fampiroboroboana sy fampandrosoana ny kolontsaina malagasy " vakodrazana"

1. Bonena ( 05/07/2016 12:45)
Manao ahoana ny hevi-tsika tsirairay ato e? Inona no maha samihafa ny vakodrazana sy ny hira gasy? Mba mangataka ny hevitry ny tsirairay ny tenako e! Raha ny fahalalako azy ireo mantsy dia toa kolontsaina samy manana ny maha izy azy, saingy ny hira gasy angamba no niandohany.
2. 201007jacky ( 29/09/2016 13:23)

Bonena:

Manao ahoana ny hevi-tsika tsirairay ato e? Inona no maha samihafa ny vakodrazana sy ny hira gasy? Mba mangataka ny hevitry ny tsirairay ny tenako e! Raha ny fahalalako azy ireo mantsy dia toa kolontsaina samy manana ny maha izy azy, saingy ny hira gasy angamba no niandohany.


Ny vakodrazana, araka ny hevitro dia fitambaran'nireo kolontsaina amina faritra na foko na firenena iray izay aseho amin'ny alalan'ny hira sy/na dihy na sora-dihy.
Koa, ny hira gasy dia singa iray ao amin'ny vakodrazana Merina. Toa izany koa ohatra, ao amin'ny vakodrazana Betsileo dia ahitana ny dihy "kidodo",...
Amiko dia tokony hatambatra ny fanoratana hoe "HIRA GASY", satria efa eny milaza hevitra tokana io, ka miavaka amin'ny hira gasy na hira malagasy. Tsy fiandohan'ny vakodrazana io, araka ny hevitro.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.181