Nahoana tokoa no niverina indray i TGV kanefa teo efa hoe hifindra any Frantsa

1. endriny ( 15/03/2016 05:30)
Tsy nisy gazety moa sahy nanontany azy an'io hatramin'izay...

Fa izaho izany no mba mandefa heritreritra eto e...

Ny fahitako azy dia iray amin'ny mety voasaringotra amin'ilay afera any Singapour izy. Ka rehefa niverina nitranga ilay afera dia aleony nody aty satria raha any Frantsa izy dia ho ratsy endrika ny frantsay. Moa ny frantsay tsy te ho maimbo amin'io...

Dia nody ny anao lahy, ary tsy dia sahy misehoseho sehatra firy fa eny amin'ny sary internet sy fb eny no miampifipify mampiseho ny zavatra ataony.

Fa mahamay ity raharaha any Singapour ity satria tsy ny Sinoa irery no voaroiroy ao fa hatrany Maurice sy France ny fakany. Ka mahasibesiby be ihany ny mpitondra tao ho ao. Voatery nanao tsidika tany Singapour taoka hatramin'ny minisitra ary i Rajao lasa haingana any Maurice..

Vina daholo izany resako izany fa hohitantsika eto ihany ny marina
novalian'i rhaj0 ny 28/03/2016 13:59
2. hery ( 15/03/2016 11:04)
Fa angaha tena nihitatra ilay resaka Singapour?
3. endriny ( 15/03/2016 15:23)
hatramin'ny samy minisitra ary izao miady a

Ilay minisitry ny tontolo iainana aloha dia efa hay fa tena izy aza no nanao ny fanondranana tany Vohemar sy Sambava ary Toliara farany teo... Dia mody ny DG no nanilahany dia nodakany
4. tovorandria ( 15/03/2016 18:34)
itanareo amzany fa ireo izay eo amin´ny fitondrana reo fôna no mamotika an´i dago, ny momba an´i rajoelina ndray, tsy misy tsy mahalala ny halatra harem-pirenena goavam-be vitan´iny teo ary mbola tsy menatra iany ny oe ilatsaka amin´ny 2018, tsy aiko na miandry hisy hisambotra mitsy ngamba vô ho tonga saina, izao saady aza defa manao prôpagandy koa, enga anie mba tsy hisy irika angalaran´iny vato tsony am 2018, ary koa enga anie mba ho tonga saina am zay ny gasy ka sahy ny haneho hevitra fa tsy ol pivarotra bois de rose ireny tsony no ho eo.
5. rhaj0 ( 15/03/2016 23:41)
Ka hoe toa nianatra Siences Po hono nedala, dia mba @ izay mba tena ho politisiana profesionely @ izay, fa teo coup de tete sy coup d'etat fotsiny no adiny teo..

Ka raha misy ao Frantsa ao nareo, dia mba zohio kely hoe, taiza nedala no nianatra.. dia mba hadihadio ao hoe, ahoana koa no vita volana Marsa ny fianarana..
6. tovorandria ( 16/03/2016 20:11)
le oe nianatra science pôl lo d adinoy dieny zao fa tsy nianatra an´izany iny, ôtran´le diplôman´i roland ratsiraka oe nianatra mathematique nefa ny ao am CV zéro be fianarana erintaona d vita( d diplôma inona ny dikan´izany??) nefa d mitana anjara-toerana minisitra goavana(tsy simba2 isaky ny vao vita ny lalana fa ao ny tsy fahaiza-manaony,ary ny finarana science pol tsy midika oe ho lasa pôlitisianina matihanina be ianao no dikan´izany fa ny science pôl d fianarana fiainana amin´ny ankapobeny.
Raha mandinika fotsiny nareo dia afaka tsaraina amin´ny fomba firesany ny olona tsi11, hoe mba olona nandia fianaran ve ity sa tsia, fa ny fahaizan´ireo mandainga sy manambaka vahôka ary mamitaka vahôka no ahazoany toerana eo.
7. endriny ( 18/03/2016 06:27)
Ka io moa ry zareo na diplaoma nataon'ny impression tao amin'ny INJET aza no entiny amin'ny haino aman-jery iza no afaka manamarina an'iny... tonga angamba dia tic tac dou any ambany rangolahy...
8. tovorandria ( 18/03/2016 21:44)
Izay no mahasimba ny fiainan ny gasy . Tsy sanatria akory oe hanambany an le pitondra fa ny tiana ambara d tsy ho tafa mitsy tsika ra ny pitondratsika aza izany Mo ataony
9. rabaradaka ( 24/03/2016 07:36)
Io resaka bois de rose tany Singapour io dia tafiditra ao ny mpitondra rehetra
10. rhaj0 ( 28/03/2016 13:59)
Ka io ve izany ry Rabaradaka no ho tonga @ fahendren'ny Razana, ka hoe :

Ny Singapour no mahalavo ny vositra... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2791