ZAZA TSY MAHAZAKA BEDESINA

1. mpisotrtoaka ( 12/07/2016 10:50)
Mba saika hanontany aho sao misy hevitra avy aminareo!

Ny zanako 4 ans rehefa misy zavatra tsy mety ataony ka hitany fa hibedy azy aho dia avy hatrany dia mamono ahy izy na mikapoka mafy sady miefonefona be ! Inona no mahatonga izany ?
novalian'i rhaj0 ny 10/08/2016 15:36
2. rhaj0 ( 15/07/2016 14:59)
Efa noresahina io ambany io ny @ fitaizana/fanabeazana @ ankapobeny
http://forum.serasera.org/forum/message/m5718c61ad782a

Fa ny fahitako an'i Mpisotrtoaka io izao, dia ianao ilay karazan'ilay RaR-Sergent.

Dia mitrena ve ianao ao rahefa "mibedy" izany? Dia mampiasa "hery" sy "mikapoka" satria ianao sefobe?

Ka dia efa mi-revolte dieny mbola kely @ Sergent izany ilay zaza kouh...
Ianao "mitrena", izy "miefonefona". Ary ianao "mpikapoka" ihany no ianarany.

Matetika anefa aloha, tsy voatery ho ianao no nianarany, fa any @ garderie-ny, na any @ garabola any no averiny, na koa izay hitany @ TV.


Raha ny vaha-olana, raha ny soso-kevitro, dia AMEO SAFIDY ilay zaza. Io ilay hoe, rahefa lehibe izy, dia izy no MISAFIDY ary mamaly ny "how can I help you". Fa raha mbola kely izy, dia ianao no MANOLOTRA SAFIDY.

Ohatra hoe tsy tia laisoa izy, dia iny fa miefonefona... dia tetitetehanao izany ny laisoa, na ampio voatabia eee...

Ka eto izany, raha misy "zavatra tsy mety ataony", dia arosoy zavatra hafa "mety" izy mba ho ataony. Izay ilay CHOIX.

Dia @ io koa, raha "tsy mety" ny nataony, dia tonga ianao dia miaraka aminy manarina ny "tsy mety". Izay ilay RESILIENCE.



Ilay "mibedy" aloha dia fadio manombok'androany. TSY tokony ho "fibedesana" no mampanao azy "zavatra mety", fa tokony hoe, SAFIDINY no mampanao azy izany.

3. randrianarimalalapatrickg ( 15/07/2016 16:22)
Patrick G mety oe mianta loatra angamba lay zanakao na ku tsy zatra mibedy azy mintsy enao d manarapo iza manao zay tiny atao
4. rhaj0 ( 15/07/2016 18:46)
randrianarimalalapatrickg:
Patrick G mety oe mianta loatra angamba lay zanakao na ku tsy zatra mibedy azy mintsy enao d manarapo iza manao zay tiny atao

Izany lazainao izany ve dia midika hoe, rahefa "zatra bedy" ilay zaza dia TSY mba "manarapo izy manao zay tiny atao" ??

Ny fahitako an'io lazainao io, dia ilay revy taloha, izay raha ny fahitako azy, dia tena DISO BE dia DISO BE.

Rahefa TSY ho afaky ny ho "bedesinao" intsony izany ilay zaza, rahefa lehibebe ao aoriana kely ao, dia izay ilay izy no lasa "soavaly tapa-kofehy". Ary "hitolona" mba TSY ho "bedibedesina" ilay zaza raha vao afaka ny "mitolona", dia lazainao indray anefa izany fa "crise d'adolescence".

Ny ataonao (mibedibedy @ n'a pas sy mibedibedy foana) io ihany no fototry ny OLANA any aoriana.


Dia tsy ho sasatry ny hamerina aho raha izany:
TSY tokony ho "fibedesana" no mampanao azy "zavatra mety", fa tokony hoe, SAFIDINY no mampanao azy izany.

5. lahindroy ( 17/07/2016 19:59)

mpisotrtoaka:

Mba saika hanontany aho sao misy hevitra avy aminareo!

Ny zanako 4 ans rehefa misy zavatra tsy mety ataony ka hitany fa hibedy azy aho dia avy hatrany dia mamono ahy izy na mikapoka mafy sady miefonefona be ! Inona no mahatonga izany ?


salama jiaby

sao kosa aza tahak'itony "fampianarana tsy misy kilema" lazain'ny baiboly itony no mbola andrasan'i YHWH aminao ?

"deoteronomia 21:18-21
"raha misy olona manana zanaka lahy maditra manohitra ka tsy mihaino ny feon'ny rainy , na ny feon'ny reniny ka tsy zaka anarina ...dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanàna ..."

io baiboly io mantsy hono sady tsy misy hampiana no tsy misy hanalana hoy ry zareo mpiangaly azy eto
soritako manokana ry "mpisotrtoaka" fa ny tenako dia efa ela no nitsipaka ny "fampianarana tsy misy kilema " ka làlana hafa no nitazaiko an'ireo zanako !
6. mirananirina ( 29/07/2016 18:38)
Tsy mety kosa aloha hoe ianao indray no kapohiny raha hibedy azy, aza avela mikasitanana izany izy, Tonga dia sazio raha vao manao izany. Betsaka sazy azo atao azy.
7. rhaj0 ( 01/08/2016 14:15)
Dia tsy ho reraka aho ny hamerimberina.

Raha "sazy" no eritreretinareo ho "mampahendry", dia ... rahatrizay TSY afaky ny hanome "sazy" intsony ianareo, rahefa lehibebe izy @ io ary mahalala ny DROIT-ny, dia eo ianareo sy ny talentanareo (sy ny sazinareo) fa TSY "sage" mihitnsy ilay zaza fa dia ho tapa-kofehy.

Mila maka recul ianareo, dia mieritreritra tsara hoe:

1- tena "la fin du monde" ve k'lou ity nataony, ka mahatonga anareo ho "tezitra" na mihevitra ny handray fepetra henjana toa ny "sazy" sy ny "bedy".

2- dia tena tsy afaky ny amenao SAFIDY ve izy, hanao zavatra hafa noho ilay mampandaginina anao ao? Raha apetrakao ny safidy, dia "misafidy" ny hanao ny mety izy, ary safidiny izany fa tsy hoe "bedy" na "sazy" na "karoty&kibay" no manetsika azy.


Resaho ilay zaza, fa afaka "misaina" anie izy io ee... ho gaga ianao fa tena "misaina" izy, fa tsy hoe, sanatriavin'ny vava, toa ny boriky sy alika izy ao io, ny fandraisanao azy, ka "bedy" sy "sazy" vao hendry.

8. rhaj0 ( 04/08/2016 11:38)
MIverina foana ilay hoe "bedy" sy "sazy".

Mila mieritreritra tsara ary mafy isika, ary manome fotoana ho antsika ny ieritreretana tsara sy mafy. Matoa (matetika) ilay zaza mitrifana, na "maditra" na "manao ny tsy tokony atao, na ilay tsy tianao atao", dia

1- tsy mahalala izy; mbola zaza izy ary tsy mbola ao daholo ny fahalalana/soatoavina/repere izay efa anananao olon-dehibe. Ka dia manandrana izy. Mety izay hitany tany ho any ihany no averiny, na tany @ garabolany tany, na t@ fahitalavitra, na .. mety ny "hadalanao" tao an-trano tao ihany no averiny (mivazavaza na mitezitezi-poana ao)

2- misy frustration, misy zavatra tsy tanteraka araka ny eritreriny na faniriany ao.

3- ao koa ny milaza fa "mitsapa" izy. "Mahalala" izy, ary tsy hoe misy "frustration", fa mitsapa izy, manita-kevitra hoe, inona koa no azo atao.

4- ...


Ka raha maka fotoana ieritreretana tsara ianao, dia apetraho aminao ihany ny fanontaniana:

Fa maninona moa izy no "bedesina" na "saziana" rahefa manao an'ireo ????
9. rhaj0 ( 05/08/2016 11:10)
Tandremo tsara, ary eritrereto tsara ary eritrereto mafy, ity "bedy" sy "sazy" ity fa misy vokany a long terme an...

Ka io izany ilay zaza, @ fo sy saina madio, manao ny ataony io (izay tsy tiatianao). Mety tsy mahalala ho'a izy, mety manana frustration fa tsy hainy koa ny milaza izany, mety mba te-hanita-kevitra izy, ets... Fa @ "fo sy saina madio" izany. Nefa dia "bedy/sazy" no valiny.

Dia mba ahoana no ao an-tsainy? Na koa, @ saina tsy miangatra, avec le recul, dia mba ahoana moa no fisehon'izany bedy/sazy izany?

1- nofaritanao na nosokajianao mpanabedy sy mpanasazy ho "maditra", na "ratsy fanahy", na "adala" izany ilay zaza

2- nopempoinao mpanabedy sy mpanasazy hoe TSY mahazo manao zavatra, TSY afaka manao zavatra, TSY mahazo manao izay eritreretiny ilay zaza

3- .. sa mba lazao eto azany hoe, mba ahoana ny ao an-tsain'ny zaza rahefa bedy sy voasazy izy?...
10. rhaj0 ( 06/08/2016 14:23)
Mety hoy ianao angamba hoe, rahefa bedy na voasazy izy, ohatra voakapoka, dia tsy mamerina izay "zavatra tsy tokony nataony" izay intsony.

Dia eritrereto tsara ho'a. Moa va tsy toa ny boriky na alika ny nandraisanao azy ao io??

Koa na ny boriky sy alika azany, mety mahatsiaro marary tokoany dia tsy miverina aloha eo, fa aoriana kely, rahefa tena laginina iny izy, dia vao mainka indray ataony io "zavatra tsy tokony nataony" io.

Ny zaza dia misaina ary mahatadidy. Dia rahefa lehibe izy, dia ho takatrany fa TSY mety, na tsy rariny/hitsiny izay nataonao izay, ary dia ... (mety) hitroatra aminao izy. Dia io ilay "revolte" @ Sergent. Na koa, io ilay ariany ilay anti-doza rahefa rahatrizay. Eritrereto tsara ho'a fa ny nataonao sy fataonao tao ihany no mahatonga azy hanao io "revolte" io.

Amin'i Sergent no mi-revolte ilay adolescent, fa TSISY an'izany hoe, "crise d'adolescent" manjo ny adolescent rehetra izany.


Fa io azany tsara raha tadidiny sy tsaroany ny "hadalananao RaR", dia mitroatra izy ary tafavoaka (exteriorisE) ny alahelo sy frustration-ny. Fa ny lozabe dia rehefa tadidin'ny SUBCONSCIENT-ny io

Averiko indray. Fa ny lozabe dia rehefa ny SUBCONSCIENT-ny no "mahatadidy" io nataonao io.
11. rhaj0 ( 06/08/2016 16:59)
Averiko indray sady ahitsiko kely...

Fa ny lozabe dia rehefa ny SUBCONSCIENT-nilay zaza IHANY no "mahatadidy" io bedy/sazy nataonao io.


Eritrereto anie eee... Inona no vokatry ny toa ireto ambany ireto @ (sain')ilay zaza..

1- mahazo kapoka na tsongo sy fetaka ary sintom-bolo, na daka sy veli-fehi-kibo (abus physique)...

2- mahazo teny mafy na teny mahery (abus verbal)... mahazo vazavaza, toa ny hoe "zaza alika!", na fanapempona toa ny hoe "dondrona!", na @ (fahazarana) frantsay hoe "t'es nul", "t'es bete", na fampitahorana toa ny "lanin'Ingahy Besola" na "bedin'i Jesosy"...

3- ireo azany mihatra avy hatrany (direct), fa ahoana koa ny fampijaliana ankolaka, toa ny akatona amina efitra, na ny teny fangolika ampihatsara velatsihy.. Misy mantsy mody miteny malefaka nefa ny votoatiny mbola tena mankarary ihany.

4- ... etsetra (zarao eto koa ny fanabedesana sy sazy famenareo, na famena anareo fony kely...).


Mety tsy mahalala ho'a ilay zaza, mety manana frustration fa tsy hainy koa ny milaza izany, mety mba te-hanita-kevitra izy, ets... Fa @ "fo sy saina tsotra sy madio" izy "manao ny tsy tokony natao" teo. Nefa dia ireo no valiny azony.

Koa na ny olon-dehibe aza mety ho tohina lalina mihintsy raha mahazo an'ireo.


Ka vinavinao tsara hoe,
- mitroatra (exteriorisE-ny) noho ny alahelony ilay zaza.
- na TSY mitroatra izy, fa nokoboniny (interiorisE-ny) ao anatiny ao (subconscient).

12. rhaj0 ( 10/08/2016 15:36)
Ilay zaza mitroatra aloha, dia aoka tsara mihintsy aloha hazava ho'a, fa ny "hadalan'ny RaR Sergent", izay nibedibedy sy nanasazisazy foana (sy @ n'a pas) an'ity zaza ihany no mahatonga azy hitroatra. Izany "crise d'adolescent" izany dia tsy @ zaza rehetra, fa @ zaza manana RaR "adala" ihany (matetika). MItroatra @ ilay "RaR adala" ny ankizy, fa tsy hoe, mitroatra @ fiainana. Ny zaza tsisy crise, tsisy RaR tyrannique, dia mahita fa manja ny fiainana (ao @ fianakaviana).

Fa ilay "zaza TSY mitroatra", fa nokoboniny tao anatiny tao ny alahelony (subconscient).. raha ny fahitako azy, dia
- ireny no tena vao mainka koa lozabe..
- Ireny ilay rehefa olon-dehibe, dia voan'izao depression sy anxiete sy olana psikolojika isan-karazany izao,
- ireny ilay mila sokirin'ny psychologue mafy hatrany @ ati-tsainy sy ati-pony lalina any ilay situation/vava nankarary ny sainy sy fony ao, izay vao ho tafavoaka sitrana.


Io anie samia mandini-tena e... Inona no tsaroanao t@ fahazazanao??

Izaho izao dia tsaroako fa dia novelezina t@ fehi-kibo t@ izaho mbola 7 taona, satria toa nisy olana tany am-pianarana (nahazo zero izy teo sa tsy tadidiko). Fa toa iny no voalohany sady farany (enga anie tsy nisy talohan'izay, fa tsisy tadidiko).
- Dia "hendry" ve aho taorian'izay, ary noho izay? RAha manao jery todika aho izao, dia toa lasa anxieux aho @ fianarana, fa tsy mba hoe mianatra fa "tia mianatra".
- FA TSY nitroatra na nanana crise d'ado aho k'lou eee.. zandrinibe aho, ary ireo zokiny no efa nitroatra tany arak'izay nataony tany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.273