tony zao mitono tena o apôtre hono

1. radoratsimba ( 10/06/2016 05:04)
À LIRE ABSOLUMENT !!!

VERSION FRANÇAISE :

Apôtre Martin Aman de la part du Prophète Kacou Philippe :

INFORMATION : Le Prophète Kacou a été arrêté par les renseignements généraux de Côte d'ivoire le vendredi 13 Mai 2016. Derrière cette arrestation : Les églises évangéliques de Côte d'Ivoire. Au lieu d'organiser un débat ou une confrontation télévisée, une affaire purement religieuse est portée devant les tribunaux. Et le Prophète est accusé de : Défiance à l'autorité publique, incitation à la haine religieuse et radicalisme religieux. Il a passé 5 jours à la brigade des renseignements généraux. De là, il a été transféré à la DITT, une autre branche de la police. Après les interrogatoires, il est transféré dans la nuit du 18 mai 2016 au sous-sol de la préfecture de police du Plateau où il passera les nuits les plus dures de sa vie. Le vendredi 20 mai 2016, il est transféré au parquet de là, il sera placé sous mandat dépôt et transféré à la grande prison d'Abidjan avec un seul chef-d'accusation : "Incitation à la haine religieuse". Le vendredi 03 juin 2016, il comparaît devant le tribunal de première instance d'Abidjan. En plus du juge et du procureur de la République, les églises avaient deux avocats. Le Prophète était seul mais lisez le rapport des journalistes et vous verrez. Et le procureur de la République a condamné le Prophète à 10 ans de prison ferme parce que le Prophète dit être le seul vrai Prophète de Dieu sur la terre et qu'une femme n'a pas le droit de prêcher dans une église. À l'annonce des 10 ans de prison, des fidèles d'églises évangéliques dansaient devant le tribunal injuriant le Prophète qui avait les menottes aux poignets. Au moins, tous sont d'accord que le Prophète Kacou lui-même n'a rien fait mais c'est à cause de ses fidèles. Mais le juge a mis le verdict en délibéré pour le lundi 6 juin 2016 (une première pour un procès de flagrant délit). Le lundi 6 juin, le Prophète est condamné à 1 ans de prison ferme avec 5 ans de privation de ses droits afin que s'accomplissent les écritures disant : "Vous serez haï et l'on vous traînera devant les tribunaux à cause de mon nom. Hors, en Côte d'ivoire, durant ses 20 jours de détention, 42 personnes ont cru en lui et on reçu leur baptême.
Il faut noter que le Message du Prophète Kacou Philippe compte plus de 20 églises dans des pays comme le Congo Kinshasa et l'Angola. Plus de 10 églises au Cameroun, Gabon, Brésil,... Le jour du procès, il y avait des rassemblements devant les ambassades de plusieurs pays dans le monde. Ci-dessous, la foule venue pour assister à son procès.

Signé Apôtre Aman Martin, serviteur du Prophète Kacou Philippe.
2. radoratsimba ( 10/06/2016 05:05)
teny vainy le izy fa miala tsiny a
io zany zao le hoe bado izay manaraka azy ve ry rhanjo s endriny?
3. rhaj0 ( 10/06/2016 11:08)
Ka i Kacou izao tsy hay na :
- ekipan-dry Stahtam, fa rahefa mijery google mantsy toa hoe "prophete des juifs" ilery
- na ekipan-dry Katolika, saitra io ambony io izy namaritra toa ny Papa koa hoe, "une femme n'a pas le droit de prêcher dans une église"
- na ekipan-dRadoratsimba, fa niteny koa hoe "aleo zay victime ny abadonay e"

Fa na inona na inona ekipany, dia miray Baiboly aminareo izy ee... ary naka inspiration t@ Baiboly... Iza no mahalala raha tena i Jesosy mihintsy koa no nibitsika azy tao: ianao angaha nahare ny resaka nifananovan-drizareo tany ?? Zovy koa ianao no mitsaratsara azy eo ?? :-)
4. RBNIR ( 10/06/2016 14:48)
ny fahazoako ilay hafatra napetrak'i radoratsima dia hoe olona manampahaizana ilay kacou (mahay tenim-pirenena maro (nefa ianao milaza fa bado lahy daholo)...Ary hamafisiko tsy i kacou irery fa betsaka e! (saingy ny azy tsy aderaderany otran'ny an'i rhajo sady izy koa tsy nampianarina hanambany olona!!!!

« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo.(Mat.5:22)

JESOSY ILAY BADOLAHY FAHINY TSY MBA TIA MANAFOKAFOKA OLONA IZANY ARY NY MPIANANY NAMPIANARINY TAHAKA AN'IZANY KOA!!!
5. RBNIR ( 10/06/2016 14:55)
ILAY JESOSY MPANDROKIDROKY OLONA FAHINY DIA IZAO NO TENA TOETRANY....

« Ary Jesosy nitombo saina sy tena* sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona. » (Lioka 2:52)

JESOSY DIA NANDROSO FITIA TAMIN'NY OLONA (MATEHOTIA IZANY JESOSY IZAY LAZAIN'NY OLONA ATSANGA SY AMAN'ORANA REHETRA IZAO IZANY!!!

NORMAL B RAHA TONGA TAMIN'IZAO IZY NO NIAFARANY....

« Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.. » (Jao.6:15)

Saika halaina an-keriny IZY atao mpanjaka....

Saingy hoy IZY.....« Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao...... » (Jao. 18:36)




6. rhaj0 ( 10/06/2016 15:52)
Io ho'a ry RBNIR, mila tadiavinao tsara ao anaty Baiboly ao, fa tsy hodianao tsy hita rahefa tsy mampetimety ny baolinanao ao. Ka aboahy eto ..

1- ilay Jesosy manaz'inona (sa "manafokafoka") ny reniny.. Hoe, dia reniny izao, dia pehany mafy toatoa ny hoe, "zovy koa moa izato ianao ravehivavy"... satria hono ilery serina mampianatra ny fampianaran'ny Rainy, nefa ny reniny tia mba hiresaka aminy..

Iteneno an'izany koa azany ny reninao ao eee...


2- Ary ilay Jesosy ilay tezitrabe fa hotry ny badrahodra, tsy haiko intsony, na ireo mpianany na ireo mba mila famonjena avy aminy, dia "nandrokiroky" ireto olona i Jesosy.. toatoa ny hoe, inona foana koa no andaniako andro miaraka @ ireto badrahodra ireto.

Iteneno an'izany koa azany ny mpiaraka aminao ao @ profeta Herinirina ao eee...


Efa noresahina teto ireo ry RBNIR fa aza odianao fanina an...
7. RBNIR ( 11/06/2016 03:43)
Ny tena marina tsy navelany hahalala ny tena hevitry ny teny ianao rhajo!!!


« Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] » (Mat.13:11)

Misy navelany hahalala, misy kosa tsy mba navelany hahalala...

Tsy hoe miangatra IZY, TSIA fa amin'ny sainga tsy miangatra rhajo, amin'ny fomba ahoana moa no hamelany anao hahalala raha mamingavinga AZY tahaka izao foana ianao....

MIBEBAHA!!! dia amin'izay angamba hamindrafo IZY ka hampahafantatra anao!!!

Ary AZA MIMONOMONONA fa .....« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo. » (Jao.6:43)
« Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jao.6:44)

Raha mbola tsy nomen'ny Rainy ho Azy ianao dia tahaka an'izao foana (tsy ho fantatrao mihitsy ny tena hevitry ny Soratra Masina)....
8. RBNIR ( 11/06/2016 15:33)
P.S : matoa Maria renin'i Jesosy tsy namaly dia efa nampahafantarina azy mialoha fa izy dia mère porteuse fotsiny ihany.......
9. rhaj0 ( 12/06/2016 12:29)
RBNIR:
Misy navelany hahalala, misy kosa tsy mba navelany hahalala...

eny ho'a eee..
1- ilay soatoavin'ny taona 2016, TRANSPARENCY, tsy mba takan'ny hoza-dohan'ny l'an-zero,
2- ary koa, te-ho "in control" foana i Sergent. (Jereo ny fifanakalozan-kevitra atsy @ Fanabeazana)
10. RBNIR ( 12/06/2016 15:51)
« Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko? » (Mar.3:33)
« Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko! » (Mar.3:34)
« Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko. » (Mar.3:35)

Tsy azoko : inona moa no fanafokanana olona eto?
Te hilaza amin'ny olona fotsiny Jesosy fa tsy misy fijerevana tavan'olona, ary tsy misy kitranoantrano, fa izay manao sitrapon'Andriamanitra irery ihany no ankasitrahana....
11. rhaj0 ( 12/06/2016 21:04)
eny ho'a, fa TSY nasiany sira ny reniny sy rahalahiny fa ny nataony no notohizany e...

Atsy @ Lioka 11, @ teny anglisy mazava koakoa

27 As Jesus was saying these things, a woman in the crowd called out, “Blessed is the mother who gave you birth and nursed you.”

28 He replied, “Blessed rather are those who hear the word of God and obey it.”


Asa raha hitanao, dia azonao, ny nanodinan'i Andrianaivoravelona ny tantara
28 Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina izany.

Taiza nisy "eny tokoa" teo t@ version anglisy teo ??? Koa na i Andrianaivoravelona azany ho'a menatra hoe, inona koa ity tsy manisy sira an-dreniny niteraka ity, fa bornE @ izao tsihaitsihay izao foana ???
12. rhaj0 ( 12/06/2016 21:15)
entre-pa fa IZA koa moa ireto "rahalahin'i Jesosy" eee... f'angaha moa tsy virijiny i Maria ???
Ary jereo tsara @ teny anglisy fa brotherS.. manana rahalahy mihoatra ny iray i Jesosy.

MArk 3:32 A crowd was sitting around him, and they told him, “Your mother and brothers are outside looking for you.”
33 “Who are my mother and my brothers?” he asked.


DIa no-ignorer-n'i Jesosy ny reniny sy ireo rahalahiny izany, fa ny mpianany sy mpiara-miangona aminy no zava-dehibe aminy ee...

Dia izany koa no ianaran'ny Kristiana mafanafo (sasany), ary dia TSY rahirahiany koa ny ankohonany fa ilaozany mitokona any ampiangonana any... Ngo dia izany koa azany no ataonao ao ry RBNIR?? Hoe mpitam-bolan'ny Herinirina ianao dia ao foana ny andronao fa ny tokatranonao sy ny reninao tsy rahirahianao... ataovy ao moa kouh... RAhefa antitra ho'a ianao dia .. ho hitan'ny havanao ao, ary ilaozan'ny olona.. nefa izao lanitra-lanitra izao TSISY akoriny..
13. rhaj0 ( 12/06/2016 21:22)
azafady azafady... vorio ny fokonolona.. hitako ihany ilay toko aman'andininy mitantara fa manafoka(*) ny reniny i Jesosy!!!

Jaona 2:3 Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’ i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
4 Hoy Jesosy taminy: [size=16]Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy hianao?[/size] tsy mbola tonga ny fotoako.



Ka ilazao an'io azany hoe ny reninao ao ry RBNIR, ilazao izy hoe: "mifaninona akory izaho sy ianao" ry baofy... dia mba tantarao eto ahoana hozy ilay fon-dreny..

(*) manafoka. Hozy ny RAkibolana
Fokafoka p.t.: Adala, tsy misy saina, ketrina.
14. RBNIR ( 13/06/2016 09:06)
Fa inona no probleman'i rhajo e, ilay Maria reniny aza tsy rotitra akory (sa hitanao hoe namaly izy na nanakiana ???)....

Tsy niteny ilay reniny satria efa nampahafantarina azy mialoha fa ho mère porteuse izy fa tsy reny

P.S : marobe ankehitriny ny mère porteuse (ataon'ilay zaza tsinontsinona micomprendre) ka nahoana moa i Maria no tsy hicomprendre????

« Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? » (Lio.1:34)
« Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka* dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.[*Na: haterakao] » (Lio.1:35)

Ilay hoe brothers : f'angah moa voarara tsy hiteraka intsony i Maria sy Josefa aorian'i Jesosy?

Sa tsy fantatrao ny dikan'ilay hoe virijirny???
15. rhaj0 ( 13/06/2016 10:30)
Eny ho'a e... koa na ny renin'Ikotokely azany ho'a, rahefa mba miteny an'i Jesosy hoe, "tsisy divay izy", dia fokafokain'i Jesosy hoe, "moa mifaninona akory Izaho sy hianao?", dia mbola hozy i RBNIR hoe, koa Ikotokely azany koa ... mba manafokafoka hotr'i Jesosy koa kouh...

Fa inona indray azany "ny dikan'ilay hoe virijiny" ry RBNIR fa tena tsy fantatro, raha ohatra ka
- Virijiny i Maria fa niteraka an'i Jesosy,
- ary Virijiny mandrakizay izy, na dia manana rahalahy mihoatra ny iray azany i Jesosy.
16. RBNIR ( 13/06/2016 10:40)
rhaj0:

- ary Virijiny mandrakizay izy, na dia manana rahalahy mihoatra ny iray azany i Jesosy.

Izay ilay ataoko hoe tsy fantatrao ny dikan'ilay hoe virijiny : mbola tsy nahalala lahy hoy ny baiboly!!!

Rehefa teraka i Jesosy vao niteraka hafa izy.....Inona no olana amin'izany????
17. RBNIR ( 13/06/2016 10:48)
fa tsy mitovy mihitsy ny fandraisana an'ilay hoe fanafokana olona an!
Jesosy mametraka an'i Maria amin'ny toerany v no atao hoe fanafokana??

Teny iditra foka
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
Famaritana malagasy Adala, tsy misy saina, ketrina. [Rajemisa: Rakibolana]
Dikanteny anglisy a simpleton.
¶ insane, mad [Richardson 1885]
an idiot, an utter fool [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay qui a perdu la tête, tête l& [...] [tohiny Abinal 1888]
imbécile [Hallanger 1974]
Sampanteny afokaina, anafokana, fanafoka, fanafokana, fokaina, fopoka, fokafoka, mahafoka, manafoka, mpanafoka
Fitovian-keviteny fokafoka

Olona 1 ihany aloha hatreto (aleo tsy hoteneniko fa izy ngamba mety hahatsapa tena ihany) no hitako tena manafokafoka olona eto amin'ity serasera ity....Ny Tompo anie hampahiratra ny masony ka hibebaka izy.....
18. rhaj0 ( 13/06/2016 11:01)
hi hi hi... ilay "Olona 1" eto @ serasera eto koa toa ampilaharinao @ Jesosy, f'enao izao koa azany mba ahoana... :-)

Fa izay izany eee... rahefa misy manontanintany foana, na miteniteny foana, ka milaza zavatra, ohatra hoe "tsisy divay izy", kanefa mbola "tsy tonga ny fotoanany" tokony ilazana izany, na koa angamba hoe, diso kely ilay mpanontany fa tsy tokony tany no nivantana nanontany, dia valiana hoe, "moa mifaninona akory Izaho sy hianao?"

Ka eto @ serasera eto koa izany eee... rahefa misy mandaginina na mandrebireby ho'a, ka manantsafa anao, dia valio tsotra sy madio fotsiny, à la Jesosy, ka hoe : [size=15]"moa mifaninona akory Izaho sy hianao?"..[/size]
19. RBNIR ( 13/06/2016 11:10)
rhaj0:

Ka eto @ serasera eto koa izany eee... rahefa misy mandaginina na mandrebireby ho'a, ka manantsafa anao, dia valio tsotra sy madio fotsiny, à la Jesosy, ka hoe : [size=15]"moa mifaninona akory Izaho sy hianao?"..[/size]

Izaho tsy nampianarina hana"foka" an'iza na iza...
Avereno vakiana daholo ange ny zavatra nozaraiko e!
Azoko antoka 100% , tsy hahita ianao.....;
20. rhaj0 ( 13/06/2016 11:29)
hi hi hi ... ianao izany koa toa te-hilahatra miaraka @ Jesosy, nefa kaodikaody fa TSY te-hivava toa an'i Jesosy, ka hoe, [size=15]"moa mifaninona akory Izaho sy hianao?"..[/size]

Fa mampihomehy koa ho'a ilay tantara ao @ Jaona io ee... Dia nanatrika mariazy izany hono iJesosy. Dia hozy ny reniny hoe, tena tsy manana divay zareo ee.. dia iny nakipilin'i Jeoy iny moa izany ny reniny. Fa tsy niteniteny i Jesosy, fa novainy ho divay ny rano iray siny. Ary dia tsara revy daholo izany ny teo eee.. ary noderaina ilay tompom-pety fa tena mahay mampirevy. Nefa kay i Jesosy no nampalasa ho 12 degree d'alcool ity rano madio t@ siny.

Ary dia niaiky daholo ny akaman'i Jeosy fa Izy no tena mahery... mahay mamadika ny rano ho lasa pi... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6907