INONA NO ANDRASAN'ANDRIAMANITRA AMIN-TSIKA AMIN'IZAO ANDRO PASKA IZAO?

1. RBNIR ( 14/03/2016 06:12)
Faly misera namana,
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kolosiana 2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kolosiana 2:17)

Araka ireo teny ireo dia aloky ny zavatra ho avy ireto voatanisa manaraka ireto :
1 fomba fihinana sy fisotro
2 andro firavoravoana,
3 voalohambolana,
4 Sabata,

Inona avy ary izy ireo?
1 Aza avela hisy hitsara anareo amin'ny fihinana sy fisotro
« Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany*.» (Mat.11:19)
Jesosy koa dia niaran'ny fitsarana tamin'io fihinanana sy fisotroana io,
Eto aloha dia mila fahendrena, ny toaka tsy fisotro sao dia misy hihazakazaka amin'izay indray isika rehetra...
Inona ary no nitranga : rehefa tonga ny andro firavoravoana ny olona dia manetry tena mifady (oh mofo tsy misy masirasira sns....) Jesosy sy ny mpianany kosa mihinana sy misotro ihany....
Fehiny tsy tokony hifady hanina sy tsy hisotro intsony rehefa tonga ny andro firavoravoana fa tokony hihinana sy hisotro tahaka an'i Jesosy sy ny mpianany,

2 Andro firavoravoana : « [Ny amin'ny andro firavoravoana telo, dia ny Paska sy ny Pentekosta ary ny Tabernakely] Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny volana Abiba no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina. » (Deot.16:1)
Fehiny tsy tandremana intsony ireo andro firavoravoana 3 ireo dia ny paska, pentekosta ary ny tabernakely,

3 Voaloam-bolana : io angamba dia mazava be fa dia fankalazana ny volana voalohany io ary ao anatin'io no hankalazana ihany koa ny paska na ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira « Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan'ny andro fahiraika amby roa-polo amin'ny volana. » (Eks.12:18)

Io voalohambolana io koa araka izany dia dia tsy tandremana intsony satria aloka

4 Sabata, eto dia mila fitandremana ary mila alaina ny dikan-teny frantsay : Que personne donc ne vous juge au sujet du manger ou du boire, ou au sujet d'une fête, d'une nouvelle lune, ou des sabbats:

Sabbats au pluriels io (izany hoe karazana sabata maromaro) saingy tsy tafiditra ao ny andro fahafito satria ny andro fahafito dia notsindrina manokana araka ny heb.4:9 « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito vakio ny dikanteny DIEM) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb. 4:9)

Manamafy izany ny dikan-teny katolika amin'ny teny anglisy
9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,
http://www.catholic.org/bible/book.php?id=65&bible_chapter=4

Inona ary araka izany ireo sabata voalaza ireo? Tsy inona akory fa ireo karazana Sabata taona ao anatin'ny Levitikosy 25

Ireny karazana Sabata hafa ireny araka izany dia efa aloka fotsiny ihany koa....


« Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na: (tsy)] » (Kolosiana 2:18)
« ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra. » (Kolosiana 2:19)
« Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe: » (Kolosiana 2:20)
« Aza mandray, aza manandrana, aza manendry - » (Kolosiana 2:21)
« levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona? » (Kolosiana 2:22)
« Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo. » (Kolosiana 2:23)



Araka io teny io koa ireny zavatra 4 ery ambony ery ireny dia voasokajy ho fanetre-tena haitraitra (aingitraingitra= zavatra vidina lafo nefa tsy mitondra soa akory)..

Isaky ny manao paska ohatra raha araka ny baiboly dia misy zavatra maro fadina tsy hohanina toy ny mofo tsy misy masirasira sns....nefa tsy mahasoa akory izay no antony tsy nitandreman'i Jesosy sy ny mpianatra azy


Inona ny vokatry ny fitandremana an'ireny fivavahana haitraitra ireny?
1- « ka tsy mihazona ny Loha (tafasaraka amin'i Kristy) Kol.2:19
2- araka ny didy sy ny fampianaran'olona? » (Kol.2:22) « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. » (Mar.7:7)
Lasa foana ilay fivavahana eo anatrehan'Andriamanitra = toy ny tsy misy...
3 « Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo. » (Kol.2:23) Io no maha haitraitra na aingitraingitra azy misy fampahorian-tena BE NEFA TSY MAHASOA AKORY (VIDINA LAFO NEFA TSY MITONDRA SOA AKORY)
4 Ity no tena zava-doza : « Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra........» (Kol.2:18) ===> tsy hahazo ilay LOKA DIA ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY izay rehetra mbola miziriziry manohy ny fitandremana ireny rehetra ireny.....

Dia mirary an-tsika mba ho samy hotahin'Andriamanitra indray....
novalian'i RBNIR ny 01/04/2016 05:13
2. rhaj0 ( 14/03/2016 16:27)
3. rhaj0 ( 14/03/2016 16:33)
Na @ dikany teny gasy gilobaloba (ahitsiio raha tsy tiatianao ity arosoko)

Ny Pasaka, @ teny anglisy hoe Easter, dia fankalazana an'i ISHTAR, izay Andriamanitry ny fiterahana sy ny fananahana t@ Asiriana sy Babiloniana. Ny fanehoana azy, toa ny atody amam-bitro, dia fanehoana ny fiterahana sy fananahana. Rahefa nivadika ho Kristiana ny firenembe, fony Emperora Constantine, dia lasa nanehoana an'i Jesosy indray ny Ester (na Pasaka). Fa raha zohina ifotony, dia maneho ny fankalazana ny fiterahana sy ny fananahana ny Pasaka.

Dia hoe, izay tsy tia an'io zava-misy marina io, dia afaka manebaka @ izay :-)
4. endriny ( 15/03/2016 05:42)
Atra aloha tsy miandry na inona na inona amiko satria vao torotoronina aho dia efa hainy ny momba ahy sy ny handehanako e... Sady Atra hono tsy miandrandra zavatra tsy lavorary izany sa moa diso indray io?
5. RBNIR ( 15/03/2016 07:04)
Ireto no teny manaporofo fa efa foana tokoa ny fitandremana ilay paska fahiny (andro firavoravoana)

« ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. » (1 Kor.5:8)

Tsy amin'ilay masirasira ela....« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol.2:17)

Aloky ny zavatra ho avy ilay paska fahiny.....fa ny tenany kosa sia Kristy (« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Kor.5:7)

Ireo no manaporofo fa tsy tandremana intsony ilay paska fahiny.....

Tadidio fa ny fitandremana ireny dia « Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra........» (Kol.2:18)....
Tsy hahazoanao ilay loka na ny fiainana mandrakizay.....




6. endriny ( 15/03/2016 15:16)
Ny paska ange tsy fetin'ny Kristianina aloha e... fetin'ny Jiosy Paska, ilay andro nitany ny ranomasina mena..

Ny An'ny Asiria indray io efa volaza etsy ambony io, fetin'ilay Atra vehivavy niteraka an'ity Atr'Israely tompoinao ity (Ashera na ISHTAR hoy I Rhaj0).

Fa mba maka tahaka ny kristianina toa ny hoe krismasy koa e
7. RBNIR ( 16/03/2016 08:09)

endriny:

Ny paska ange tsy fetin'ny Kristianina aloha e... fetin'ny Jiosy Paska, ilay andro nitany ny ranomasina mena..

Marina, karazana fetim-pirenena (fahafahana) ny paska.......
8. rhaj0 ( 16/03/2016 12:20)
toa fetin'ny fananahana fa TSY fahafahana kouh...

ka printemps ny andro dia "nateraka indray" ny zava-drehetra...


Dia torak'izany koa ny krismasy, fetin'ny fahavokarana... @ fin automne..


Dia nosavihany sy notaingenan'ny kristiana ny fetin'olona, ary dia nohozonin'i Jesosy izay TSY manaraka ny reviny ka mbola manaja ny fetin'ny razany,
9. RBNIR ( 16/03/2016 13:40)
Raha oharina amin'izao fotoana izao dia ny paska no fetim-pirenen'ny vahoakan'i Israely,
Fety noho ny fanafahana ny Israely tsy ho andevon'ny Egyptianina intsony.

Ka tokony ny Israelianina ireny no mifety an'io farafaharatsiny noho izay antony izay, nefa i Jesosy dia tena efa nanao tsinontsinona an'io satria ny daty tsy notandremany, ny tsy fihinanan sy tsy fisotroana , nosotrony sy nohanininy sns...ka asakasak'izay te hanao fety e!!! Ny tena loza ange hoy aho dia tsy hahazoana loka ny fanaovana an'izany e!!!
10. rhaj0 ( 28/03/2016 18:37)
RBNIR:
nefa i Jesosy dia tena efa nanao tsinontsinona an'io satria ny daty tsy notandremany, ny tsy fihinanan sy tsy fisotroana , nosotrony sy nohanininy sns...ka asakasak'izay te hanao fety e!!!

i RBNIR izany anie ka mamoromporona tantara (valamaty comme d'habitude) eo fotsiny, ka hoe "tsy notandreman'i Jesosy ny Paka". Mandehana vakio eraky ny interinety (eto ohatra), fa ny Paka mihintsy no nankalazain'i Jesosy, ary inty mihintsy azany ny vavolombelona naka sary :-)




entre-pa fa mampihomehy (ahy) ho'a ity sary eee... hotry ny miondrika, asa mijery foatra daholo ireto lehilahy.. Fa maninona loatrany azany ny foatrany ee ??

midongodongona mitsangana ao ambanin'ilay robe-ny aby io angambany ilay zavatra, dia fankafizana collective ity atao-ndreo... Dia jereo tsara fa bandy iray fotsiny amin-drizareo no tsy mijery foatra.. Tena ilehio angambany no Jodasy.. Hoe ilehio TSY mba mirevy toa ny rehetra, ary dia voatondro ho mpamadika eee :-)


Ary hono ho'a... Fa mba aiza daholo kosany ho'a ny viavy ee ??? tena manavakava-tsex ireto tary ireto.. Sa zareo ireo TSY mila viavy izany, fa izy lahy samy lahy dia efa tsara ny revy..

11. RBNIR ( 30/03/2016 11:42)
Jesosy dia nihinana ny paska saingy:
1- Narosony ny daty nihinana azy (tokony ho tamin'ny andro nahafatesany vao nihinana IZY raha tena nanaja ny soratra masina
2- Izy tsy nifady fa nihinana sy nisotro nefa tokony ho nifady IZY raha ny marina...

Izany hoe efa nataony tsinontsinona ilay fitandremana ny paska fahiny satria "aloka" hoy IZY.....
12. solooo ( 31/03/2016 12:23)
Andro Paska , ankalazantsika indray fa nitsangana Jesosy ilay Tompontsika, nanehoany mivantana fa tsy manana hery Aminy ny fahafatesana, fa resy tanteraka. Ny ota izany, izay miteraka fahafatesana dia tsy afaka ny handavo Azy; ary ny ota no efitra mampisaraka antsika @ Andriamanitra , dia efa noravan'i Jesosy Kristy.
ho antsika rehetra, na mino izany na tsia , dia efa vita ny famonjena ny olona rehetra, saingy an'ny tsirairay ny safidy na handray izany (raha mino); na tsy handray izany (raha tsy mino), fa tsy mampiova ny zava-nisy ny safidinao.
Tsy maintsy ho faty raha mbola olombelona koa no karazany, ary rehefa avy eo dia hotsaraina amin'izay rehetra natao tety. Rah nino an' iJesosy ianao dia nandray Azy ary nofafany ny otanao ka nomeny fo vaovao mahay manompo Azy sy manaraka ny sitrapony.
Raha tsy nino Azy ianao, dia mazava ho azy fa tsy voafafa ny otanao, tsy noraisinao ilay fo vaovao, ka dia amin'ny fonao ihany no nohezahinao hanao ny mety sy ny tsara, indrisy anefa na dia lehibe aza ny fanirianao, tsy ahavita ny sitrapon'Andriamanitra velively ianao.
Hoy ianao hoe: dia maninona ? tsy maninona ka, anao izany fa tsy ahy, saingy nohon'i Jesosy mbola tia anao sy be famindram-po, dia mbola navelany nahita ity soratra ity ianao ho fampahtsiahivana ny rahampitso;
Dia mbola hoy ianao hoe: tsy misy n'inona na'inona intsony ao aorian'ny fahafatesana; tsy olana amiko ny fijerinao saingy tsy mahafoana ny fisian'ny fiainana aorian'ny fahafatesana izany fijerinao izany.
Ny anjarako dia ny mamafy fa izay no hafatra nomen'ilay Tompo tsara nitsangana t@ ny andro paska ho fanavotana izay rehetra matoky Azy, ka hoy aho hoe: Raiso Izy, fa tsy ny tsy mety nataonao no jereny fa ny fonao mangetaheta fiovana hiala amin'izay rehetra manandevo no takiany aminao.
Ny fifvavahana kristiana ihany no tsy mitaky zavatra ankoatrin'ny fanekenao Azy , fa Izy hivavahanao no manao ny zavatra rehetra,Tsy ohatr'izany any amin'ireo karazam-pivavahana mety ho hitanao eto an-tany. Anao safidy fa mirary paska finaritra ho anao miaraka amin'i Jesosy.
13. rhaj0 ( 31/03/2016 23:07)
RBNIR:
Jesosy dia nihinana ny paska saingy:
1- Narosony ny daty nihinana azy (tokony ho tamin'ny andro nahafatesany vao nihinana IZY raha tena nanaja ny soratra masina..

Ka tena TSY "nanaja ny soratra masina" i Jesosy izany. Bravo RBNIR :-)

Fa averiko indray ny lojikan-dRBNIR:"tokony ho tamin'ny andro nahafatesany vao nihinana IZY"

an an.. dia izany, dia tsy @ ilay hoe "teren-ko masaka toa voalobo-jaza" intsony, fa ity vao tena hoe "teren-ko favy toa resa-Baibolin-dRBNIR"

hi hi hi.. dia ianao irery ihany no mamokivoky ny tenanao ao sy ny imagination-nao ao, ka dia ifalio ao izany eeee..
14. RBNIR ( 01/04/2016 05:13)
rhaj0:

RBNIR:
Jesosy dia nihinana ny paska saingy:
1- Narosony ny daty nihinana azy (tokony ho tamin'ny andro nahafatesany vao nihinana IZY raha tena nanaja ny soratra masina..

Ka tena TSY "nanaja ny soratra masina" i Jesosy izany. Bravo RBNIR :-)

Fa averiko indray ny lojikan-dRBNIR:"tokony ho tamin'ny andro nahafatesany vao nihinana IZY"

an an.. dia izany, dia tsy @ ilay hoe "teren-ko masaka toa voalobo-jaza" intsony, fa ity vao tena hoe "teren-ko favy toa resa-Baibolin-dRBNIR"

hi hi hi.. dia ianao irery ihany no mamokivoky ny tenanao ao sy ny imagination-nao ao, ka dia ifalio ao izany eeee..

Misy hafatra ireny rhajo a! tiany ampitaina fa efa tsy tandremana intsony ny paska satria aloka fotsiny ihany....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7856