Ireo karazana Fivavahana sy Finoana

21. RBNIR ( 15/05/2016 05:25)
Ity mbola tsy voavaly (na tsy novalianao)
Ka iza amin'ireo ny toerana misy anao rhajo:
1- Ilay efa manomboka resy lahatra ka manomboka manadihady, sa
2- Ilay efa ao anatiny ka mampianatra ny tsy mahay ary manitsy ny diso ho an'izay tafalatsaka sa
3- Ilay mpisintona lakilosy mampiady angely????
Ianao mantsy tsy mijanona hatreo amin'ilay fanaporofoana ny tsifisian'Andriamanitra fa miditra lalina amin'ny doctrine ihany koa ka mipetraka ny fanontaniana (te hafantatra misimisy sa te hampiady angely.....
Tadidio ny bokin'i Joda (raha sanatria ka mpampiady angely an
4 Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho ............
19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy

Mpampiady angely : mitetika hitondra fisarahana....Araka ny nofo ihany (matérialista mankahala an'Andriamanitra......) Izay zavatra kely mba takatry ny sainy ihany no itokiany ary farany lasa mpaniratsira mpaniratsira mpiteny ratsy ILAY NAHARY AZY......

Ka hoy aho hoe enga anie mba tsy ho ilay fahatelo ianao rhajo.......
22. rhaj0 ( 15/05/2016 13:10)
Atheista aho ry RBNIR aa.. hi hi hi... tsy mandaitra ilay sikidinao hoe, pouah pouah... lasa mino rhaj0. :-)

inty misy TED talk an'i Richard Dawkins, izay isan'ny naharesy lahatra ahy ny @ ilavana "militant atheism".. satria ny faharavana ateraky ny Kristianisma dia tsy afaky ny ho jerem-potsiny intsony.
- ny "TED talk" dia famelabelarana ataon'ny mpandalina, zaraina (gratuit) ho fampieritreretana
- i Richard Dawkins dia isan'ny beloha atheista siantista

Avy eto jerena ilay TED
https://www.ted.com/talks/richard_dawkins_on_militant_atheism?language=en

na tonga dia jereo ito eee...

23. RBNIR ( 15/05/2016 16:49)
izany hoe naleonao nino an'ingahy richard toy izay nino an'i JESOSY na dia nifidy vavolombelona marobe aza i JESOSY mba ho anao.......
24. RBNIR ( 15/05/2016 17:49)

Adala daholo v ny millions nankafy an'ity vidéo iray ity e????
Mba alefaso ihany hoy aho ny eritreritra e, sao tavela irery ao vao hoe......
25. RBNIR ( 15/05/2016 17:52)
nampitahaiko ny vue ny an'ingahy richard hono 3 vue, dia ny an'itsy video nopartageko itsy kosa 72 442 691
Izay no ataoko hoe sao dia mba ho tavela irery ao ianao rhajo a!!!
26. rhaj0 ( 15/05/2016 23:37)
RBNIR:
Adala daholo v ny millions nankafy an'ity vidéo iray ity e????

tsy "adala" fa... "voadaladala", na hoe, "nohadalaina" moa izany ee... victime zareo, ary tena mampitsetra...

Fa dinidiniho dia alalino tsara ihany ilay Siansa ho'a ee... (i)araho ianarana ny ianaran-janakao ao... hi hi hi... fa dia aleo ny zanakao no hanokatra ny mason-tsainao :-)
27. lahindroy ( 16/05/2016 10:45)
Miarahaba antsika rehetra

"Mba alefaso ihany hoy aho ny eritreritra e, sao tavela irery ao vao hoe....."

Richard Dawkins : mpijery 7 vs I surrender : mpijery 72 500 000
tena mahalasa saina tokoa
Andao hoe tohizana ny fampitahana !

Princio (allo , Jesosy Tompo ) ; mpijery 4 300 vs Hay teo foana Jesoa : mpijery 840 000

farany
Bernard d'Espagnat (physique quantique et réalité) : mpijery 1 440
la relativité générale d'Einstein (doc d'astrophysique) : mpijery 3790
mpihira evanjelika Lisanga(Afrika ? ) : mpijery 2 000 000

sehatra hafa indray
1.USA
ny mponina (Pew forum)
mpino : 92 %
tsy mpino :8%

mpanao fikarohana ao amin'ny National Academy of Science ( NATURE vol.394 laharana 6691)
mpino : latsaky ny 7%
tsy mpino : 93% ( NATURE vol.394 laharana 6691)

2.allemagne nazie
ny ankabeazan'ireo protestanta miisa tsy latsaky ny 40 000 000 sy ny antoko katolika ZENTRUM dia nanaraka sy nanohana ny fitondrana nazi (afa tsy ireo izay nanangana ny Bekennende Kirsche tamin'ny 1933 sy ny ampahany tamin'ireo mpitondra fivavahana katolika izay sahy nilaza fa tsy mifanaraka ny nazisme sy ny finoana katolika ) satria izay tamin'izy ireny no fitiavan-tanindrazana = fanenjehana izay tsy kristiana ( ny jiosy , ny kominista , ny homo ...) , ny fanomezana laka izay tena "tera-tany sy alema ray sy reny" ...

fanontanina famaranana :
izay arahin'ny MARO AN'ISA tokoa ve no FAHAMARINANA ?
28. RBNIR ( 16/05/2016 21:58)
rhaj0:

RBNIR:
Adala daholo v ny millions nankafy an'ity vidéo iray ity e????

tsy "adala" fa... "voadaladala", na hoe, "nohadalaina" moa izany ee... victime zareo, ary tena mampitsetra...
Fa dinidiniho dia alalino tsara ihany ilay Siansa ho'a ee... (i)araho ianarana ny ianaran-janakao ao... hi hi hi... fa dia aleo ny zanakao no hanokatra ny mason-tsainao :-)

Tiako hisokatra fijery ianao fa "tsy hikatona" ao amin'ilay box kelin'ny olona vitsy mitovy fisainana aminao (7 vue v ry rhajo mba alefalefaso ihany ilay fisainana e, matoa ny olona tsy niraika tamin'io misy dikany e????).......
29. rhaj0 ( 17/05/2016 01:59)
Asa ho'a raha takatrao ilay rohy voalohany, TED.com, fa any no faleha, sady misokatra mijery fandalinana hafa koa
https://www.ted.com/talks/richard_dawkins_on_militant_atheism?language=en

Misy 4.023.190 viewers izy ao :-)

Ka rehefa eto ihany ho'a, averiko aminao ny fanontanianao: mba misy firy ny mpanaraka an'i Herinirina ao ?? :-)
30. RBNIR ( 17/05/2016 06:40)
rhaj0:

Asa ho'a raha takatrao ilay rohy voalohany, TED.com, fa any no faleha, sady misokatra mijery fandalinana hafa koa
https://www.ted.com/talks/richard_dawkins_on_militant_atheism?language=en

Misy 4.023.190 viewers izy ao :-)

Ka rehefa eto ihany ho'a, averiko aminao ny fanontanianao: mba misy firy ny mpanaraka an'i Herinirina ao ?? :-)


« Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao. » (Joba 8:7)

Jesosy irery tamin'ny voalohany, avy eo niampy 12 lahy, izao izy iarahamahalala....

Dia toy izay ihany izay rehetra avy amin'Andriamanitra ka ny ho avy tsy ho ela no hitsara izay.......
31. rhaj0 ( 17/05/2016 11:19)
RBNIR:
« Ka na dia kely aza no [size=6]ni[/size]andohanao, dia ho lehibe indrindra no [size=6]hi[/size]afaranao. » (Joba 8:7)

aza mampme ry RBNIR aaa ... :-)

Raha toa io izany izany nareo ry RBNIR, dia mety tafiditra ny masom-panjaitra ihany izany ny lohanareo, fanefa ny "afaranareo" toa ngozabe... ka dia hi-coince :-) :-) :-)
32. RBNIR ( 17/05/2016 11:57)
Tsy olana fa ny ho avy no hitsara azy rhajo a!
33. rhaj0 ( 17/05/2016 12:27)
RBNIR:
Ity mbola tsy voavaly (na tsy novalianao)
rhaj0:
mba misy firy ny mpanaraka an'i Herinirina ao ??
34. RBNIR ( 17/05/2016 12:50)
Ary raha atao an'izao indray ilay fanontaniana, Firy no manaraka an'i rhajo eto ary firy no nanaiky an'i Jesosy teto????

P.S : tsy manaraka olona fa manaraka an'i Jesosy, ilay mpitarika tsy mitarika olona hanaraka azy fa hanaraka an'ILAY JESOSY 2000 lasa izay...
35. rhaj0 ( 17/05/2016 13:08)
hi hi hi... tsy mahavita milaza i RBNIR hoe, FIRY ny olona manaraka ilay profeta-vaovao #12, izay "manaraka an'i Jesosy" ary notondroin'i Jesosy mihintsiny akoriny azany.

Ka mifanisa @ rantsan-tanana sa @ volom-pe ve ho'a ianareo ao ee ?.. :-)
36. endriny ( 17/05/2016 13:30)

lahindroy:

Miarahaba antsika rehetra

"Mba alefaso ihany hoy aho ny eritreritra e, sao tavela irery ao vao hoe....."

Richard Dawkins : mpijery 7 vs I surrender : mpijery 72 500 000
tena mahalasa saina tokoa
Andao hoe tohizana ny fampitahana !

Princio (allo , Jesosy Tompo ) ; mpijery 4 300 vs Hay teo foana Jesoa : mpijery 840 000


Izao ilay antsoina hoe ny mpanara-drenirano no bobaka e...

Olona 1 Atao hoe Galilleo no nahita fa miodina amin'ny masoandro ny tany... saingy Olona an'apitrisa no nino fa ny masoandro no niodina tamin'ny tany....

Olona 1 no nitantara fa misy hery misintona ny zavatra hipetraka amin'ny tany... ny olona rehetra nahita fa tsy misy dikany izany.

hihihihiih
Jereo indra aloha ny stafun tao amin'ny Kolo TV farany teo fa milay a
37. lahindroy ( 22/05/2016 13:57)
"Izao ilay antsoina hoe ny mpanara-drenirano no bobaka e...
Olona 1 Atao hoe Galilleo no nahita fa miodina amin'ny masoandro ny tany... saingy Olona an'apitrisa no nino fa ny masoandro no niodina tamin'ny tany....
Olona 1 no nitantara fa misy hery misintona ny zavatra hipetraka amin'ny tany... ny olona rehetra nahita fa tsy misy dikany izany."

Miarahaba
Izay tokoa no nahatonga ahy hanaseho an'ireo fampitahana taha samihafa ireo ry ; ny ahatsapana fa tsy ny maha betsaka ny isan'ny olona mpanaradia zavatra iray akory no antoky ny fahamarinana ( indrindra eo amin'ny sehatry ny fotokevitra na rihankevitra iray) !

Ny olana iray lehibe mipetraka amin'izao taon-jato faha XXI izao izay ahitana ny faha fainganam-pandeha sy fiparitahan'ny fitaovam-pahalalana era-tany izao dia ity :

nahoana no mbola tena vitsy -indrindra amin'ireo avara-pianarana avy aty amin'ny tany sy firenena tahakan'i Madagasikara sy Afrika mainty na koa Amerika atsimo ...-no tsy mampiasa an'izany fitaovam-pahalalana izany eo amin'ny famakafakana ny tranga-mpiainana an-davan'andro ?

ohatra tsotra :
-mbola firy ny Malagasy nahita fianarana no mihevitra fa ...Andrimamanitra no mametraka eo amin'ny toerany ny mpitondra ( Ratsiraka , Zafy , Ravalomanana , Rajoelina , Rajaonarimampianaina ...)? Misy amin'izy ireo mihitsy aza no sahy milaza fa tsy tongatonga fotsiny eo izy fa tena ...irak'Andriamanitra tokoa !
Ary ny tena loza dia lasa fitaovana ampiasain'ireo mpanao politika tokoa ny fivavahana sy ny finoan'ny olona hanamafisany ny fahefany

-mbola firy ny Malagasy nahita fianarana no mandà ny fivoarana sy fiovana misy eo amin'ny zava-manan'aina hatramin'izay maha tany ny tany ?

...............................................................................................................






38. angouz ( 22/05/2016 14:28)

rhaj0:

I RBNIR moa efa tsy mahagaga intsony @ tsy-famaliany-fanontaniana-fa-amerenany-hira-mivalambalana, fa i Angouz koa ity manampy... Eto indray izy miral-mianaka dia, @ maha-mpino azy, dia tsy ny resaka no resahina, fa hotry ny manao sikidy eo, dia hoe... pouah pouah.. io fa lasa mino rhaj0 :-)

Fa jereo tsara ny taterin'i Flacourt ry Angouz aa... (natambatro tato). Ianao manandra-tena fa hoe "mahafantantra karazam-pinoana maro", nefa toa TSY fantatrao akoriny ny fatao sy finoan'ny Razanao.
ts handresy lahatra n'iza n'iza @fahafantarako ny karazam-pinoana akory no tanjoko eto fa mb te hiteny anao fotsiny za oe matoa lasa taranja ny metaphysique dia ilaina izany ary matoa ny olona iray mila an'izany dia te hampivelatra ny hetahetan'izy satria ny ankambetsahan'ny olona mino dia mitady fiadanana ao anaty, ny anao to fanankianana bodongerona fotsiny @zay mampiasa reference fa tsy mba misy firehan-kevitra ary momban'ilay finoana gasy teo dia @ ny atao hoe mivavaka dia mangataka ary manonona anarana zanahary 1, razana2 fa ny tiko ho ambara anao dia misy ny any ankoatra fa ny famelam-belarana anio no mbola sarotra satria samy manana foto-keviny ny olona, ohatra raha manontany conservateur iray ianao aty dia hoy izy oe fomban-drazana io fa tsy hoe religion nefa dia mitarika olona ihany koa izy, ary misy spiritualité ny fomba gasy sasany fa ny any flacourt angamba mety toerana iray no nandehanany
39. angouz ( 22/05/2016 15:49)
ary ny christianisme rahjo dia communauté fraternelle raha tokony tena izy ary i jesus dia nampianatra ny hahazaohana ;hery avy ao anaty avy @ alalany. mila repère ny ankambetsahany olona marefo fa aza afangaro @ tavan'anjely ho an'ny demony ilay izy
40. rhaj0 ( 24/05/2016 19:24)
angouz:
.. taranja ny metaphysique(..) te hampivelatra ny hetaheta

Hay va re... ny metaphysics dia "branch of philosophy". Ka dia aza afangaro @ Sciences (na koa Sciences sociales ohatra). Avadibadiho i google, fa inty k'lou misy fanazavana iray. Asa raha miombo-kevitra k'lou isika eto:
"Traditionally metaphysics is “a priory” whereas science is “a posteriori” i.e. metaphysics is non-empiric while science is empiric."

angouz:
ny anao to fanankianana bodongerona fotsiny @zay mampiasa reference fa tsy mba misy firehan-kevitra

Oadray... aiza azany izany "firehan-kevitra" lazainao fa anananao izany rahefa mamahabaha ny zava-misy izany re ry Angouz.. Mba hazavao kely hoe inona azny ilay "firehan-kevitrao" ??

Ny fahitako azy, lazaiko mialoha, dia ilay manana "firehan-kevitra" (mialoha) no "manao bodongerina" tsy mahalala afa-tsy ny firehan-keviny, fa tsy mijery "objectivement" izay misy eo

angouz:
misy spiritualité ny fomba gasy sasany fa ny any flacourt angamba mety toerana iray no nandehanany

ka ireo gasy hitan'i Flacourt izany TSISY spiritoalitia fa ... ireo hoz'i Flacourt teo ilay faly mivanika fotsiny eee...

http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f114.image
Flacourt page 88: Ils se plaisent a railler et gausser, et à faire milles bouffoneries, aiment à entendre des contes et fables du temps passsé, et passent la nuit à les écouter et entendre.

io ilay nolazaiko in-1 mandeha hoe, dia tena faly, ary tena faly aho, fa tena tavela tato anatiko ny fahendren'ny Razako eee... Izaho "mivanitika" fa "TSY mivavaka" :-)

angouz:
ary i jesus dia nampianatra (...) aza afangaro @ tavan'anjely ho an'ny demony ilay izy

Tsy azoko tsara.. Amiko mantsy i Jesus sy ny Anjèle ary ny Démone dia miray Kortezy mifampitaritarika ao anaty Baiboly ao.. Mba avereno azavaina tsara azany hoe izany hoe christianisme izany ry Angouz.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1276