MITADY MAIKA ANAO MALAGASY (Kristiana) ny Andriamanitry ny Hebreo hiverina aminY

1. STViha ( 11/07/2016 21:27)

Araka ny efa voambara tamin’ ny lohahevitra farany momba ny maha HEBREO ny MALAGASY sy ny tsy maintsy hahatanterahan’ ny faminaniana mikasika ny fanambàrana azy dia maro ny naneho ny heviny sy nametra-panontaniana ary mihodina foana eo amin’ ilay hoe : « Fa Iza marina ary Ilay tokony hiverenan’ny Malagasy ? » Isaorana eram-po eran-tsaina tamin’ ny fanontaniana. Tsy ho averina intsony angamba ny hoe HEBREO ny MALAGASY fa efa diso fantatra sy hay loatra izany. Raha itodihana kely ny fanontaniana etsy ambony dia averina : Eksodosy 3/18 ; *Raha HEBREO ny Malagasy ka te hiverina amin’ Andriamaniny, mazava ho azy fa TSY MAINTSY Andriamanitry ny HEBREO no hiverenana fa tsy ny Andriamanitry ny vazaha tsy mifora, tsotra dia tsotra izany satria HEBREO = MALAGASY ; Manahoana moa ny Karana raha hiantso ny Andriamaniny ? Iza moa no anarana ho tononin’ny sinoa raha hiantso ny Andriamaniny ry zareo, eny fa na dia tsy any amin’ ny taniny aza izy ? toa ohatran’ ny voahajany sy voatanany foana ny azy (fombafomba, anarana,sns…) ary ny antsika HEBREO ? (na koa hoe MALAGASY) izay atao hoe anisan’ ny fanta-daza ihany raha eo amin’ ny resaka fivavahana sy finoana. Ka raha hiresaka ary isika hoe :Iza ary Ilay Izy ? dia izao no izy : Eksodosy 3/14 ; Genesisy 33/20 (ahitana ny Anarana fiantso Azy). Fantatsika tsara koa anefa ny Anaran’ ny ZananY Lahitokana Izay inoantsika araka ny fanambaràna izay efa maro mandeha amin’ ny famelabelarana maro samihafa sady hamafisina etoana fa « IESHOA » . Tsy misy milaza mihitsy akory fa hoe diso na hoe tsy Izy ny ninoantsika sy niantsoantsika Azy hatrizay, TSIA ; Saingy ankehitriny kosa raha fantatsika ny tena tokony hanononana Azy dia ndeha hatsaraina sy haverina amin’ny laoniny sy amin’ ny hasiny maha Izy Azy satria HEBREO isika fa tsy hafa firenena mba hanatonany antsika amin’ izay ; Noho izany ndeha re isika tsy hanamafy fo fa miandry fotsiny ny hiverenantsika sisa ny Andriamanitsika izay vao hiverina amintsika koa Izy : Malakia 3/7 (…miverena Amiko dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho…) .Isika izay mino ny famonjeny araka izany no mila miaraka miombona manao dingana voalohany dia avy Izy avy eo na dia eo amin’ ny lafiny fanononana ny Anarany amin’ ny maha HEBREO antsika fotsiny aza dia hinoana tsy am-pisalasalana fa TSY MAINTSY hitodika eto Madagasikara ny mason’ Ilay Nahary izao tontolo izao ,Izay Andriamanitry ny MALAGASY (HEBREO).
Tsy ilàna teolojia na fahaizana manokana na diplaoma ara-tsiantifika ny manakatra izany na ny miverina amin’ Andriamnanitsika fa isika rehetra samy manana fahendrena sy lojika handalinana tsotra ; Finoana Azy fa Izy no tena Andriamanitsika HEBREO no ilainY amintsika ka ndao hiverina sy hiantso Azy araka ny tokony ho izy isika fa vanim-potoana izao MITADY NY HEBREO i EL ELOHEI ISRAEL HIVERINA AMINY. Koa raha mitady ny MALAGASY ary Izy, ahoana ny fomba hanatonana Azy ? Ahoana no hifankahitana Aminy ? Tokana ihany ny làlana : Jaona 14/6 Mino fa IESHOA no Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana ary tsy misy mankany amin’ ny Ray afa-tsy amin’ ny alalanY.
Torohevitra entitra : Aza asiana henamaso ny famonjena fanahinao ho any amin’ ny Mandrakizay fa ny tenanao ihany no hiankinany. Aza miantehatra aman’ olona raha te-hanapa-kevitra hianao ka hifandray sy hanatona Azy fa tsy ilàna mpanelanelana INTSONY sady efa natoro anao ny fomba hifandraisana sy hiverenana Aminy.
N.B : Mbola hamafisina ihany, tsy manao ny tenin’ i EL ho fitadiavam-bola izahay raha manao izao na handresy lahatra hitaomana olona hivavaka hanatona anay fa fampahafantarana sy fanambaràna ny TENA FAHAMARINANA ihany momba antsika HEBREO sy ny Andriamanitsika.
novalian'i stahtam ny 27/03/2017 05:37
2. stahtam ( 12/07/2016 08:31)

[quote=STViha]

[quote=stahtam]
Ho anareo Kristiana tokoa io resaka io. Boky nalahatry ny Kristiana no anorenanareo finoana. Izahay kosa dia mahita fa tsy mifora (Grika sy Romana=Eoropeana) no namorona ny fivavahana kristiana ka tsy hisy famonjena antenaina izany ny finoana aterak'io boky io. Porofo iray fotsiny no lazaiko: Io IESHOA lazainareo fa làlana sy fahamarinana ary fiainana io, nohomboina t@ 09 ora maraina (Marka 15/24,25) sa taorian'ny t@ 12 ora antoandro (Jaona 19/14-16) ?
3. rhaj0 ( 12/07/2016 13:25)
Manja eee... mazava izany izao fa
- ity resak'i STViha ity dia 'anareo kristiana' ihany
- ho 'anareo mesianika' ihany indray manko eee
- ary tsy ny mesianika aostraliana' fa ilay mesianika gasy an...
- ...

Fa dia tantarao eto izany raha avotra ihany ianareo, rahefa ... avy manipy tanana any an.danitra sy miankohoka ao eee... :-)
4. Rylant ( 12/07/2016 17:59)

stahtam:

Misaotra betsaka aloha fa tsara be ilay lohahevitra!
MALAGASY=HEBREO
KRISTIANA=GRIKA -ROMAN
Raha jerena tokoa aloha ny tantara, araka ny fandinihako, ary fanontaniana apetrako foana amin'ny olona hoe: "Fa tsy ny Roman sy ny Grika ihany tokoa moa ve no tena anisan'ny nanenjika sy nisambotra an'i JESOA na i IESHOA, nefa lasa zareo indray no nanandratra azy!
Fandinihana ahy manokana aloha izany, ka aoka tsy aha-sendaotra ny hafa....
Ny tiako ho fantarina dia izao:
1- MALAGASY=HEBREO, misy milaza ihany koa hoe Ny Malagasy dia taranak'i Abraham, zany hoe Jiosy zany! Taranany avy amin'iza? Avy amin'i Isaac ve sa avy amin'ilay zanany lahimatoa, zanak'ilay mpanampiny tamin'izany? (raha izay no ilazana azy).
Efa nambarako tamin'ny lohahevitra teo aloha ihany koa fa hoe: Ny fivavahana Jodaisme na ny finoana Jiosy no voalohany ary tao daholo no nisintaka ny ankamaroan'ny rehetra! Raha miresaka Jodaisme za eto dia mazava ho azy aloha fa ny Hebraïque izany! Zany hoe raha azoko tsara izany ny tianareo hambara dia tokony hiverina amin'ny fivavahana Jiosy izany ny Malagasy!
2- Raha azoko tsara koa izany raha hiverina amin'y fivavahana Hebreo ny Malagasy dia tokony hametraka tanteraka ny "BAIBOLY" fa tokony hivadika handray ny "TORENTY"?
3- De raha izay koa no izy dia tokony hianatra ny teny Hebreo izany ny Malagasy rehetra?
Misaotra ary mankasitraka feno anareo!
5. stahtam ( 13/07/2016 05:36)

Resaka ara-pivavahana lalina no nanenjehan'ny Romana ny fivavahana Jodaisme ka ajanoko ho an'izay olona voairaka hampianatra ny fanazavana izany. Ny fiteny (sy fanoratra) sy zava-kanto navelany ary ny fomba grika kosa dia nolovain'ny Romana taminy, ary dia ny fiteny grika izay noheverina ho fitenin'ny olo-mandroso t@ andro nanjanahan'ny Romana ny Israeliana no notenenina sy nampiasaina ary nanoratana ny Testamenta Vaovao. Ka ity TESTAMENTA VAOVAO ity ilay lazaiko hoe namboarin'ny kristianisma fa tsy ny Baiboly Hebreo akory. Ny Baiboly Hebreo (ilay antsoin'ny kristiana hoe testamenta taloha) dia nomen'Ilay ivavahana ny Israeliana ary t@ teny hebreo no nanoratana izany; io izany no boky tokony hanorenan'ny Malagasy ny finoany "raha tena Hebreo" izy ireo fa tsy ilay TORENTY voalazanao.
Izaho manokana anefa dia tsy manaiky hoe Hebreo AVOKOA ny Malagasy. Ekeko fa misy rà hebreo ao @ Malagasy saingy efa nisy mponina teto Madagasikara talohan'ny nahatongavan'ireo Hebreo ireo. Tsy misy mahasakana sy mahafaritra mazava ny FIFANGAROANA nisy teto. Ny fomba sy ny fiteny izany dia mety hisy tokoa ny fitoviana noho ny fifangaroana saingy sarotra ny hino fa ny Malagasy 100% dia Hebreo daholo. Izay aloha no fijeriko.
Ny fanontanianao fahatelo dia azoko valiana hoe zavatra sarotra izany. Rahoviana ny Malagasy no hanaiky hoe Hebreo (raha manaiky mantsy izy tsy ho olana aminy ny mianatra izany, teny français aza ataony mahamay) ary raha hanaiky aza izy: "possible" ve ny hitrangan'ny fiverenana araka ny voalazan'i STViha? Asa aloha fa ny hevitra samy manana ny azy ka raha hitarika izy dia azy izany!
6. RBNIR ( 13/07/2016 06:02)
Efa mba nanaraka arbre généalogique v ireto gasy mitonona ho hebreo sns ireto????
7. RBNIR ( 13/07/2016 06:02)
Misy afaka mamoaka ilay tetiarana eto v?
8. RBNIR ( 13/07/2016 07:18)
Aza miatsaravelatsihy ry zalahy a!
tsy hitanareo ve izay hanazavana ny ao amin'ny soratra masina dia terenareo hifanaraka amin'izay fotsiny ilay izy??? Gasy lasa hebreo tampoka teo???
Rehefa gasy manana rà gasy dia jentilisa, Jiosy kosa hebreo manana rà jiosy....
9. rhaj0 ( 13/07/2016 10:38)

RBNIR:

Aza miatsaravelatsihy ry zalahy a!
tsy hitanareo ve izay hanazavana ny ao amin'ny soratra masina dia terenareo hifanaraka amin'izay fotsiny ilay izy??? Gasy lasa hebreo tampoka teo???
Rehefa gasy manana rà gasy dia jentilisa, Jiosy kosa hebreo manana rà jiosy....

ka loza anie ity mitady mafy ny handova ny fanjakan(-n'ny lanitra) ity eee... dia misavisavika ho tarana-boanjo ao daholo.

hihomehezan'ny tompony fotsiny ho'a ianao misavisavika ao, dia mi-servir ny azy ao, fa "handova" inona eo hono....

10. RBNIR ( 13/07/2016 10:50)
ilay izy anie tsy savihana intsony fa efa nomena ny jentilisa koa e!

« dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara, » (Efe.3:6)

Ilay teny fikasana nomena ny Jiosy fahiny dia efa lasa niombonany amin'ny jentilisa ihany koa,

Na mijanona ho jentilisa aza ianao voavonjy foana fa tsy tokony hihezaka handiso ny fahamarinana akory....Rehefa jentilisa dia jentilisa fa tsy hoe lasa nivadika jiosy tampoka teo
11. rhaj0 ( 13/07/2016 12:27)
Ka ilay vahoaka "jentilisa" izany ilay vahoaka nihaohao tao moyen-orient tao t@ l'an zero eee... dia nakapoky ny bainina-mpanoratra-Baiboly ho "jentilisa" daholo zareo.

Asa raha kaonty izany koa ohatra ny aborigene atsy Aostralia sy Amazonia (izay tsy takan'ny hoza-dohan'i bainina-manao-akanjo-rebareba akoriny na ny fisian'i Aostralia na Amazonia azany. Koa na ny Vazimba tao Dago angaha moa fantany akoriny.

Fa "mandova" ny fanjakan'(ny Jiosy) daholo izany hono ireo eee...
12. RBNIR ( 13/07/2016 12:52)

rhaj0:

Ny atao hoe jentilisa dia ireo hafa firenena (ankoatran'i jiosy) na iza na iza....
13. RA TAN ( 27/03/2017 04:53)
Ireo fa mifanipa-kevitra koa ny samy jiosy gasy.
Ny atao hoe mitomany ho jiosy mantsy dia izay hafa firenena rehetra mitandrina didy folo tahaka anareo, satria natokana hoan'ny jiosy irery ny didy folo (NEH,13:3, SAL,147:19,20, ...)

Zavatra tsotra kely e, ndana nareo mpitandrina didy folo mody any Israel dia ampy izay!
Fa mitonantonana maninona aty M/car nareo?
14. stahtam ( 27/03/2017 05:37)

[quote=RA TAN]
Ireo fa mifanipa-kevitra koa ny samy jiosy gasy.
Ny atao hoe mitomany ho jiosy mantsy dia izay hafa firenena rehetra mitandrina didy folo tahaka anareo, satria natokana hoan'ny jiosy irery ny didy folo (NEH,13:3, SAL,147:19,20, ...)

Zavatra tsotra kely e, ndana nareo mpitandrina didy folo mody any Israel dia ampy izay!
Fa mitonantonana maninona aty M/car nareo?
[quote=stahtam]
Toa ohatry ny efa nandeha teto ity resaka ity fa iniana averimberina. Mariky ny tsy fahampiantsaina izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3739