Mihinana sy misotro

1. rhaj0 ( 07/04/2016 19:05)
Matio 11:18 Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.
19 Tonga ny Zanak’ olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin’ ny asany [Na: (ny zanany)].

I Jaona izay "tsy nihinana na nisotro" izany dia voasoketa ho "manana demonia".
(entre-pa, nefa @ literatiora gasy, dia i Rajaona no mamo lava..)

Fa i Jesosy izay "fatra-pitia hanina sy mpisotro divay" kosa, dia ... "ny fahendrena dia hamarinin’ ny asany"

ka izay izany ny "bon exemple" namen'i Jesosy eee... "mihinàna sy misotroa 12 degree", fa kosa, "miasà" hanamarinana ny "fahendrena"-o.

hi hi hi... nefa anie ny "hatendana" angaha moa tsy isan'ny ota fady ananki-7 ???
Efa vita hira...
Cuvée, Coca Cola pi gà sorà
mananala azy amin’ny revy sy coupage
Tsaky maskita, Bota Titanika,
revirevy foana fa malahelo anazy

http://tononkira.serasera.org/hira/unik/cherie
novalian'i rhaj0 ny 08/04/2016 17:37
2. endriny ( 08/04/2016 06:25)
Ary izay ve ianao vao kaopy?

Ny mpianatr'i Jesosy voalohany dia mpanarato, tompon'ny trondro sy ny firiry izany a

Ny fahagagana nataony voalohany dia nanao divay.

Dia nampirevy tamin'ny mofo dipaina sy trondro

(Ho an-dry zareo tsy tia an'i Maria Magdalena) iny koa nampireven'i Jesosy a.

Tia fiainana Jesosy, ka naleony teny amin'ny natiora teny foana no nampianatra ny Torah.
3. RBNIR ( 08/04/2016 07:24)

endriny:

Izany hoe mino ihany ianao fa nahavita fahagagana IZY nefa dia izay no tsoakevitra hitanareo tao fa tsy mba "NIBEBAKA" ianareo satria kay misy marina tokoa Andriamanitra???

Mba fantatrareo v ny anton'ny nanaovan'i Jesosy an'ireny ASA LEHIBE ireny???

« Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona. » (Lio.10:13)

Andriamanitra nampanao asa an'i Jesosy satria tiany mba ho fantatry ny olona ny fisiany ka hibebaka izy,
4. rhaj0 ( 08/04/2016 13:10)
Lozanao ry mamo lava.. Lozanao ry mpitia-toaka, mpidoroka, ... Cuvée, Coca Cola pi gà sorà ... revy sy coupage ... Tsaky maskita, Bota Titanika

Izany izao no mety hiaka am-pon'ny renim-pianakaviana manan-janaka maty, noho ny alcool au volant.

Rahefa @ teny anglizy ny bokin'i Lioka, dia hoe..
The Son of Man has come eating and drinking, and you say, 'Look, a glutton and a winebibber [an excessive drinker], a friend of tax collectors and sinners!'” (Luke 7:33-34).

Dia ireo izany ny Vavolombelona, izay notaterin'ny vavolombelona mpanoratra, dia i Lioka, fa manondro an'i Jesosy ho "winebibber". Dia hozy ny mpandinika:
In the Old Testament the word winebibber is used to describe those who abuse the use of alcohol

Ka tena ao tsara mihintsy izany i Jesosy eee...
"mpitia-toaka, mpidoroka, ... Cuvée, Coca Cola pi gà sorà ... revy sy coupage ... Tsaky maskita, Bota Titanik"

(fa miasa tsara kosany hono Izy eee... manao fahagagana... hi hi hi ... raha ampazahonao 12 degree koa aho mety hanao fahagagana an... :-)
5. endriny ( 08/04/2016 16:56)

RBNIR:

Izany hoe mino ihany ianao fa nahavita fahagagana IZY nefa dia izay no tsoakevitra hitanareo tao fa tsy mba "NIBEBAKA" ianareo satria kay misy marina tokoa Andriamanitra???

Mba fantatrareo v ny anton'ny nanaovan'i Jesosy an'ireny ASA LEHIBE ireny???

« Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona. » (Lio.10:13)

Andriamanitra nampanao asa an'i Jesosy satria tiany mba ho fantatry ny olona ny fisiany ka hibebaka izy,

Izany hoe efa zatra manao tsianjery antoko sy andininy fotsiny isika raha izao.

Ka raha tsy mahazo mifaly misotro aza eto an-tany ry RBNIR. Dia ahoana no hoe reniran-divay sy vehivavy virjiny no lasa valisoa any amin'ny paradisa nofinofy?

Sa koa hoe Divay tsy alikaola hoe fa Atra sy ny anjeliny tsy misotro?

Esy aho le alina e!
6. rhaj0 ( 08/04/2016 17:37)
Tsy hainao ve ilay ivanitihana hoe, misy divay ny rà-nao, sa misy rà ny divay-nao ... ry Jesosy

Ka raha hoz'i Jesosy hoe, rahefa nanainga ny kopy misy divay, dia hoe, "inty ny rà-ko"...
Dia tena ao tsara mihintsy izy izany eee...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7311