.... indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

1. Rafieritreretana ( 19/04/2016 14:44)
jereo eto:
https://www.youtube.com/watch?v=tVPZiFDRcTU
novalian'i stahtam ny 27/05/2016 09:37
2. Rafieritreretana ( 19/04/2016 14:47)
...izao no atao hoe ady farany ho an'izay tsy mahalala: "Jesosy VS Yahoshuah"
https://www.youtube.com/watch?v=tVPZiFDRcTU
3. stahtam ( 20/04/2016 08:49)

[quote=Rafieritreretana]
...izao no atao hoe ady farany ho an'izay tsy mahalala: "Jesosy VS Yahoshuah"
https://www.youtube.com/watch?v=tVPZiFDRcTU
[quote=stahtam]
Ny verset naroso ho lohahevitra dia ny Isaia 48, izay mitohy eo ambany milaza hoe:"Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy Israel izay nantsoiko". Ka Ilay Yahoshuah ve Ilay miantso an'i Jakoba eto sa, ny anarany no misy mandoto @ io faminaniana io?
4. RBNIR ( 20/04/2016 11:49)
Fa inona tokoa no tena marina YAHOSHUAH sa Yeshua sa mbola misy hafa???

Eto izao gasy (episkopo) no nanome ny YAHOSHUAH ary tsy mahita mihitsy aho vahiny (jiosy) manonona an'io fa ny hitako aloha dia YEHOSHUAH na YAHU'SHUAH....

Izany hoe lasa misy marina maromaro amin'ilay anarana "originel"???
5. rhaj0 ( 20/04/2016 18:47)
hi hi hi .. 'nareo puriste ao ihany ange no be fanontaniana sy marary fo @ izany ao, fa IZY ve tsy (comprehensif dia) ho kOpy na antsoinareo hoe Iahosoa na Iaouchou na Ira-tchou-tchou azany eee :-)

zahay aty izao, @ ilay anarana gasy lavabe, dia rahefa miantso ny olona, dia ... izay anononany azy ao tsy quoi eee...

Sa ny soatoavin'ny taonjato zero mbola hafa, ka raha vao mihilana kely ny fanononana azy dia "lotoina ny anarako" no dikan'izany ???
6. endriny ( 21/04/2016 04:55)
Raha Pit Pouhah kosa ve antsoina hoe piitipoa tsy ho tezitra be izy?

Ny antsika Malagasy e: "misia ny teny diso mba ahafahana mitsongoloka"

Ahoana hoy ny mpanatrika atrikasa izay: "Izany mba fahazain'i Ranona Frantsay e! .. te hiteny kanefa ny frantsaiany aza aotra be manatody"

Mahafinaritra be e
7. stahtam ( 21/04/2016 07:18)

[quote=stahtam]

[quote=Rafieritreretana]
...izao no atao hoe ady farany ho an'izay tsy mahalala: "Jesosy VS Yahoshuah"
https://www.youtube.com/watch?v=tVPZiFDRcTU
[quote=stahtam]
Ny verset naroso ho lohahevitra dia ny Isaia 48, izay mitohy eo ambany milaza hoe:"Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy Israel izay nantsoiko". Ka Ilay Yahoshuah ve Ilay miantso an'i Jakoba eto sa, ny anarany no misy mandoto @ io faminaniana io?
[quote=stahtam]
"Jesosy VS Yahoshuah" hono e! (hoy Rafieritreretana)
IZA AVY IREO ROALAHY IREO?
Ilay voalohany dia lehilahy nantsoinareo sy notompoinareo hatr@ niforonanareo ka hatr@ 2009. Ilay faharoa kosa dia anarana vao navoakanareo hatr@ 2009 no mankaty fa hafa noho ilay voalohany (indray hono)! Lasa anarana sampy grika indray (mantsy) iry voalohany rehefa nivoaka io anarana faharoa io. Ka inona fa tsy izany no atao hoe "fampiadiana akoho évangélique" ho an'izay tsy mahalala! Izay matoriandro sy matory am-pitsanganana angamba no hijery an'izany combat izany!
8. stahtam ( 21/04/2016 12:47)

[quote=RBNIR]
Fa inona tokoa no tena marina YAHOSHUAH sa Yeshua sa mbola misy hafa???

Eto izao gasy (episkopo) no nanome ny YAHOSHUAH ary tsy mahita mihitsy aho vahiny (jiosy) manonona an'io fa ny hitako aloha dia YEHOSHUAH na YAHU'SHUAH....

Izany hoe lasa misy marina maromaro amin'ilay anarana "originel"???
[quote=stahtam]
Nisy mpitondra fanjakana nivahiny tao @ TVM dia nantsoin'ilay mpanao fandaharana hoe: Veloma ianao Andriamatoa Benjamin (phonétique française), dia hoy ilay vahiny hoe: "Azafady Benjamina (fanonona malagasy) fa tsy Benjamin hoy izy. Dia hoy aho hoe: mety ho maromaro ve ny marina? Ny gasy ve afaka tena hahalala sy hanao confirmation @ anarana Jiosy hoe izao no tena izy? Io moa ilay hoe: efa voadika t@ fitenim-pirenena ny baiboly dia samy "afaka" manao "interprétation" avokoa izay mahay mamaky teny rehetra koah!
9. stahtam ( 27/05/2016 09:37)

[quote=Rafieritreretana]
jereo eto:
https://www.youtube.com/watch?v=tVPZiFDRcTU

[quote=stahtam]
Tena mba tsy aritro ny tsy hilaza izao fanamarihana izao: Hoy ny lohahevitra narosonareo hoe: "indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa" Nefa ny nandoto io anarana io voalohany dia ianareo ihany. Nolazainareo mantsy fa "Jesosy mpandrava didy folo" no anaran'io lehilahy resahinareo io, ka tsy ianareo ihany ve no "manadio" sady mandoto azy eo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2657