) ny finoako @ fivavahako.
3. rhaj0 ( 19/07/2016 16:39)
Inty koa iray..

6- Izaho tsy mandoa Tax/Impots: ny vola azoko dia tsy andoavako tax/impots. Tsy mba mitondra anjara-biriky (tax/impots) @ fiaraha-monina aho izany, nefa izaho dia mikatsentsitra tsaratsara mihintsy ny birikin'ny fiaraha-monina niorina @ tax/impots nangomina.

Izaho dia:
(a) financier bizinesiman fangolika fetsifetsy, mahay miala bala (tax/impots);
(b) maffia, miafina sy manafina vola maloto;
(d) mpanera daina; sa
(e) fikambanana reliziozy.
4. angouz ( 19/07/2016 17:37)
Io ndray rhaj0, hummm
5. rhaj0 ( 19/07/2016 17:55)
Aiza izy 'ty ry Angouz aa... ianao ve tsy tia manao ireny test psychotechnique ireny ee... mba hoe connais toi toi-meme... Efa amboariko ho tsotrabe anie ilay laza hadina e... n'enao izao na mikimpy aza ianao dia (e) foana ny valiny :-)
6. angouz ( 19/07/2016 18:01)
Izao e ! otrany test entinao hanaratsina fivavahana fona ilay izy fa maninona raha ohatra hoe : fara-andro
-vokatrin'ny science
-vokatrin'ny finoana
7. rhaj0 ( 19/07/2016 18:39)
Ka marina, na manakaiky ny marina, azany ve ilay valiny safidy (e) eee... :-)
@ test hotr'izao anie no mba hampitomboana ilay kolotora jeneraly eee... indraidray mantsy serina @ atao ao, dia tsy mahita ny fandehany..
FA raha mamaly ny safidy (e) anie ianao dia mahazo 20/20 eee... :-)


Fa raha liana Siansa sa Fivavahana azany ianao, dia indreto misy tests maromaro indray ee...



7- Misy milaza hoe: izao sy izao no ekeo fa "marina", ary izay ihany, ary tsy mila hazavaina, koa raha tsy manaiky sy manaraka izany ianao dia "hirehitra forehitra totale".
Iza no milaza izany:
(a) Siansa, sa
(b) Fivavahana.

8- Misy milaza hoe: TSISY "vasa masina" ka TSY maintsy ekena ho "marina foana ary marina doria" izany, fa ny zava-misy sy fivoaran'ny fahalalana eo no mamaritra ny "marina".
Iza no milaza izany:
(a) Siansa, sa
(b) Fivavahana.

9- Misy milaza hoe: ny fampianarana, na koa ny mpampianatra-lehibe-sady-mahay, dia TSY azo kianina, tsy azo andrankandramana, na defier-na na challenger-na.
Amin'ny inona no misy izany:
(a) Siansa, sa
(b) Fivavahana.

10- Misy milaza hoe: ny fampianarana sy ny mpampianatra dia azo kianina, challenger-na sy defier-na ary azo hanaovana handrakandrana daholo izao rehetra izao, satria mivoatra hatrany raolona sy ny fahalalany, ary izay indrindra no ahafahany mivoatra.
Amin'ny inona no misy izany:
(a) Siansa, sa
(b) Fivavahana.
8. radoratsimba ( 19/07/2016 18:50)
io indray ny fandaninandron le pelaka , ndana lesy mitady sipa fa aiza dia bandy fôna farany zao no voizina lava eo a
9. rhaj0 ( 19/07/2016 19:06)
Fa ny sipa koa ngaha tsy mirevy an'ireo resaka ireo aminao.. 'ndana anie mikOty sipa dia ireo resahina, fa tonga dia maha-pezy ee... :-)
10. radoratsimba ( 19/07/2016 19:08)
tsy mandany ftôna aminio ny aty e
11. rhaj0 ( 19/07/2016 19:35)
hi hi hi.. toa tsy takatrao akoriny ny andanianao fotoana ao raha izany... marina sa tsy marina, fa ilaozanao mandany fotoana "mandohalika mafy sy manipy tanana any an-danitra ary miankohoka ambany dia ambany" :-)
12. rhaj0 ( 19/07/2016 22:41)
i Ra-DOra (koa) tsy mba azo mba resahina fa monjomonjo mianjonanjona eo... Ka ahoana, "handany fotoana" @ inona indray ianao r@ zoma alina? fa maninona raha mba mandeha manao vendredi zoli.. :-)
13. RBNIR ( 20/07/2016 10:54)
rhaj0:

4- Ianao dia tena afaky ny hino, na ny marimarina kokoa, dia tena mino, fa ny tontolo manontolo dia niantomboka latsaky ny 10.000 taona lasa, niantomboka nandalo tamina Lehilahy iray, Vehivavy iray, ary Bibilava miteny.

Ny olombelona dia voafetra amin'izay hitan'ny masony ihany hatreto.....
Aminy dia ireo biby tsy miteny....

Any amin'ny fonenan'Andriamanitra anefa dia misy karazana "être vivant" zava-manana aina angamba no aoka hilazana azy, miteny ary miresaka amin'Andriamanitra...
ohatra zava-manan'aina efatra....

« .... ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia*.  » (Apok.6:1)

Tsy fantatra mazava izay endriny fa miteny izy ary manana aina.....


Ny anjely koa ohatra tsy voafaritra mazava hoe otran'iza marina fa saingy voalaza kosa fa afaka manovaova endrika « Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. » (2 Kor.11:14)
i satana mantsy dia tsy inona fa anjely niodina avy tany an-danitra tany....

Ary raha ny tena marina ilay menarana fahiny dia tsy iza tsy akory fa i satana na antsoina koa hoe devoly ihany....« dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, » (Apok.20:2)

Izao no hafatra, Tsy ny olona rehetra no hofidin'Andriamanitra ka hisehoany fa tsy maintsy olona 1 na vitsy vitsy fotsiny ihany (izay no fombany hatramin'izay ka ho mandrak'izay)....

Safidy no mipetraka eo anoloan'ny tsi11 : na izy hino dia ho avotra (matetika rehefa hisy loza ho avy no mifidy olona Andriamanitra) na ilay olona hanaraka ny be sy ny maro ka hanao tsinontsinona ilay olomboafidy dia samy ho "gina" rehefa tonga tokoa ilay loza any aoriana any!!!

Koa dia safidy io..............

ATO ohatra misy olona iray nirahina hanambara amin'ny olona fa tsy ho ela intsony dia ararak'Andriamanitra ireo loza fito farany ao amin'ny bokin'ny apokalipsy.....

Izay mino, dia atoro azireo ny fomba atao hahafahana mandositra ireo loza fito farany ireo....
14. rhaj0 ( 20/07/2016 11:36)
RBNIR:
...ireo loza fito farany ao amin'ny bokin'ny apokalipsy...
Izay mino, dia atoro azireo ny fomba atao hahafahana mandositra ireo loza fito farany ireo..

Tanisao eto hoe ry RBNIR ireo loza 7 ireo, fa mifamaofao ao anaty Baiboly. Misaotra.
15. RBNIR ( 29/07/2016 17:52)
rhaj0:

Tanisao eto hoe ry RBNIR ireo loza 7 ireo, fa mifamaofao ao anaty Baiboly. Misaotra.

Salama rhajo, aleo ary angamba hotohizantsika ato ilay resaka......

http://forum.serasera.org/forum/message/m579b976a9338c
16. Miharena ( 31/07/2016 16:14)
Ilay hoe fivavahana arahina tsy mitombina ny filaza azy fa tokony lazaina fotsiny hoe ny voalazan'my Baiboly
17. Miharena ( 31/07/2016 16:14)
Ilay hoe fivavahana arahina tsy mitombina ny filaza azy fa tokony lazaina fotsiny hoe ny voalazan'my Baiboly
18. rhaj0 ( 01/08/2016 12:28)
rhaj0:
4- Ianao dia tena afaky ny hino, na ny marimarina kokoa, dia tena mino, fa ny tontolo manontolo dia niantomboka latsaky ny 10.000 taona lasa, niantomboka nandalo tamina Lehilahy iray, Vehivavy iray, ary Bibilava miteny.

Izay finoanao izay dia noho :
(a) ny fianarana norantovinao teny @ Oniversitia;
(b) ny sakafo fihinanao, na izay vao nohaninao teo;
(d) ny tantaram-piainan'ny fianakavianao, na ny notantarain'ny fianakavianao anao fony kely; sa
(e) ny fivavahana arahinao.

Miharena:
Ilay hoe fivavahana arahina tsy mitombina ny filaza azy fa tokony lazaina fotsiny hoe ny voalazan'my Baiboly

Tsara petraka ny fanamarihanao. Ny Baiboly ihany ve no miresaka Lhl/Vhv/Bblv-miteny? Rahefa ni-google aho, dia ny Quran koa dia miresaka an'izany, ary ny Torah koa (fa hanontanio ry Stahtam na Tealala ny @ io).

Fa mazava ho azy, fa ny kolotora/firenena/.. hafa dia TSY mahalala ny Adam/Eva/Bibilava izany. Ny an'ny gasy ohatra dia ny niantombohan'izao tontolo izao dia... ohatra inty misy mizara ny lova-tsofina
http://dago.mada.free.fr/Histoire/Religion_ancetres.htm
un récit où cette création est le fruit des actions conjuguées du Suprême Dieu du Ciel, solaire jusque dans son nom de Zanahary signifiant étymologiquement “Dieu soleil” ou Andriananahary “Prince Dieu Soleil”, et du Dieu de la Terre, Ratovoana ou Ietse.

Ka ny safidy (e) izany dia hoe, tena "arakaraky ny fivavahana arahinao" izany no mampino anao ny Lhl/Vhv/Bblv-miteny ee....
19. RBNIR ( 02/08/2016 06:59)
Miharena:

Ilay hoe fivavahana arahina tsy mitombina ny filaza azy fa tokony lazaina fotsiny hoe ny voalazan'my Baiboly

Salam miharena, tena efa ela izany a, dia faly misera aminao indray namana...

20. Miharena ( 02/08/2016 11:19)
Salama RBNIR

Efa ela tokoa fa manaraka ihany isika ka!

Mahaliana ny fivoaran'ny fanazavanao dia mahaliana ary koa ireo resaka ataony hafa dia isan'ny mahafinaritra ny manome fanitsiana raha misy tsy manome izay tena ilain'ny fanadihadiana e! Mazotoa e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6779